Ny finoana Kristianina sy fomban-drazana fanao ankehitrio

41. booboo ( 29/09/2005 14:55)
sonwin > ao fa andrasako ho ingahy ndray no hametraka lé fanontaniana manitikitika velona ny lohako io ! hihihihihihi
42. sonwin ( 29/09/2005 15:39)
Fa i Jesoa tamin'ny tety an-tany nge ka tena olombelona e, ohatra izao Davida razambeny, etc...dia tanisaina aby izao razan'i Jesoa amin'ny maha-olombelona azy izao, dia tsy nanana ny fombany ve ireo razany ireo?
Fa na izany aza, inona aminao ny atao hoe fomban-drazana? dia ratsy ve izy io aminao?
43. scorpion ( 01/10/2005 19:26)
Mt.1,1-16
44. LazaRandri ( 01/10/2005 21:12)
Sonwin,
Io efa voalazan'i Booboo io fa hafatrafatra avy amin'Andriamanitra ilay izy. Izany hoe Tenin'Andriamanitra fa tsy "fomba" noforonin'ny "Razana". Hamonjy no nahatongavany tety fa tsy hoe Izy Andriamanitra indray no tonga nanaraka ny "fomban'olona" Sonwin a! Raha tsy izany tsy noelohin'olona ho faty Izy :)
45. sonwin ( 01/10/2005 21:44)
zany ve:), ie fa nanaja fomban-dRazana jiosy Izy:wink:
46. boubounezy ( 18/10/2005 21:17)
zany hoe ny nahatonga anizany dé tsika malagasy talou dé lé lazainy vazah hoe: (animiste) tsy nisy finona A/tra fa nanompo sampy, dé refa tonga ry ny kristiana nanoro antsika ny teny masina dé lasa kristiana isika, fa na zany aza; zany tsy nahafona ny mpanao ody gasy sy ireo fombatsika talou ireo, dé lasa mino2 fona zany tsika refa tsy tena matoky an A/tra. fa ho any mino io ndray alou dé mandaitra fa @ tsy mino otrana zany, dé itako tsy mandaitra @ko fa to mifitotra ho azy any @ lé oul fotsiny ny ataony


LazaRandri:

Inona avy "araka ny hevitrao" ireo toetra na fitenenana, na koa fomba amam-panaon'ny fiarahamonina Malagasy, mifanohitra amin'ny toe-panahy Kristianina?

Atomboko amin'ny ohatra vitsivitsy:
- Rehefa avy mandevina dia mandingana afo
- Tsy manondro fasana
- Rarahina toka ny kodiaran'ny fiaran'ny mpandevina
- Tsy mianatsimo loha rehefa matory
- Tsy miasa Talata
- "Raha maty aho matesa rahavako, raha maty rahavako matesa ny alika"
- Risoriso sy kolikoly (+ marimaritra iraisana)
- Fatahorana mosavy (isaky ny misy olana dia lazaina fa "nisy namosavy")



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6372