misy ve ny fivavahana marina?

21. deghany ( 29/08/2005 12:56)
tafita:

Tsy misy hoe iza no tena izy na tena marina fa izay anao sy misy nhy finoanao no tena marina , aza mijery ny hafa fa ny anao , tano mafy izay inoanao ...........
Baye , Baye e

matoa misy ny marina , dia misy koa zany ny diso!!
Ny baiboly zany natao mba harahina eo @ fanatanterahana ny vavaka e!! rehefa raràny , de tsy marina na dia hino be eo aza!! zay le manompo A/tra hafa, donc SAMPY!
22. babalahy ( 29/08/2005 13:08)
Izay mivavaka @ Andriamanitra iray ,ilay nahary an'izao tontolo izao sady tsy misy mitovy aminy ary tsy nateraka no tsy niteraka.
23. deghany ( 29/08/2005 13:15)
jentilisa:

izao ary! inona no marina fa samy ao amin'ny genesisy ireto. Ny iray toko voalohany ary ny iray toko faharoa. Ny olona sa ny anana famboly no noharian'Andriamanitra voalohany?

toa ny olombelona ngamba r'se no nohariana farany a!!
24. deghany ( 29/08/2005 14:00)
Dia farany e!! eo @ le we firaisam-pinoana!! somary tsy mety iany ny eritreritro satria araky le nosoratako we: matoa misy ny marina, dia misy ny diso!!
ny rano maloto ve de hafangaro @ rano madio?
FA ZA ZAO TSY NITENY WE IZA NO MARINA NA DISO AN!!
nikôzy fotsiny zao za!!
25. jimna ( 30/08/2005 04:29)
ANDRIAMANITRA ary ane mbola misy misalasala hoe iza no tena anarany,mbola misy manolo ny anarany hoe tompo na Andiamanitra fa tsy tononiny tsa ny anarany.Andriamanitra = anaram-boninahitra, fa iza ary no tena anarany eh, ohatrany hoe filoham-pirenena,de iza no anaran'ilay Andriamanitra.
26. Herimiafina ( 30/08/2005 04:41)
Miarahaba antsika rehetra!!!! Izao ny hevitro momba ny fivavahana: "mampalahelo ahy tokoa ny mahita ankehitriny fa ny fivavahana dia nataon'ny olona antony hifanavakavahana fa tsy mbola ampy azy ny resaka volonkoditra, fananana sy tsy fananana, sns".

Ny hevitro momba ny hoe misy ve ny fivavahana marina sa tsia, dia izao:
- Ny marina amiko tsy voatery ho marina aminao -.
Ahy samirery ny finoako ary devoarako ny mampiroborobo an'izany ary heloka ho ahy ny hahafaty azy.
Ny fivavahako dia tsy imposer-ko aminao mihintsy fa mety tsy hanavotra ano akory izany, fa anao samirery ihany koa ny finoanao.

Ka izao izany, ny tokony hataon'ny olona tena mpivavaka dia ny manao échange mba samy hampitombo ny finoan'ny tsirairay avy fa tsy mi-forcer hanaraka azy any amin'izay fivavahany any.

Raha misy olona miteny hoe tena marina ny fivavahako, dia faly aho satria olona nahay nampitombo ny finoany iny olona iny ka CONVAINCU amin'ny zavatra arahiny.

Hatreo aloha dia mbola mety...

Fa raha hoy iny olona iny, diso daholo ny fivavahanareo fa ny ahy no tena izy, dia tsy mankasitraka intsony aho satria ny fivavahany dia marina aminy fa tsy voatery ho marina amiko.

Tadidio fa ny finoanao dia fanananao manokana fa tsy fananambahoaka akory ka hitambarana amin'ny atsy na ny aroa.

Faly aho amin'ny fivavahako ary CONVAICU aho, tsy olonkafa velively no hanao ahy hoe diso ny fivavahako sanatriavina, fa raha maty ilay finoana efa nokolokoloiko hatramin'izay dia heloka lehibe eo ambonin'ny lohan'iny olona iny.

Manana ny antony aho ary ahy samirery maha-convaincu ahy amin'ny fivavahako.
27. deghany ( 30/08/2005 08:19)
Herimiafina:

Fa inn ary kay ny tanjon'ny missionera mande manamboatra eglisy any @reny tany lavitra manompo sampy reny?? le olona vatanin'izy reny kou nge mba nanana ny finoany e!! nefa de nahodina ny lohany!! zany we zany afaka miova hevitra nge ny tsirairay e! fa tsy we mino de mino de @zao fotsiny!!
28. deghany ( 30/08/2005 08:20)

29. Herimiafina ( 30/08/2005 21:54)
Any amin'ny alehan'ireny missionera ireny no antsoina hoe MAIZINA. Ny tokony ho izy dia izao:

- Ny olona efa mandeha amin'ny mazava dia tsy taomina intsony ho any amin'ny mazava fa ampianarina mba hahay hikolokolo ny finoany.
- Ny olona tsy mahafanatatra ny mazava dia taomina handeha any amin'ny mazava.

Ny asan'ny missionera dia ny handeha any amin'ny maizina fa tsy andeha hitaona indray ny efa any amin'ny mazava.
Ny missionera dia mitaona sy mandresy lahatra fotsiny ihany fa tsy mi-forcer akory hoe tsy maintsy miditra ampiangonana ireo mpanomposampy (raha tena sampy tokoa no tompoiny).

Raha toa ka misy olona miteny aminao hoe diso ny finoanao dia izao havaly azy, "ianao ve mino an'Andriamanitra iray tsy toha mpahary ny lanitra sy ny tany?", Raha mamaly izy hoe eny dia teneno hoe "Izaho koa torak'izany".
Dia anontanio indray, "ianao ve matahotra an'Andriamanitra?" Raha mbola manao hoe ENY dia ataovy hoe indray "Izaho koa torak'izany".

Dia teneno amin'izay hoe: "samy mino an'Andriamanitra Iray tsy toha isika, samy matahotra Azy" Dia inona kay no mahadiso ny finoako?

Ireo condition roa ireo ihany no base-ny finoanao, tandremo sao afaka ireo.
30. deghany ( 31/08/2005 08:11)
de zany we zany afaka mitsara ny finoan'ny hafa we: diso iany zany ny sasany!! f'angaha tsy we: ny marina @ anakiray tsy terena ho marina ho an'ny sasany?!! afaka mitsara iany zany we Maizina ny any @ sasany!!
azo atao iany zany ny manozongozona olona @ finoany!!
:@o^o
31. jentilisa ( 31/08/2005 09:43)
Samy misy ny vanim-potoanany ny fitoriana. Raha raisina ohatra ny teto Madagasikara. Ny misionera teto (prot) tsy nanorina fiangonana avy hatrany fa inona no nataony? nanatona ny mpitondra tao an-toerana izy aloha. Mangataka mba hiasa ao. ny asa dia hampianatra ( mamaky teny sy manoratra) koa raha manaiky ny mpitondra dia miasa izy fa raha tsy manaiky dia mody. Izany hoe fampianarana no natao. Ny misionera tsy nitsaratsara avy hatrany (afa-tsy ny sabatista angaha) hoe diso ny ataonareo fa dia mampianatra to ny mpampianatra rehetra fotsiny. Avy ao anatin'ny taranja no nasiana perikopa ( tapa-tsoratra notsongaina avy ao amin'ny baiboly). Tadidio fa nandritra ny valo taona nitondran-dRadama rainy tsy nanorina fiangonana mihitsy ny misionera. Dia izay...ny olona avy eo no manatona ny misionera rehefa manan'olana dia mihamaro avy eo ny mpiangona.

fehiny tsy nitsara mihitsy ny misionera hoe diso ny anareo fa ny anay no marina. Raha nanao izany izy voaroaka avy hatrany.
32. Herimiafina ( 31/08/2005 16:42)
deghany:

de zany we zany afaka mitsara ny finoan'ny hafa we: diso iany zany ny sasany!! f'angaha tsy we: ny marina @ anakiray tsy terena ho marina ho an'ny sasany?!! afaka mitsara iany zany we Maizina ny any @ sasany!!
azo atao iany zany ny manozongozona olona @ finoany!!
:@o^o

Fa inona ilay antsoina hoe finoana aminao? Jereo tsara ireo base roa notononiko teo. Dia rehefa tsy manaraka ireo base ireo izany dia mbola "maizina".
Ohatra: mino an'i Tanimanga ve ianao? Matahotra an'i Tanimanga ve ianao? Raha "eny" ny valiny dia ao amin'ny maizina izany ilay olona satria mahafantatra isika fa ny tanimanga dia tsy namorona an'izao tontolo izao.
Ilay hoe mitsara ny an'ny hafa ho marina na tsy marina dia matetika ny samy kristianina ihany no manao an'io nefa samy mino an'i Jesosy daholo ihany fa mifanankiana fotsiny.
Ka tsy ny samy efa kristianina na ny efa samy silamo no tokony hifampitsara fa tokony ny maizina no hampahafantarina ny tena finoana mba tsy hivavahany amin'ny tanimanga intsony. Mahafaly ny mahita olona iray avy tany amin'ny maizina manao hoe misy Andriamanitra namorona izao rehetra izao, ary tsy mamapaninona na lasa silamo izy na lasa kristiana na lasa sekta na lasa inona, satria izay tiany no hitany ho marina aminy.

Raha lasa silamo izy izaho tsy hitsara azy mihintsy hoe diso ianao fa kristiana no tena izy ka mivadiha kristianina. Tsy hitsara aho satria izy efa manana an'ialay basen'ilay finoana anakiroa teo ary izay no marina aminy ary tsy voatery mety amiko.

33. deghany ( 01/09/2005 11:27)

de zany we zany tsy kouah na bobaka be eo ary ny karazampiangonana fa we A/tra iray iany no hahatongavana sa we aona???

34. Herimiafina ( 01/09/2005 21:39)
Tsy mitsara finoana aho ary tsy manampikasana ny handrava n\'inon\'inona sauf raha tena flagrant be ny ratsy ataony: mamono olona, manavakavaka, harena, voninahitra, sns.

Ny fomba fiangonana ankehitriny dia olombelona no nanao azy fa tsy Andriamanitra, ny finoana nefa avy amin\'Andriamanitra, ary rafitra iray ihany ny lalàna nomeny fa tsy misy isankarazany tsy akory.

Eo amin\'ny fomba fitaizana finoana no misy ny olana satria marobe ny fomba nandikana ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny fanorenana Fiangonana, hany ka marobe toy izany koa ny tsy fitoviankevitra ary marobe ny Fiangonana mitsangana (Samy mandika ny Baiboly araka izay tiany daholo).

Ka amiko, raha misy Fiangonana miforona ka tena manaraka tokoa ny didin\'ny Baiboly, manaja ireo fepetra roa lehibe mikasika ny finoana voatonona tany aloha, dia tsy mampaninona ahy izany.

Ny olana sy ny zavatra tokony hosorohina anefa dia :
- Ny fanararaotana: misy olona manangana fiangonana satria \"tsy an\'asa dia mila vola\" dia mamitaka olona manampinoana maro mba hazahoana vola.
- Misy ihany koa mitonona ho Fiangonan nefa tsy manaraka na iray aza ny tena Didin\'ny Tompo fa mamono olona, mangalatra, sns.
- Misy ihany koa Fiangonana mitsangana manenjika ny Fiangonana sasany, manaratsy, sns.

Amiko ireo farany ireo dia tsy Fiangonana fa Associations foronin\'i Devoly mba hampiodina ny anjara-famonjena tokony ho an\'ny olona.
Tsy meloka anefa ny olona manaraka raha toa izy ka manampinoana marina.

Solution: asivo norma,
35. Herimiafina ( 01/09/2005 21:47)
Votoatiny:

"Marina avokoa ny Fiangonana mifototra amin'ny lalàn'Andriamanitra sy manaja izany, saingy misy kosa ny Fiangonana diso, dia ireo tsy manaraka izany fa mandeha amin'ny tanjona hafa".

"Tsy ratsy ny miteny hoe tena marina ity Finoana iray ity, fa ratsy kosa ny miteny hoe diso daholo ny finoana hafa".

Kolokoloy ny finoanao fa tsy hotsaraina ny amin'ny fomba nanatanterahanao izany ianao....
36. deghany ( 02/09/2005 11:40)
Tsy de hitako nge zany ny antony hisian'ny karazampiangonana marina raha ohatra ka samy we ny baiboly no nataon'izy reo base e!
fa matoa misy bobaka be reo de nahita ny vao niforona we, ny an'ty karazampinoana 'ray 'ty misy tsy manaraka ny baiboly!
fiatsarambelatsihy ny hiteny we: marina ny an'ranona fa hamorona hafa aho na izany aza!! matoa namorona fa tsy nanaraka, de satria miteny ny an'ny hafa ho diso!!
"saingy misy kosa ny Fiangonana diso, dia ireo tsy manaraka izany fa mandeha amin'ny tanjona hafa: ekena!
"Marina avokoa ny Fiangonana mifototra amin'ny lalàn'Andriamanitra sy manaja izany": tsy misy marina bobaka 'zany io. matoa misy karazany roa samy hafa, dia misy ny tsy fanarahana baiboly.
Le we tanjona= A/tra , de le we ny lalana fotsiny no samy hafa! ao @ baiboly nge tsy misy miteny an'zany ao e! ny lalana ahatongavana any efa nofaritany mazava!(ny fomba fivavahana, .....)
tohano ary ny hevitra!

37. jentilisa ( 02/09/2005 15:49)
ny mahamaro isa ny fiangonana dia fomba fijerin'olona sy fomba fandikany ny voalazan'ny baiboly. izay ihany! Asan'olona no mampisaraka azy ireo fa tsy asan'Andriamanitra. Anisan'ny nampisaraka ny prot sy ny kat taloha anie ka ny resaka hoe ny prot manindry kokoa ny finoana ihany, moa ny katolika manindry fa tsy ampy izany finoana fotsiny izany fa tsy maintsy misy asa...iza no marina ary iza no diso? Fomba fijery no anton'izay! (ny olana tamin'izany dia ny hoe inona ary no atao hoe asa?)
38. Herimiafina ( 02/09/2005 18:20)
deghany:

Tsy de hitako nge zany ny antony hisian'ny karazampiangonana marina raha ohatra ka samy we ny baiboly no nataon'izy reo base e!
fa matoa misy bobaka be reo de nahita ny vao niforona we, ny an'ty karazampinoana 'ray 'ty misy tsy manaraka ny baiboly!
fiatsarambelatsihy ny hiteny we: marina ny an'ranona fa hamorona hafa aho na izany aza!! matoa namorona fa tsy nanaraka, de satria miteny ny an'ny hafa ho diso!!
"saingy misy kosa ny Fiangonana diso, dia ireo tsy manaraka izany fa mandeha amin'ny tanjona hafa: ekena!
"Marina avokoa ny Fiangonana mifototra amin'ny lalàn'Andriamanitra sy manaja izany": tsy misy marina bobaka 'zany io. matoa misy karazany roa samy hafa, dia misy ny tsy fanarahana baiboly.
Le we tanjona= A/tra , de le we ny lalana fotsiny no samy hafa! ao @ baiboly nge tsy misy miteny an'zany ao e! ny lalana ahatongavana any efa nofaritany mazava!(ny fomba fivavahana, .....)
tohano ary ny hevitra!

Hitan'i Deghany, azontsika ampitoviana amin'ny antoko politika any Madagascar ilay izy. Maninona moa no taty aoriana, raha vatany vao nipetraka ny fanalalahana dia lasa marobe ny antoko Politika. Misy roa lehibe aloha tamin'ny fiandohana, dia nivaky noho ny fiadivana sy tsy fitovian-kevitra.
Satria hevitr'olombelona daholo no niady tao, tsy fahafaliana dia lasa mivaky ny Fiangoanana iray.

Fantaro anie hoe inona no antony nampisy ilay tsy fitoviankevitra e?
Misy antony maro mikasika ny fomba fitondrana ny Fiangonana izay tsy nampifanaraka dia niteraka ady avy eo, dia nisy sosotra dia nisitaka.

Jereo fa olona daholo no manao izany.

Ny fahadisoana lehibe dia lasa manao "culte de personne" ny olona indraindray. I Pasitera, na i Mopera, dia panompon'Andriamanitra toa an'i Simon Pierre fa tsy Andriamanitra tsy akory, mety manao fahadisoana izy ireny (mitovy amin'ilay fandavan'i Simon Pierre ny Tompo raha tsy naneno in3 akory ny akoho) fa izany akory tsy midika foana hoe ratsy ilay Fiangonana (Ankoatry ny fandikana ny lalan'Andriamanaitra).

Ny olana iray koa dia izao, efa lasa materialista be ny olona ka mila zavatra mivaingana hita maso toy ny mirakla. Ka lasa tsy mahita maminy amin'ilay fivavahana sy toriteny tsy misy mahatakatyra af-tsy ireo izay nianantra ihany, sns.

Mila amboarina ny lalanan'ny Fiangonana, asiana Standard, ary izay no votoatin'ny Oekominisme araka ny Papa Joany Paoly faharoa.

Ka raha aravona dia tsy ny adin'ny olombelona samy olombelona, tsy ny adin'ny tsy mitovy hevitra no andeha hitsarana ny finoana iray satria ny finoana avy amin'Andriamanitra fa tsy namboarin'olombelona.
39. Herimiafina ( 02/09/2005 18:32)
Ny ady lehibe tokony hataontsika efa mivavaka dia tokony hipetraka amin'ny hoe:
- Voalohany: "Mbola misy olona tsy mino an'Andriamanitra ary marobe izany, misy koa ny mino fa mankahala an'Andriamanitra". Taomina izy ireny mba handray ny finoana sy hikolokolo izany.
- Faharoa: "Manamboatra ny rafitra rehetra natsangan'olombelona tsy mifanaraka amin'ny Sitrapon'Andriamanitra ny amin'ny Fiangonana.

Ny zava-misy amiko dia probleme de GESTION (fitondrana) fa tsy probleme de FONDEMENT (finoana fototra) antony mahabetsaka ny karazana Antokompivavahana.
40. Achia ( 05/09/2005 08:14)
Ny mahatonga ny fivavahana maro samihafa dia izay mahita marina kely @ baiboly dia miala (secte)mamorona ho azy fiangonany dia toy izany hatrany hatrany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1729