misy ve ny fivavahana marina?

1. jimna ( 26/08/2005 04:30)
samy mitompo teny fantatra daholo ny fivavaha eto @tontolo ity hoe samy marina, koa iza @ireo ary no tena marina ,,,
novalian'i daran ny 19/10/2005 09:00
2. LazaRandri ( 26/08/2005 04:39)
iza aloha izany hitanao fa mitompo teny fantatra izany?

averiko kely eto ny nambarako atsy ambadika atsy:
Ny Tenin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy no tena marina. Tena marina = verite absolue :)
3. fijo ( 26/08/2005 04:41)
ka le andriamanitra ve rainy sa izy ihany e.toa manadala olona mantsy lery amin'io resaka io
4. LazaRandri ( 26/08/2005 04:42)
fanazavana fohy:
mitompo teny fantatra = izay manambara fa ny teniny no marina, samihafa amin'ilay hoe ny tenin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy.
5. marozevo ( 26/08/2005 05:33)
Ny hazo tsara tsy mamoa voa ratsy.
Ny voany (fruits) no hitsarana ny hazo.
6. mihoby ( 26/08/2005 06:56)
tsy ny fivavahana etsy na ny ero no marina fa rehefa ianao no tena mivavaka de izay no fivavahana marina amiko
7. tafita ( 26/08/2005 07:49)
Tsy misy hoe iza no tena izy na tena marina fa izay anao sy misy nhy finoanao no tena marina , aza mijery ny hafa fa ny anao , tano mafy izay inoanao ...........
Baye , Baye e
8. stephan ( 26/08/2005 07:56)
ary inona ary ilay lazainao hoe tenin'Andriamanitra na jesoa marina?
9. boalimena ( 26/08/2005 08:50)
rahefa mino ianao amin'izay fivavahana arahinao dia izay no marina amiko
10. jentilisa ( 26/08/2005 08:56)
ny fivavahana marina dia izay manafaka ny olona hiala amin'ny fahabadoana, mahatonga azy hahay hiara-miaina amin'ny hafa,tsy hitsaratasra ny hafa ho diso avy hatrany na dia tsy itovizana aza ny hevitra ary manafaka azy amin'ny fadifady na fombafomba mifanohitra amin'ny fampivoarana ny maha-olombelona.
Diso ve ny hevitro?
11. xxx ( 26/08/2005 09:01)
samy manana izay lazainy ho marina ho an' ny tenany ny tsi1/1 ka tsy misy afaka milaza hoe atsy na ny ary no tena marina fa ny azo ambara fotsiny dia ny hoe: ny vokatry ny ataon' ny olona no hitsarana azy raha marina ny fivavahany na tsia
12. jentilisa ( 26/08/2005 09:09)
azo ekena mihitsy izany hevitra izany! izay ilay hoe ny voany no hitsarana ny hazo. Tsara ve ilay arahinao? ny vokatry ny nataonao no hitsaran'ny hafa anao.
13. ravakamalala ( 26/08/2005 09:46)
Nomen Andriamanitra saina hieritreretana kosa isika e! Ary mitombina tsara raha te hahfantatra hoe aiza marina no tokony aleha, matoa anie isika mifanakalo hevitra eto dia samy liana ary te hahafantatra hoe aiza ny fahamarinana e! Samy mino isika! Nefa ny finoana tsy arahin asa kosa dia zava poana, ka asa inona no tokony atao ary lalana aiza no tokony arahina?
Izaho mino, mivavaka ary vita batisa. Mandefa anefa ny volana sy ny taona dia misy ny milaza fa diso ny lana alehako (ary raha ny fanazavany dia mitombina fa tsy affirmation gratuite fotsiny akory) dia nandalina aho ary vao maika aho nihorikoditra naheno teny iray avy amin ny Baiboly hoe(tsy haiko tsara ilay izy fa ny foto kevitra dia hoe ) : Raha efa fantany fa manota izy ka mbola mikiry ny ijanona amin izany dia fahavoazana be ho azy,
14. pika ( 26/08/2005 10:11)
raha mbola olombelona isika tsy afaka ny hitsara hoe ny iry no marina na ity
ny fantatra fotsiny dia Atra iray ihany no hivavahana
ny baiboly kristianina dia iray ihany fa ny mpandika teny no samy hafa ny lazainy mitovy fa ny folmba fiteny no samy hafa
15. jentilisa ( 26/08/2005 13:28)
ravakamalala> na iza na iza miteny fa diso ny lalana alehanao dia izay no atao hoe mpaka fanahy. Ny devoly ihany koa dia mahay Soratra Masina. Jereo fa fandrika ho anao ny tsy fahalalana tsara akory ny tenin'Andriamanitra dia azo ahodikodindoha ianao avy eo. Raha ny fivavahana kristiana dia tsy miankina loatra t@ nataonao fa miankina amin'ny fahalalanao izay nataon'Andriamanitra taminao. Ankoatra izay dia fandisoana ny filazantsara.
16. Veloo ( 26/08/2005 14:36)
ny fivavahana marina ry reto dia izay manaraka an'ny Baiboly antsakany sy andavany... manaraka ny didy folon'Andriamanitra (izay ao @ baiboly ko) Izay rehetra miala amin'ny baiboly dia tsy fivavahana marina:wink:
17. jaonga ( 26/08/2005 15:20)
Ekeko tanteraka ny voalazan'i Veloo.

Tsy ny olona (na izay Mpanaraka fomba fivavahana iray, no atao criteria hanapahana hevitra). Tokony ho jerena araka izay tokony ho izy izay voalaza marina ao @ Soratra Masina, satria afaka manazava izay voalazany tsy misy tombony, tsy misy hanalana ny Baiboly. Koa ny fandinihana azy tsy misy "prejugEs" no fototra hialana.

Mirary soa ho antsika liana @ ity resaka ity ary e.
18. LazaRandri ( 27/08/2005 03:58)
Misaotra an'i Veloo nanazava fa izay angamba vao mety ho azon'ny olona ilay hoe "NY TENIN'ANDRIAMANITRA NO MARINA".
19. jentilisa ( 27/08/2005 14:57)
izao ary! inona no marina fa samy ao amin'ny genesisy ireto. Ny iray toko voalohany ary ny iray toko faharoa. Ny olona sa ny anana famboly no noharian'Andriamanitra voalohany?
20. deghany ( 29/08/2005 12:52)
LazaRandri:

iza aloha izany hitanao fa mitompo teny fantatra izany?

averiko kely eto ny nambarako atsy ambadika atsy:
Ny Tenin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy no tena marina. Tena marina = verite absolue :)



EKENA!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1247