fivavahana sy fandaniana andro

21. moi ( 26/08/2005 05:48)
Ilay mankany am-piangonana aloha dia fandanian'andro sy mandreraka ho an'ny sasany, ka ao ny mivoaka mihitsy rehefa toriteny !!
Raha sendra toy izany ianao izay mamaky dia tena mampieritreritra ny maha kristiana anao.
22. xxx ( 26/08/2005 09:04)
tsy fandaniana andro velively aloha ny fivavahana raha amiko manokana raiso fotsiny ary hoe adala daholo zany ny olona marobe mandeha mankany ampiangonana isak' alahady io, tsy liana ny olona @ fivavahana ny olona dia zay no mahatonga azy miteny hoe fandaniana andro.
23. ravakamalala ( 26/08/2005 10:07)
Zao fotsiny ry Fijo an! Tia anao Andriamanitra, tia anao mihotra noho izay hieritreretanao azy, mandondombaravarana ao aminao foana izy isanandro isan ora, fa dia anjaranao tokoa ny mandraya zy sy ny tsdy mandray azy.
Ohatra fotsiny na dia tsy azokoa mpitahaina aza. Misy sipa iray milaza fa tia anao, ahoana ny ahafantaranao ny tombontsoa mety ho hitanao miaraka amin io sipa io raha tsy ianao mihitsy no manaiky handray azy. Dia avy eo ianao tsy hiandry fotsiny ho tolorany fitiavana fa mba refa manao bisous izy dia manao koa enao, misafosafo izy dia mamaly koa ianao, manome fanomezana anao izy dia torak izany koa ianao sy ny sisa tsy voatanisa, vonona ianao avy eo hanao izay mety rehetra mba tsy hialan ny fitiavan io sipa io aminao. TSY marina izany?

Ny fitiavan Andriamanitra anao nefa dia sahiko ny miteny anao fa mbola lehibe mihoatra noho izay mety ho fitiavan io sipa io anao. (tsy azo anoharana akory fa dia mba ahazoanao azy fotsiny.

ANDRAMO KA IZAHAO E

Rehefa tena hoy moa ianao hoe an an an tsisy fika fa tsy hitako mihitsy e! Dia aza adino fotsiny fa tia anao foana Izy ary miandry Anao.
24. pika ( 26/08/2005 10:15)
ianao ve ry fijo tsy mbola tojo olona hoe tokony ho faty tao oh fa mahagaga sy misitery ny mbola nahavelona
25. ari.malala ( 26/08/2005 11:28)
juluka:

Marina ny an\'i fijo. Mitovy fomba fijery isika ary tena marina io fomba fijery io. Mahagaga anie dia ity kristiana mitady ny tsy ho hita ity e. Ny ahy ny fantatro dia efa ato amiko Andriamanitra fa izy no tompon\'ny aina. K\'inona intsony no hitadiavako azy. Fa inona marina moa no atao hoe mivavaka?



Ny atao hoa mivavaka dia ianao miresaka @ Andriamanitra, mitantara Aminy sy manankina Aminy ny fiainanao sy ny momba anao rehetra, eny na dia efa fantany aza izany.
26. ari.malala ( 26/08/2005 11:37)
erreur fa azafady! :)



juluka:

Ilay mtondra baiboly na mihaino ny toroteny fampandriana andrisa ataon\'ny mopera sy pastera dia avy eo manome rakitra karaman\'izy ireo ve? Sa ......??? inona ???



inona moa no olana raha manome rakitra ho karaman'izy ireo ianao? ataoko ity ianao koa anie mba mandray karama @ asanao e! ary izay no efa nanirahan'y Tompo azy ireo dia ny hitory sy hampianatra ny firenana rehetra! ary ny toriteny tsy fampandriana adrisa araka ny teninao, fa fanazavana izay ambaran'Andriamanitra ary koa fampitana hafatra.

Tadidio tsara fa nareo kristiana ihany no milaza fa manokàna andro iray hitsaharana. K\'inona no mbola andehanako any ampiangonana fa tsy aleoko ve mijanona ao antrano. Fantaro koa fa amin\'io ny mopera sy ny pastera sns vao mikarama. Za dray dia mivavaka fa tsy mitovy amin\'ilay vomba fivavahanareo angamba.


tsy ny kristianina mintsy no niteny hoe manokàna andro hitsaharana, fa Izy Andriamanitra namorona izao tontolo izao no nanome ohatra t@ nitsaharany rehefa avy namorona ny olombelona Izy ka nahita fa tsara avokoa izay rehetra nataony. ary tsy hoe mitsahatra fe mitsahatra anie ê! fa ilay andro hitsaharana sy hanompoana Azy, hisaorana Azy noho ny fahasoavana narotsany nandritra ny herinandro.

Mazotoa dia mieritrereta tsara fa sao diso fijery nareo maro an\'isa voafitaka ireo. Misaotra anao ra fijo an.


Iza no tena diso fijery? Iana milaza fa ao aminao Andriamanitra, d nefa Izy aza tsy mba resahinao, toa atao ankilabao, ary na ny tranony aza tsy mba idiranao, nefa fantatrao tsara fa izay mahavangivangy anie tian-kavana ê :) ka sao dia ianao no diso lalana? :)

27. SNAR ( 28/08/2005 16:37)
malahelo aho milaza aminao fa tsy mbola nisy nahasahy namoaka izany fitanenana izany, satria mbola zakanao samirery izany ny zioganao, fa rehefa tonga ny fotoana ( tsy maniry izany akory aho) ahatongavan'ilay mavesatra eo aminao, izay lalànan'ny fiainana izany dia ahatsiarotena ianao hoe aiza Andriamanitra ? mbola omeny devoly ny mahafinaritra anao ianao ka sahy miteny izany fa rehefa any amin'ny farany dia hiantso an'Andriamanitra ihany ianao.
28. SNAR ( 28/08/2005 18:21)
ari.malala:

erreur fa azafady! :)



juluka:

Ilay mtondra baiboly na mihaino ny toroteny fampandriana andrisa ataon\'ny mopera sy pastera dia avy eo manome rakitra karaman\'izy ireo ve? Sa ......??? inona ???



inona moa no olana raha manome rakitra ho karaman'izy ireo ianao? ataoko ity ianao koa anie mba mandray karama @ asanao e! ary izay no efa nanirahan'y Tompo azy ireo dia ny hitory sy hampianatra ny firenana rehetra! ary ny toriteny tsy fampandriana adrisa araka ny teninao, fa fanazavana izay ambaran'Andriamanitra ary koa fampitana hafatra.

Tadidio tsara fa nareo kristiana ihany no milaza fa manokàna andro iray hitsaharana. K\'inona no mbola andehanako any ampiangonana fa tsy aleoko ve mijanona ao antrano. Fantaro koa fa amin\'io ny mopera sy ny pastera sns vao mikarama. Za dray dia mivavaka fa tsy mitovy amin\'ilay vomba fivavahanareo angamba.


tsy ny kristianina mintsy no niteny hoe manokàna andro hitsaharana, fa Izy Andriamanitra namorona izao tontolo izao no nanome ohatra t@ nitsaharany rehefa avy namorona ny olombelona Izy ka nahita fa tsara avokoa izay rehetra nataony. ary tsy hoe mitsahatra fe mitsahatra anie ê! fa ilay andro hitsaharana sy hanompoana Azy, hisaorana Azy noho ny fahasoavana narotsany nandritra ny herinandro.

Mazotoa dia mieritrereta tsara fa sao diso fijery nareo maro an\'isa voafitaka ireo. Misaotra anao ra fijo an.


Iza no tena diso fijery? Iana milaza fa ao aminao Andriamanitra, d nefa Izy aza tsy mba resahinao, toa atao ankilabao, ary na ny tranony aza tsy mba idiranao, nefa fantatrao tsara fa izay mahavangivangy anie tian-kavana ê :) ka sao dia ianao no diso lalana? :)




Malahelo aho milaza aminao, fa ianao izany ilay tena mafy be sy milay ka tsy mila an'Andriamanitra, tena sambatra tokoa ianao izany fa raha mba tahaka anao daholo ny olona teto an-tany dia ho tretrika fa saingy ny olona manana an'Andriamanitra mbola sambatra lavitra mihoatra ny eritreritrao izany, fa tandremo fotsiny ianao sao misolafaka ka ho henjehiny omby masiaka no sady eritreritra
29. nalo ( 09/09/2005 07:26)
salut fijo,
"za tsy hafaka handray olona nomelohin'ny mpiarabelona taminy hofaty noho ny fandikany lalana.ho tompoko."
inona no tianao lazaina amin'io fehezanteninao io.

jesoa? tu sais tu n'es pas obligé de l'accepter. fa alohan'ny hitenenenao an'izany moa ary ve tsy nanao fahotano mihintsy ianao nanddritran'ny andro niaiananao? jésus,c'est un Dieu a part entière( ma conviction)raha mitdy hitovy statut aminy ianao dia tsy tafavoaka e! nous des humains,en plus ;aza dia maika ny handray décision toy izao e!

tsy tena mbola fantatra koa angamba izy .fa izao koa aloha e! raha ny aty aty ivelany sy ny olona no jerenao dia ho deçu foana ianao satria tsy mifanahaka@izay tadiavinao mihintsy ny toetran'olona .manetre aloha tena dia ho hitanao fa izy mahita izay tenaao anatinao ao .c'est pas facile ,za tsy hiteny anao hoe andramo fe décision io .a toi de décider
30. vahiny2004 ( 12/09/2005 10:57)
ny fahazoako azy indray dia mbola tsy nahatsapa na nahita na nijery koa ny fitiavan'Andriamanitra azy i fijo , noho izany dia normal izy raha mahita fa fandanian'andro ny resaka fiangonana sy fivavahana

raha misy afaka mandresy lahatra azy ny mpivavaka hoe ahoana no ahafantarany fa tia azy Andriamanitra dia handeha irery hitady Azy sy hanaraka ny didiny izy, dia hahita koa izy fa tsy lavareny ny toriteny fa "fanazavana fanampiny" sy "toro-lalana" ho azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2848