resaka masindahy na masimbavy/ resaka papa ray masina/

41. deghany ( 31/08/2005 08:06)
sonwin:

Andraso fa omeko test elah rehefa hitako dia hain'ialahy ho azy ny heviny


elà nga efa sitrana le?? ndraso fa testeko elà!!:@

42. deghany ( 31/08/2005 08:46)
sonwin:

Andraso fa omeko test elah rehefa hitako dia hain\\\\\\\'ialahy ho azy ny heviny


elà nga efa sitrana le?? ndraso fa testeko elà!!:@

43. jentilisa ( 31/08/2005 09:32)
Andraso ary fa avadiko indray no filaza izay nolazaiko. NY an'ny protestanta no nanalany enina ny boky ao amin'ny baiboly fa ny an'ny katolika tsy nampiany izany.
44. ravatorano ( 31/08/2005 10:43)
io letsdy tsy asiana adi hevitra fa anay katolika ny papa anay ny masindahy sy masimbavy midira ao nareo raha te hahalala ny tena izy fa mora hazavaian izao traha tonga ao nareo
eto defa tsy hita tsony ze reasahinfa fa katolika eh izao é masindahy eh zao é :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
45. ravakamalala ( 31/08/2005 11:25)
ravatorano > Ka mametraka fanontaniana kosa izy fa mba te hahazo valiny, mba liana ndray lé olona dia atao an io ,
ianao izao katolika, fifanakalozan kevitra, tafatafa sy dinidika no atao eto, ka mba omeo ny hevitrao ary mba valio ny fanontaniana raha toa ka hainao. Nahoana kosa moa no tsy maintsy hiditra ao izy vao hahazo fanazavana?:roll:
46. marozevo ( 31/08/2005 15:13)
deghany > Amafisiko izay voalaza ary ambony : "Misy antony manokana mahatonga anao hametraka ireo fanontaniana ireo ve ?". Raha valianao io, ka mazava ny antony ametrahanao ny fanontaniana, dia vonona aho hamaly ireo fanontaniana rehetra ireo.
47. xxx ( 31/08/2005 15:42)
Zah aloha tsy dia manaiky olo-masina izany raha samy mbola mikapa daholo ê! Samy mpanota daholo ....
48. zama91 ( 31/08/2005 16:15)
Olo masina ve,tsy misy olo masina fa iray masina dia ny TOMPO,aza adino fa i papa iray masina anie no solon'i kristy eto antany araka ny fampianaran'ny katolika,manana fahefana hitendry ho olo masina ,jereo fotsiny tamin'ny fandevenana an'i papa jean paul II eh, santos subuto hoy ireo vahoaka maro be,dia notenterahin'ny ilay papa iray masina vaovao satria manana fahefana ho amin'izany izy
49. deghany ( 01/09/2005 11:22)
zama91:

Olo masina ve,tsy misy olo masina fa iray masina dia ny TOMPO,aza adino fa i papa iray masina anie no solon'i kristy eto antany araka ny fampianaran'ny katolika,manana fahefana hitendry ho olo masina ,jereo fotsiny tamin'ny fandevenana an'i papa jean paul II eh, santos subuto hoy ireo vahoaka maro be,dia notenterahin'ny ilay papa iray masina vaovao satria manana fahefana ho amin'izany izy


zany we ny olombelona iany zany no manome fahefàna azy, de zay koa no ananany fahefana hanendry olona ho masina! nefa olombelona = mpanota
mamay iany zany klé!

50. marozevo ( 01/09/2005 15:31)
O ry zalahy ah ! Zavatra tsy fantatrareo no iadianareo hevitra.... Tena misy ny olomasina ... tena misy ny PAPA RAY MASINA ... Ary ny vita Batisa (Batemy) rehetra dia antsoina ho masina ... Saingy raha miantso antsika ho masina Andriamanitra dia tsy manery izy akory fa manaja ny SITRA-PONTSIKA. Na i Deghany aza dia antsoin'Andriamanitra ho masina ihany koa ... ka inoa no valin-teninao ? Hanaiky io antsony io sa hiziriziry amin'ny rationnalité?
51. bekiboo ( 02/09/2005 06:15)
ravakamalala
52. xxx ( 02/09/2005 07:07)
bekiboo >>>
mazava anie hoe maminona no hoe misy an'izanyfanaovana olomasina, kofesy (@mopera), sns ..., fa hoe ny mahagaga de hoe ny Tompo tsy nanoro an'izany mihitsy, tsy haiko ianao raha mba afaka manome andalana na de iray fotsiny aza ao @ Soratra Masina milaza fa rehefa manana fitondratena sy nanao fahagagana, sns de azo atao hoe olo-masina
raisiko izao, ny fiangonana nilaza taloha fa tsy maintsy @ teny latina ny lamesa....
de niova hevitra indray izy taty aoriana
ohatran'ny hoe andramandramana ilay izy de rehefa hita hoe metymety @ rehetra de tazomina fa rehefa tsy metymety de ovaina indray,
rehefa tsy ny Soratra Masina no arahina de tsy maintsy tonga @ izany foana
53. deghany ( 02/09/2005 10:54)
marozevo:

O ry zalahy ah ! Zavatra tsy fantatrareo no iadianareo hevitra.... Tena misy ny olomasina ... tena misy ny PAPA RAY MASINA ... Ary ny vita Batisa (Batemy) rehetra dia antsoina ho masina ... Saingy raha miantso antsika ho masina Andriamanitra dia tsy manery izy akory fa manaja ny SITRA-PONTSIKA. Na i Deghany aza dia antsoin'Andriamanitra ho masina ihany koa ... ka inoa no valin-teninao ? Hanaiky io antsony io sa hiziriziry amin'ny rationnalité?


aiza ho aiza mou no misy milaza we A/tra miantso atsika we masina?
aiza ho aiza ao @ baiboly kou no misy we ny olombelona afaka manondrotra olombelona ho masina??
ôtran'tsy mahita an'zany le bandy klé!!
54. deghany ( 02/09/2005 11:02)
[quote=bekiboo]
ravakamalala
55. deghany ( 02/09/2005 11:15)
[quote=bekiboo]
ravakamalala
56. deghany ( 02/09/2005 11:22)
marozevo:

deghany > Amafisiko izay voalaza ary ambony : "Misy antony manokana mahatonga anao hametraka ireo fanontaniana ireo ve ?". Raha valianao io, ka mazava ny antony ametrahanao ny fanontaniana, dia vonona aho hamaly ireo fanontaniana rehetra ireo.


misy antony manokana mihintsy le izy ry zoky a!! ôtran'ny hitako we ny fivavahana izy narahiko t@ fahazazàna de tsy manaraka ny ao @ baiboly. refa mitombo ny taona de mba tia karokaroka e!! de ze anotaniako reo fanotaniana ireo de tsy misy mahavaly, na pretra aza an!! fa de refa mitady ho tampina le resaka de lazaina fa we Mistery, na kou we "minoa fotsiny iany".
Ny azo hinoana fotsiny iany de zao: ny fisian'ny paradisa sy Jehovah A/tra. Ny ankoatr'zay de zavatra ao @ baiboly ao iany!! misôtra ô!!

57. marozevo ( 02/09/2005 14:36)
Ho an'i Deghany sy i xxx : Aza manahy ianareo fa tena misy ao amin'ny Baiboly ny momba ny fanandratana olomasina, ny momba ny Konfesy sy ny momba ny fampianaran'ny Fiangonana "Katolika" rehetra. Tsy mpanao tsianjery toko sy andininy toa ny Témoins de Jehovah aho, fa fantatro kosa fa misy ao ny hoe OMEKO ANAO NY FANALAHIDIN'NY FANJAKAN'NY LANITRA, KA IZAY HO VAHANAO ETO AN-TANY DIA HO VOAVAHA KOA ANY AN-DANITRA... Tsy dia sarotra ny mitady an'io fa ao amin'ny faramparan'ny Filazan-tsara tsirairay ao jerena.
Izao kosa anefa an : Tsy raisina ara-bakiteny akory io, fa mila mandinika sy mandalina vao tena mahazo ny heviny.
Dia jereo koa ny hoe : "MARO KOA NY ZAVATRA NATAON'I JESOA NO TSY VOASORATRA ETO, NA NY BOKY ERAN'IZAO TONTOLO IZAO AZA TSY HO AMPY... FA IREO NO VOASORATRA DIA MBA HINOANAREO SY HANANANAREO NY FIAINANA. Io kosa dia ao amin'ny Filazan-tsara (Evanjely) nosoratan'i Jaona (Joany).
58. jentilisa ( 02/09/2005 14:37)
azavao amiko ary hoe na lazao amiko izany tenyhoe paradia ao amin'ny baiboly izany?

manaraka izany, aiza ao amin'ny baiboly no miteny hoe ilaina ny micro? nefa nahoana saiky fiangonana dia mampiasa azy avokoa?

Lazao amiko hoe ireo atria ireo dia tafiditra tsara ao anaty fivavahana!
izy io anie tsy izay zavara rehetra dia tsy maintsy jerena baiboly e! raha ohatr'izany manko lasa tsy tokony handeha fiara satria tsy ao anaty baiboly izany. Tsy tokony hiditra internet akoy aza satria tsy ao anaty baiboly izany. Any amin'ny apok 13 any ary misy hoe sary ahetsiketsika...raha raisina betement tahaka izany ilay izy dia izay indrindra no tsy tokony idirana net. raha ny lojikan'i deghany no arahiko eto.
59. marozevo ( 02/09/2005 14:39)
Marina ny an'i Jentilisa.
60. zama91 ( 02/09/2005 15:16)
Diso fantoko toakoa raha ny histoire ny katolika,aza adinonao fa ny nampisaraka ny katolika sy protestant anie ny resaka soratra masina eh,terena ny olona handoha vola satria hanorenana an'i vatican hoe mpanota,dia raha mandoha an'io ianao dia afaka ny faotanao,saingy i luther tsy nanaiky dia nisaraka.Andiamanitra irery no masina ary ny olona mpanota,tsy misy manana fahefana hanamasina toy ny fanaon'ny papa,raha tsy izany aleo mandoha vola kely dia efa afaka ny fahotananay dia efa lasa olo masina,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4249