Fitsaboana amin'ny zava-maniry!

1. majakely ( 19/08/2005 11:26)
Manahoana daholo e!
Fahasalamana ??Mba omeo eto daholo hoe ny zava-maniry fantatrareo mahasalama de ahoana no fomba fikarakarana azy ?zavatra tena fantatra ihany no lazaina an!!:)
Fanafody kohaka:Thym eran'ny tanana sy oignon voatetika iray hampangotrahina tsara .rehefa avy eo hafangaro tantely ka mahasitrana kohaka !erakin'ny sotrokely in_telo isan'andro raha zaza ;ary telo sotro lehibe isan'andro raha olon-dehibe !
novalian'i isrine ny 16/09/2005 09:40
2. majakely ( 19/08/2005 11:36)
marihina fa tsy hatao be loatra ny rano fa eo amin' ny 100cl eo dia ampy ! ny tantely azo hatao betsaka tsy maninona !!!
3. booboo ( 19/08/2005 12:02)
ho an'ny mpanao hypertension :

-Hasina tongolo gasy maromaro lomana anaty vinaigre de cidre.
-Ampiarahana @ rano 1 vera ny in-dray sotro lehiben'io raha nilona io (tongolo gasy + vinaigre)rehefa hisotro azy in-dray isan'andro.


4. zefalah ( 20/08/2005 13:55)
fanafodina kohaka>> voasary makirana sy tantely afangaro de avy eo sotroina..atao somary maro maro lay tantely,ary atao isakin'ny avy misakafo
5. kally ( 21/08/2005 09:20)
Dia mbola kohaka aman-tsery ihany ary tantely sy voasary makirana ihany.Ampiana toton-tsakamalaho sy toaka iray sotro sy tamenak'atody ilay voasary makirana sy tantely dia sotroina tsikelikely fa tsy atao indray migoka, mafana be ny tratra dia afaka ny kohaka.

Raha tsy ampy calcium,ranom-boasary makirana iray vera na tapaky ny vera e! dia alona ao ny atody tsy novakiana dia mitsonika ho azy ao ny akoran'atody dia sotroina iny, arahina persila isak'izay mandeha.
6. kally ( 21/08/2005 09:21)
Fa hono ho'a ny atody sy tantely angaha moa zava-maniry??? sa mety ireo e!:roll:
7. majakely ( 22/08/2005 06:19)
mety ka!fangarony daholo ireo ko ;tsy afaka misaraka!!
8. bichette ( 22/08/2005 07:01)
tantely sy dobera afangaro, atao mitovy fatra dia iny hosorana amin'ny tava atao masque 15mn, masque hyper nourrissant
thym ampangotrahana hanasana ny taovampananahana,ho an'ireo vhv misy perte
9. majakely ( 22/08/2005 14:08)
Ny volon-katsaka koa tsara ho an'ny olona misy diabety ! ampangotrahana de hatao fisotro toa ny tambavy !
10. chipie1 ( 22/08/2005 15:54)
ary ny talapetraka , fanafody inn mou ,
11. fijo ( 22/08/2005 21:28)
ny the maitso,manadio ny any anaty.
12. bichette ( 23/08/2005 06:41)
chipie1 > fanafody vavony sy aty raha tsy diso za
13. Veloo ( 23/08/2005 18:10)
bichette a ie marina io ka.. za tsy mino an'izany volo-tsaka zany kle:-D:-D
14. fijo ( 23/08/2005 20:39)
ngah kosa volon tsaka fa volon katsaka
15. zakilinina ( 24/08/2005 22:23)
Fanafody inona kay ny aferontany ê ?
16. Veloo ( 25/08/2005 16:51)
Zakilina a..efa henoko t@ bebeko io fa tena adiniko.. :^):^):^)
17. fijo ( 25/08/2005 20:39)
fanafody afero
18. Veloo ( 25/08/2005 21:04)
dain ko ty fijo satria ve oe aferontany dia oe fanafody afero. tssssssss
19. watafon ( 27/08/2005 19:58)
-oignon : fanafody diabety
-ravina voaloboka mena : fanafody varice
-ravina ricin na ravina voamadilo : fanafody hemorroide; maka ravina vitsy2 hampangotrahana d anaovana bain de siège in-2 isan'andro
20. fijo ( 27/08/2005 22:39)
watafon,fa le diabety ve mety sitrana e,sa hoe mba mampihena azy no tianao lazaina eto.
raha izay dia ahoana no fampiasa io oignon io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034