Amin’ny dimy latsaka fahefany maraina

21. zozefa ( 24/08/2005 09:02)
manampy izay voalazan'i "moi" koa aho hoe rehefa ho tonga io fotoana io, de araka ny filazantsika hoe "tsy misy fika intsony", fa @ izao aloha mbola misy fika de araraoty,

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.II Petera3:9-10
22. routa ( 24/08/2005 10:45)
misaotra ry zozefa fa tonga ny hafatra
misy hiomanana raha ny izy de tsy misy mahayna ny ora na ny fotoana:D
23. fijo ( 24/08/2005 21:59)
avy dia antsoiko indray ny polisy hisambotra azy sy hamerina azy any ampigadrana ,fa olona meloka anie izy e
24. moi ( 25/08/2005 06:06)
F'angaha izy moa hita hoe iny izy iny, fa rehefa mifoha maraina fotsiny ny olona vao mahatsikaritra hoe toa tsy eo Ranona, tsy eo koa i Ranona ... (Efa lasa nakarina ny mpino rehetra)
Hisy miara-matory, ny iray lasa, ny iray tavela ; miara-mitoto vary, ny iray lasa, ny iray tavela ...

Tsy misy hosamborina izany eo e
25. scorpion ( 25/08/2005 08:27)
resaka nofinofy kay ny eto
26. jentilisa ( 25/08/2005 08:39)
Matoa tsy nolazaina hoe izao ny ora dia mba tsy hisian'ny fampitahorana. Tsy izany rahateo no tanjon'ny fitoriana ny filazantsara.
27. zozefa ( 25/08/2005 19:57)
scorpion >>
tsy manofinofy izany izahay ka, nofinofy anie tsy zavatra tsy marina e, fa mieritreritra fotsiny izahay hoe ahoana izany no mety ho atao raha fantatra fa rahapitso ilay izy, tsorina aminao aloha fa ho anay tsy ho tampoka izany fihaviany izany, fa ho anao mieritreritra anay ho manonofinofy no atahorako hoe ho tampoka, enga anie ka tsy mbola eo ampanofinofisana zavatra hafa ianao no ho tonga Izy, miambena hoy Izy, ny miambina izany angamba raha ny fahitako azy de hoe miomana mialoha hoe raha izao no misy mpangalatra de izao sy izao no zavatra atao, fa tsy hoe rehefa tonga ny mpangalatra vao hoe inona moa ny fitaovana eto ampelatanako? aiza moa ny finday? firy moa ny N° polisy, aiza ny point stratigik?....:?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2204