Asa soa tsy misy tambiny, Actions desintéressées.

1. Herimiafina ( 30/08/2005 04:52)
Efa nahita ve ianareo olombelona iray nanao asasoa tsy misy tambiny tamin'olonkafa na action desintéressée?
Efa mahazatra amin'izao fiainantsika izao mantsy ilay hoe donant-donant na fitakiana tambiny rehefa misy asa soa iray mba natao: Eny fa na dia ny fanomezana vola mpangataka iray aza dia mbola eritreretina hoe averin'Andriamanitra avo folo eny.

Ny ahafantaranao hoe manao donant-donant ianao dia manontania tena hoe fa inona no antony hanaovako ity soa iray ity? Raha misy valiny izany (toy ny hoe: satria aho kristianina, na satria mahafaly ahy ny manao izany, sns)dia tsarovy fa mbola donant donant foana izany.

Raha tsy misy valiny kosa, dia mitehaka ano aho fa manana toetra tena tsara ianao ary tsotra fo ka tena manana ilay fitiavana tena izy antsoina hoe Agape.
2. ravakamalala ( 30/08/2005 08:45)
Ny fitia AGAPE dia fiantsona lay fitiavan Andriamanitra antsika olombelona "amour inconditionnel",
MALAHELO AHO MILAZA AMINAO FA TSISY MAHAVITA AN IZANY NY OLOMBELONA.
3. naritsimba ( 30/08/2005 10:17)
Misy tambiny daholo na asa soa na asa ratsy:
-Ny fahafatesana no tambin'ny ota.
Raha soa no ataonao dia mivaly soa izay ary tsy voatery eo no ho eo ny valiny raisina fa misy raisina eto an-tany tahaka ny karama izany izay valisoa raisin'ny mpiasa.
4. pika ( 30/08/2005 12:49)
tsy azo lazaina ho 100% kosa aloha ny mitady tambiny foana e fa everiko fa mbola mosy ireo manao rakitra any an-danitra any =D
5. Veloo ( 30/08/2005 14:36)
oy ravaka oe:
Ny fitia AGAPE dia fiantsona lay fitiavan Andriamanitra antsika olombelona "amour inconditionnel",
MALAHELO AHO MILAZA AMINAO FA TSISY MAHAVITA AN IZANY NY OLOMBELONA.

Mbola hahavita an'izany retsy isika rehefa tonga any an-danitra a
6. deghany ( 30/08/2005 15:14)
raha ho tonga any!!!!:@
7. deghany ( 30/08/2005 15:15)
raha ho tonga any!!!!:@
8. ravakamalala ( 30/08/2005 16:23)
Minoa fotsiny ihany!!!!!!
9. ravakamalala ( 30/08/2005 16:29)
Minoa fotsiny ihany!!!!!!
10. sonwin ( 30/08/2005 17:37)
Ts tain fotsiny
11. Veloo ( 30/08/2005 20:03)
deghany a mba manana finoana lesy a ...
12. Herimiafina ( 30/08/2005 21:29)
ravakamalala:

Ny fitia AGAPE dia fiantsona lay fitiavan Andriamanitra antsika olombelona "amour inconditionnel",
MALAHELO AHO MILAZA AMINAO FA TSISY MAHAVITA AN IZANY NY OLOMBELONA.



Nisy Olombelona iray izay nateraka Vehivavy virijiny iray tao antranon'omby. Nampianatra ny vahoaka izy tamin'izany ary niaina 33 taona teto antany. Nomeny ny ainy hanavotana antsika mianankavy noho ny fahotantsika. Izay no mahasolo ny sorona rehetra zanak'ondry, voromailala fanaon'ny olona tamin,izany fotoana izany mba hangatahana famelankeloka.

Olombelona izy tamin'izany fotoana izany kanefa dia nahavita nampiseho FITIA AGAPE ary tsy vitan'ny hoe nampiseho fa nanafatra antsika mianankavy mba hifankatia tahaka ny nitiavany antsika isika rehetra.

Ka raha tahaka ny nitiavany antsika no tokony hifankatiavantsika dia tokony ho tiako aminNy FITIA AGAPE izany ianareo rehetra.

Maro ireo nampiseho fitia agape tany aloha tany saingy amin'izao fotoana izao dia efa nataon'ny olombelona ho zavatra impossible izany.

Ka ahoana nahatanteraka ny hafatry ny Tompo ve isika?
13. naritsimba ( 31/08/2005 05:29)
herimiafina> aza manontany ny hafa aloha ianao fa ny tenanao jerena raha nahatanteraka.
esory aloha ny andry eo @ masonao vao manala ny eny @ hafa ianao
14. Herimiafina ( 31/08/2005 06:43)
naritsimba, Marina izany saingy ny antony hitenenanako izany dia tsy tiako hanao ny fahadisoana nataoko ny hafa ka hamapahafantariko azy aloha izany alohan'ny fotoana mety hahafatesako. Qui sait?
Zaraiko foana ny heritreritro satria mino aho fa ny hafa dia hahavita tsaratsara kokoa ary mety capable ambony lavitra noho izaho hanao an'izany.
Raha laozako mijery tena dia mety tsy hisy hahafantatra izany, mety tsy hisy olona ho tonga saina intsony.
15. ravakamalala ( 31/08/2005 07:26)
Herimiafina > ^:^^:^^:^Manaiky aho e!
16. ravatorano ( 31/08/2005 10:40)
zà aloha d efa betsaka ny asa nataoko tsy nilaiko valiny akory tsiy tambiny.Inn moa no ilaina izay raha fantatrao fa tsy hahavita ilay tambiny takianao akory ilay anaovana asa defa atao isan ny asa soa izany.
17. Herimiafina ( 31/08/2005 17:31)
Ny fahitako azy manokana dia tena efa tsara izany ezaka nataonao izany.
Tandremo fotsiny sao dia sendra ny mpanararaotra tsy mendrika hampiana fa manjary manamafy ny asandevoly ao aminy ianao, mamosavy azy.

Ohatra1: misy olona mangataka dia manao pangataka nefa efa manana ny ampy, mangataka mba hisotroana toaka fotsiny.

Ohatra2: misy olona ampiana foana ary tsy miheritreritra ny hiarina intsony satria hoe efa misy manome foana ao dia inona intsony no iasako.

Tadidio fa amin'izao fotoana izao: "ny olona dia mahatadidy kokoa ny ratsy nataonao taminy indray mandeha noho ny soa arivo nataonao azy".

Ohatra: misy bandy mpandalo ao aminao mangataka foana fa sahirana, in-1000 izy no nampianao ary farany dia tsy nety nanome intsony ianao. Jereo tsara fa lasa halany ianao ary haratsiany any amin'ny olondrehetra any.
18. Veloo ( 31/08/2005 18:30)
oy herimiafina oe
Ohatra: misy bandy mpandalo ao aminao mangataka foana fa sahirana, in-1000 izy no nampianao ary farany dia tsy nety nanome intsony ianao. Jereo tsara fa lasa halany ianao ary haratsiany any amin'ny olondrehetra any.

tsssssss za tsy manampy intsony efa vita ny adidiko.. efa zavatra hafa ndray anie izany.... fanararotina olona fotsiny...Ka na tiany aho na tsy tiany azy sy Antra sisa...
19. marozevo ( 01/09/2005 15:27)
Malahelo aho milaza amin'i RAVAKAMALALA fa misy dia misy tokoa ny olombelona ankehitriny mahavita manome maimaim-poana (Agapè). Tsy izaho akory io, fa izaho kosa no ilay nandray na nomena. Vavolombelon'izany aho.
20. Veloo ( 01/09/2005 17:02)
marozevo zany ve? mety misy angamba fa tsy tena tena tena ilay iza kle..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3997