Ny fahafatesana ve...

1. ari.malala ( 04/08/2005 13:14)
Ahoana ilay hoe "Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny mpanompony, na ny zanany malalany" ireny ê! d raha namono tena le olona d mbola sitrak'Andriamanitra ihany ve no nahafaty anazy?
novalian'i fijo ny 15/09/2005 21:14
2. bichette ( 04/08/2005 15:00)
ka mba atao fomba fiteny fotsiny ilay izy
3. jajaf401 ( 04/08/2005 16:10)
Maro ange ny mamono tena fa tsy mahafaty tena eh! midika zay fa tsy mbola sitrak'Andriamanitra!
4. Lov ( 04/08/2005 16:17)
Ankoatra ny mamono tena dia eo koa ny novonoin'olona! Sitrak'Andriamanitra ve ? Izy no mahalala !
5. fijo ( 04/08/2005 21:16)
andriamananitra izany wa aza andrasana fa tsy mbola nisy nahita.rehefa maty dia izay ,fa tsy mila sitraka avy any na tsia
6. LazaRandri ( 05/08/2005 00:00)
hihihi, Fijo an, na mila sitraka avy any ianao na tsia dia tsy misy an-kiafinafina fa tsimaintsy ahita Azy.
Apokalypsy 1:7:
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
7. mandrindra ( 05/08/2005 10:09)
Dia rahoviana no ahita azy ry LazaRandri ?
8. LazaRandri ( 05/08/2005 14:03)
Tsy misy mahalala na ny andro na ny ora e! Sao dia hisy mpaminany sandoka indray.
Atao inona intsony koa moa mpaminany rehefa efa tonga ilay Mesia Mpamonjy? :)
9. mandrindra ( 05/08/2005 14:09)
Hay ve mbola tsy fantatra e. Tsy hiandry aho izany ka. Na ny fisiany koa aza mbola tsy assuré ko.
10. LazaRandri ( 05/08/2005 14:14)
Ny tsy fahafantarana ilay andro indrindra ny ahy no iambenako, Izy rahateo efa nampiambina.
11. chipie1 ( 05/08/2005 14:16)
lazaRandri > inona le iambenana ?
12. mandrindra ( 05/08/2005 14:34)
sao variana miambina eo nefa izy tsy mipotra akory. Za aloha efa afapo e.
13. vesta ( 05/08/2005 14:53)
Zay mahasoa ataon'Andriamanitra hoy ny fitenin'ny Taolo. Zay ataovy andoa de tsisy blème rha jiaby
14. vesta ( 05/08/2005 14:54)
Zay mahasoa ataon'Andriamanitra hoy ny fitenin'ny Taolo. Zay ataovy andoa de tsisy blème rha jiaby
15. fasaly ( 05/08/2005 17:27)
rehefa namono tena na maty ho azy de samy maty ny anarany e! afaka hanao inona tsony tsika! fa lay fomba de ilay miteny foana hoe izay ny sitrapon'andriamanitra,

mandrindra :
sao dia mipoitra tampka eo tokoa izy zay vao tampim-bava sy torakovitra eo! hoe :efa vonona ve ianao ry mandrindra....? aza itako hany zany!
16. LazaRandri ( 05/08/2005 19:49)
Chipie1 an, in-telo i Kristy no nanafatra an'io. Omeko torohevitra i Chipie1 hoe inona no iambenana:
Jereo ao amin'ny Baiboly: Lioa 21:34-36 :)
17. routa ( 07/08/2005 10:33)
laza Randri>:D
18. majesty ( 08/08/2005 05:02)
Io ilay mbola fomba fiteny taloha efa hita ny tsy maha-mety azy nefa mbola tohizan'ny taranaka ankehitriny ihany.Atra nilaza fa tsy sitrany ny ahafaty ny ratsy fanahy(...),ka amiko ny filazana an'io dia milaza fa sitrak'Atra zany ny ahafaty ny olona,(fa ny Atro aloha tsy mamono olona izany fa mamonjy e)
19. ari.malala ( 08/08/2005 07:27)
:) d zay zany, fiteny tsy mety io fa mbola aaton'ny ol ankehitriny ihany! :) io voalazan'i Majesty i zao no tena valin-teny nahafapo ahy indrindra! :) misaotra e!
20. fijo ( 08/08/2005 21:33)
ka raha izany ,hanao ratsy fanahy aho,amin'izay ela velona ko.za mbola te hirevy be.
fa efa tamin'ny andron'i rajesosy anie io resaka hoe hoavy ny farandro io e.lery aza efa tsy hita ny taolany,ka mbola hoavy ihany ve izy izao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2664