Vita sinoa

1. hery ( 08/07/2005 09:36)
Mahoraka be ny fanakanana ny vita sinoa aty eoropa. Ary atahorako hianaka any Madagasikara ilay izy na dia mbola mitobaka aloha hatramin'izao ny ao Behoririka. Dia lasa ny saiko hoe rariny ve sa tsy rariny ilay izy.
Izao mantsy. Karazana fifaninanana ihany io. Ny an'ny italiana ohatra dia kamo be daholo ny mpiasa. Vokany, kely ny vokatra miakatra. Ireo mpiasa kamo ireo anefa dia tsy maintsy karamaina be dia be dia manjary lasa lafo ny vidin'ny entana raha tsy izany dia maty antoka.
Ny an'ny sinoa indray miasa mafy daholo ny olona ary be dia be ny tanana miasa ka manjary mora ny entana. Dia lazain-'ny eoropeana hoe manimba tsena ry zareo... dia sakanana. Ny resaka qualitE indray moa dia samy manana ny fitiavany azy.

Vokany, voatery hividy entana lafo be daholo na dia ny mahantra aza... dia mitombo ny fahantrana sns...

Ka hoy aho hoe aza sakanana aloha ny sinoa any Dago fa raha mahay dia manaova tsaratsara kokoa sy mora vidy kokoa dia ho hita eo. Tsy adala koa akory ny olona ka hividy vita sinoa raha efa hitany hoe ratsy ilay izy kanefa mora ny vita eo antoerana.
répondu par fasaly le 13/07/2005 14:27
2. kally ( 08/07/2005 10:55)
Raha ny ao amintsika dia tsy afaka hifaninana loatra @ vita sinoa ny eo an-toerana, ny antony: mbola be loatra ny akora hafarana avy any ivelany.
Raha akanjo ohatra no resahina fa io moa no tena mitobaka: ao ny vita sinoa,ao ny vita gasy mihantona eny @ pochard sy eny an-tsena,ao ny friperia.Ny mora indrindra amin'ireo ny vita sinoa, manaraka ny friperia ary ny lafo indindra angamba ny mihantona vaovao vita gasy eny @ pochard.Ny kofehy afarana any @ sinoa no fanjairan'ny gasy fa tsy misy mpanjaitra mampiasa kofehy vita gasy izany, ny lamba efa iaraha-mahalala ny vidiny na dia ny lamba vita eo an-toerana aza( ireny aza no tena lafo), n herin'aratra hanjairana lafo be ny antsika ary ny masinina mbola nafarana koa.Ka rehefa tsy manana fahefa-mividy ny olona na dia mora simba aza ny vita sinoa dia vidiany ihany satria "nahavonjy".
3. xxx ( 08/07/2005 11:29)
Tsy fantatro aloha ny fianarana ataon'i Hery na inona na inona e. Tsy sanatria akory hanakanana fotsiny be fahirano no antony anaovana ireo fifanarahana ao @ OMC momba ny entana sinoa.
1 - Ilaina ny equilibre economique ( tolotra sy tinady)
2 - Na dia @ saina tsy miangatra aza ve dia mety raha toa ka olona karaamina vary masaka sy tsy ara dalana no ampiasainy sinoa ma ahamora ny entany
3 - Tsy hoa voatery hifidy lafo ny mahatra (raha resaka mahaolona no jerena : plus 200 000 000 ny sinoa kely karamaina mahatra fotsiny ihany koa)
4. hery ( 08/07/2005 11:59)
xxx> euh... tsy voatery mianatra vao mandinika sy miteny kah :-), hery tsy nahita fianarana.

1. Ilay équilibre economique: Izay indrindra. Aza asiana tombo sy hala. Samy savao sy araho maso izay tsy mety. Samy asio taxe normale. Dia raha mahafeno an'ireo ny sinoa dia ampidiro. Ny an'ny sinoa anie tsy ny qualité na ny sécurité matetika no maha-mora ny mason-karena e... fa ilay mains d'oeuvres. Izany hoe tsy mila zavatra superflus izy dia amin'izay mba moramora kokoa ny entana aloany.

2. Ilay karama vary masaka dia aferan'ny sinoa... fa tsy ny gasy no hiteny hoe zahay tsy hividy entana avy any aminareo fa ny mpiasa any karama vary masaka... Resaka tsena io. Firy moa ny isan'ny sinoa miasa dia ahoana ny haren'io firenena io? Ka angamba miasa tsara ilay tolotra sy tinady eo. Kely ny karama satria be ny miasa. Ary te hiasa daholo.

3. Tsy voatery hividy lafo ny mahantra... izany hoe aleo hiboridana eo raha ohatra ka 5.000 ariary no mba ananany hividianana pataloha kanefa 50.000 ariary vao mahazo satria tsisy intsony ilay vita sinoa.

kally> io indrindra mantsy. Hisy betsaka hiteny rehefa kelikely eo hoe tsisy mpividy intsony ny vita gasy... ka tsy tokony ampidirina ny vita sinoa.
5. ainaheri ( 08/07/2005 12:13)
ekeko ireo hevitrareo ireo nefa indro kely;
ny sinoa diso mpaka tahaka loatra ka alaivo
sary antsaina zany fa mba maro koa ny mivelona
@ asatanana ny ao dago,dia ny vita antoerana
amidy @ vidiny mirary zakan'ny vah,de tonga ny an'ny
sinoa amidiny antsasak'iny ny azy nefa zvtr mitovy ihany d aleon'olona mankany,nefa ny fiantraikan'izany hoy ianao d voatery hanidy trano
ny mpanao asatanana gasy de itombo firy ndray ny tsy an'asa??
6. Mifenty ( 08/07/2005 12:42)


hihi, ka misy gasy aza makany am snou kou maninn ny snou ra mbô mankaty am gasy le hihi

sa aona bedada?
7. bichette ( 08/07/2005 12:50)
ny vita sinoa mahavonjy ny mahantra, mba ahafahany miakanjo tsara sy vaovao (fa tsy fripy) raha sendra lanonana na zavatra hafa ka na dia 25000fmg aza ny vola dia mahazo akanjo ambony tena tsara (za zao nividy an\'izany, tena mihaja be nefa 25000fmg no nivianako azy dia faly be zah :)) na kojakojan\'ny tokatrano aza tenamahavonjy aloha e fa resaka qualité araky ny tenin\'i Hery dia ny tsirairay samy manana ny fitiavany
za zao saika hampanjaitra akanjo dia nitady lamba gasy kanjo raha natao ny kajy dia ny lamba lafo, ny fanjairana azy lafo, mbola ny tena koa no miantoka ny kofehy, mbola misy fanandramana, ny taxi andehanana any amin\'ny mpanjaitra mbola eo koa dia hoy aho hoe, andeha any behoririka aho tonga dia hitady efa vita fa maka fotoana fotsiny manara maso ny zaitra ary koa maka fotoana mijery kely en detail sao misy rovitra dia izany

ka inn ihany no mety e :-w:-w:-w:-w
8. bichette ( 08/07/2005 13:03)
ainaheri > ny asatanan'ny gasy tena tsara dia tsara ary tena mahafinaritra ireo vahiny fa somary mora ho antsika gasy ka ny asatanantsika ve izany dia natao ho anireo vahiny fotsiny ?
9. ainaheri ( 08/07/2005 13:10)
bichette > na dia manapatapaka jiro foana aza i
jirama d tokony hazavainao tsara lay lazainao fa tsy azaoko ny lazainao:idea::D
10. bichette ( 08/07/2005 13:53)
ainaheri > in no idiran'ny jirama eto :?:
11. Kintanakely ( 08/07/2005 14:30)
Angamba tsy de rariny loatra ny fanakanana ny sinoa tsy hivarotra eto Mada, raha sanatria hisy tokoa izany. Ambany ny fahefa-mividin'ny ankamaroan'ny malagasy ka zarany aza mahita vita sinoa azony vidina. Ny mampalahelo fotsiny (somary mivoaka kely ah) de angamba kely loatra ny karama omeny ny gasy kely ampiasainy ary manambany sy mikasi-tanana gasy koa ny sinoa aty amintsika matetika.
Ny hoe manimba tsena, tsy de hitako loatra zay maha-marina azy. Voamboatra tsara ny tsena raha mandeha ny fanalalahana sy ny fifaninanana. Ny sivana eo amin'ny resaka qualité angamba no tokony hatao satria toa araraotin'ny sinoa am zavatra mahasarika ny maso nefa mora simba ny maro am malagasy.
12. fasaly ( 08/07/2005 15:16)
tsy resaka fitafiana ihany no mampatahotra amin'ireo sonoa ireo izao fa na resaka fiara koa aza, raha ampitrahaina ny prix ny fiara vaovao any sy ny eto europe de ny any mora be mintsy, ka tsy ilay gasy kely ihany no hiaran'"ilay izy fa na ny europeana aza efa mifezaka kely ihany amin'ny tsena.
13. kally ( 08/07/2005 15:49)
Amiko ilaina ny fanakanana ny vita sinoa satria :

-Amin'ny varotra misy ny lalàn'ny tolotra sy ny tinady:be ny tolotra mihena ny tinady ary ny mifanohitra amin'izay koa!manaiky ianareo hatreo?

- Mivarotra ny sinoa @ vidiny ambany dia ambany,vokany hikatona daholo ny mpamokatra izay tsy afa-manoatra (ireo mpanjaitra eny @ pochard ka hatramin'ny mpamokatra lamba ary indrindra ny any Eropa),izany hoe ny sinoa irery sisa no hanjaka.

-Fehiny rehefa irery ny sinoa dia mampihatra izay vidiny tiany hampiharina ary mamehy ny lalàn'ny tolotra arak'izay tiany.Ny orinasa efa maty mbola taona maro vao ho tafaverina indray raha hiverina aza.Ka asa!!!
14. ainaheri ( 08/07/2005 16:14)
ka izay anie no resahako @ndry zareo reo ry
kally fa aleo tonga iany hono ny kely masoee!!
Ekeko we mora ny sinoa fa iza zany no ividy ny
zavabita ao antoeran
15. ainaheri ( 08/07/2005 16:21)
ekeko we mora ny vita sinoa fa iza zany no
ividy ny vita ao antoerana raha tsy isika ihany
d voatery hitombo zany ny tsy an'asa !!
raha aminareo lay toeran'lay mpanao asatanana
na koa we io entreprise iasanao io no voakasik'izany
d tsy maintsy hanidy trano izy fa tsy iditra fatiantoka eo mihitsy d aona no fomba iainanao @
zany!!
16. hery ( 08/07/2005 16:43)
Iza no hividy ny zava-bita eo antoerana?>

Ny manambola kah. Ny minisitra sy ny ngetroka rehetra ve dia hividy izay vita sinoa na hitobaka aza ny vita sinoa? izany hoe rehefa tsy avela hiditra ny sinoa dia fanakendaina fotsiny ny mahantra izany. Raha tsy hoe atao mitovy vidy amin'ny vita sinoa ny vita gasy... atao mora be.
17. kally ( 08/07/2005 17:17)
Ka io ho'a ry Hery raha tena te-hitsinjo ny mahantra dia sakano ny sinoa fa rehefa maty daholo ny asan'ny malagasy eto an-toerana dia ataon'ny sinoa amin'izay vidiny tiany io satria izy irery no manjaka.Sa izay no tsara sy metimety?
18. ainaheri ( 08/07/2005 18:30)
zany ngetroka sy minisitra zany tsy mividy ny vita gasy zany fa ny aty andafy no mahafatifaty azy!
nga tsy enonao ireny ol refa mba miresaka raha ohatra izy avy miditra ny tranon'ol iray;hmm manankarena i anona importée daholo ny entana ao antranony!!
19. mishou ( 08/07/2005 19:50)
marina daholo amiko ny voalazanareo, fa ny fahafaha-mividy no mitondra an'io, raha za zao aty france afaka mividy izay tiako de mihahaka eo ny sinoa fa akanjo mora mitaralila, kiraro misy défaut na zavatra fanao an-trano plastika no bedebe na tsy mateza, de noho izany raha manana fahafahana izany na mieritretitra hoe mividy 2 na 3 fois plus cher nefa tsy voatery hividy matetika de tsy mila vita sinoa, de maty ho azy ny tsenany fa ho an'izay tia lamaody indray ohatra de izay androany ihany, tsy mila fahatezany izy fa izy à la mode no tiany de vita no sinoa no mahavonjy haingana ny tiany atao de mahafinaritra izay
fa ny mahasosotra ahy eto france fotsiny, raha hitady zavatra tsy vita sinoa de lasa voatery miditra magasin luxe be de vidianao hatr@ ny vidina vitrine sy place misy ilay olona nefa taloha vao tsy ampy 6 mois izay misy eran'ny toerana rehetra ilay qualité satria ny mpivarotra koa matahotra hikatona fa tsy misy mpandeha intsony de feno sinoa ny zavatra ao an-tsenany

Ny anankiray indray dia ity, mampiasa politique de dumping ny sinoa handefasany ny entany mankaty nefa izany eto aorpa henjehin'ny lalàna be fa mamono tsenan'olona de io no anenjehan'ny eorpena azy satria tsy manaja ny lalànan'y varotra izy de izay koa an'izany mahamira ny entany satria tafahoatra loatra fa tsy holazaiko eto ny frêt n'entan-dry zareo:-P
20. vancleef ( 09/07/2005 06:39)
Tsy ny akanjo ihany ange noho vita sinoa e ! Jereo ny téléphone portable-nao, voay ange ny ordinatera dia jereo ny cartes ao sy ny lecteurs isankarazany, ny département PC an\'IBM novidiny ny sinoa. Jereo ny fakan\'tsary numerique na camescope na japone aza ny marque SONY ohatra misy soratra hoe fabriqué en Chine sy made in China ary ireo izay tia manao kiraro Nike na Reebok vita any sinina daholo ireo.
Tokony ampiheritreritr\'antsika gasy ireo zavatra rehetra ireo indrindra faha ireo orinasa eropeanina any @ zone franche dia ho faty koa atsy ho atsy satria ni-délocalisé-vany tany Maroc sy Dago dia tsy maharaka intsony ry zareo dia raha mbola te ho velonon\'izy dia any Chine noho délocaliser-vany indray.
Itsika gasy manko dia faly fotsiny hoe gasy ka manja ary indraindray manao tandrametaka fotsiny ary raha te exporter dia tsy maintsy manaraka ny norme isankarazany na ny letchi sy ny vanille aza. Tsara ny arts gasy faha tsy io mihintsy noho hampandroso an\'i Dago. Ary rehefa misy investisseurs mba tonga any Dago mba hanao transfert de technologie dia ny sasany indray miteny hoe tonga indray ny mpanandevo dia lasa mankany Maurice na Inde ry zareo. Jerevo ny momban\'ny informatika. Dia rehefa ny karana na sinoa any Dago noho manao azy dia hoe mandrombaromba ny fanan\'ny gasy ary rehefa gasy ny manao azy sahala ny Tiko ohatra dia mialona na hoe mananaraotra faha eo ampitatanana izy nefa tamin\'ny andron\' i Deba noho efa teo izy.
Ho an\'ireo izay tsy mahafantatra dia vakio ilay bokin\'Alain Peyrefitte 40 taona lasa izay \"Quand la Chine s\'éveillera\" ary taitra ary izao ireo sinoa.
Nosy i Dago ary tsy tokony ho nosy nefa eto @ mondialisation na koa eto @ Internet
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1903