Ny finoana Kristianina sy fomban-drazana fanao ankehitrio

1. LazaRandri ( 17/09/2005 03:13)
Inona avy "araka ny hevitrao" ireo toetra na fitenenana, na koa fomba amam-panaon'ny fiarahamonina Malagasy, mifanohitra amin'ny toe-panahy Kristianina?

Atomboko amin'ny ohatra vitsivitsy:
- Rehefa avy mandevina dia mandingana afo
- Tsy manondro fasana
- Rarahina toka ny kodiaran'ny fiaran'ny mpandevina
- Tsy mianatsimo loha rehefa matory
- Tsy miasa Talata
- "Raha maty aho matesa rahavako, raha maty rahavako matesa ny alika"
- Risoriso sy kolikoly (+ marimaritra iraisana)
- Fatahorana mosavy (isaky ny misy olana dia lazaina fa "nisy namosavy")
2. pika ( 17/09/2005 05:17)
inona intsony no ho lazaina efa betsaka ireo
misy ny mifanaraka
aza ny lohasaha mangina no jerena fa Atra an-tampon'ny loha
ny fanajana ny RAD mifanaraka ny didy faha4
misy koa anefa ny mifanaraka @ resaka sciences mihitsy
tsy mahasalama oh ny mampitodika ny trano mianatsimo, na ny marory atao any ny loha
ny ravinkazo misy poizina feno eto raha tafalatsaka anaty tsy misy fika noho ireo atao hoe mpamosavy...
3. mangidy ( 17/09/2005 17:02)
[Reo zavatra rehetra ireo,dia niantomboka t@ finoana Malagasy. Satria ny olona rehetra dia manana ny fombany avokoa zay mbola tohizan'ny sasany hatrizao. Fivavahana Kristiana kosa fomba nantina taty aoriana. Satria ny olona taloha dia nahalala tsara zay hita rehetra ao @ baiboly kanefa kosa nanana ny fomba nitezana azy, ohatra: tain'omby efa nivadika dia tsisy maka intsony iny. Izany no manambara fa tsy misy maharatsy azy ny fampiasana ny fomba malagasy sy ny tenin'ny baiboly.(l)
4. sonwin ( 17/09/2005 18:32)
Ireto ny toetran'ny olona kristianina sasanymifanohitra amin'ny soatoavina malagasy:
-mitompo teny fantatra
-mihevitra ny finoan'ny hafa ho tsinotsinona
-manaratsy ny fomban-drazana
-mihatsara velatsihy
-tsy miray saina sy tsy miray fo
-lany andro amin'ny fitsikerana ny hafa


5. LazaRandri ( 19/09/2005 04:24)
sonwin a,
ny toetra Kristianina mihitsy no toa mifanohitra tanteraka amin'ny fomba gasy izay hita ny maha ratsy azy

-mitompo teny fantatra: tsy Kristianina izany fa raha Kristianina dia ny Tenin'Andriamanitra ihany.
-mihevitra ny finoan'ny hafa ho tsinotsinona: izay no maha Kristianina azy, mijoro amin'ny marina fa tsy misabaka mihatsara velatsihy toy ny mpanao politika. "Aoka ny teninareo ho eny dia eny, tsia dia tsia" hoy ny Tompo.
-manaratsy ny fomban-drazana: io dia Andriamanitra mihitsy no manaratsy an'io fa tsy avy amin'ny Kristianina.
-mihatsara velatsihy: tsy Kristianina izy raha mpihatsaravelatsihy.
-tsy miray saina sy tsy miray fo: tsy miray saina sy fo amin'izao tontolo izao. Satria eo amin'izao tontolo izao fa tsy avy amin'izao tontolo izao.
-lany andro amin'ny fitsikerana ny hafa: raha Kristianina tsy mitsikera fa manoro hevitra sy mananatra.


6. Herimiafina ( 19/09/2005 20:34)
Mahita ny resakareo rehetra aho, mitanisa toetra sy fombafomba, dia mahita fahamarinany mahita fahadisoany kely ihany koa raha eo amin'ny fijeriko no andinihina azy.

Manana fanontaniana aho:
Ireo zavatra rehetra voatanisa ireo inona kay no maharatsy azy, ary inona no mety mahatsara azy?
7. ravatorano ( 20/09/2005 11:22)
mahay mametraka fanontanian ilay ranmana io ambony io ah fa za aza fanina:oops::oops::oops::oops:
8. deghany ( 20/09/2005 15:48)
lasa laza adina ndray ty ato lé!!! aleo ialàko!! hihihihi
9. Herimiafina ( 21/09/2005 06:47)
Anisan'ny zavaboahary lehibe indrindra ny olombelona ary afaka manjaka amin'ny zavaboahary rehetra araka ny nanaovan'Andriamanitra azy.

Nomena atidoha isika mba handinika sy hisaina ary hamantatra ny marina rehetra.
Fantaro ny Teny, ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, ary fakafakao ny antony hanaovany hoe ratsy izao, ary nanaovany ny hoe tsara izao.

Ampiasao izany ny atidohanao hieritreretana fa manjary tsy manaja ny nanamboaran'Andriamanitra anao ianao, hanjakao ny zava-boahary rehetra satria izay no nanaovany anao sy nanamboarany anao.

Ataoko inona moa ny robots izay namboariko ohatra raha tsy ampiasaiko.

Hatsarao ny zava-boahary, ampandrosoy ny firenena, fa heloka lehibe eo antrehan'Andriamanitra ny tsy nahatanterahanao ny adidy izay nankininy taminao.
10. LazaRandri ( 21/09/2005 06:56)
hanjakao ny zavaboary! Ataoko angamba fa tsy midika velively izany hoe "manaova sampy" amin'ny zava-boary.

Herimiafina:
Nomena atidoha isika mba handinika sy hisaina ary hamantatra ny marina rehetra.
Fantaro ny Teny, ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, ary fakafakao ny antony hanaovany hoe ratsy izao, ary nanaovany ny hoe tsara izao.
Asan'ny Fanahy Masina izany fa tsy takatry ny sain'izay miseho ho be atidoha.
"Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo." Isaia 55:8-9
11. LazaRandri ( 21/09/2005 07:22)
Ny maha ratsy azy indray?

Kolosiana 2:8
"Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy"
12. Herimiafina ( 21/09/2005 07:39)
Misy tokoa ny filozofia ratsy ary misy ny filozofia tsara ianaran'ireo mpitondra Fivavahana rehetra ankehitriny miaraka amin'ny teolojia satria mila mamakafaka izy ireny ary mandalina ny Tenin'ny Soratra Masina mba hanamafy ny finoan'ireo zanak'ondrin'Andriamanitra, amin'ny maha-pitarik'olona azy (mpisorona).

Ny atidoha dia mila ampiasaina mba hahafahana mahafantatra ny Sitrampon'Andriamanitra ao anatin'ny Soratra Masina.

Ny Baiboly dia tsy vakivakiana fahatany toa ny mamaky boky roman fa mila halalinina, ary anisan'ny zavatra tsara ny fananana saina mandalina hahafantarana ny Sitrampon'Andriamanitra amintsika.

Andriamanitra dia mamonjy ny olona kanefa izany famonjena izany tsy omempotsiny tsy akory fa mila ezaka avy amin'ilay olona ihany koa, ny ezaka dia ny fahafantarana ny Sitrampony isan'andro ary ny fomba dia tsy ny fivavahana ihany fa ny fandalinana ny Soratra masina ihany koa. Koa ny fampiasana ny atidoha izay nanavahany antsika tamin'ireo biby no endrika tsara indrindra hanaovana an'izay ezaka mitady ny Sitrampon'Andriamanitra izay.
13. LazaRandri ( 21/09/2005 07:56)
Herimiafina:
Misy tokoa ny filozofia ratsy ary misy ny filozofia tsara ianaran'ireo mpitondra Fivavahana rehetra
Angamba amin'ny Kristianina dia ratsy avokoa rehefa tsy "araka an'i Kristy"

Herimiafina:
Ny atidoha dia mila ampiasaina mba hahafahana mahafantatra ny Sitrampon'Andriamanitra ao anatin'ny Soratra Masina. Ny Baiboly dia tsy vakivakiana fahatany toa ny mamaky boky roman fa mila halalinina, ary anisan'ny zavatra tsara ny fananana saina mandalina hahafantarana ny Sitrampon'Andriamanitra amintsika.

Tsy zakan'ny atidoha mihitsy izany fa asan'ny Fanahy Masina irery ihany


1kor1:19
Fa voasoratra hoe:"Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala"
1kor1:21
Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;
1kor1:27
fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

Herimiafina:

Andriamanitra dia mamonjy ny olona kanefa izany famonjena izany tsy omempotsiny tsy akory fa mila ezaka avy amin'ilay olona ihany koa

Sao dia tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina kosa no resahinao fa toa mivilana be? Ezaka avy amin'olona iza no afaka hisolo ny ran'i Kristy nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana? hahaha! Tsarovy fa nomeny maimai-poana anie iny e!
14. Herimiafina ( 21/09/2005 08:23)
1- Misy ny filozofia ''araka an'i Kristy'', ireo izay nampiasain'ireo Apostoly sy ireo mpaminany nifandimby taty afara.

2- Marina fa tsy takatry ny sain'ny olombelona ny Soratra Masina, ary izay no maha-Tenin'Andriamanitra azy, saingy inona moa izany no antony hamakiana ny Baiboly, ny hitoriana ny Teny araka ny Baiboly, ny hangalana ny Toko sy ny Andininy entina manohana ny hevitra. Moa va tsy efa fampiasana ny atidoha izany? Raha tsy fampiasana atidoha izany dia tsy tokony hisy ny torinteny sy ny tafika masina satria ''il suffit de lire la bible jusqu'à la fin'' dia vita ireo asa fitaizana ireo.

3- Firifiry moa ny olona mahatsapa ny hasarobidin'iny rà nalatsak'i Kristy iny? Mila ampahafantarina izy ireo fa nomeny maimaimpoana izy iny ary midika FITIAVANA lalina izany (Agape). Ka ataoko fa tsy dia rariny loatra raha zimbazimbaina amin'ny alalan'ny ota izany. Nanafatra i Kristy talohan'ny nandehanany, nampianatra zavatra maro izy ary ny ezaka dia tokony hanaraka izay isika olombelona, izay ilay ezaka takiana. Tadidio fa mbola ho avy izy hitsara ny velona sy ny maty, inona moa no ho tsarainy raha tahiny ka efa avotra daholo ny olona. Ny olona dia mety efa avotra daholo, fa ilay ezaka no mety ho tsaraina eo.



15. LazaRandri ( 21/09/2005 08:36)
2- Angamba tsy azon'i Herimiafina tsara ny manasaraka ny hoe "atidoha" (be saina) sy ny asan'ny Fanahy Masina. Hoy i Paoly: Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.

3- Ny azoko tenenina anao dia hoe "tsy misy ezaka" avy amin'olombelona afaka mahasolo na manampy ny ran'i Kristy nalatsany ho antsika. Raha mila tambiny Izy dia tsy azo lazaina ho "fitiavana" izany.
Misy dikany inona anefa moa ny fitiavana raha tsy ekena? Tsy mahasoa antsika ilay fitiavaNY raha tsy raisintsika, fa tsy hoe mila "ezaka" hamenoana na asolo azy akory, tsia!
16. LazaRandri ( 21/09/2005 08:46)
Herimiafina:
Ny olona dia mety efa avotra daholo, fa ilay ezaka no mety ho tsaraina eo.

Herimiafina a,
lava loatra ilay vakiteny tiako zaraina aminao fa raha manam-potoana ianao dia vakio Matio 20:1-16. Ho hitanao ao fa tsy miankina amin'ny ezaka na asa tsara vitan'ny olona mihitsy io.
Na niasa ilay tanim-boaloboka vao maraina be na efa takariva, samihafa ny asa vitany kanefa nandray karama mitovy.
17. juluka ( 21/09/2005 11:22)
LazaRandi >>
Raha izany dia tsy misy tena kristiana eto ambonin'ny tany satria ; ny kristiana indrindra no tena samy mifanaratsy an-toerana. Jereo fotsiny ny katolika sy ny protestanta ( Any Irland) , jereo koa ny samy protestanta, (karazana sekta b d b) iza no tena izy sy marina ?

Herimiafina >>
Marina ny voalazanao fa nomen'ilay nahary saina andinika ny olona rehetra. Ka hoy aho hoe , voadiniko tsara ilay Anganom-bazaha fa ny Malagasy mbola manana angano sy fampianarana tsara lavitra kokoa noho ireo voalaza ao anaty baiboly ireo.
18. Herimiafina ( 21/09/2005 13:18)
LazaRandri:

Misy dikany inona anefa moa ny fitiavana raha tsy ekena? Tsy mahasoa antsika ilay fitiavaNY raha tsy raisintsika, fa tsy hoe mila "ezaka" hamenoana na asolo azy akory, tsia!


Io ''Fanekena ilay fitiavana'' io ilay tiako lazaina eto hoe EZAKA (mety diso angamba ny nilazako azy teo aloha). Izany fanekena izany dia midika fandraisana ny Fanahy masina, misy mantsy ny olona efa nanidy fo noho ny antony maro ka tsy nanaiky intsony ilay fitiavana.
Andriamanitra anefa dia miantso mandrakariva ireny olona ireny ny hiverina amin'ny lalana marina ary ny Fanahy Masina miasa mandrakariva eo anilany mampiseho azy ny mahasoa ny fitiavan'i Kristy sy ny maha-ratsy ny fivilianana ho amin'ny ratsy.
Ary indray andro any ho tonga saina ihany io olona io ka hanokatra indray ny fony ka hahazo ny karama mitovy amin'ireo izay nandeha tany amin'ny tanimboaloboka vao maraina.

Manarak'izay dia ny miseho ho hendry dia ratsy satria misy ireo miseho ho hendry noho Andrimanitra, ireo mpampianatra diso, ireo mitarika ny ondrin'Andriamanitra any amin'ny lalàna diso.

Ny tokony ho izy tiako tenenina dia tsy dia izay Fahendrena diso izay entina hialana amin'Andriamanitra izay loatra, fa ilay fampiasana ny saina mba hahay hamantatra ny ratsy sy ny tsara ka hisafidy izay maha-mety azy. Avy amin'Andriamanitra io capacité de discernement io fa tsy filojofia noforonin'olombelona tsy akory. Ampiasaina izany izy io mba hahafantarana fa tsy hahatakarana tsy akory.
19. xxx ( 21/09/2005 22:38)
ny zavatra azoko lazaina fotsiny dia betsaka ireo fomba gasy no tokony tsy ho atao intsony sady tsy mifanaraka @ fivavahana. Nefa inona mo no afaka atao efa ao antin'ny toetsaina gasy ny manafangaro ireo roa ireo.
20. LazaRandri ( 21/09/2005 22:59)
xxx:

ny zavatra azoko lazaina fotsiny dia betsaka ireo fomba gasy no tokony tsy ho atao intsony sady tsy mifanaraka @ fivavahana. Nefa inona mo no afaka atao efa ao antin'ny toetsaina gasy ny manafangaro ireo roa ireo.
Dia avela hijanona amin'io toe-tsainy io ve izy? Misy afaka ataonao ihany na dia tsy mihaino anao aza izy ka: "mivavaka ho azy". :)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5364