fivavahana sy fandaniana andro

1. fijo ( 24/08/2005 22:01)
asa ry zareo,fa za dia mahatsapa,fa toa fandaniana andro fotsiny io fivavahana io.tsy dia hitako loatra izay tena entiny amin'ny fiainana'ny olombelona ankoatry ny ady.
2. LazaRandri ( 24/08/2005 22:05)
"fijo":
tsy dia hitako loatra izay tena entiny amin'ny fiainana'ny olombelona ankoatry ny ady.

satria tsy hainao ny manavaka ny "ondry" sy ny "osy, tsy hainao ny manasaraka ny "fivavahana" sy "fanasana atidoha":)
3. hery ( 24/08/2005 22:27)
Zah aloha mivavaka kanefa toa tsy hitako hoe mandany andro... hitako mihitsy ny zavatsoa. Euh... mazava ho azy fa izaho no mahatsapa izany... satria izaho no mivavaka. Angamba raha mivavaka i fijo dia mety hahatsapa izany koa.

Izaho tsy anisan'ilay miteny hoe maty antoka ianareo tsy mivavaka... ny tsapako fotsiny dia hoe mahazo tombony aho mivavaka.
4. maditra ( 25/08/2005 04:26)
Tsoriko aloha fa misy fotoana zah mandresy lahatra ny tenako toa ataon' i fijo io fa tsy mety. Betsaka be zavatra manery ahy na mahatonga ahy tsy afaka handa fa misy Atra. Ary heureusement zah mino otran'izany satria manakana ahy hanao zavatra fantatro fa ratsy izany ohatra izany ady izany, contrairement amin'ny zavatra heverin'i Fijo ho entin'ny fivavahana.
5. fijo ( 25/08/2005 04:43)
ka ny tsapa sy hita aloha izao anie dia hoe,izay tany "mivavaka be"na itoeran'ny finoana be oh:palestine,irland,kashimir,brezily,dia tena toeran'ny ady koa e.
ary nareo ve tsy mahatsapa,fa naroboky ny vazaha tao ny zanatany dia izy nefa mialavoly tsara ny alahady.
6. LazaRandri ( 25/08/2005 05:08)
tsy hitako izay hifanazavana momba ity resaka ity. Raha "tsy nahafantatra" sy "tsy natoro" mihitsy i Fijo dia adidy amin'ny maha-kristianina no manoro azy. "Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy." 2Petera2:21
7. moi ( 25/08/2005 06:00)
Miteraka ady ny fivavahana, satria miady ny fanahy roa : ny devoly sy ny anjely !
An'i Satana izao tontolo izao, ka raha tonga ny mpanelingelina (=ny fivavahana kristiana) dia tsy faly izy, dia mikorontana. Ny marina kokoa dia tsy ny olona no miady, fa ilay fanahy no mampiady.
Zavatra tsy tian'ny devoly mihitsy izany client-ny ho lasan'ny adversa izany.
Ka raha ny hilamin'ny tany no tadiavina, dia aleo tsy asiana resaka fivavahana.
Saingy tsy afaka misafidy an'izay isika satria ny famonjena ny fanahy no zava-dehibe amin'Atra ary tsy tiany hisy ho very ny olombelona. Ka tsy maintsy toriana eran'izao tontolo izao ny Famonjen'Andriamanitra vao ho tonga ny farany.

Ka tsy fandanian'andro ilay izy fa fitiavana ny hafa mba ho voavonjy. Soa ihany fa ny mitory no anjaran'ny kristiana, fa an'ny toriana no manaiky na tsia. Izay no itiavako ilay tenin'Atra hoe "Aoka ny teninareo ho ENY, dia eny, na rehefa TSIA dia tsia"
Maha fitiavana azy ny safidy apetrak'Atra, fa ny mpitory no indraindray manery.
8. ari.malala ( 25/08/2005 06:24)
LazaRandri:

tsy hitako izay hifanazavana momba ity resaka ity. Raha "tsy nahafantatra" sy "tsy natoro" mihitsy i Fijo dia adidy amin'ny maha-kristianina no manoro azy. "Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy." 2Petera2:21




dia tena tsara tokoa ve? io indray ilay mandrirotra tenin'ny soratra masina! tsy adidinao @ maha kristianina sy mpanaradia ny Tompo anao ve ny manoro azy satria matoa anie i fijo manizingizina hatr@ zao fa tsy nahitany vokatsoa (araka ny filazany aloha) dia mety hoe tena izay tokoa ve? tsy haiko, mety
9. LazaRandri ( 25/08/2005 06:32)
tsy haiko ny fomba famakianao an'io na tsara na ratsy.

Eny, io efa nambarako io fa adidy no nanoro azy, ary tsy kivy na ho ketraka amin'ny fanoroana azy mihitsy aho :)

Hoy i ari.malala hoe tsy nahitany voka-tsoa? Izao indray manao hoe sao dia izy kosa no tsy te handray ilay voka-tsoa ka mahatonga an'i Kristy niteny hoe: "ahintsano eo am-baravarany ny vovoka amin'ny tongotrareo" :)
10. scorpion ( 25/08/2005 08:21)
Samy mizotra amin'izay mahasoa sy mahatafita azy, izay ihany ny fianana manja.Ny mivavaka mazotoa mivavaka, ny tsy mivavaka aza mivavaka fa aza adino fotsiny ny manao soa ho anao sy ny mpiara-belona, fa izay asa soa ataonao izay dia efa vavaka vita ho azy, satria fanasoavana sy fitiavana
11. mihoby ( 25/08/2005 08:40)

za aloha tsy mboa matiantoka hatramin 'izay nivavahako ,tena nahatsapako zavatsoa le mivavaka , indrindra @ zavatra sarotra de eo no tena maha te hivavaka be mintsy, ary hahitanao ny valintsoa avy amin' Andriamanitra ,no nantsampanao ny fisiany sy ny valim-bavakao ,
ny azoko tenenina fotsiny de hoe mba handramo aloha ry fijo fa sao mba hahita voka-tsoa ihany ianao satria ny teniny mantsy manao hoe " Andramo ka hizahao fa tsara jehovah " no mba andramo koa ny mitady azy @ vavaka fa hoy izy " mitadiava de hahita ahy ianareo"
mahereza e,
12. pika ( 25/08/2005 09:30)
fijo a raha mivavaka dia ny tombotsoa azonao sy ny fianankavianao t@ fivavahana no jerena fa tsy hoe ka ahoana ny israely snsn....
raha izany no jerena dia tsiriko aminao fa na ny hiditra ampiangonana aza mety tsy natao oh hoe jereo i pasitera na i mopera na ireo lohandohampisorona sy ny adalany tsy izy rehetra anefa
tsy izany no jerena fa Atra
ary raha ny tsapako aloha rehefa somary tafasaraka kely @ Atra dia toa mikorontana daholo izay atao noho izany hafa ihany ny mivavaka ka
13. fafa ( 25/08/2005 10:27)
fijo> mivavaha ao antrano zany refa hitanao fa fandaniana andro ny fankanesana any ampiangonana e!? sa tsy misy ataonao ko zany? andramo aloha sao henoiny ihany ianao
14. nalo ( 25/08/2005 11:11)
fijo:

asa ry zareo,fa za dia mahatsapa,fa toa fandaniana andro fotsiny io fivavahana io.tsy dia hitako loatra izay tena entiny amin'ny fiainana'ny olombelona ankoatry ny ady.


fanontaniana apetrako @fijo.enao ve kristianina zany hoe mandray an'i Kristy ho mpamonjy? izao koa aloha sao dia afangaronao ny hoe: finoana sy ny antokom-pinoana. iry voalohany no tiako lazaina. fa tsy vazivazy io. fa enao ihany aloha ny erany e! fa aleoko lany andro @fanompoana n' i Kristy. sur za @ zay fa hanana rakitra any an-danitra. ny ahy aloha dia izay ny hivavavhako ny ho tonga any an-danitra. Mino an'izany ianao tsara tsy mino ianao tant pis ! fa izao tsy mitovy mihintsy ny olona hoe tsy mbola nahafantatra an' i Kristy sy ny efa nahalala dia minia mandà! pensez y!tu as enore le temps de faire un demi-tour vers le droit chemin.
15. juluka ( 25/08/2005 11:23)
Marina ny an\'i fijo. Mitovy fomba fijery isika ary tena marina io fomba fijery io. Mahagaga anie dia ity kristiana mitady ny tsy ho hita ity e. Ny ahy ny fantatro dia efa ato amiko Andriamanitra fa izy no tompon\'ny aina. K\'inona intsony no hitadiavako azy. Fa inona marina moa no atao hoe mivavaka? Ilay mtondra baiboly na mihaino ny toroteny fampandriana andrisa ataon\'ny mopera sy pastera dia avy eo manome rakitra karaman\'izy ireo ve? Sa ......??? inona ??? Tadidio tsara fa nareo kristiana ihany no milaza fa manokàna andro iray hitsaharana. K\'inona no mbola andehanako any ampiangonana fa tsy aleoko ve mijanona ao antrano. Fantaro koa fa amin\'io ny mopera sy ny pastera sns vao mikarama. Za dray dia mivavaka fa tsy mitovy amin\'ilay vomba fivavahanareo angamba.
Mazotoa dia mieritrereta tsara fa sao diso fijery nareo maro an\'isa voafitaka ireo. Misaotra anao ra fijo an.
16. nalo ( 25/08/2005 12:22)
nahazo namana ianao ry fijo a!.félicitation
17. moi ( 25/08/2005 12:50)
Inona no hanamarinan'i juluka fa ao aminy Atra ?
Atra tsy miditra ao amin'olona iray raha tsy efa nanaiky azy ilay olona, ary tsy tamana ao aminao koa Atra raha tsinontsinoavinao, raha entinao manao fiainana tsy araka ny sitrapony ...
Mety ho tao aminao Izy fa tsy tamana raha tsy noresahanao, mba nentinao tany an-tranony rehefa andro fivavahana.
Ny andro fitsaharana dia tsy hoe repos fotsiny, fa sady natokana ho Azy.
18. moi ( 25/08/2005 12:52)
Inona no hanamarinan'i juluka fa ao aminy Atra ?
Atra tsy miditra ao amin'olona iray raha tsy efa nanaiky azy ilay olona, ary tsy tamana ao aminao koa Atra raha tsinontsinoavinao, raha entinao manao fiainana tsy araka ny sitrapony ...
Mety ho tao aminao Izy fa tsy tamana raha tsy noresahanao, mba nentinao tany an-tranony rehefa andro fivavahana.
Ny andro fitsaharana dia tsy hoe repos fotsiny, fa sady natokana ho Azy.
19. fijo ( 26/08/2005 04:54)
nalo an,za tsy hafaka handray olona nomelohin'ny mpiarabelona taminy hofaty noho ny fandikany lalana.ho tompoko.
za tamin'ny mbola kely dia mpanao sekoly alahady,ary tena voalohany foana tamin'izany.fa tsy hitako izay nilavana azy.
moi,ny andro fitsaharana dia natokana hoazy?????za ve no efa vizana dia mbola olona tsy hita taolana akory ery no handaniako andro le.
20. marozevo ( 26/08/2005 05:36)
Noho izany dia mandany andro fotsiny koa i fijo eto amin'ity sehatra ity... Sa te-hanodina ny lohan'ny mpivavaka fotsiny no hidirana eto ?
Sanatria izany ry lery ah !!..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2264