Kristiana hatrany ankibondreniny

1. xxx ( 21/08/2005 19:47)
Fa nahoana no lazaina fa tsy misy kristiana hatrany ankibondreniny izany? na de hoe kristiana i dada ary koa kristiana i neny
novalian'i moi ny 06/10/2005 05:54
2. fasaly ( 21/08/2005 19:57)
misy kristiana i papa sy maman fa lay zaza fangoloka be an! tsy misy maha kritstiana azy.
3. xxx ( 21/08/2005 20:39)
misaotra anao namaly sahady, fa ny fanontaniako de hoe raha tsy fangoloka b ve ilay zaza de azo lazaina fa kristiana ihany, za zao tsy fangoloka b mihitsy:D
4. hery ( 21/08/2005 21:13)
arakaraka ny antsoina hoe kristianina ihany io aloha... inona no atao hoe kristianina ho an'i xxx ?
5. moi ( 22/08/2005 06:04)
Ny hevitra anankiray ny hoe kristiana no asiako resaka tsotra aloha :
Raha misy vahiny tonga amina tanàna anankiray dia mitady hoe aiza no misy kristiana, dia ny valiny mazava dia any amin-dry maopera na ry masera, na ry pasitera, diakona, na mpiangona amina fiangonana kristiana no tondroina ; izany no antsoina hoe kristiana ara-piaraha-monina.
Raha iny heviny iny dia mety azo ekena ihany hoe kristiana hatrany ankibondreniny, satria ny zanaka kristiana dia kristiana. Ary maro amintsika no mandova ny anaram-piangonana nisy ny ray aman-dreny (katolika ny RAD dia katolika ny zanany...):roll:
Hatreo ihany no lova fa ilay tena famonjena ny fanahy dia miankina amin'ny tsirairay, satria ny pasipaoro hidirana any amin'ny fiainana mandrakizay eo anilan'Atra dia ny fanekena an'i Jeso fa tsy hoe satria dada pasitera, neny loholom-piangonana...

Eny fa na dia manana titres maro mipoapoaka ara-piangonana aza ny olona iray, tsy antoka ho amin'ny famonjena azy sy ny ankohonany izany.
6. xxx ( 22/08/2005 07:07)
moi > zay mihintsy
xxx > io anie ohatran'ny hoe olona manampahaizana be ny ray amandreny, raha samy ingeniera gaigy be ny rad ohatra dia mazava ho azy ve fa lazaina fa hoe ingeniera ilay zanany ? raha mahay be ve dada sy neny dia mazava ho azy ve fa mahay be ny zaza ? non, fa mila ezaka avy amin'ilay zaza dia otran'izany koa ny kristianina, tsy hoe satria kristianina ny RAD ka otomatika kristianina ny zaza ....; io somary sarotra satria araky ny voalazn'i moi, ilay TITRE hoe kristianina manaranaka, tenyp entina hanamarinana ny finonana fotsiny hanavahana amin'ny boudiste sy ny silamo sns ka ny tena atao hoe kristinina dia ireo manana an'Jesosy ao ampo, pratikan zany e
7. xxx ( 22/08/2005 07:36)
de ahoana kosa ry zareo lazainareo fa tsy kristiana izahay a! araka ny nolazaiko teo de hoa za aloha tsy fangoloka b arakany voalazan'ny fasaly eto, de ahoana ary, ny batemy efa vita tsara h@ mbola kely :), noterendry zareo (dada sy neny) natao ny Kominio voalohany:cry:, de avy eo votery (satria izay no tian'i mopera) hanao confirmation:cry:, zany hoe kristiana malgré moi v zany no hilazana ahy sa ahoana, satria anie zany ny maha kristiana efa ananko daholo e? sady efa haiko tsara i Jesoa sy ny tantrany
8. stephan ( 22/08/2005 08:56)
lalan-kodiavina daholo izany fa ny anarana hoe kristiana anie tsy mampipetraka anao mihitsy fa manainga anao hiasa aza e!
9. xxx ( 22/08/2005 09:42)
stephan >>>
de inn zao zany no asa tokony hataoko?
sa hamorina asa aiza indray zany za? ny asako isan'andro aza efa manahirana de mbola ho ampiana indray v?
10. ravakamalala ( 22/08/2005 10:43)
Fa xxx ve manao fananiana e! Na tsy sitraky ny fonao aza, efa lehilahy lehibe kosa enao tamin ny nanaovana ny confirmation nao, tsy afaka ny hiteny enao tsy fantatrao marina ny atao hoe kristiana? Ny toetra tarihin izany ary ny asa sy andraikitra tokony sahaninao? eano ihany no miteny fa fantatrao Jesoa Kristy sy ny tantarany, ka okony ho fantatrao koa hoe inn no atao hoe kristiana? Manaova révision aloha, raha ohatra ka tena tsy voavalinao ny fanontaniana dia omeko anao tsy ampisalasalan izay mba eritreritro.
11. xxx ( 22/08/2005 12:27)
misaotra an'i ravakamalala alha tamin'ny toroheviny, fa olana kely fotsiny de we misy tamin'izy ireny anie no atao tsianjery fotsiny e, satria fantatro fa hatreo amin'ny fanadinana ihany no hilaiko azy, indrisy na ny nandraisana notes aza efa tsy fantatro intsony hoe aiza sady efa 15 taona lasa izany, fa amin'izao mipetraka ny olana satria misy miteny fa tsy ampy fotsiny ny hoe dada sy mama anie ka kristiana mba hahatonga anao ho kristiana, fa raha ny hevitro aloha izao de catholiq za aziny catholiq dada sy mama, tsy haiko na mety tsy ho kristiana za fa ny fantatro de we za catholiq, sur aho fa raha hanontany an-dry mopera hoe inona marina kay zà ity fa efa vita batemy za, vita confirmation, catholiq ray, catholique reny, de hoy izy izao hoe, "catholique ianao zanako" fa raha hoe kristiana ve sa de asa izay ho valiny
12. ari.malala ( 22/08/2005 14:01)
xxx> jereo tsara ilay fiteninao azy, hoy ianao hoe "vita" izany hoe vita d any tsisy tohiny intsony... ary ny tena mahagaga ahy d we noterena hanao komonio voalohany, mety hoe mbola zaza ianao t@ zany nefa rehefa niteny ianao tany @ pretra mpiandraikitra heo tsy sitraponao anie d tsy noraisina ianao! torak'izany koa ny konfirmasio! ary araka ny tenin'i ravakamalala dia efa lehilahy lehibe ianao ary ianao no tompon'ny safidy fa tsya mopera ko hoe satria izay no tian'i mopera d natao! za zao nandray ny sakramenta rehetra (afatsy ny mariazy aloha) satria sitrapoko ny handray azy ary fantatro tsara vao noraisiko! ianao anie zany azo lazaina fa miinakinampoana ê! satria mandray zavatsy fantatra! ary ny hoe kristianina ianao sa tsy, tsy ampy ny mahalala fotsiny hoe izao ny tantaran'i Jseoa, fa mila fantatrao tsara hoe iza Izy eo @ fiainanao, inona no akon'izay fahalalanao Azy izay eo @ fiainanao...
13. cocorie ( 22/08/2005 14:05)
se koa otsan'ny lali-tsaina loatra efa azavaina "moi" mbola tsy kopi ihany sa mody tsy mahazo. Te hanamari-tena sa in.
14. jentilisa ( 22/08/2005 14:06)
tahatahaky ny mitsapa lela fotsiny ianao raha izao koa. Tsy ny batisa na confirmation anie no inona e! nanara-dia an'i Jesoa ve ianao?

Ny kristiana tena izy ihany hoe tsy mila rehareha na filazana izatsy na izaroa. Ao anaty izany. izay ny anton'ny ritsoka hoe rehefa mivavaka ianao dia akatony aloha ny varavaran'efitranonao. Izany hoe tsy mila aderadera izany fandrao lasa volomborombola fotsiny.
15. ihanta ( 22/08/2005 16:53)
ka tsy ny finoan'i mopera anie ry xxx no hitsarana anao rehefa tonga any an-danitra any fa ny finoanao ihany e! tiako dia tiako tokoa raha ny finoan'i mopera na ny finoan'i dada sy neny no hitsarana anao saingy indrisy @alahelo no hilazako anao fa ny finoanao ihany no mikaonty any! anjaranao ny mieritreritra , fa raha mino kosa ianao an'i Jesoa Kristy dia @hafaliana lehibe no hilazako anao fa ny finoanao no mahavonjy anao, dada sy neny anie mety ho katolika fa raha tsy nino an'i jesoa koa izy fa nanaraka ny fombafomba fotsiny tahaka ny efa nataonao dia indrisy ho very ianareo rahavako,

ity misy teny mba holazaiko anao:
Asa 17:30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka

mety tsy fahalalana no nahazo anao hatr@izay fa @izao ianao efa mahalala koa mibebaha ianao, mahereza fa tena tia anao Jeso

16. LazaRandri ( 23/08/2005 02:04)
Moa ve izay miantso ny tenany sy izay antsointsika hoe "Kristianina" dia Kristianina -mpanaradia an'i Kristy- daholo?

"i Satana dia mahay manova ny endriny ho toy ny anjelin'ny fahazavana"

17. stephan ( 23/08/2005 07:42)
tsy anjarantsika no mitsara izay mahakristiana na tsia azy.
18. LazaRandri ( 23/08/2005 07:47)
Tsy anjarantsika no mitsara, fa adidintsika no mitandrina ny tenantsika tsy ho voasariky ny mpamitaka. Fantaro amin'ny voany ny hazo hoy i Kristy, ary nampitandrina koa izy mba tsy ho azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy Mpanora-dalana ny ondriny.
19. ravakamalala ( 23/08/2005 10:56)
xxx > Catholique ianao, titre izany, manana baccalauréat na maitrise na doctorat ianao, titre izany, fa rehefa tsy anananao ny toetra takian izany rehefa tsy sahaninao ny adidy sy andraikitra takian izany dia tsy mendrika ianao.
Tsy miteny aho hoe za mendrika akory sao hisy indray ny handray antendrony fa mandaitra amiko sy amintsika rehetra io. Ny atao hoe Kristiana dia ireo tia sy mpanara dia an i Kristy, ari Izy niteny hoe Izay tia ahy sy te hanaraka ahy dia ny asa ataoko no ataony. Si a=b et b=c donc a=c.
"ety dia ety ny lalana mankany amin ny fanjakan ny lanitra ry reto fa tsy atao ahakivy antsika zany an!
"Tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina ao amin ny Tompo"
20. zefalah ( 24/08/2005 17:29)
misy finaona anakiray zay hitambara-sika.
ary zay zaza rehetra teraka dia @ io finoana io.
fa ny papa sy mamany no manova azy ho kristianina na manova azy hojiosy na musulman
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4441