Olana mateti-pitranga eo amin'ny resaka fiterahana any Dago.

1. Herimiafina ( 08/09/2005 22:22)
Zavatra iray mahagaga ahy tokoa ity ry zareo.
Maro ireo tanana any ambanivohitra any no be ny sarotimpiterahana sy maty zanaka na maty tena satria tsy manantona ny mpampivelona sy ny mpampiteraka.

Ny antony dia lehilahy hono ilay mpampiteraka.
novalian'i pitchou ny 26/09/2005 23:32
2. pika ( 09/09/2005 04:55)
tsy dia izany loatra angamba fa matetika lavitra ny hopitaly mandeha tongotra be
ao koa oh na ny eto an-drenivohitra aza dia tsy mamonjy hopitaly fa miteraka an-trano noho ny fahalafosan'izy ireny
ny hopitalimpanjakana koa moa raha tsy mahalala ... dia eo no raisina nefa koa mbola mandoa vola
3. xxx ( 09/09/2005 07:08)
Tena izay mihintsy misy ny lavitra hopitaly ary misy ny tsy afaka makany nohon'ny halafosany,
dia tena iarahamahalala ny hopital panjakana anarana fotsiny io hoa hopital panjakana io fa raha tsy manambola dia eo ianao no hitan'ny avanao eo , manpalahelo kanefa ...... ny manana ihany no afaka manao izay tiany hatao e!
4. bichette ( 09/09/2005 07:27)
:roll:
5. booboo ( 09/09/2005 11:03)
ié le halaviran'ny toerana no tena olana indrindra fa tsy dé oe satria lehilahy ny mpampiteraka
6. xxx ( 09/09/2005 11:43)
Sady na lehilahy na vehivavy inona moa no mahasamy hafa raha manana ny fahaizany izy?
7. Herimiafina ( 09/09/2005 12:43)
Marina io resaka fahalavirana io, fa mba misy consultation pré-nataly ve any ambanivohitra any sa tsy misy fa tonga dia terakatsotra izao vao mandeha any amin'ny hopitaly?

Io olana momba ny mpampiteraka lehilahy io dia tany Faratsiho il y a un an (somary verifier-o)no nitranga ary tsy dia lavitra ny toerampitsaboana tamin'izay.
8. pitchou ( 09/09/2005 18:04)
ka sao dia sagefemme lehilahy le izy? satria raha mpampivelona tsy sage femme d tsy mbola naheno aho hoe misy lehilahy izany!
na eto an-drenivohitra aza ange d aleon'ny olona miteraka an-trano e! miantso dokotera na sage femme na mpampivelona izy! ka raha atahorana hisy complixcation d na le mpampivelona tsy sage femme aza d milaza mialoha!
le consultation pré-nataly koa d matetika manao daholo na direny any ambanivohitra be ireny aza saingy ny olona atoniny no samihafa: ny an'ny sasany reninjaza (mpampivelona) ny an'ny sasany sage femme, ny an'ny sasany ajor, ny an'ny sasany dokotera tsotra, ny an'ny sasany gyneco
9. Herimiafina ( 09/09/2005 18:36)
Ie marina izany, fa hoe bandy hono le mpampiteraka ko, radoko angamba izany.
10. watafon ( 09/09/2005 19:35)
ny any ambany vohitra ange refa lehilahy de radoko fôna no fIantso azy na infirmier izy na aide soignant na dokotera ! ary rasazy refa vehivavy ! fa ny antony mahatonga ireo fahafatesana voalaza ireo d nohon'ny tsy fanaovana fitilina alohan'ny hiteraka e!(CPN); lazaiko anareo fa ny olona aty aminay aty ambanivohitra aty zao refa hiteraka d mandeha mitokana any anaty ala any miteraka irery ! ary refa misy complication izy ireo vao manantona mpitsabo !
11. fijo ( 09/09/2005 20:30)
marina io voalazan'i watafon io,fa le fahalavirana koa tena mampihemotra ny olona.sady ny any moa,tsy zatra manantona mpitsabo raha tsy efa loza mihatra,ko aiza ary.
12. Herimiafina ( 09/09/2005 21:24)
Indray andro izay, tantara nataon'ity ankizy nanao stage tany amin'ny dezaka tany izay.

Rehefa misy marary ao an-tanana dia manantona azy daholo satria hono izy no mba nahita fianarana tao amin'ilay tanana.

Nisy ady ary tamin'izay (1er novambra 1998) rehefa avy nanadio fasana ny fokonolona dia nifanena tamina fokonolona hafa tanana dia raikitra ny rotaka dia tao ny vaky loha, sns.

Dia nentina tao amin'ileiry jiaby ny maratra rehetra dia ileiry hono no nanjaitra loha vaky, sy nitsabo tao.

Misy koa manana olana amin'ny fivaviany any dia any amin'ileiry, misy koa ny marary nify dia any amin'ileiry.

Ileiry nefa inona no fianarana ataony amin'io hoy ianareo? Sociologie nefa.
13. watafon ( 10/09/2005 19:19)
:roll::roll: d hitanareo amzany ary ny fandehan-javatra sy ny mety ho vokany sa misy hifandraisany ihany v ny sociologie sy médecine moa ?
vao haingana mitsy za zao no nisy niantso @ 2 maraina io hoe misy olona mihetsi-jaza hono ; d lasa nojerena : siège ilay izy : izany hoe ny vodiny no mandeha mialoha ! d inn moa fa no-referer-ko nankany @ hopitaly akaiky indrindra e! raha nisy fizahana mialoha mantsy d tokony ho hita zany le fipetraky ny zaza e!
14. rurik ( 12/09/2005 08:58)
ka ny olona any ambanivohitra koa anie mbola misy ny matahotra dokoter e! asa aloha fa tena mbola misy maro tokoa ny tsy misafo akory .
15. pitchou ( 12/09/2005 11:46)
zany rehetra zany koa alou eo daholo e! kou aiza moa no hahaizan'ny olona ny mahasamihafa ny sociologie (mijery ny momba ny mponina) sy ny dokotera (mijary ny fahasalaman'ny olona)? fa na izany aza alou aza manome tsiny fa mety tsy mbola fanao any le CPN e! otran'ny olona sasany eto an-drenivohitra hoe irahana hanao fitiliana sida d mihevitra fa fanompana azy izany!
16. deghany ( 12/09/2005 13:28)
pitchou:

zany rehetra zany koa alou eo daholo e! kou aiza moa no hahaizan'ny olona ny mahasamihafa ny sociologie (mijery ny momba ny mponina) sy ny dokotera (mijary ny fahasalaman'ny olona)? fa na izany aza alou aza manome tsiny fa mety tsy mbola fanao any le CPN e! otran'ny olona sasany eto an-drenivohitra hoe irahana hanao fitiliana sida d mihevitra fa fanompana azy izany!


za le tsatsa tatsy ambadika tatsy!! heheheh

17. pitchou ( 12/09/2005 17:21)
tsatsa naninn deghany?:twisted:
18. deghany ( 13/09/2005 09:13)
tsatsa naninjona ono!!!hehehehe
19. pitchou ( 13/09/2005 13:58)
kay!kay!kay! inn no notsindromin'i deghany tany?
20. deghany ( 13/09/2005 14:47)
pitchou:

kay!kay!kay! inn no notsindromin'i deghany tany?


i pitchou!!! heheheheheheeheheh
gain njy!!! hihihihhi


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1512