Olana? Raisintsika toy ny fananana ny vadintsika

1. Herimiafina ( 07/09/2005 19:31)
Raha mbola raisintsika toy ny fananana sy etambarotra ny vadintsika dia hisy foana ny olana eo amin'ny fiaraahna sy ny tokantrano.

Tadidio fa i Mimi sy i Medor koa dia mba tiantsika kanefa novidiantsika teny antsena satria enta-mbarotra. I Mimi sy Medor nefa azontsika avoaka any antokotany sy ampidirina ao antrano araka izay hitiavantsika azy.

Ny vadintsika indray dia olombelona mitovy amintsika ary manana saina sy atidoha miketrika, ka avoahay toa an'i Medor anie izy raha nanao fahadisoana iray fa sahy mi-parier aminao aho fa any iny dia tsy hita.
2. sipagasy ( 07/09/2005 19:45)
hihih inona ny tianao lazaina???? ny lahy izany no mamoaka?? dia ny vavy ilay mila avoaka dia any dia
3. sipagasy ( 07/09/2005 19:46)
oups azafady tapaka teo, dia any dia tsy hita???? fa lasa ho aiza hono??
4. Herimiafina ( 07/09/2005 20:00)
Tsy voatery lahy na vavy fa tena zava-misy amin'ny rehetra io, POSSESSIF hoy isika, toy ny manao hoe C'est ma propriété.

Tsy tokony ho fehezina toy ny mifehy alika sy saka izany ny vady e.
5. ravakamalala ( 07/09/2005 20:59)
Tantaraina ka mora Herimiafina an! Fa rehefa tena roboka anie ianao tsy mahafehy tena e!
Tadidio fa zay tia adala.
6. Guerrera ( 07/09/2005 22:53)
Tena faran'zay mampalaelo ny olona manana toe-tsaina mievitra ny vadiny ho toy ny fananany.
Kanefa tokony tsy hanaiky lembenana izay eo @lay toerana, satria efa tokony hianatra ny hitolona daolo @zay na ny lahy na ny vavy.Efa mazava be lotra ny andro sy ny fiainan ka tsy tokony isy hievitra ny tenany ho mazana be intsony.
7. pika ( 08/09/2005 04:34)
tsy misy azo kianina herimiafina a
arakaraky ny hampitoviazna ano toy ny fananana iny no mampitroatra hanao ny tsy fanao
toy ny hoe nisy nangalatra hono ny vadiny na ny sipany fa angaha moa izy ireny toy ny poketra ka bataina e
eritrereto fa ilay sipa na vady izay no efa tsy hamokatra ka mitotoa koba hatavy
8. jentilisa ( 08/09/2005 08:29)
guerrera> tsy azoko! tokony hianatra hitolona ahoana indray moa? sa mbola miaina amin'ny revolisiona isika? :-D
9. cocorie ( 08/09/2005 08:57)
hoy Herimiafina : "Ny vadintsika indray dia olombelona mitovy amintsika ary manana saina sy atidoha miketrika, ka avoahay toa an'i Medor anie izy raha nanao fahadisoana iray fa sahy mi-parier aminao aho fa any iny dia tsy hita"

Fa rehefa manao fahadisoana izy zany de in no tkony atao aminao? tsy mampatahotra ihany koa anie na tsy hiverina aza izy e! ho tambatambazana sy handeferana ihany ve zany na manao fahadisoana aza.
10. pika ( 08/09/2005 10:07)
tsy ilay hoe tsy tenenina raha tsy manao fahadisoana fa ilay hoe atao toy ny fananao ka tsy manan-tsafidy fa toy ny gadra hano ity dia hano .
11. mandrindra ( 08/09/2005 10:16)
Tsy maintsy heverina toy ny fananana ny vady.
1/ Atao toy ny capital izy io, ampitomboina ahazahona intérêt na zanany.
2/ kolokoloina mba ho tsara sy jerijerena ny vady, toy ny fananana izany
3/ Harovana raha sendra misy voina na raha toa ka misy mitady haka ny vady, toy ny fananana koa izany.
Ny fananan'ny vady saina tsy ahafahany manala ireo zavatra voalaza eo ambony ireo. Ary ny fanarahana an'ireo tsy midika hoe mandrara ny fisainan'ny vady.
Noho izany amiko fananana ny vady.
12. ralaisa ( 08/09/2005 11:09)
mandrindra:

Tsy maintsy heverina toy ny fananana ny vady.
1/ Atao toy ny capital izy io, ampitomboina ahazahona intérêt na zanany.
2/ kolokoloina mba ho tsara sy jerijerena ny vady, toy ny fananana izany
3/ Harovana raha sendra misy voina na raha toa ka misy mitady haka ny vady, toy ny fananana koa izany.
Ny fananan'ny vady saina tsy ahafahany manala ireo zavatra voalaza eo ambony ireo. Ary ny fanarahana an'ireo tsy midika hoe mandrara ny fisainan'ny vady.
Noho izany amiko fananana ny vady.


Mety hanoana ny hevitrao ny tenako,raha toa ka ny vvavy sy ny llahy samy afaka manao io fijerinao io.Ny vvavy koa mantsy mba mila antsika llahy ho sexy,manambola,salama,hendry sns.....
13. jentilisa ( 08/09/2005 14:14)
raha heverina ho fananana izy dia toy ny zavatra azo volavolaina araka izay tian-katao no lazain'izany. Izay indrindra no tsy mety satria misy fiheverana manao hoe teren-ko masaka toa voalobo-jaza. Ilay fananana anie toa midika hoe baikobaiko izay mety tsy hisy fitiavana mihitsy.
14. Veloo ( 08/09/2005 17:25)
tssssssssss iza ko no hanaiky ho fanana kle... tsy mahagaga ankehitriny raha betsaka ny vaiavy mihezaka mi-depasser an'ny lahy satria sous-estimen'ny vadiny lotra any ka lasa mibaoiko ny trano ny hafarany. Io dia mi-dependre an'ilay lahy io... rehefa mahay mamoka izay ao am-pony fa oe isika mivady dia mitovy samy miaraka misedra ny fiainana sy mifanampy dia lafatra tokoa moa ny fanambadiana... ary tena mahatsapa ny vaiavy fa tena tia ny vadiny...:wink:.
15. fijo ( 08/09/2005 20:46)
aza masiana nareo sipa e.
16. Veloo ( 08/09/2005 21:00)
inn zany masiana?
17. Herimiafina ( 08/09/2005 21:07)
Ny vaha-olana amin'izany rehetra izany dia ny "CONTROLE EMOTIONNEL". Mila contrôler-na ny émotion-tsika.

Mora tezitra isika, mora faly, mora mientam-po, mora saro-piaro, manao sentiment excessif hany ka manaliaka ny olontiantsika, tsy misy surprise intsony aty afara.

Anisan'ny azo gerer-na amin'ny alalan'io "Contrôle émotionnel" io koa ny toetra POSSESSIF loatra.

Inona ary ilay "contrôle émotionnel"?
1- Meteza eo amin'ny toeran'ny partenaire-nao.
2- Heritrereto izay ao andohany.
3- Eritrereto izay zavatra nataonao sy ny fihetsiny mifandraika amin'izay.

Tsara tadidina: "Toy ny mijery fitaratra ianao rehefa mijery ny olona miaraka aminao", "Ny toetra hitanao eny aminy dia toetranao ihany".

4- Aza mi-reagir rehefa provoquer-n'ny partenaire-nao ianao.

Tsara tadidina: Ny partenaire-nao dia mi-provoquer anao foana amin'ny zavatra ataony sy ny toetrany, aza ampisehoana be loatra ny fahatezerana na ny tsy fahafaliana. Teneneo ihany izany rehefa tsy mi-provoquer intsony izy.

Dia minoa ahy marimarina fa maharitra io.
18. mandrindra ( 09/09/2005 09:41)
Mbola ampiako indray fa fananana ny vady satria amin'ny mahamalagasy dia nangatahina tany RAR izy io. Fananan'ny RAR izy tamin'ny mbola singany dia avy eo nomen'ny RAR an'izay nangataka azy. Tadidio fa fananana no angatahina, fananana no afindra ny anaran'ny tompony. Noho izany dia mbola fananana ny vady.
Mbola averiko indray mba tsy hilazan'ny sasany ahy ho supermacho hoe na fanana aza ny vady dia manana ny sainy izy. Ny sainy izay malalaka fa tsy manala azy ny tsy ho fananandralehilahy.
19. Herimiafina ( 09/09/2005 13:25)
Toy ny asa ve izany? Rehefa misy poste vacant dia jerena tsara aloha ny profil an'ilay olona hiditra ao raha mifanaraka na tsia.
Karazana evaluation no ataon'ny RAR amin'iny fa tsy dia varotra loatra.
20. jentilisa ( 09/09/2005 15:31)
Fomba ny mangataka fa tsy hoe fananan'ny RAR izy. Izy rahateo no tompo-tsafidy fa tsy ny RAR. "Angatahina" izy satria tsy hitoetra ao an-tranon-dRAR intsony. Fifindrana no natao ary tsy hoe novidiana izy. Ny an'ny karana no mety hoe novidiana fa tsy ny antsika gasy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2537