Kristianina

1. zefalah ( 16/08/2005 23:14)
maro ny olona milaza ny tenany fa hoe kristianina nefa na fiangonana aza tsy hidirany?eny na miditra fiangonana aza izy tsy hivavaka no aleany any.
efa itany masoko roa reto zany tao @ eglise saint marie therese,ary zavatra nitsanga...ty vehivavy ray niditra fiangonana nohon'ny rendez-vous aminy bandy ray...avela-sika ny amininy...fa lay tiako ambara dia ty...voalaza ao anaty didi-folo hoe : aza maniry fananan'olona sy ny aza maniry vadin'olona sy ny aza mijangajanga sy ny fanajana ray aman-dreny..sns..
ka ty lay fanotaniana! hoe: inona no zavatra mahazo an'lay kristianina ray raha mandingana ray @reo didi-folo reo? ary inona ny sazy azony?
novalian'i moi ny 26/08/2005 05:56
2. hery ( 16/08/2005 23:25)
Maro koa ny milaza hoe kristianina ... kanefa tsy manao afatsy ny mitsara olona sy manenjika ireo heveriny ho mpanota :-)

Manao tahaka ny fivavak'ilay Mpanora-dalàna nahita an'ilay poblikana nanao hoe

"Misaotra anao aho Andriamanitra fa tsy mba nataonao tahaka an'io lehilahy mpanota io..."

Dia hoy i Paoly hoe "Iza moa ianao no hitsara ny rahalahinao?"

Ary hoy i Jesoa namarana azy hoe "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"
3. zefalah ( 16/08/2005 23:44)
inona kay ny sazy azon'ireny mpitsara ny namany reny?
sa hoe mikonfesy refa sabotsy ariva de afaka?
Andriamanitra mantsy tsy andefa lalana tsy @sazy.
ary tsy andefa aretina tsy @ fanafody..zavatra dia misy dikany,ary misy antony matoa io teo.
inona no sazy azon'izireo..mpijangajanga sy mpirendrarendra tsy mirara zay hifarana..ataoko hoe tsy mahay baiboly,nefa misy fotoana andenana disco sy anaovana tchat..tsy mitsara aho fa manotany.
ary ny sazy dia mizara ho roa,sazy ita maso,zay tohokony ho ampiharina @ kristianina ,sy sazy tsy hita-maso zay iantra @sika rehetra..
@nay dia ny mpijangajanga dia torahina @vato mandrapahafatiny,ra efa nanambady,ra mbola tsy nanambady kosa izy dia karavasina 80 mifanesy.
fa ny kristianina no tsy aiko...nefa za mba nikaroka iany.
4. LazaRandri ( 17/08/2005 02:34)
Zefa an,
Ny valim-panontanianao dia tsy ho takatry ny saiko satria ilay Andriamanitra ivavahako amin'ny maha Kristianina ahy dia Andriamanitra tsitoha, Andriamanitra Fitiavana ary be famelan-keloka.

Amin'ny Kristianina dia Andriamanitra no tompon'ny fahefana rehetra, Izy no afaka mitsara sy manasazy ary mamonjy ireo mpanota mibebaka.

Tsy misy faneriterena toy ny hoe "vonoina izay miova finoana" na koa "ampiharina amin'ny hery rehetra (na herisetra) ny lalana". Fa nomeny fahalalahana ny rehetra, rehefa nampahafantariny izay "mahasoa" sy "tsy mahasoa", ny "fanamelohana" sy ny "famelan-keloka", ary ny "fahaverezana" sy "paradisa". Dia anjaranao no misafidy.:)
5. fijo ( 17/08/2005 04:44)
ka raha mahazo misafidy sy tsy hovoasazy ve tsy aleo miaina milamina e
6. patsa ( 17/08/2005 05:16)
Marina fa be famelan-keloka andriamanitra fa tokana ihany ny sazy dia ny helo na ny afo be lolll
. Marina fa tsy dia miditra am-piagonana aho fa na dia izany azy dia tia mandalina ny baiboly ary fatakko tsara fa aleo tsy mahalala toa izay mahalala nefa manao ny sty mety .
Andriamanitra be fitia , be famindram-po ka izany ve dia midika fa manota foana ?
Tsarovy fa nomen'andriamanitra safidy ny znk'olb hanao izay tiany fa ho tsaraina @ izany kosa izy .
Amiko manokana dia tokana izao no filozofiako :
"Manao izay fatako fa tsara sy mendrika eo anatrehan'andriamanitra foana aho na dia mety misy aza ny fahalemeko indridray... " (mbola ho tohizakoà io lolll )
7. LazaRandri ( 17/08/2005 05:59)
patsa:
"Andriamanitra be fitia , be famindram-po ka izany ve dia midika fa manota foana ? "

TSIA dia TSIA :)
Midika kosa anefa izany fa tsy takatry ny sain'olombelona ny famindra-pony ka tsy anjaran'olona no mitsara.
8. RockyMaivia ( 17/08/2005 09:52)
Zefalah: inona aloha izany mijangajanga eh??
9. rapati ( 17/08/2005 10:07)
tsy fantatrareo ve fa ny mandika ny didin'Andriamanitra dia tsy ahazo ny fanajakan'ny Lanitra, ka na inona na inona ota ataon'ny olona iray ka tsy mibebaka izy, dia ho very ny fanahiny any amin'ny afobe ka hoy aho mba miambena ihany fa tsy tsy fantatrao ny andro farany.

Tianao Jesosy


Tenin'Andriamanitra ho anao Sal 37.5
10. majakely ( 17/08/2005 12:39)
Dia raha mibebaka zany de milamina daholo izay ratsy natao rehetra sa ??
11. zefalah ( 17/08/2005 12:58)
ockyMaivia> ny mijangajanga dia firaisanao aranofo @ olona tsy vita soratra sy tsy vita fomba aminao.
ny olona vita fomba aminao iany no azonao fahefana anaovana an'lay hoe filanofo
12. jentilisa ( 17/08/2005 14:41)
Matetika ny zavatra mamy sy tsara dia itangoronan'ny lalitra mandrakariva. Noho izany raha misy ny mandrombaka anarana hoe kristiana dia satria heverina fa mamy sy tsara izay. Izany akory tsy midika hoe rehefa mankao amin'ny mamy sy ny tsara dia lasa mamy sy tsara ihany koa, tahaka ny hoe raha mankeo amin'ny tantely remby (fihinana) ny lalitra dia lasa tantely. Ny lalitra mijanona ho lalitra ihany. Dia tahaka izany izay olona hitanao milaza ho mpivavaka na kristiana nefa manao ny zavatra tsy mety.
Ny filazana hoe lasa any amin'ny helo izay manao izatsy na izaroa dia foronina fotsiny izany. Ny VOASORATRA dia hoe ho faty amin'ny fahotanao ianao raha minia manota ihany. Tsy fampitahorana velively ny fototry ny finoana kristiana.
13. marozevo ( 17/08/2005 21:41)
Zefalah > Aiza koa no misy an'izany Fiangonana "Eglise Saint marie thérèse" izany. Tsy misy an'izany fa aza mba be vinany eo anh. Ary na tena hitanao aza ilay vehivavy nifanao fotoana tamin'ilay bandy dia mampaninona anao izany raha mifanome fotoana hiara-mivavaka izy ireo ? Sa mivonto be ny fonao fa tara tamin'ilay vehivavy ianao, kay moa lasan'ny tsara fanahy izy. Oh.. mionona ry havana. Any tsaralalàna, rahariva, misy sahaza anao.
14. fafa ( 18/08/2005 08:30)
Mety ve raha manao ratsy be de be avy eo mibebaka de milamina zany ny rehetra?
Va savoir
15. stephan ( 18/08/2005 14:46)
tanana zatra mivonkona tsy afaka hitsotra intsony hoy ny fiteny... izany hoe ny zavatra mahazatra anao dia sarotra ialana izany na dia hitanao izao aza fa ratsy ilay izy. Tsy moramora izany hoe mibebaka izany fa tandremo...tsy fantatrao rahateo ny andro hahalasa anao tampoka na teo am-pahotana soa aman-tsara ianao na vita fibebahana tokoa...tsy milamina amin'izany ianao
16. vaovao ( 24/08/2005 09:40)
zao r'zefalah an! ary sao mba efa mitady haka vadin'ol ary nareo zany d manenjika le eritreritra!Zao e! amiko raha efa maty le vadiny ohatra d tsy maninn f'alaivo izy fa ra mbola any d fahotan'zefalah le izy d miantraika le sazy, ary matoa nandidiana d tsy tokony hatao zany.tsika tsy d hary hahay ny sazy mifandraika @ otantsika tsirairay fa ny mitandrina zay voasoratra no tokony hatao ary idd koa ny miala ny fakapanahy!!
17. routa ( 24/08/2005 11:19)
tsara zany dinika zany rey olona :D
18. fijo ( 25/08/2005 04:54)
ahoana moa no ahitan'izany andriamanitra izany fa nanota le olona,nefa ny tany miady sy mahantra aza tsy hitany???????sa lery mody fanina,na variana mirevy.
19. marozevo ( 26/08/2005 05:45)
O ry zareo ah !... Miady mafy dia mafy mihitsy i fijo sy ny namany hanohitra ny fivavahana sy HANIRATSIRA an'Andriamanitra. Matahotra aho... tsy matahotra ny fanenjehany akory fa matahotra sao dia ho very izy ireo.
20. LazaRandri ( 26/08/2005 05:49)
Marozevo an, aza matahotra fa mivavaha ho azy :)
torohevitra kely tsy ampatahotra anao: Ohabolana 3:25
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1059