serasera in english

1. tsangana ( 10/09/2005 19:12)
Koa satria efa miparitaka ny malagasy ary efa maro no monina any amin'ny tany mampiasa teny anglisy,dia tsara raha mba misy toerana eto ammin'ity fihaonana ity.
Misaotra e
novalian'i Veloo ny 22/03/2006 02:17
2. sipagasy ( 10/09/2005 20:20)
miarahaba an'i tsangana aloha e!

Ity takelaka ity no natao dia natao indrindra hifaneraseran'ny malagasy ary mazava koa ny fitsipika mifehy ato fa hoe natao @ teny malagasy ranoiray ity takelaka ity.

Misaotra indrindra
3. Herimiafina ( 10/09/2005 20:57)
Andao ary asiana style vary amin'anana teny anglisy kely hoe jerena raha mety?

4. sonwin ( 10/09/2005 21:22)
rice amin'anana
5. nanourand ( 10/09/2005 22:41)
saliii...
fa angaha raha mipetraka any @ tany miteny anglisy ilay malagasy dia lasa tsy mahay miteny malagasy intsony????
ary raha izany naninona no tsy nasiana takelaka @ teny frantsay satria ny 50 isan'jaton'i mpikambana eto angamba araka ny fandinihako dia any frantsa daholo no mipetraka, ary maninona no tsy nasiana t@ teny italiana, satria raha mandinika tsara i tsagana dia ny webmaster dia any italie??? dia angataka koa ny avy any magrebiana rehetra hoe asivo takelaka miteny arabo koa? dia zah avy aty congo zao dia hiteny koa hoe asivo takelaka miteny hutu!

angataho ihany aloha ilay hevitra raha hanaiky ny mpandrindra e; nefa mba jereo ihany aloha ny logika vao miteny

6. nanourand ( 10/09/2005 22:43)

7. nanourand ( 10/09/2005 22:44)

8. selima ( 11/09/2005 07:34)
slt!!
tsy azoni nanourand ve ni antony nametraha an'io e!!! ny teny anglisy nge ka teny international e!! sad @ zay raha iteny hutu ianao 1 na 2 @ ankizy ato ihany no mahafantatra an'izany ,sad aleo misi ni resaka teny anglisy @zay mba memahay teny anglisy isika.@nanourand ve de ila
9. aristar ( 11/09/2005 07:51)
tsangana>Ny amendement voalohan'ny constitution'ny Etazonia dia tsy manankery eto @ takelaka naha any Etazonia aza noho mipetraka ny pejin'ny takelaka eto (Raha tsy fantatrao ny dikany dia manaova fitadiavana @ Google). Raha te-hifanakalo hevitra (forum) @ teny vahiny faha tsy @ teny gasy dia mandehana any @ Sobika, Moramora, Wanadoo.mg sns sns .... satria eto tsy mahazo miteny afatsin'ny teny gasy na @'ny hatsikana sy lalao aza nefa rehefa hadika @ teny gasy ilay hatsikana dia tsy misy dikany intsony. Tsiky dia ampy faha tsy mahazo mitsiky @ teny vahiny afatsy any @ pejy-fandraisan'ny RVG.
Raha te-hifanakalo hevitra @ teny afatsin'ny teny gasy ianao dia zavatra roa ihany noho hazonao atao :
- mandehana any @'ireo takelaka sy manavakaka fitenenanana
- manamboara takelaka ahoatran'ny namana.serasera.org dia hasivo fitsipika hoe tsy manavaka ny teny hifanakalovan'hevitra. Tsy dia sarotra na lafo be laotra ny manao azy faha mila fotaona adiny roa isan'andro fara fahakelininy mandram-pahafatin'ilay takelaka hikarakaran'azy. Raha tsy manana an'io fotaona io ianao dia aza manao.
Ary ho fara-teny dia intsika gasy mantsy tara 50 taona @ ny zavatra sasany ka eto mbola mianatra ny segregationisima, apartheid ary ny nationalisima. Misy ny sasany miezaka ny hivoahana avy ao anaty lavaka nefa misy maromaro mandany aina misitona hitsigindina lalilalina kokoa ao anaty lavaka
10. fitia2005 ( 11/09/2005 17:56)
de mahagaga ihany isika gasy lasalasa ireto ka! aiza ve rangahy ka efa lazaina hoe serasera malagasy @ teny malagasy dia mbola angatahina ovaina koa ho @ teny vahiny!!! De mba rahoviana ihany vao hitoetra ao @tsika ny fandalàna ny maha-malagasy e?? Tsy ho very an-javona toy ny ******* n'ny mpifana ve izany ny kolontsaina sy ny fahaizana ny teny gasy raha izany?? Dia avy eo rehefa miresaka dia hoe inona no dikan'izany teny izany @ teny vahiny fa tsy azoko mihitsy??!! ....Na dia izany aza!!!
Misaotra betsaka. Somary masiaka kely fotsiny aho satria saro-piaro @ teniko!
11. jajaf401 ( 11/09/2005 19:00)
naho miakatsa rehe miakatsa raho!:-D:-D:-D:-D zahay alou tsy mahay teny english eh donc ataovy hoanareo english-phone foana zany!=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))
12. nanourand ( 11/09/2005 19:02)
slt!!
tsy azoni nanourand ve ni antony nametraha an'io e!!! ny teny anglisy nge ka teny international e!! sad @ zay raha iteny hutu ianao 1 na 2 @ ankizy ato ihany no mahafantatra an'izany ,sad aleo misi ni resaka teny anglisy @zay mba memahay teny anglisy isika.

Manao ahoana selima,
Tsy mandà aho fa teny iraisam-pirenena ny teny anglisy, fantatro tsara izany, ary fantatro tsara ny fiatraikan'ny tsy fahaizana teny iraisam-pirenena, :wink: marihiko aloha fa tsy any Congo aho no mipetraka fa kisarisarinteny ihany no nentiko, hilazana fa raha samy hanao fitakiana oatran'zany daholo anie dia iza no homena rariny?
Manarak'izay! zava-dehibe ny sehatra toy ny serasera.org, satria tombony iray ahafahan'i malagasy rehetra mbola mitazona ny maha malagasy, n'aiza n'aiza eran-tany, ny takelaka toy itony, toy ny sombin'tany na toerana malagasy, (sehatra iray mbola ihainanan'i malagasy any @ toerana misy azy avy tsiraray).
Raha teny anglisy no tianao ianarana dia misy takelaka tokony ho eo @ 6.000.000.000.000 eo ho eo manerana ny tany, inoko fa ahita izay mahasoa anao ao ianao! fa ny serasera.org aloha hatreto sy ny raha ny fahalalako azy dia toerana natokana hifaneraseran'i malagasy ary manandratra izay maha malagasy izay!
Ny tokony atao ary ohatra raha ny fijeriko dia ny isian'i sehetra manandratra ireo tanim-paritra rehetra misy any Antanindrazana. Saingy anjaran'i mpandrindra ihany no manapakevitra @ zany!

Farany : raha azotsika tsara ny tian'ilay tompon-kevitra ho lazaina dia ny hoe "asiana toerana fihaonana" raha ny fahazoako azy dia takelaka manokana fihaonana fa tsy kosa takelaka miompana @ teny anglisy!

misaotra
13. nanourand ( 11/09/2005 19:04)

14. mirabel ( 12/09/2005 16:32)
:^):^)may ianao ratsangana
15. tsangana ( 12/09/2005 21:43)
Misaotra ny mpandray anjara rehetra aloha nilaza ny heviny sy namoaka ny tao am-pony.Ekeko ary rariny tokoa raha amin'ny teny malagasy izay lolohaviko an-tampon-dohako, no hifaneraserana eto.
Ny nahatonga ilay hevitra dia tsy inona fa ny fahitako soso-kevitra hoe serasera francais.Koa mba nanontany aho hoe maninona moa raha mba misy koa ny serasera teny anglisy.
Kanefa moa dia hevitra ihany iny ka raha tsy mety aza omena tsiny e! sa ahoana?
Misaotra e!
16. sipagasy ( 20/09/2005 17:19)
fitia2005:

de mahagaga ihany isika gasy lasalasa ireto ka! aiza ve rangahy ka efa lazaina hoe serasera malagasy @ teny malagasy dia mbola angatahina ovaina koa ho @ teny vahiny!!! De mba rahoviana ihany vao hitoetra ao @tsika ny fandalàna ny maha-malagasy e?? Tsy ho very an-javona toy ny ******* n'ny mpifana ve izany ny kolontsaina sy ny fahaizana ny teny gasy raha izany?? Dia avy eo rehefa miresaka dia hoe inona no dikan'izany teny izany @ teny vahiny fa tsy azoko mihitsy??!! ....Na dia izany aza!!!
Misaotra betsaka. Somary masiaka kely fotsiny aho satria saro-piaro @ teniko!

Miarahaba aloha, Soa fa tsy irery aho miaro ny tenin-drazantsika e!, mankasitraka e!
17. hery ( 21/09/2005 07:46)
Ho an'izay liana amin'ny teny anglisy na teny frantsay (mbola ho avy koa ny teny hafa) dia misy tokoa ny takelaka momba izany... ary eo am-panatsarana azy izahay amin'izao fotoana izao.

Jereo loharano.com

18. angelastela ( 21/09/2005 14:20)
Manao ahoana dahol eh!

zaho aloha tsy pour @ fanaovana @ teny hafa sa
19. angelastela ( 21/09/2005 14:32)
Manao ahoana dahol eh!

Zaho aloha dia tsy mankasitrka @ fanaovana teny hafa satria:
1- ity site ity efa natokana ho antsika Gasy,tsy misy afaka mahalala izay miseho ato afa-tsy antsika Gasy ,
2-toy zaho aty an-tany lavitra raha vao miditra @ serasera dia mitovy miresaka @ Gasy na irery zaho dia sady afak andro noho mba faly fa miresaka sy mifanakalo hevitra @ Gasy mpiray tanin-drazana @ko,
3-raha te-hiteny francais na anglais na italiane ianao maninona raha tonga dia miditra @ site hafa azonao atao anie zany raha tianao fa tsy ny serasera no tsikarainao.
20. sipagasy ( 23/09/2005 18:07)
eny wa kouuuuu
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2861