Inona no jerenareo voalohany?

1. rijatsif ( 31/08/2005 22:03)
O ry zalahy a!
Raha mahita sipa nareo dia ny inona eny @ vatany no jerenareo voalohany mba hilazanareo hoe milay na tsy milay ilay sipa? Tarehy, bika,... ?
2. Herimiafina ( 01/09/2005 04:03)
Ny sipa hitako milay aloha dia ny masony sy ny volony no tena tsikaritro manintona ahy voalohany izany vao ny vatany iray manontolo.
3. kaliby ( 01/09/2005 08:13)
amiko ndray, de tsy hitako mintsy ze maharatsy azy, fa tiko fotsiny izy eh!tasara daholo ze hitako eny aminy, fa ny ol miteny hoe de Kongoroty ehhh!!!
Refa tina io de manaja fona ze jerevana
4. kaliby ( 01/09/2005 08:19)
amiko ndray, de tsy hitako mintsy ze maharatsy azy, fa tiko fotsiny izy eh!tasara daholo ze hitako eny aminy, fa ny ol miteny hoe de Kongoroty ehhh!!!
Refa tina io de manaja fona ze jerevana
5. xxx ( 01/09/2005 08:46)
herimiafina dé ra ngita volo lé sipa
kaliby azvao alou lé oe kongoroty
6. lepaoli ( 01/09/2005 10:24)
F'izao kosa klou eh! tsy mitovy ny hoe "milay le " sy ny hoe "sipatiako le sipa na reveko iny", roa samy hafa ireo ny hoe "milay" dia ireo sipa tsara tarehy na bika mbola miankina aminao koa anefa ny hatsarany io, fa kosa le hoe "tiako na reveko" dia tsy voatery tsara io fa mety zvt hafa no hitiavanao azy fa tsy ny bika aman'endriny (oh: ny toetrany, ny sosiny"misy koa izany fa aza modina tsy hita ry zalahy ah!").
7. nantenaina12 ( 01/09/2005 12:50)
ny ahy inadray klou dia ny tratrany, ny manaraka dia ny volony na lavana na fohy, ary ny farany vatany na mitondra tsara na azo leferina
8. rijatsif ( 01/09/2005 13:36)
Ny ahy ny jereko voalohany dia ny tongony, raha vao sipa maloto tongotra dia efa tsy jereko intsony ny sisa, satria azo vinaniana avy hatrany izay miafina rehetra. Avy eo aho vao mijery ny ambony rehetra, volo sns...
9. Veloo ( 01/09/2005 17:35)
rija hahahahaha ary ahona ny tsikiny? angaha zany tsy mba hitanareo??????
10. Herimiafina ( 01/09/2005 19:15)
xxx:

herimiafina dé ra ngita volo lé sipa
kaliby azvao alou lé oe kongoroty


Tsy resaka hoe ngita volo na tso-bolo fa rehefa manendrika ilay volo dia efa milay foana. Misy sipa hitako izao tsy tsara izy raha tso-bolo fa somary ngita no tena manendrika azy, dia ohatr'izay ihany hatrany hatrany jusqu'hatrany andanitra any.

11. kanja7 ( 01/09/2005 19:37)
kaiza!ny ahy ry zala hoatran ny toetrany sy ny fahaizany ary ny tena fomba fiainany no tena hijereko azy a! marina fa ny bandy fa tsy maintsy hoe taitaitra amin ny constutaka na tarehy fa tsy dé any ny base e.sipa mahay mianina tsara ry zala no milay a .....nefa tsy dé hoe ratsy b ko fa mba mifanentana @ tena e!
12. rijatsif ( 01/09/2005 20:57)
Veloo:

rija hahahahaha ary ahona ny tsikiny? angaha zany tsy mba hitanareo??????

Hita ny tsikiny ka! olona mifanena aminao izao ve dia tsy ho hita ny tsikiny????

13. zefalah ( 02/09/2005 01:56)
nena ny fanahiny.....ny gasy refa tsara de satana.
masostra maita an'reo vehivavy tsara bika etsy antaninarenina etsy..
nena @zao refa sipa tsara fanahy sy mitsinjo ny ho avy de tiako...na babakoto aza..
tia ahy izy de tiako.
14. bekiboo ( 02/09/2005 06:32)
nenah indray raha vao sipa misy kibo letsy defa tsy tafa mihitsy amiko ah
kopy lisany ah
fa ny masony baribary iny , ny molony manifinify iny zato endriny sariaka oka letsy marina fa babo i bekiboo kle :-D:-D:-D
15. bichette ( 02/09/2005 06:47)
bekiboo > =))=))=)) kopy e
16. Herimiafina ( 02/09/2005 07:24)
zefalah:

nena ny fanahiny.....ny gasy refa tsara de satana.
masostra maita an'reo vehivavy tsara bika etsy antaninarenina etsy..
nena @zao refa sipa tsara fanahy sy mitsinjo ny ho avy de tiako...na babakoto aza..
tia ahy izy de tiako.



Sô de mba tsy vevavy tena izy zany hitan'i Zefalah tetsy Antaninarenina izany?
17. ralaisa ( 02/09/2005 13:35)
Raha ny fitadidiako ny ahy manokana dia ilay hatsalotsaloany no tena nanaitra ahy voalohany.Sariaka tsy mitsahatra ny mihomehy.Rehefa nanao firaisana ara-nofo moa izahay dia hitako fa ara-dalana koa ny ambony rehetra.Ny tena koa ange rehefa amoureux iny dia mety tsy ho hitanao na kapilakapà aza ilay vehivavy.
18. Veloo ( 02/09/2005 17:51)
ralaisa zay zany ilay oe jamban'ny fitiavana ko :-D:-D:-D:-D
bekiboo a kopy zahay e.
Herimiafina fa angaha eny antaninarenina ratsy ny kala? :-D:-D:-D:-D:-D:-D
19. Herimiafina ( 02/09/2005 18:24)
Veloo, rehefa mba manadalondalo eny Antaninarenina harivariva eny mantsy ny tenanay dia misy sipa lavabe, sy be volotongotra be manao minizipy izy misioka ny tenanay foana. Toa sipa vaky feo koa ilay izy.:-D:-D:-D:-D
20. ralaisa ( 02/09/2005 18:59)
Herimiafina:

Veloo, rehefa mba manadalondalo eny Antaninarenina harivariva eny mantsy ny tenanay dia misy sipa lavabe, sy be volotongotra be manao minizipy izy misioka ny tenanay foana. Toa sipa vaky feo koa ilay izy.:-D:-D:-D:-D


Sipa ekipan'ny BTM Antaninarenina ireny.Mihinana doping angamba ry zareo ka tena bokona be.Ho anareo izay tia muscle izany dia eny no misy azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.397