gasy

1. zefalah ( 23/07/2005 23:16)
ty misy fantaniana? mahagaga sy mahazendana.
sika rehetra mahalala fa ny gasy dia manamasina ny razam-be...any ka lasa manopo mintsy aza ny sasany.
de le fantaniana de zao.
Inona no tena topon'ny malagasy.
Ny razam-be ve sa Andriamanitra?
tsy maintsy ray iany mantsy...fa tsy mety zany manopo zavatra roa zany...ray am'reo..Razana sa Tompo
novalian'i marozevo ny 17/08/2005 20:50
2. fasaly ( 24/07/2005 03:47)
amin'ny hevitrao manokana inona no tokony ho tompoina?
bete question ky zany zefalah a! zavatra tsy tokony hapetraka akory. izahay aloa tsy manompo razana na milalao ireny e! ny olombelona refa maty de alevina de vita ny aminy fa tsy misy zavatra hatao intsony afatsy y fananterana voninkazo eny amy fasaa angamba, misy aza izao ny mandoro ilay faty mba tsy hahabetsaka ny frais sy ny fahasahiranana amy fandevenana ko!
3. isrine ( 24/07/2005 08:03)
za tsy manompo razana fa managataka fitahiana @ ireo havana efa nialoha lalana! izay inoana no tompoana e, Atra izao koa anie ka tsy mbola nisy nahita nefa dia tompoina fatratra ery!
4. Mifenty ( 24/07/2005 08:20)

marina nenlah ry zefalah

Jereo ny constitution gasy de ao zany kou inn azany le.
5. scorpion ( 24/07/2005 08:33)
Ny gasy manasina razam-be dia mivavaka tokoa amin'Andramanitra, aoka ianareo izay mihevitra fa tena mpivavaka tsy hitsara azy ireny satria ts fantatrareo ny fotom-pinoany.
Ny hasina ao amin'ireo razana nialoha lalana sy ny mpanjaka n mitondra fitahiana ho azy ireo,ary io hasina io dia avy amin'Andriamanitra mpahary izao tontolo izao, ireo razana ihany koa dia mitondra am-bavaka makany amin'ILay Nahary...nohon'ny fanamezam-pahasoavana, izay mistery ts ho takatry ny rehetra.
Fa hoy fotsiny za hoe, ts manompo Tompo roa izy ireo akory.
Mistery zany anaka...mivavaha ho anao sy ny ankohonanao dia avelao ny hafa hanaraka ny fivavahana hitany fa mahasoa azy ihany koa fa tsy izay araka ny fihevitrao akory ny marina.Samy manana ny mahasoa azy ny olona
6. Mifenty ( 24/07/2005 08:38)


avy eo ndray tsinn de tonga le resaka oe , de aona zany ray masin-dahy sy ry masim-bavy le. Mivavaka am razana ve reny sa mivavaka am niza hihihi.

malatsaka mitsy kle,

zay v ny tian'i zeflah atongavana e
7. scorpion ( 24/07/2005 08:43)
aoka ts hiteny owa fa tsy fantatrareo ny finoan'ny olona.
Mahagaga fa misy ny namana kristianina amin'ny antokom-pinoana izay an,dia manakiana sy mitsara ny mpiara-belona aminy hatrany.Zany angamba nampianarin'ny pasitera
8. Mifenty ( 24/07/2005 08:50)


ny nampianarin'ny mpitarika azy fa tsy voatery hoe i pasitera ka.
9. ainaheri ( 24/07/2005 08:57)
Tsotra ny ahy aza etraketrahana ny natiora
fa manana ny misteriny ary izany tsy mbola itan'
ny mpikaroka hatr@ zao!!Ka raha mande any @
razana izy izany akory tsy midika hoe tsy
mino an'Andtra fa entiny hanomezany ny hasiny an'ireo razambe taloha !!!
10. Mifenty ( 24/07/2005 08:57)


ita wa kou
11. STONG ( 24/07/2005 10:49)
Hevitro manokana ity an!! sao misy miteny ndray hoe manakiana.
Ireo razam-beko nanompo an'ilay Andriamanitra ao ambony,any ambony ry zareo no mangata-pitahiana,manome fisaorana,noho izany tsy diso ngamba ny tenako ra toa ka tsy any @ razam-beko aho no angata-pitahiana,fa ny ataoko dia ny misaotra an'ilay nahary ny razam-beko,satria faly aho manana azy reo.
Misy ny sasany miteny hoe,izy ireo hono no mitondra ny vavako any @Ilay Nahary!!!Maninona moa raha izaho mihitsy no miresaka avy hatrany @ Nahary??
Misaotra!!
12. fasaly ( 24/07/2005 11:26)
STONG:

Hevitro manokana ity an!! sao misy miteny ndray hoe manakiana.
Ireo razam-beko nanompo an'ilay Andriamanitra ao ambony,any ambony ry zareo no mangata-pitahiana,manome fisaorana,noho izany tsy diso ngamba ny tenako ra toa ka tsy any @ razam-beko aho no angata-pitahiana,fa ny ataoko dia ny misaotra an'ilay nahary ny razam-beko,satria faly aho manana azy reo.
Misy ny sasany miteny hoe,izy ireo hono no mitondra ny vavako any @Ilay Nahary!!!Maninona moa raha izaho mihitsy no miresaka avy hatrany @ Nahary??
Misaotra!!

marina izany tsy misy mpanelanelana mintsy raha hivavaka hiresaka amin'ny nahary anao ianao de andriamanitra izany fa amiko ny olona refa maty de matsy tsy mitahy izany, finoanoampoana izany.


13. booboo ( 24/07/2005 15:46)
hum...
14. scorpion ( 24/07/2005 16:24)
fasaly>aza heverina ho finoanoam-poana rehefa tsy mitovy amin'ny hevitrao
ainaheri>=D miombon-kevitra tanteraka
15. fasaly ( 24/07/2005 17:04)
scorpion:
amy hevitro io ka! selon fasaly ny hoe finonoampoana fa aminao izy hafa de samy manana ny fiherverany azy,
de samy manaja ny hevitry ny hafa azon'ny toi?????
16. routa ( 25/07/2005 07:09)
manaona daholo
zaho aloha tsy minomaty kosa tsy mahalala razana mitahy zany e!
sady tsy manaiky mpanelanelana koa .
mba jereo ange ity e! fa na ny baiboly aza anie de mampianatra antsika mihitsy e!
jereo :mpitoriteny toko 9 andininy faha4 ka hatramin ny faha 6>
manao toy izao @ anaran i JESOSY :Fa izay rehetra isan ny velona dia mbola han tenaina;fa ny amboa velona noho ny liona maty .Fa fantatry ny velona fa ho faty izy ;fa nymaty kosa tsy mba mahalala fa na inona na inona ,ary tsy manana valimpitia intsony izy;fa hadino ny fahatsiarovana azy.Nany fitiavany ,na ny fankahalany nany fialonany ,dia samy efa levona ela sady tsy mananaanjara intsony mandrakizay @ izay atao atyAMBANIN NY MASOANDRO izy .
17. routa ( 25/07/2005 07:20)
averiko tsara eto :
Fa izay rehetra isan ny velona dia mbola hantenaina ; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty .Fa fantatry ny velona fa ho faty izy fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona , ary tsy manana valimpitia ntsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy .Na ny fitiavany , nany fankahalany na ny fialonany dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay @ izay atao aty ambanin ny masoandro izy.
18. kally ( 25/07/2005 07:54)
Manaja ny razana aho, tahaky ny nanajako azy fony fahavelony ihany. Fa raha nitahy ny razana, ny kamboty no ho sambatra indrindra, firifiry anefa ny zaza kamboty mijaly sy mahantra?
19. chipie1 ( 25/07/2005 07:58)
iéé
20. johns ( 25/07/2005 08:24)
Hevitro ny ahy ity an. Tsy voatery arahina ary tsy manakiana koa.
Zahay MPINO Kristianina dia manaraka ny Baiboly ary ara-baiboly Jesosy Kristy irery ihany no manelanelana an'Andriamanitra sy ny olona. Fa ny maty hoy ny tenin'Andriamanitra dia tsy ho tsarovana intsony. Koa raha samy MPINO Kristianina dia vakio ny Baiboly dia tsy diso hevitra eh.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.19