Fanaovana vakisiny any Dago. Misy hevitra ambadika tokoa ve?

1. Herimiafina ( 16/09/2005 03:57)
Zava-nitranga tany Nigeria izy ity no tena marina saingy somary hitako soritra kely tany Dago tamin,ireny fanaovana vakisiny ny ankizy any ampianarana ireny.

Maro ny RAR tsy nanaiky fa efa vita vakisiny hono ny zanany nefa dia tsy maintsy natao izany.

Ny antony dia satri misy siosiondresaka toa izao:

1- Endrika vaovao hanenana ny isan'ny mponina any amin'ny tany mahantra ireny fanaovana vakisiny ireny satria ny zaza natao izany dia estimer-na tsy haharitra mihoatra ny dimy taona ao aorian'ny nanaovana vakisiny azy.
2- Vakisiny mbola tsy ary fomba izy ireny fa mbola eo amin'ny stade fanandramana ka ny tany mahantra no forcer-na hanao izany ary ny dokotera any no asiana manao rapport avy eo momba ny zavatra nanjo ireo vita vakisiny aty aoriana.

Mitombona ve izay sa dia ilay zaza somary marary kely aorian'ilay vakisiny no nisy nandika ratsy, toa ny tany Nigeria.

Normale be mantsy raha somary manavy ny ankizy rehefa avy natao vakisiny nefa dia nadikan'ireto nigeriana fa nopoizinina ny zanany fa narary.
Ahoana ny hevitrareo.
novalian'i pitchou ny 20/10/2005 03:27
2. Kotity ( 16/09/2005 10:05)
Ilay voalohany misy marina ihany fa izao: tsy hoe maty ilay zaza fa kely ny pourcentage ahafahany miteraka, zany hoe raha afaka miteraka betsaka ny olombelona tsi11 ny an'ilay zaza vita vaksiny kosa dia mety ho 1 raha misy.Ady amin'ny fahantrana mintsy le izy , fa tsy rariny.Diniho tsara fa ny fianakaviana mahantra no cible @ ireny, ny manankarena mantsy manana dokotera privé, ka tsy hiasa saina @ zany sady tsy ho azonao @ zany mintsy koa izy e!
Enga anie ka tsy hisy tsony ny AVA fa ho lany tamingana eto ny malagasy kely.
3. agoago ( 16/09/2005 14:22)
Dia ho adala ve ny Misiteran'ny fahasalamana raha hampisy olana ohatrizany eritreritinareo izany ny fanaovana vaksiny.Raha sendra hoe misy zavatra tsy voatandrina tokoa (fitehirizana) no mety hitera-doza ny vaksiny.
Tsy mpiasan'ny fahasalamana aho, ny fahalalako ny nanaovana ny campagne ngeza be ny vaksiny.Dia ny hamongorana ny tsimok'aretina.Satria misy sarangan'olona araka ny voalazanareo tsy mahavidy vaksiny.Ho reserve gremes foana izany ireny.Misy tokoa ny tsaho ta@ nanaovana, mbola atao moa ilay izy izao ny campagne.
Ilay izy nentanina ny ray amandreny hanao vaksiny ny zanany.Hanatona ny tobimpahasalamana na ny fokontany, misy koa equipe nadeha tany antsekoly.Tsy noterena fa nanontaniana raha mamela ny zaza atao vaksiny ny tany antsekoly.
Afaka antaonany ho hita eo raha tena mitombina tokoa aloha ny ahiahy ny sasany.
4. adidy ( 16/09/2005 16:02)
Herimiafina: marina ny eritreritrao hoe sao hanaovana fanandramana indray ny mahantra, fa raha ny fanaovana vaksiny eto an-tanàna aloha araka ny faitako azy dia izao:
isan'ny ezaka lehibe efa mba vita eo @ fitsaboana izy io, nandaniana vola ny fanaovana campagne, dia zava-dehibe tokoa ho an'ny ankizy, sy ho @ éspérance de vie izany, ka tokony ho tohanana ny ezaka ary miady @ ilay honohono hoe sao vao maika mankarary
Azavaina tsara @ RReny ny tombon-tsoa ho an'ny ankizy indrindra eo @ aretina toa ny polyomyélite izay hita ny fahasembanana aterany(handicap fonctionnel).
Azavaina @ RReny mialoha ny mety ho fanaviana etc..
Matetika ireny campagne de vaccination eny ambanivohitra ireny dia ONG international toa ny Unicef no miandraikitra azy, dia zava-dehibe koa izany.
Maro ny tokony harenina @ fitsaboana fa misy kely efa mba metydia tokony tohanana (ahiratra).
Ilay vakisiny tany Nigéria tsy haiko hoe aiza ny article misy an'ilay izy(référence ) dia jerevako.
5. fijo ( 16/09/2005 20:27)
herimiafina na,atyfrantsa anie ny zaza ka tsimaintsy manaraka ny plan ny vakisiny e.dia atao koa hoe andrana ve?
6. Veloo ( 19/09/2005 19:53)
io lazain'i agoago io no mba manitikitika ahy.
ie wa ny Ministeran'ny fahasalamana kkosa ve wa dia tsy mba mijery an'izany raha misy. tssssss tsy tonga dia iny ministra io no vonoina raha izany no miseho? Ataoko fa tsy hisy an'izany an'ny dago kle tena mampatahotra zany.
7. Herimiafina ( 19/09/2005 20:53)
Tsara tokoa ny vakisiny, ary deraina ny ezaka vita, saingy mbola maro koa ny resaka miodina ao ambadik'izay, tsy hay na fondée ilay izy na siosiondresaka avy amin'ny fanitarana ataon'ny olona sasany.

Tsara ihany nefa ny manadihady ka ny tokony hatao dia ny mitaky transparence any amin'ireo service de santé mpanao vakisiny, droit-nao izany satri milalao ny fiainan-janakao ianao.

Fijo: na aty Dagoa za toa misy an'io koa satri tamin'izaho nanao visa dia mila dossier medical rehetra miaraka amin'ny vaccination, dia mbola notahirizin'i mamanay tao ny ahy.
8. Veloo ( 19/09/2005 21:10)
hery a n'aiza n'aiza halehanao mila carte de vaccination doly :wink:
9. Herimiafina ( 19/09/2005 21:33)
Ie fa iny ndray anie lié amin'ny voyage e. Fa ilay carnet de vaccination kely depuis la naissance iny izany resahako izany.
10. Veloo ( 21/09/2005 17:00)
ka efa oe zany ko na aiza na aiza alehanao, ny mianatra etc... dia ilaina fona ny carnet de vaccination ko ny ahy mbola ato amiko ato fona :roll:
11. pitchou ( 21/09/2005 17:54)
tantaraiko zavatra mahafinaritra mikasika ny vakisiny nareo:

nisy vakisiny izay nasain'ny dokotera nataoko (fanindroany izany no nilaina nanaovako an'izy io) fa tsy misy hevitra mihitsy hono ny hi-maîtriser le zavatra fa aleo atao an'io! tao @ institut aho satria io izany no instance afaka mi-delivrer sy manao an'io vakisiny io, ankoatry ny institut pasteur! d tonga tao d hoe rupture d stock fa mankanesa any @ institut pasteur, d nomeny soa aman-tsara ny anaran'ilay dokotera tokony hatoniko. Rehefa avy nanazava ny anton-diako t@ ilay radoko vazaha aho d nitsangana kely izy d nanao tour ny biraony d nanontany hoe efa nanao an'io vakisiny io ve enao. Eny hoy aho fa fanin2 izao. T@ 10 taona lasa no nanaovana ny voalohany. D hoy izy nisafosafo loha:x: tsy izany manko fa efa ela io vakisiny io no tsy azo nampiasaina intsony ... d nazavainy ny antony! saika tsy tafatsangana teo ambony seza aho naheno ilay izy:cry:! ary tsy tao an-tsaiko intsony akory ny hanontany izay mety azo hasolo azy!

d toy izany izany ny fomba filalaon'ny dokotera ny ain'olombelona eto!:evil:
12. Veloo ( 21/09/2005 18:21)
ayayaya loza zany kle.. ka inn aloha ilay vacs e?
13. Herimiafina ( 21/09/2005 18:24)
Eny wa ry Velo, inn le vakisiny sao de....
14. Veloo ( 21/09/2005 18:29)
ary enao ty ve ry hery tsy miasa na mianatra fa ato fona a? :-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 21/09/2005 18:32)
Ito ny asako zao ko, tsisy karama afa-tsy ny mahita balibaly maso:-D:-D:-D:-D

Ary njy kou to ato foana, voaroaka angaha?
16. Veloo ( 21/09/2005 18:34)
ie nohon'ny ataon'njy ihany no nahavoroka ahy :-D:-D
to lasa tsaty ny hafarany :roll::roll:
17. Herimiafina ( 21/09/2005 18:39)
Andao ary hiara-hiasa ato e. Efa nasiako provision bedabe mintsy ato antranoko ato amzay tsy mivoaka intsony pmandritsy ny herintaona. Anhdao hifindra aty aminay e.:-D:-D:-D:-D
18. Veloo ( 21/09/2005 18:49)
tssssssss iza ko no ande any magantsika be any @ nareo. zay zao aty mbola misy ny 85 degre kle :P:roll:
19. pitchou ( 21/09/2005 19:06)
veloo> anontanio an'i herimiafina aky fa izy dokotera v tsy hahalala ny vaksiny naato a!:D
20. Veloo ( 21/09/2005 19:12)
pitchou :-D:-D:-D tsy ratsy ndray iny retsy a:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1396