lalaom-pahazazana

1. sariaka ( 26/07/2005 12:20)
Hono ho'aho ry reto ? Nareo ve mba mahatsiaro ireny lalao fanao tamin'ny fahazazana ireny, ny fiombonam-pifankatiavana tamin'izany,ny fivondronana, ny haditrana kely.. Ohatra ny ahy hilaza iray aho, rehefa variana manao bol amin'ny voasary pamplemous na atin-jozoro (taikisatra) sns, indraindray tsy mahatsiaro izay asa tokony atao an-trano fa dia variana... Mba milazà hoe ny lalao nahazatra sy fanaonareo tamin'ny fahazazana ? Izay tena nahafinaritra sy fanaonareo indrindra ?
novalian'i nanourand ny 04/08/2005 00:48
2. fasaly ( 26/07/2005 13:10)
ny anay ary tena marina an! hoe manao mariazy mariazy, de manao mariazy de hoe miara-matory amizay de idiana dooly ny varavarankely amy alina fa hoe maizina ny andro, de miara matory amzay ny mpivady vita mariazy, de hoe miara matory amizay toy ny fomban'ny mpivady, kanefa ny ankizy amin'io zazavavy kely dooly ny manao izany tantara izany,
de misy iray kou! lay manao tantara amy vato. voatefy boribory mintsy lay vato amy fikapohana azy, de afenina tsara sao misy mangalatra sao tsy misy hanaovana tantara amy manaraka.
3. Iriniaina ( 26/07/2005 14:03)
ary ilay manao dinety dia otranireny mihinana ireny mihintsy (vovoka no hatao kivarivary )
4. isrine ( 26/07/2005 14:21)
le manao jeu de kapoka rehefa @ alina, dia tena ela be eo ilay boka fa tsy mahita olona mihitsy fa mifanova akanjo ny ankizy sasany. na koa voadaka foana ny kapoka satria izy eo @ mazava, moa ny ankizy miafina @ maizina.
5. sonwin ( 26/07/2005 14:31)
ny anay ze tsy mikipy tsy asiako...dia ara-kafina mipika jiro, atao maizina tsara dia samy miafina, dia misy boka..kendrena tsara hoe aiza ny sipakely misitrika dia miara-mitapify anaty maizina ao:wink:
6. chipie1 ( 26/07/2005 15:28)
manao dimbazaha dia manao tantara vatokely koa
7. sonwin ( 26/07/2005 15:39)
ary sipa kay no miresaka eto klé
8. sariaka ( 26/07/2005 15:47)
sowin, na sipa na boay samy afaka milaza kah.
9. lanto ( 26/07/2005 15:51)
Ary le hoe miombona an'izao sy izao ? miombona dôty, daka tsy hita maso, double (chiffre miverina indroa am numerao tom'bil ohatra hoe 22 55), complet (olona roa manao akanjo komplé) sns sns....
10. mandrindra ( 26/07/2005 15:51)
dia hiafara amin'ny jeu de sipa sy boay eo indray io
11. fasaly ( 26/07/2005 15:55)
andrindra: maninona mou!
de misy ilay jeu de carte AIAMS kou!
12. marimar ( 26/07/2005 17:18)
ny anay an,manào maman maman dia miteraka ,dia tadidiko za niteraka dia ny zandriko no natàoko zanaka dia nampatoriako tào anaty placard hoe ao ny berceau -any izany!!
13. sonwin ( 26/07/2005 17:35)
dia Sergio ve ny papa papa tamizany?
14. Veloo ( 26/07/2005 17:59)
:-D:-D:-D
fasaly a mitovy kilalao isika... mikapoka vato tena nalaza be tany ampefiloha ndry ko tany ampefiloha no nipetraka? vaky tavoangy ny atao volamena na tresor eeeeee :-D:-D:-D
15. fasaly ( 26/07/2005 20:13)
velo:efa preske ampefiloha e! de tena nalaza marina izany tamzany!!!
16. sasa ( 27/07/2005 05:32)
d nisy koa le hoe vitsy li, d misy koa le nanao fanenjika, za tena tsy tratra mintsy tamzany
17. sipagasy ( 27/07/2005 08:17)
mmhhhhh souvenir sisa ireny e!!!! sarotra adinoina mmhhhh, tsy afaka ny tsy hivoatra ihany koa anefa isika e!!!! ho bediko kosa aloha ny zanako raha hamariparitra ny terrasy @ saribao hanaovany kindrindriana e! hihi efa misy ny tranon'i barbie & i ken eo hihi. Mba mangataka fanampiana aho avy aminareo mba hamenoako ny tahiriko e!!! afaka mitsidika ny tranonkalako ianareo @ izany na koa mandefa azy mivantana aty amiko; http://www.sipagasy.tk http://misaotra mialoha e!!:-*
18. lanto ( 27/07/2005 08:33)
Hadinoko tokoa le miombona gônda :miam:
19. sasa ( 27/07/2005 10:39)
d misy koa le miombona aki-jaiko d misy koa le miombona tapika tsy azo raisina mmhhhhh otran'ny tadidiko foana izy zany
20. scorpion ( 27/07/2005 10:43)
dia tadidiko koa ny mifanaikitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1816