resaka masindahy na masimbavy/ resaka papa ray masina/

61. jentilisa ( 02/09/2005 15:33)
marina ihany koa ny an'i marozevo milaza hoe voasoratra izao mba hanananareo ny fiainana. jaona 20 izay raha tsy diso aho. Raha izay no ananan'ny katolika fiainana, inona ny olany amin'izany?

Izaho izay manoratra dia protestanta. Ilaina ny mahafantatra ny tantaran'ny fiangonana mba ahafahana mamaly azy tsara.
Miainga isika ao amin'ny asan'ny Apositoly. Voalohany, nanaovana filokana i Matiasy no naha-apositoly asolo an'i Jodasy azy. Dia natokana i Paoly sy barnabasy ( barnabe) ka tamin'ny fametrahan-tanana no nanokanany azy roalahy. Izany hoe eo dia efa azo lazaina hoe nohamasinina izy mirahalahy...araka ny efa nolazaiko tany amboalohany hoe ny masina dia voatokana koa no dikany. Ny mofo masina ohatra dia natokana ho ao ampiangonana izy izay. Ny masina tsy midika hoe marina...tsy mifangaro ireo. matoa ihany koa teny roa samihafa dia samy hafa no dikany. Ny olo-masina noho izany tsy voatery hoe olo-marina be. olona natokan'Andriamanitra no dikany na dia nanam-pahotana aza izy.
Raha mijery indray isika ny fanekem-pinoana apostolika. Nahoana no nisy ny fanekem-pinoana nefa tsy voasoratra ao anaty baiboly izany? nilaina izy mba hialana amin'ny fampianaran-diso.

62. xxx ( 02/09/2005 22:22)
Raha jerena ny testamenta taloha de marina ny voalazan’i Jentilisa hoe ny hoe masina dia anisan'ny ao anatiny ilay hevitra hoe natokana na voatokana,
Fa natokana t@ inona moa ? natokana niala @ fahalotoana rehetra, ka izany no nahatonga ny ireo zavatra hita ao @ Tranolay Fihaonana ho « masina »
Ary nony tonga ny testamenta vaovao ?
Andriamanitra sy olona ihany no atao hoe masina, mbola tanako eto ny hevitr’I Jentilisa hoe voatokana,
Iza no voatokana? iza no nanokana? Fa naninona no natokany?
Hatramin’ny voalohany ny apostoly de niantso ny kristiana rehetra ho masina, hatramin’ny taonjato faha 2 izany, fa taty aorinan’io taonjato faha 2 io de lasa “titre honorifiqueé” ny hoe masina
Fa nahoana no nataon’ny apositoly ho masina ny kristiana rehetra? Satria Andriamanitra no efa nanokana azy
IPetera 2:9 "Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjakà-mpisorona, firenena masina" , olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga";
Satria natokan’Andriamanitra ny kristiana rehetra, noho ihany ny kristiana rehetra dia masina

Iza no nanokana azy ireo ho masina?
Voalaza teo ambony fa “… olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”
Na koa hoe
Jaona 15:16 Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo,
Tsy isika no nifidy antsika ho masina fa Andriamanitra irery ihany

Fa naninona no nofidiany?
Tsy misy valiny afa tsy hoe satria izay no tiany

Raha raisiko ireo olona natokana nolazain'i Jentilisa: Matiasy, Paoly,..., t@ fahavelony izy ireo no natokana fa tsy efa maty,
63. xxx ( 02/09/2005 22:34)
Marozevo:
FA IREO NO VOASORATRA DIA MBA HINOANAREO SY HANANANAREO NY FIAINANA. Io kosa dia ao amin'ny Filazan-tsara (Evanjely) nosoratan'i Jaona (Joany).


tsara b ilay izy hoe ireo no voasoratra, fa tsy hoe “ efa misy an’ireo voasoratra, ka maninona moa raha ampiana kely fa ny indispensable zany efa ao, toy ny hoe: kofesy, béatification, sanctification, …”
64. xxx ( 02/09/2005 22:39)
Jentilisa:
Raha mijery indray isika ny fanekem-pinoana apostolika. Nahoana no nisy ny fanekem-pinoana nefa tsy voasoratra ao anaty baiboly izany? nilaina izy mba hialana amin'ny fampianaran-diso.


tsy ao anaty Baiboly marina io fa famintinana ny ao anatiny, azo amarinina ao anaty Baiboly ny zavatra voarakitra ao anatin'io fanekemponoana io, saingy ny loza de hay tsianjery ilay izy fa ny heviny toa tsy ohatran'izay
65. xxx ( 02/09/2005 22:53)
Jentilisa:
izy io anie tsy izay zavara rehetra dia tsy maintsy jerena baiboly e!


zay indrindra no tena dangereux!!!,
ny micro, fiara, internet tsy base doctrinale,
fa ny base doctrinale de tsy mahazo mivoaka ny Baiboly raha mba te hilaza ny tenany ho kristiana ihany,
rehefa tsy ao anaty Baiboly no andraisana ny basen'ny fampianarana kristiana de tsy mahagaga raha feno anganongano sy tantara mampandry adrisa, ary misy famitahambahoaka fotsiny izao aza toy ny indulgence
66. jentilisa ( 03/09/2005 08:06)
Aza adino eto fa miainga isika amin'ilay teny hoe masina. Iza no manokana ary maninona no natokany.
Tsy afaka ny hiasa na tsy nahazo alalana hiasa i Paoly sy i Barnabasy raha tsy efa nisy ny fametraha-tanana nataon'ny Apostoly. NY Apostoly dia olona. Ekena fa misy ny safidin'Andriamanitra nefa tsy afa-misora-tena na oviana na oviana izay heverina ho nofidian'Andriamanitra. Ny Apostoly no "naniraka" avy eo. Izay rehetra hitondra ny tenin'Andriamanitra nanomboka tamin'ireo voalaza tao amin'ny Asan'ny Apostoly dia nametrahan-tanana. Izany hoe ary izay indrindra no nametrahana ny asa ao anaty baiboly. Fanazavana ny zava-misy ankehitriny avokoa no nosoratany ao fa misy ny tsy te-hijery izany. KOa raha tsy ekenao ho base doctrinale ny fametrahan-tanana izay efa nosoratan'i Paoly ihany koa dia vao maika sarotra be ny hanazavana izany hoe masina = voatokana izany. Izaho eto dia fijery protestanta no soratako. ny olona masina dia na mbola velona aza...
67. zama91 ( 03/09/2005 16:36)
Io ry degahny resaka politika no betsaka an.Isika eto manaiky an'i papa iray masina.Jereo ny voalazany baiboly ao amin'ny matio23.9 Ary aza milaza ny olona ety an-tany ho rainareo fa iray ihany ny rainareo dia ilay any andanitra.Tsy haiko hoe ilay ray niteraka ve no lazainy eto sa ray hafa na ilay ray milaza ny tenany ho kristy.Iza moa no nanomeha fahefana an'i papa raha tsy ny eveka ?Izany no atao hoe contrat social,izay lany eo dia izay no ekena,fa tsy we izay lany eo dia iny no voatendrin'Andriamanitra.Ary ny momba an'ireo masindahy sy masimbavy dia mazava ny voasoratra ao amin'ny baiboly hoe ARY TSY MISY FAMONJENA AMIN'NY HAFA,FA TSY MISY ANARANA HAFA AMBANIN'NY LANITRA NOMENA NY OLONA IZAY AHAZOANA FAMONJENA.ARy izay no mahalala hoe tena olomasina marina joany paoly faha 2,raha tsy ANdriamanitra irery,nefa isika olombelona misy mitopy teny fatratra hoe iry olo masina iry very any amin'ny afobe,angaha efa nisy nahita izany.Ny anjarantsika dia ny mivavaka fotsiny ihany
68. marozevo ( 04/09/2005 15:56)
Zama 91> Fa tsy voatery hitovy hevitra aminao daholo ny olona.
Papa Ray Masina : Ho an'ny Katolika dia izay no izy ary tsy izay filazanao azy hoe politika na izao na izao no hanova ny fijerin'ny Katolika.
OLOMASINA : Mifototra amin'ny tantaran'ny Fiangonana koa anie isika eh... Raha tsy misy ary ireo atao Modely eo amin'ny fiainana dia ahoana ? Tsy midika kosa anefa izany fa izay voasandratra ho OLOMASINA ihany no voavonjy. Izaho dia mino tanteraka fa na tsy olomasina aza i RASALAMA dia OLOM-BOAVONJY tanteraka izy.
69. zama91 ( 05/09/2005 14:59)
Izaho anie tsy miteny mihitsy hoe mitovy hevitra amiko eh,hevitra no hambara eto,na ny mpanompo sampy aza nolazinao tsy maintsy miaro ny heviny ireny na dia fantany izao aza fa diso izy,izany we ny mantsaina no tokony handinika
70. deghany ( 06/09/2005 09:09)
jentilisa:

azavao amiko ary hoe na lazao amiko izany tenyhoe paradia ao amin'ny baiboly izany?

manaraka izany, aiza ao amin'ny baiboly no miteny hoe ilaina ny micro? nefa nahoana saiky fiangonana dia mampiasa azy avokoa?

Lazao amiko hoe ireo atria ireo dia tafiditra tsara ao anaty fivavahana!
izy io anie tsy izay zavara rehetra dia tsy maintsy jerena baiboly e! raha ohatr'izany manko lasa tsy tokony handeha fiara satria tsy ao anaty baiboly izany. Tsy tokony hiditra internet akoy aza satria tsy ao anaty baiboly izany. Any amin'ny apok 13 any ary misy hoe sary ahetsiketsika...raha raisina betement tahaka izany ilay izy dia izay indrindra no tsy tokony idirana net. raha ny lojikan'i deghany no arahiko eto.

fa za nga niteny @se we mivavaka @ micro kou 'se? iny nge fitaovana hitenenana e! fa le sasany nge tafiditra ao @ le litorjiia mintsy e!!

71. deghany ( 06/09/2005 09:14)
jentilisa:

marina ihany koa ny an'i marozevo milaza hoe voasoratra izao mba hanananareo ny fiainana. jaona 20 izay raha tsy diso aho. Raha izay no ananan'ny katolika fiainana, inona ny olany amin'izany?

Izaho izay manoratra dia protestanta. Ilaina ny mahafantatra ny tantaran'ny fiangonana mba ahafahana mamaly azy tsara.
Miainga isika ao amin'ny asan'ny Apositoly. Voalohany, nanaovana filokana i Matiasy no naha-apositoly asolo an'i Jodasy azy. Dia natokana i Paoly sy barnabasy ( barnabe) ka tamin'ny fametrahan-tanana no nanokanany azy roalahy. Izany hoe eo dia efa azo lazaina hoe nohamasinina izy mirahalahy...araka ny efa nolazaiko tany amboalohany hoe ny masina dia voatokana koa no dikany. Ny mofo masina ohatra dia natokana ho ao ampiangonana izy izay. Ny masina tsy midika hoe marina...tsy mifangaro ireo. matoa ihany koa teny roa samihafa dia samy hafa no dikany. Ny olo-masina noho izany tsy voatery hoe olo-marina be. olona natokan'Andriamanitra no dikany na dia nanam-pahotana aza izy.
Raha mijery indray isika ny fanekem-pinoana apostolika. Nahoana no nisy ny fanekem-pinoana nefa tsy voasoratra ao anaty baiboly izany? nilaina izy mba hialana amin'ny fampianaran-diso.



tsy olmarina ve nefa de maninona ary refa mivavaka no atao @ alalany ny vavaka? oh: masindahy joany batista de la Salle: mivavaha ho anay!!
olona efa maty ve handre anao e!! aizaaaa!!

eo @ io fanekempinoana tsy ao @ baiboly io: mazava zany kou! ny olona no namorona azy!!

72. deghany ( 06/09/2005 09:21)
marozevo:

Zama 91> Fa tsy voatery hitovy hevitra aminao daholo ny olona.
Papa Ray Masina : Ho an'ny Katolika dia izay no izy ary tsy izay filazanao azy hoe politika na izao na izao no hanova ny fijerin'ny Katolika.
OLOMASINA : Mifototra amin'ny tantaran'ny Fiangonana koa anie isika eh... Raha tsy misy ary ireo atao Modely eo amin'ny fiainana dia ahoana ? Tsy midika kosa anefa izany fa izay voasandratra ho OLOMASINA ihany no voavonjy. Izaho dia mino tanteraka fa na tsy olomasina aza i RASALAMA dia OLOM-BOAVONJY tanteraka izy.

ny mampiasa ny mokondoha zany de ny we atsangano ataovy bobaka le olomasina @ zay reny no hivavaka ho antsika @zay misy azy any??

73. sonwin ( 06/09/2005 09:50)
manao hevitra degany koa elah zany
74. ravatorano ( 06/09/2005 10:35)
deghany
75. deghany ( 07/09/2005 08:57)
[quote=ravatorano]
deghany
76. boubounezy ( 18/10/2005 21:46)
@KO TSY MISY OLOMBELONA MASINA IZANY za tsy mandoalika za tsy manoroka tanana A/tra iany no tompoko sy inoko ary MASINA. dé aona lé ao @ baiboly hoe aza madoalika sy mivavaka @ sary na sarivongana? mou tsy zany ve no namaizan 4/tra ny taranaky israely????


deghany:

Fanotaniana:
-aona no niavian'io we papa ray masina io? de aona no mandohalika eo alohany?
-aona sy iza no mametra olona iray we MASINA izy!!
oh: masindahy .... na masimbavy.....
De mivavaka aminy sa ve we @ alalany no hivavahana?
-de aona marina ty resaka hazo fijaliana ty e!! tsy de azoko loatra ny "importance- any!! ôtran'ny we tsy i Jesosy rery manko no nahantona t@izy io!!
de eo le tsy azoko e!!manao an'io signe lacroix io refa hivavaka!
Mila fanazavana re ry zareo fa mba ampio a!!
Misaotra ô!!!!!



77. marozevo ( 18/10/2005 22:42)
Dhegany > Ka ny anay tsy ny mokondoha no ampiasaina eh... Izay mitady hidegany no mivaky loha amin'izay tsy tokony hivakiany loha akory. Ny finoanay tsy tadiavinay ao anaty mokon-doha fa iainanay am-pinoana ao amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Md Jean baptiste de la Salle : Mivavaha ho anay. Ho anay dia tsy mametraka fanontaniana amin'izay fahafatesany na afahavelomany izahay, fa ny fantatray dia Razambenay ara-pinoana izy sy ny Olomasina hafa rehetra, toy ny maha Razambe ara-nofo an'ireo loharano nipoirana.
Dia hono ho'aho ry Dhegany... Dia mba ahoana kosa ary ny hevitrao momba ny Malagasy manao famadihana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4834