Resaka shoping

1. fasaly ( 03/08/2005 17:27)
ahoana ny hevitrareo, isika vehivavy moa izany; amin'ilay lehilahy, (vady , na fiancé, na sipa) -nao
manaraka anao foana toy ny kofehy manara-panjaitra,
rehefa handeha hiantsena ianao hividy ankanjo na kojakojam-behivavy dia manaraka eny foana izy tsy maintsy mahita izay vidianao na tsy maintsy mifidy sy manapa-kevitra izay ho vidianao. Misy mantsy lehilahy manao izany, tsy maintsy izy no mifidy izay ho vidianao, fahasarotam-piaro ve sa fitiavana sa tsy fahatokisana sao manao fandaniam-bola be eo ianao? iza no mankafy ilay accopagné n'i vadiny?
arosohy izay mba hevitrao ary e! resa-behivavy ity.
novalian'i Papoose ny 21/09/2005 19:08
2. kally ( 03/08/2005 17:30)
Ny ahy aloha ilay mandeha singila ihany no tiako e! amin'izay aho izay tiako sy izay fotoana laniko any fa toa tsy dia voako izany arahina izany kah!dodosany eo ihny tontolon'ny andro angamba tsy hisy ho voavidy mihitsy, dia efa izay tiako sy sekezêmako e!
3. booboo ( 03/08/2005 17:47)
Ny anà koa ilay mandeha rery no tiako. Refa mba miaraka aminy dé izy mijanona ery ivelany ery fotsiny ve kouh ! Sady be menomenona oe vita ve e, fa adiny firy mifidy ankajo/kiraro.... tsssssssssssssss. Stressant ndray ny farany
4. chipie1 ( 03/08/2005 18:39)
mandeha irery , za ihany no manapakevitra aminizay tiako hovidiana ka , manjary lasa tsy afapo tsinn fa lany andro ifamaly eny fotsiny !:lol:
5. sipagasy ( 03/08/2005 18:57)
eny wa akia ry chipie1 kouuuu aleo mandeha irery sady malalaka ny fotoana @ izay tsy misy mpandondona hody hihh
6. fijo ( 03/08/2005 22:00)
inona koa izany bandy manaraka lava izany le.
7. ainaheri ( 04/08/2005 04:53)
za ndray alo tsy anaraka sipa iantsena zany ee!
azafady,ny an'ny veh gravy be ra ividy zvtr fa
zvtr 1 no vidiny impolo angamba izy miodikondina
eo,d mivoka tonga any magazay hafa ndray d ao ndray manapakevitra fa otrany tiko lay nojereko tary iny d miverina any ndray,eo ndray antsasakadiny.
Ra tsy apondra aho ko ndao atsy ndray,ndao ary ndray
8. fasaly ( 04/08/2005 17:06)
ainaheri:
ary toi zany mahay tsara lay fandehany kanefa milaza fa tsy anaraka sipa iantsena zany.hihihi!
zay mintsy le fataony an!
fijo:
tena marina e! tena misy lehilahy manaraka body eny isaky ny akanjo na lingerie na inona de eny lay rangahy eny foana sady izy mihintsy no mana-pakelvitra sinon minanaka be izy an! hihihi
fa tsy izaho izany an!
9. ainaheri ( 04/08/2005 17:26)
fasaly>tsy nanana choix lay cousineko d mba nitondra ana fa tena nivoady no tsy nataoko,fa tena giravy nareo veh reo ra iantsena
10. fasaly ( 04/08/2005 20:01)
ainaheri:
ary raha ny contrare ve tsy maninona? ny vehivavy indray no manaraka ny lehilahy miantsena, norme be io an! sa hoana????
11. fijo ( 04/08/2005 22:47)
fasaly ,tsy tiako koa raha arahana foana.
ny anabaviko,raha hividy akanjo iray eo analakely,voatetiny aby io mpivarotra rehetra io.izany enao raha tsy kivy mihintsy miandry azy le.akanjo iray anefa no hovidiana eo an
12. mandrindra ( 05/08/2005 15:20)
rehefa sendra ny tratran'ny miandry ohatran'ireny dia aleo miditra café dia farafaharatsiny samy mahita maminy.
Fa aleo aloha ny samy sipa ihany no mifampitarika amin'ireny. Ny tena gravy fotsiny dia ilay karatra manga lasa mena mihitsy ny lokony.
13. booboo ( 05/08/2005 15:26)
:-D:-D:-D
14. mandrindra ( 05/08/2005 15:28)
fa ahoana ary aho no hihomehezan'i booboo le, ka tsy marina ve izany e?
15. fasaly ( 05/08/2005 15:57)
ka aza omena karatra manga izy fa omeo mavo ary e! fampitandremana alohan'y hiantsena.....
betsaka ny manao izay voalzandry izay ry, mandrindra a! ny vehivavy miantsena dia ny lahilahy mandeha misotro.
16. Veloo ( 08/08/2005 18:53)
o ry reto a matoa ny bandy sasany mande miaraka aminareo dia satria izy mahita fa laninareo doly ny vola =))=))=))=)) andraso an misy bandy tia mande metsena no sady mahay mifidy akanjo tsara a:P mahafinaritra ery ny miaraka aminy :wink: za aloha manana e :-D:-D:-D:-D:-D
17. fasaly ( 08/08/2005 20:21)
veloo:
asehoy anay aza izany e! na mba ampindrano anay ky a!
18. vahiny2004 ( 09/08/2005 08:55)
ny ahy indray tena mifamadika @ izay no mitranga: izaho no manao azy hoe andao hiaraka amiko fa tsy mba manana namana loatra aho, dia mba miara-mifidy eo izahay 2, izaho koa matetika indécise . Mbola tsy nitaraina aloha izy hoe ela loatra na mivezivezy elabe e.

Hafahafa ve izahay ?
19. fasaly ( 09/08/2005 09:42)
non tsy hafahafa, mahafinaritra ny miaraka manao zavatra amilay malala e! mahafinaritra koa ny miaraka misafidy zay tiana, tsara ka!
20. bichette ( 09/08/2005 13:32)
=))=))
tena toran'ny hehy ah namaky ny resaka, misy tena mahafantatra tsra ny fomban'ny vhv sy ny fitenin'ny lhl mihintsy aho. ka izahay vhv kosa tsy maintsy mifidy tsra koh, mijery aloha ny tsara dia avy eo ny vidiny dia mila mieritreritra tsara hoe ho tena tinay ve ilay zavatra hovidiana sa eo fotsiny no tiana dia rahampitso tsy tiana intsony, dia tsy maintsy mieritreritra koa hoe inona avy ny kiraro sy ny akanjo ampiarahana aminy, manana ve sa tsia dia avy eo dia mila jerena koa raha mivoaka ny tavy ao anatin'ilay akanjo na ny hahia , raha ohatran'ny patate be ao anatiny na ohatran'ny taolakatsaka dia mila eritreretina koa hoe sao dia misy ohatran'ity ary anann ary fa moramora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2689