Ny finoana Kristianina sy fomban-drazana fanao ankehitrio

21. LazaRandri ( 22/09/2005 04:52)
"Raha ny oloko nantsoina tamin'ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka, sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony; dia hihaino azy an-danitra sy hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny aho."

http://www.laza.org/eng/forgotten.htm

22. sonwin ( 25/09/2005 18:39)
Dia ahona ny fanazavan'ise an'i Jesosy nanaja sy nanaraka ny fomban-drazana?
23. LazaRandri ( 26/09/2005 00:14)
sonwin:

Dia ahona ny fanazavan'ise an'i Jesosy nanaja sy nanaraka ny fomban-drazana?

Tena zava-baovao amiko izany ry Sonwin fa mba atoroy ahy. Sa vao noforoninao io? The SonWin Translation? hahaha!

Araka ny fahafantarako mantsy dia:
1- tsy nanaraka ny fomban-drazana sy ny sampy Gasy i Jesoa.
2- tsy hoe nanaraka ny fomban-drazana koa Izy fa nanaraka sy nankatoa an'Andriamanitra Ray.




24. sonwin ( 26/09/2005 07:11)
Nanaraka ny fomban-drazana Jiosy izy dadaPasi a!8)
25. xxx ( 26/09/2005 09:45)
sonwin >>>
le izy anie tsy vitan'ny hoe "Nanaraka ny fomban-drazana Jiosy Izy dadaPasi a!" fa mba tsara sy hamarinina aloha ilay Izy fa sao tsy nanao an'izany akory ka manendrikendrika Azy eo fotsiny ianao :x
26. sonwin ( 26/09/2005 10:57)
8)nanao izy ka, araho tsara fa nanomboka tamin'ny fahazazany ka hatramin'izy nalevina dia nanaja hatrany ny fomban-drazana jiosy izay fiaraha-monina nisy azy.Nareo mahay toko sy andininy baiboly ireo indray ve no hatoro an'izany e:°)
Fa ny hevitry ny teny hoe fomban-drazana koa angamba no tokony halalininareo aloha fa raha vao io teny io angamba dia heverinareo fa hoe ratsy:-P
Zay klou radadapasi sy xxx fa hande hihaino vakodrazana kely zao^o
27. LazaRandri ( 26/09/2005 23:04)
sonwin,
aoka isika tsy hamoron-dainga na hanitatra.

- Hamafisiko indray fa tsy fomban-drazana no nankatoavin'i Jesoa fa ny sitrapon'Andriamanitra Ray. Na dia niantefa tamin'ny ainy aza ilay fankatoavana dia notanterahiny satria tia antsika Izy: "Kanefa aoka ny sitrakao ry Ray no ho tanteraka fa tsy ny ahy".
- Raha niray petsapetsa tamin'ny fiarahamonina nisy Azy i Jesoa dia tsy nenjehin'ny olona. Noho ny fanarahany an'Andriamanitra Ray, sy ny tsy firaisany tsikombakomba tamin'ny fiarahamonina no nankahalan'ny olona Azy.
- Ny fampianarany dia nifantoka tamin'ny fanarahana an'Andriamanitra, izay tsara lavitra noho ny razana.
28. LazaRandri ( 27/09/2005 01:18)
L'express de Madagascar androany:

Lexpress de Madagascar androany:
Mahajanga - Le fitampoha, des jours de fête et de liberté
Au nord-ouest, la cérémonie du bain des reliques royales est devenue prétexte à des échanges sexuels débridés.


Mahagaga ahy ilay voasoratra hoe "est devenue" kanefa efa izay foana ny zava-nisy hatramin'izay.
29. sonwin ( 27/09/2005 08:10)
Tsy misy mamoron-dainga eto ka, fa samy manana ny interpretation-ny amizay voasoratra ao anaty baiboly:lol:, raha tsy izany ve hisy karazana antokom-pinoana maro be, de mba manana ny fahitako azy koa za:)
Ka amiko dia nanaja fomban-drazana jiosy i Jesosy, aminao izy tsy nanaraka, dia izay zany, samy manana ny heviny isika

Za koa mba gaga aminao gaga nahita ilay voasoratra:-@
30. sonwin ( 27/09/2005 11:37)
L'express de Madagscar androany:

Antalaha
Tsy hita popoka, nanomboka ny zoma lasa teo, ilay pasiteran’ny Fjkm Antalaha. Tsy niala sasatra, tsy nanao fampandrenesana tamin’ireo biraom-piangonana tao an-toerana ny amin’ny handaozany kely ny fitandremany, fa dia namotoka fotsiny izao. Nihahaka tao ny mpiangona sy ny raharaham-piangonana rehetra. Raha ny vaovao azo dia voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bola tao am-piangonana ity pasitera ity, indrindra tamin’ireny fanampiana nomen’ny malala-tanana ny faritr’Antalaha ireny


Mahagaga ahy ilay hoe "fanidikodinam-bola" nefa zavatra efa fahita foana izany hatramin'izay.
31. ari.malala ( 27/09/2005 11:48)
LazaRandri:

Herimiafina:

Andriamanitra dia mamonjy ny olona kanefa izany famonjena izany tsy omempotsiny tsy akory fa mila ezaka avy amin'ilay olona ihany koa

Sao dia tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina kosa no resahinao fa toa mivilana be? Ezaka avy amin'olona iza no afaka hisolo ny ran'i Kristy nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana? hahaha! Tsarovy fa nomeny maimai-poana anie iny e!




nomeny maimaim-poana tokoa, fa ianao v ry LazaRAndri zany tsy hanao ezaka mintsy hitandroana izay fahasoavan'ny fanavotana izay fa d hoe efa nahazo maimaim-poana ah ty ka d zay zany! nyezaka tina ambara eto raha za manokana d ny fiezahanao hanao ny tsara hatrany hitazona ny fahadiovanao t@ ilay Ra sarobidy nalatsaky ny Tompo hanavotana anao! eny mila ezaka tokoa avy @ olona ny hahavonjy azy! satria marina fa tonga hamonjy sy hanavotra ny mpanota very lalana i Kristy saingy refa le ol mpanota no miseho ho b saina sy tsy miraharaha, afaka hanao in eo anoloan'ny safidiny moa i Kristy?

32. LazaRandri ( 27/09/2005 22:32)
Sonwin,
- aminao nanaraka ny fomban-drazana i Jesoa?:)
- amiko...asa...izaho tsy hanao "interpretation" :)
- amin'ny Baiboly nanaraka ny Tenin'ny Rainy Izy:)



Ari.malala,
Hoy ianao hoe, "eny mila ezaka tokoa avy @ olona ny hahavonjy azy!".

TSIA! Ny olona mievitra toy izany dia manda ilay famonjena nomem-potsiny. Sanatria sahala amin'ny hoe, "tazomy ho anao ny anao ry Jesoa fa izaho koa mba afaka miezaka ihany ahavonjy ny tenako". Ary dia foana ho azy ilay hazo fijalian'i Kristy.
Tsy misy olona mahadio ny heloka vitany na dia kely monja aza
33. sonwin ( 28/09/2005 14:39)
tsy hanao "interpretation ve enao?":), ka ianao milaza hoe tsy nanaraka fomban-drazana izy io dia efa "interpretation"
Fa nanaja tsara mihitsy izy ka, 30taona mahery ve izy niana tao foana dia tsy hanaja fomba:lol:
34. sonwin ( 28/09/2005 18:19)
Gaga indray aho nahita ito tao amin'ny La Gazette:

Nahazo fahafahana vonjy maika Pasteur Ra-Jim
Tsy mety ho tapitra ny tantara mitohin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Afera hafa indray mantsy no natrehan’ireo fiangonana tarihin’i Pasteur Ra-Jim, omaly, teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy. Voampanga ho nanivaiva ny vadintany iray raha nanatanteraka ny asany ity farany, no anton’izao.


Mahagaga e!:°)
35. sonwin ( 28/09/2005 18:28)
Ito koa mbola misy mahagaga ry LazaRandri an, hitanao amizao fa tsy ny fomban-drazana ihany no mahagaga fa...miara-mamaky isika:lol:
“Tsy omen’ny katolika ny protestanta intsony hono ny trano fivavahany !”. Izay no vaovao farany, izay heno avy any “La Réunion”, momba ilay raharahan’ny fiangonana protestanta niseho tatsy amin’io nosy rahavavy io. Raharaha, raha tsiahivina fohy, izay mifandraika amin’ny famindran-toerana ilay pasitera any an-toerana, hody aty an-tanindrazana. Ny pasitera Rakotomanana Haja Rolland izay efa efa-taona izao no nitandrina tao amin’io fiangonana ao “La Réunion” io. Tonga tany Saint-Denis tokoa ary ny pasitera iray hafa, Randriamora Max, izay voalaza fa iraky ny mpiandraikitra foiben’ny FJKM eto Antananarivo. Tonga mba hanatanteraka ny didy noraisin’ny foibe, tamin’ny 11 marsa avy amin’ny alàlan’ny “e-mail” fotsiny, momba iry famindran-toerana iry. Kanjo, raha iny saika hikabary ao am-piangonana momba izany didy izany iny mihitsy izy io, tsy nitsaha-nihiram-pivavahana ny mpiangona rehetra. Hany ka tsy afa-niteny ingahy pasitera. Dia tezitra nisafoaka sady nampitandrina ireto mpivavaka izy : “raha tsy mitsahatra ny mihira ianareo, dia ho hitanareo izy”, hoy izy, araka ny tatitra nataon’ireo mpivavaka. Inona tokoa fa dia indreny polisy renione maro no tonga avy hatrany teo am-piangonana teo.

Mbola tao amin la gazette ihany io...dia aza gaga intsony ianao fa manjary avoakako eto daholo ny tohiny....
36. LazaRandri ( 28/09/2005 23:58)
sonwin:

tsy hanao "interpretation ve enao?":), ka ianao milaza hoe tsy nanaraka fomban-drazana izy io dia efa "interpretation"
Fa nanaja tsara mihitsy izy ka, 30taona mahery ve izy niana tao foana dia tsy hanaja fomba:lol:

Asa raha hainao ny maha samihafa ny hoe "interpretation" sy ny "fait" na tsia.
Hainao koa ve ny mahasamihafa ny hoe "Tenin'Andriamanitra" sy fomban-drazana"?


sonwin:
Fa nanaja tsara mihitsy izy ka, 30taona mahery ve izy niana tao foana dia tsy hanaja fomba:lol:

Sonwin a! Mivavaha fa mitady ampiasain'ny devoly ianao. Sahala amin'ny miteny ianao hoe 30 taona mahery ve izy niaina tao foana dia tsy nanota toy ny rehetra?

37. booboo ( 29/09/2005 09:59)
raha ny fantatro dia Jehovah niteny t@ Mosesy oe zao avy fombafomba ataonareo mianakavy refa misy tranga ôtra zao sy @ vanim-potoana ôtra zao ( famorana, paska, pentekôty, sabata, ...)nefa Jesoa nanaraka an'ireo koa.

inn kay no atao oe fomban-drazana @ LazaRandria ? ny atao oe razana ?
38. sonwin ( 29/09/2005 11:25)
booboo>isaky nisy fanotaniana tiako hapetraka dia voalazanao foana:lol:

LazaRandri> fa iza milaza aminao fa tsy mivavaka za?
Za koa olona tsy de mahay zay fa azavao ny mahasamy hafa ny interpretation sy ny fait dia azavao ihany koa ny atao hoe tenin'Andrimanitra sy fomban-drazana.Dia iza izany devoly mitady hiasa aminao izany?:P
39. mamzelkely ( 29/09/2005 12:32)
tanjemo zany ry sonwin fa mitady hidiran devoly enao...

LazaRandri< Jesoa dia iaraha manaiky fa zanan'Andriamanitra fa izy kosa anefa dia tonga teto antany ka naka endrika olombelona satria naterak'i Maria izy donc azo lazaina fa nanaraka fomba roa izy dia fomban'olombelona sy ny fomban'Andriamanaitra
nanaraka ny fomban'olombelona izy tamin'ireo fanajany ny fombandrazana maro tao amin'ny tany nipetrahany: nakany ampiangonana, nisakafo...(vazivazy io an...)
nanaraka ny fomban'Andriamanitra kosa anefa izy tamin'ny alalan'ireo fahagagana maro nataony ...

no izany dia azo lazaina fa nanaja ny fombandrazana izy ra ts hoe angaha ny fombadrazana lazainao de ny an Gasy ihany zay njay de hafa...:°)
40. LazaRandri ( 29/09/2005 14:21)
Booboo,
Efa hitanao soritra ihany ilay fahamarinana dia novainao indray :)

1) Raha hafatra avy amin'i Jehova Andriamanitra dia Tenin'Andriamanitra Ray izany no narahin'i Jesoa fa tsy "fomban-drazana".
2) Ahoana moa i Jesoa no lazaina fa nanaraka fomban-dRazana kanefa Izy efa nisy talohan'ny razana? "Fony mbola tsy ary Abrahama dia efa Izy aho" Hoy Jesoa - "Izaho no alfa sy omega, ny fiandohana sy fihafarana"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1123