Asa soa tsy misy tambiny, Actions desintéressées.

21. bekiboo ( 02/09/2005 05:55)
hoy Veloo :
message
tsssssss za tsy manampy intsony efa vita ny adidiko.. efa zavatra hafa ndray anie izany.... fanararotina olona fotsiny...Ka na tiany aho na tsy tiany azy sy Antra sisa...
message


amin izao fiainana miakadava efa tsy ho tratra izao tzsony v ry zama mbola hisy an izany reska maimaimpoana izany foana ? ? ?
Asa aloha fa raha we olona efa nampiako indroa izany mbola miverina fanitelony tsy tafa tsony kle fa d bye fa zé kozin lah any eh.Io ny vavan olona misy foana ary matetika ny manao ny tsara foana no voahenjika .
22. Herimiafina ( 02/09/2005 06:39)
Marina izany, misy fetrany ihany ny zava-drehetra.
Ka eo indrindra dia jereo tsara ny olona asiana soa mba ho olona tena mendrika an'izany satria be ny mpanararaotra.

Misy boay kely izay izao tena favy be ileiry raha ampiasa côcô, hita taratra eny aminy ny fitiavany chiffre sy fianarana, nefa tsy afa-manoatra fa noho ny tsy fananana dia voatery tsy maintsy hajanona amin'ny fianarana i zandry kely.

Mety hitondra soa ho azy ve ny fanampiana azy ara-pitaovana sy ny rehetra momba ny fianarana mba tsy hijanonany?
23. marozevo ( 02/09/2005 14:27)
Hoy i veloo :

marozevo zany ve? mety misy angamba fa tsy tena tena tena ilay iza kle..

Fa inona anefa ilay tena tena tena izy ? Ny resaka dia hoe "manome maimaim-poana tsy misy tambiny". Tena misy mahavita io marina eh!!..
24. Veloo ( 02/09/2005 16:35)
marovezo a
ie marina zany ka fa ilay oe tena agape aky a tsy mbola possible amin-tsika no manao an'io... tena misy sens profond be anie io agape io... ary jesosy ihany manana fitiavana inconditionel...

Herimiafina a oe enao eo:
Misy boay kely izay izao tena favy be ileiry raha ampiasa côcô, hita taratra eny aminy ny fitiavany chiffre sy fianarana, nefa tsy afa-manoatra fa noho ny tsy fananana dia voatery tsy maintsy hajanona amin'ny fianarana i zandry kely.

Mety hitondra soa ho azy ve ny fanampiana azy ara-pitaovana sy ny rehetra momba ny fianarana mba tsy hijanonany?

Zany ny ankizy tena tokony ampiana mbola misy condition ny ahy raha endry ko izy an... za aty efa manampy tokoa moa.:wink:
25. Herimiafina ( 02/09/2005 18:01)
Ny tena marina dia sarotra ny manome fitia Agape araka ny efa voalaza teo, fa ny application tsotsotra dia ity angamba no tena possible:

"Raha manao soa olona iray ianao, dia aza miandry valiny avy any aminy, aleo izy hamaly fitia any amin'olonkafa indray, dia toy izany hatrany, amin'izay mitohitohy ny fitiavana".

Tsy contradictoire amin'ilay hoe tsy misy tambiny izany an.
26. ravakamalala ( 02/09/2005 18:15)
Ianao anie tsy ampiseho mitsy oe miandry tambiny e! Manome enao dia manome ampitiavana, tsy ho arahinao teny iny hoe "raha mahay mamaly" (ohatran ny biz oroka. Fa any anantitsika tsi1-1 avy any misy foana ilay hoe asa soa iny vitako iny ka tsy maintsy azahoako tambiny na main endrika inn na amin ny endrika inn, manantena foana tsika hoe hivaly amintsika iny ndray andro any ka izay dia efa azo lazaina hoe tsy desintéressé ilay acte nataontsika teo.

Dia any aoriana any koa raha ty ka mangataka zavatra amin ilay olona efa nampianao iny enao, dia tsy manome izy, betska amintsika no hiteny hoe za tsy mahavita ntsony,

ny agape nefa, zany hoe ny fitiavan Andriamanitra dia na mpanota aza tsika , na maditra aza tsika, na tsy manaiky azy aza isika dia mbola tiany sy tadiaviny foana.
27. Herimiafina ( 02/09/2005 18:45)
Misy tantara kely ity:

-Supposons que voafetra ny place any andanitra (30 eo ohatra). Tonga ny fara-andro dia tsaraina ny olona hiditra ao am-Paradisa.
-Supposons que ianao no faha-30 fa efa feno avokoa ireo place 29 ambiny.
-Suposons que ny faha-31 dia olona efa fantatrao tety an-tany ary hainao koa fa mendrika tokoa ny havotana.

Omenao ilay olona faha-31 ve ny toeranao mba haha-avotra azy ary ianao dia ho very manaraka ny ambiny?

NB: Fanoharana fotsiny ihany io tantara io fa aza adika amin'ny tsy izy an.
28. marozevo ( 03/09/2005 08:03)
Fanoharana fotsiny ihany tokoa io ....
Saingy fanoharana tsy mifandraika amin'ny tena izy, satria tsy voafetra ny place any an-danitra. Raha voafetra manko ny place any an-danitra dia voafetra koa ny place any amin'ny afobe. Dia ho aiza ary ireo sady tsy any an-danitra no tsy any amin'ny afobe. Sa tsy ekenao ilay hoe voafetra koa ny place any amin'ny afobe? Raha ny demony sy ny tariny aza afaka manamboatra toerana tsy voafetra, maika fa Andriamanitra izay nahary izao tontolo izao.
29. Herimiafina ( 03/09/2005 22:09)
Marina ny anao ry scorpion fa tsy azo atao toy ny calcul mathematique mihintsy ilay zavatra.
"Le Royaume des Cieux n'est pas chose rationnelle".
Saingy test kely io napetrako io ambony io mba hampiheritreritra, ary fanoharana fotsiny ihany fa tsy voatery ho marina mihintsy tsy akory.
Ka raha hiverina amin'ny fanontaniana voalohany ary aho dia ahoana ny hevitrao?
30. marozevo ( 04/09/2005 16:00)
Nijery aho fa tsy nahita hoe "scorpion" ao ambony ao. Dia iza no lazain'i Herimiafina fa scorpion eto ?
31. Herimiafina ( 07/09/2005 18:20)
ôtran'ny nahita izay anarana izay aho fa anagamaba voafafa fa lava loatra le forum-tsika. Tena nisy teo ka, sa nanonofy indray izaho?
32. ravakamalala ( 07/09/2005 21:09)
Nieritreritra foana aho fa tsy nisy ny action désintéressée zany e!
Tsy mbola resy lahatra aloha izaho hatramin izao hoe mahavita an izany ra olombelona,

"On devient héros malgré soi"
33. Guerrera ( 07/09/2005 23:32)
ravakamalala:

Nieritreritra foana aho fa tsy nisy ny action désintéressée zany e!
Tsy mbola resy lahatra aloha izaho hatramin izao hoe mahavita an izany ra olombelona,

"On devient héros malgré soi"


Minoa ianao fa misy zany.Saingy @ ma-olombelona ny tenako dia vizaka aho ny farany ary notapahiko fotsiny ny relation ma-pinamana. Satria tsapako fa nataon'io olona io fitaovana hiakarany fotsiny aho.
Ka ny ahy, dia tsotra fotsiny fa ny ohabolan'ny ntaolo no tiko. " Soa tao levenam-bola, ratsy atao loza miantona"


34. vahiny2004 ( 12/09/2005 11:05)
izaho nisy fotoana nanampy fianakaviana izay, tena tsoriko fa tsy niandry taminy aho t@ izay. Kanjo taty aoriana dia nanao toetra ratsy tamiko io olona io, dia loza fa tsaroako ilay fanampiana nataoko azy ary dia nalahelo mafy aho

conclusion : kay fitiavana avy aminy no tambiny nandrasako (inconsciemment) ... ka hitako hoe toa sarotra ihany tokoa ilay hanao asa soa tsy miandry valiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2944