gasy

21. mandrindra ( 25/07/2005 10:15)
Hoy i kally :"Fa raha nitahy ny razana, ny kamboty no ho sambatra indrindra, firifiry anefa ny zaza kamboty mijaly sy mahantra? ".
Tsy toy izany ihany ve izany ireo mpivavaka amin'andriamanitra, firy ireo izay mamaky baiboly, mitory ny teniny, mivavaka isaky ny alahady sy maraina atoandro hariva nefa mbola mijaly sy mahantra.
Izaho aloha dia manaja ny razana satria fanatatro fa loharano nipoirako ireny. Ny fianako kosa nefa tsy ankiniko amiko ary tsy mivavaka aminy aho.
Izaho koa tsy mino an'andriamanitra.
Ny zava-Nisy (marina sy azo tsapaitanana) sy tranga androany ihany no hanamboariko ny anio sy ny ho aviko.
22. fasaly ( 25/07/2005 10:20)
kally:
omeko points be mintsy toi amin'iny,
ny kamboty marina no sambatra indrindra,
tsy haiko aloha fa tsy nianatra baiboly zà fa tsy mino mintsy izany razana mitahy zany e!
refa maty de maty fa tsy misy azo antenaina tsony ny aminy.
23. scorpion ( 25/07/2005 10:29)
kally> hafa be ilay raisonement> ka nahoana no maro aminareo kristianina no mijaly sy mahantra?? sa tsy mitahy izao Andriamanitra izao?
Ny razana tsy mitahy izay tsy mankató ny fitahiany ka. Ary io fitahiana io dia Andriamanitra mpahary no nanome fahasoavana azy ireo hanana hasina manokana ka hiasa ho an'ny zavaboary, miaraka amin'ny zavamanan-kasina rehetra...izay ts mino dia ts mino zany, fa ny anay ny razanay hasininay satria manana hasina sy mbola mitoetra ao anatinay, manome tsindrimandry, manome toro-hevitra, sns....ny hasin'ny mpanjaka tsy maintsy velomina ary na ho ela na haingana tsy maintsy hiverina amin'ny laoniny ny zava.drehetra satria Madagasikara dia tanin'ny Fanahy mpanao ny tsara sy hiasan'ny Zava.manan-kasina.
Mistery izany ambarako izany ho anareo tsy mahalala, ary aza miezaka ny hahalala fa tano mafy ny fivavahanao mba hitondra soa ho anao sy ny taranakao,, fa raha ny ahy no kianinao dia loza mitatao ho anao.
24. STONG ( 25/07/2005 10:37)
Miarahaba!!
Zao ry zareo an!!
Tsy hisy razana hitahy na oviana na oviana izany! Fa matoa misy ny fananterana vonikazo,fanajana topoko ireny,fanomezana hasina ireo nipohirana,izaho koa mba manaja azy reo,satria raha tsy hary izyreo,tsy nisy aho!! saingy marihako fa tsy any velively aho no hangatam-pitahiana,IZYreo koa ary mba nihady t@ fihainana fony tety an-tany!!!!!
Mahagaga ahy ireo zay miteny fa mahazo fitahiana any @ razana!!???sa izaho mihitsy no mbola tsy nangataka t@izy reo??(tsy mino aloha aho e!)
25. sonwin ( 25/07/2005 10:54)
samia mitoky amizay inoany e, mbo tian'ny gasy koa ity miady hevitra amin resaka finoana ity an, nefa hita izao fa samy manana ny azy ary ts hisy hivadika amin'ny finoany he he he
26. britney ( 25/07/2005 11:09)
amiko le manamasina ny razana sy miantso razana ireny , karazana ilay finona fanompoantsampy hoy ny fiteny, tsy manohitra ny olona manaraka io fomba io zà fa amiko de andriamanitra ihany no azo inona ary tsy mpanelanelana marina afa tsy jesus christ de zay.
ary hono wa!?: lay olona na ianareo mivavaka amy razana ve tsy misy mahantra fa miadana be daholo.????
sarotra be marina araka ny tenin'i sonwin ny resaka finona fa samy mino zay inoany eny ny olona, fa hatramin'zay nihainako dia ny gasy ihany no milaza hoe ny razana no mitahy. izany hoe fomba gasy izy io.
27. kally ( 25/07/2005 15:00)
scorpion:

kally> hafa be ilay raisonement> ka nahoana no maro aminareo kristianina no mijaly sy mahantra?? sa tsy mitahy izao Andriamanitra izao?


Mitahy tokoa Andriamanitra saingy ankoatry ny famakian'ilay olona hitanao namaky Baiboly manao ahoana ny fifandraisany @ manodidina sy amin'Andriamanitra? Tsy misy mahalala izay tena ao am-pon'ny olona iray.Ny fantatro ary mbola reharehako dia Andriamanitra no naha-toy izao ahy!


28. scorpion ( 25/07/2005 17:58)
kally> dia ohatran'io voalazanao io ihany koa, na mitahy aza ny razana dia eo ihany koa ny ezaka ataon'ilay olona hihoatra amin'ny fiainana fa tsy misy manao magie eo akory.Na inona na inona finoanao dia miankina aminao aloha voalohany indrindra no maha.enao anao, Do your best and God will do the rest, ny Andriamanitra eto dia iraisana fa ny endrim-panompoana no ts hitovizana, fa zahay mila manasina,ianareo mivantana.
britney>ts fomba gasy io, fa fomba maneran-tany, manomboka any asie ka hatrany amerika.Ny foko mitana ny nentin-drazany dia manao anio avokoa, ohatra any Thailand, Malesie, Indonesie, Amerika latina, afrika manontolo, dia manasina razana avokoa, ny vazaha europena aza misy tonga mandrato any amin'ireo tany ireo mihitsy mba hitady fahasoavana.
Mistery io ho an'izay tsy voaantso ny ho any, raha hoy nareo hoa fanompoan-tsampy, dia izay fitsaranareo tsy maninona mihitsy, fa mivavaha tsara mba ho hainareo ny hananteraka ny didim-pitiavana voaraikitra ao anaty baiboly, fa aza kianina izahay raha hampanjaka fitiavana sy hitondra fanampiana amin'ny mpiara-belona amin'ny alalan'ny fanasinana ny nahitana masoandro.
29. kally ( 25/07/2005 18:23)
Tsy azon'i Scorpion ny tiako ho lazaina. Tsy ny ezaka hihoiranao @ fiainana no resahiko anao eto.
30. Veloo ( 25/07/2005 20:36)
Andriamanitra ihany no hitompoina ry reto a.... Ny maty efa maty tsy mahatsiaro izay fiain-tsika eto ambon';'ny tany. Apetraho eo am-pelatanan'Andriamanitra doly ny rehetra.:wink:
31. maditra ( 26/07/2005 01:09)
Inona moa no tian'i Zefa ahatongavana, samy manana ny inonay io, avelao izy hino izay hinoany. Samy manana ny zavatra inoany sy hajainy. Ny maha samy hafa azy dia ny Malagasy sasany manaja ny Razam-beny sy manompo ny Andriamaniny dia isika manaja ny razam-ben'olona nefa tsy manaja ny antsika sy manaraka fombafombam-pivavahan'olona fa tsy te hahalala ny antsika.
32. fasaly ( 26/07/2005 07:52)
tsotra ry reto a!
izay mivavaka mivantana amin'andrimanaitra nahary de manaja izany fa izay mivavaka misy elanelana amy razana sns..... de aleo izy hanaraka izay fombany izay fa izay no fomba hinoany sy hifandraisany amin'andrimananitra. hajaintsika izy amy fombafombany
de samia ho olon'afaka daholo rehefa tonga ny farany e! fa toa sarotra be ny hanazava azy tsy hisy fahatamperana.
33. johns ( 26/07/2005 12:34)
kally:

scorpion:

kally> hafa be ilay raisonement> ka nahoana no maro aminareo kristianina no mijaly sy mahantra?? sa tsy mitahy izao Andriamanitra izao?

Ny fantatro ary mbola reharehako dia Andriamanitra no naha-toy izao ahy!

Marina 10000000000000000000000000000000000000000000000%


34. scorpion ( 26/07/2005 14:13)
Ny fitahian-Janahary sy ny razana no naha-toy izao ahy,nohon'i herin'Andriamanitra velona nanome Hasina azy ireo, zahay ndray tsy mirehareha zany fa nampianarina hanetry tena hatrany.
Masina ny Masina
35. kally ( 26/07/2005 14:37)
Ny anay hireharehanay ny fananay Andriamanitra Mandresy sy Tia anay.Tsy izaho no ireharehako fa ny Andriamanitro.
36. sonwin ( 26/07/2005 14:45)
rovina aza vao hisy boudiste haneho hevitra eto:roll:
37. xxx ( 26/07/2005 14:47)
sy judaiste
38. sonwin ( 26/07/2005 14:51)
dia silamo ihany koa
39. Veloo ( 26/07/2005 18:04)
sonwin a tsy misy eeee satria ny gasy dia matahotra an'andriamanitra ka mahalala izay tokony hovavahana e:wink::{
40. sonwin ( 27/07/2005 05:39)
aleo tsy valiako toi fa hanjary hiova ny adi-hevitra.Hoy fotsiny za owe ts kristianina daholo akory ny gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1421