Amin’ny dimy latsaka fahefany maraina

1. zozefa ( 23/08/2005 10:17)
Asa raha mba efa nosaininao fa raha ohatra fa fantatra hoe ho avy rahampitso amin’ny dimy latsaka fahefany maraina Jesoa, de inona avy re no mety ho zavatra ho ataonao e?:D
novalian'i zozefa ny 25/08/2005 19:57
2. nikopol ( 23/08/2005 10:34)
za aloha mividy sodafruit sy biscuit gasy e :lol:
3. ravakamalala ( 23/08/2005 10:50)
miady varotra oe mba ataovy rafak ampitso ndray!!!
4. chipie1 ( 23/08/2005 11:54)
sao dia tokony ho any aminy antsikana sy lalao ity sujet ity ry namana ?
5. fafa ( 23/08/2005 12:00)
zozefa> ary enao inn no ataonao kah!
6. zozefa ( 23/08/2005 12:18)
fafa >>
ny mety ho ataoko v? :D
andraso aloha ho hita daholo ny ataon'ny namana rehetra de mba maka tahaka eo, na manampy izay tsy nataondry zareo e!

Chipie1 >>
raha ohatra hoe tsy ho andro lehibe ny hahatongavan'i Jesoa de mety mihitsy ny nolazainao hoe aleo alefa any @ lalao sy antsikana ilay sujet :)

ravakamalala >>
fahasoavana ve ry ravakamalala de mbola angatahina hoe aleo afakapitso indray a!:D
7. chipie1 ( 23/08/2005 12:37)
zozefa > otrany aona mou le oe andro lehibe aminao ? sao de ho kely aminy hafa manko :lol:
8. zozefa ( 23/08/2005 13:10)
Chipie1 >>
aleo tsy zozefa no hilaza an'ilay andro lehibe fa sao de misy diso:D
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tanyefatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
Matio 24:30-31
9. stephan ( 23/08/2005 13:16)
Dia inona moa? avelao ho avy izay ho avy. Sa misy bemoto mialoha ny fahatongavany hilaza hoe ho avy ny Tompo?
10. chipie1 ( 23/08/2005 13:17)
zozefa >andro isehoany ny famantarana ny zanakolombelona io voalaza io !
11. xxx ( 23/08/2005 13:19)
tonga za ifoha aloha be raha izany de entiko ny ondako ho loloaviko=))=))
12. majakely ( 23/08/2005 13:23)
Zozefa koa mety efa kopy satria izy no dadany ko!
13. chipie1 ( 23/08/2005 13:24)
majakely > possible !
14. moi ( 23/08/2005 13:31)
Tsy resaka lalao sy hatsikana tokoa ve izy ity e !

Raha pejy lalao sy hatsikana :
Mandefa filazana amin'ny radio sy tele sy ny gara akaiky ahy aho mba hanapiaka ny famantaranandro rehetra, eny fa na dia ny horloge ordi aza tsy alefa, ary izay famantaranandro tsy mety maty dia didiana ho potehina !

Raha pejy finoana :
Miantso ny fianakaviako aho hivavaka, dia hanao vavaka fanoloran-tena izay mino amin'Andriamanitra, ... dia avansé-ko ny famantaranandroko fa vonona aho hitsena Azy ... dia ataoko ampy tsara ny solika sao lany ...

Ka amin'ny dimy latsaka fahefany maraina ora aiza aloha izy ity e !
15. zozefa ( 23/08/2005 13:42)
chipie1 >>

andro isehoany ny famantarana ny zanakolombelona io voalaza io !


tsy de azoko loatra ny tianao nolazaina, raha azonao azavaina misimisy, merci

16. xxx ( 23/08/2005 17:23)
moi =))
17. zozefa ( 23/08/2005 17:47)
tsy omeko tsiny i xxx raha =)) satria sur izy fa mbola tsy ho rahampitso amin'ny dimy latsaka fahefany ilay fihaviany, kanefa hoy ny Tompo

Apokalypsy 3:3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao

moi >>
le @ dimy latsaka fahefany angamba tsy de hoe aiza na aiza fa de mba ohatra fotsiny io,

18. tafita ( 23/08/2005 20:42)
Izah kon injay de mandositra tahaka ny nataon'ny olona vendrana be tany Tamatave t@ nisy onja kely indray aliny iny e
Grave be ny ohatr'ireny fa tena loza marina e e
19. moi ( 24/08/2005 05:30)
Eny e, gravy ireny, nefa raha mino fa tsara lavitra noho ny eto ny lova miandry anao ! Sa ianao tsy isan'ny mpandova ?
Ny tokony hampieritreritra dia hoe : maninona no matahotra fahafatesana ? Sa tsy mino fa tsara ny hoavinao any ambadiky ny fahafatesana ?
Ilay ora fahafatesana koa toa tsy tsara fantatra mialoha fa toa hanahirana ihany ny hatao. Hanao blindé, sa hitondra bouée foana, sa hihanika tendrombohitra, hatao vakisiny, hatory, tsy ho eny amin'ny arabe, any ambany latabatra, hiondana baiboly..
Nefa koa tsara fantatra mialoha, amin'izay manana fotoana hanaovana vavaka fiomanana.
20. chipie1 ( 24/08/2005 06:26)
zozefa > io andro voalaza etsy ambony io ve zany no andro lehibe aminao ? izany oe andro isehoany famantarana ny zanakolombelona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1392