Ahoana ity fikambanana White Revolution ity.

1. Herimiafina ( 16/09/2005 04:31)
Zava-nitranga tato ho ato taty amerika avaratra. Misy mouvement antsoina hoe ''White Revolution'', avy any amin'iny faritra frontière Canada-USA iny ary dia mandrahona ny hamono ny mainty rehetra, mametraka trakta etsy sy eroa mi-sensibiliser ny fotsy hoditra tsy ho tia mainty. Mouvement mifandray amin'ny Ku Klux Klan hono izy io ary dia atahorana tokoa noho ny pouvoir hananany.

Misy efa mahafantatra ve?
2. Kotity ( 16/09/2005 10:24)
Ianao aloha dia isaorana mintsy fa de mahafatra-po manome vaovao e,
za aloha mbola tsy mahafantatra ny momba izany fa za sur fa ianao ihany no hanome ny fanazavana misimisy eto
3. fijo ( 16/09/2005 19:10)
enao rakotity tena blagy an.
4. maditra ( 16/09/2005 20:12)
Zah alou mbola tsy naheno izany fa raha tena misy tokoa dia minoa ahy enao fa tsy mampatahotra akory izany. Izay mpikambana ao ihany no hatahotra hovonoin'olona eo.
5. fijo ( 16/09/2005 20:37)
izay mihintsy letsy e.samy tanana io ka aleo hifanao eo e
6. Kotity ( 17/09/2005 17:30)
fijo an, za tsy mi blagy aty @ fiaraha monina zany
7. Veloo ( 19/09/2005 17:34)
Heri a za aloha mbola tsy naheno ko e.. fa izao tsy afa manotra ireo satria ny gouvernement tsy ahamela an-drizareo hanao an'izany... Aty aloha dia feno militia etc.... fa tsy afa manotra e
8. Herimiafina ( 19/09/2005 21:09)
Ka hitanao ny maha-dangereux azy: lasa miafina ilay racisme dia sarotra ny miady aminy. Ianao tsinona tsy afaka mitory raha tsy zavatra efa hita mivandravandra.

Izaho izao tsy sahy miampita arabe alina intsony raha toa ka mamdeha irery, na mandeha amin'ny quartier maizimaizina.

Tsy hainao mihintsy kou, ireny punk sy gothic ireny ary mba tsara fanahy kokoa fa tsy maninoana anao izany, mba miresaka, fa misy olona tena tsy ampoizina mihintsy mamely tampoka.

Nisy boay kely mainty voadaroky ny batte de base ball raha iny nidina ny bus iny indray alina izay, taty vao il ya qlque mois izay.
9. Veloo ( 19/09/2005 21:16)
ayayaya mampalahelo zany fa angaha tsy misy ny polisy manao filaminana na alina azy,securite eeee
10. Herimiafina ( 19/09/2005 21:37)
Misy ihany fa ireny koa aza indraindray, le mandeha mody avy mibaosy iny izaho dia arahan-dry zareo moramora avy ato aoriana koa.

Tsy dia atokisako loatra koa izy ireny e.

Miandry bus aho amin'ny 10h00 dia mandalo ny voiture de patrouille iray. Mody mandeha miadana eo anoloako, dia lasa dai manao demi-tour any ambadika any dia miverina eo anoloako indray, dia toy izany hatrany mandrampiakatro ao anaty bus.
11. cutie ( 19/09/2005 22:34)
sao de mahamahana aza nareo :D
mety zavatra hafa zay no jeren-dry zareo
12. Herimiafina ( 19/09/2005 22:50)
Za manana an'izay instinct tsy haiko izay ny fiaviany ry cutie an. Tena mandreraka be ahy mihintsy io instinct-ko ka zarako aza hanjavona any fa mahalasa parano be ilay izy.

Fa tsy indray mandeha fotsiny io resaka polisy io no nitranga fa efa maromaro izay ary efa nanaovako pari tamin'ilay akama gasy izay mihintsy hoe:

Indray andro niandry bus alina zay mitsamy, dai nisy voiture de patrouille nandalo, ny polisy iray mody tsy mijery, ny iray indray mody mitongilana kely mijery tsara sady miafinafina. Dia avy eo lasa, notadidiko ny numéro an'ilay izy.
Dia hoy aho mantsy ilay akama hoe $20 fa iny voiture de polisy iny mody mandeha any dia miverina eto dans 5 minutes. Dia vohako 20dollars nedala tamin'izay fa niverina tokoa ilay izy sady mody nandeha moramora.
Dia mbola notohizana ihany, $10 indray hoe hiverina fanintelony ilay polisy, dia mbola vohako ihany ilay akama fa niverina fanintelony indray sady mangata-maso be mihintsy, farany tsy naharitra dia nijanona dia nanontany hoe avy aiza ianareo dia hoa aiza?

Nisy andiana mainty malaza mpangalatra fiara izay mantsy taty e, dia rehefa maintsy dia lasa suspect daholo.
13. cutie ( 19/09/2005 23:00)
ka manana maso aza ry zareo ka tsy hijery ve :-D
tena enao mitsy no mahamahana :-D
14. Herimiafina ( 20/09/2005 05:15)
Mampamahamahana mihintsy fa tsy hita e. Inona ary ny fanafodin'ity mahita volana alohan'ny biby ity hoy ianao?:-D:-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 20/09/2005 05:16)
Sady polisy vavy daholo ilay izy an.:-D:-D:-D:-D
16. cutie ( 20/09/2005 14:23)
omeo tsiky de ampy ry zareo de vita e :-D
17. Herimiafina ( 20/09/2005 23:27)
Tsy samboriny fotsiny fa sady haolany.:-D:-D:-D
18. cutie ( 21/09/2005 03:05)
de any enao zany kou :-D
19. Herimiafina ( 21/09/2005 06:09)
Volontier madame.:-D:-D:-D:-D
20. Veloo ( 21/09/2005 17:07)
ory hery a ity misy fanontaniana mba ahona aloha ny fiakanjonao e? mety izany no mahatonga ny polisy vavy mijery anao fona....:?::?::?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3535