katolika mibaby aliaka?

41. marozevo ( 24/08/2005 14:37)
Marina ny an'i pitchou, saingy andeha ho alalinina kely hoe e : Taiza ary no nahaizan'ireo ankizy ireo io fomba fiteny io ? Iza no nampianatra azy an'izany ? Raha araka ny hevitro dia avy amintsika olon-dehibe ihany io. Eo indrindra no mipetraka ilay olana mahatonga fanafintohinana satria mody afenina ao ambadiky ny HEVI-JAZA ny foto-pisainana lò amin'ny fifanaratsiana ara-pinoana.
42. pitchou ( 24/08/2005 18:17)
dray! zahay aloha t@ taona nanaovanay ady rima mahatsiravina tsy nisy olon-dehibe nanoro zany an! ary tena midehaka mihitsy hoe nety le rima!
asa aloha ny RAD nareo ry marozevo raha mampianatra anareo zavatra vilain be otran'izany fa ny anay tena atao lavitra ny sofiny izany sao ny sofinay no hihongotra
43. fijo ( 25/08/2005 05:01)
nisy lehibe namorona io fiteny io,ary ireny le lehibe tena loza.
44. deghany ( 29/08/2005 10:35)
xxx:

Miala tsiny amin'ilay fanontaniana fa taiza/iza/ inona no antony/ kay no niandohan'io fomba fiteny io?



hummmm!! tsara petraka iany ka!!:roll:
fa avy aiza marina io e??!!:/
resaka nge 'ty fa tsy toriteny e!! :P
45. deghany ( 29/08/2005 10:36)
xxx:

Miala tsiny amin'ilay fanontaniana fa taiza/iza/ inona no antony/ kay no niandohan'io fomba fiteny io?



hummmm!! tsara petraka iany ka!!:roll:
fa avy aiza marina io e??!!:/
resaka nge 'ty fa tsy toriteny e!! :P
46. pitchou ( 29/08/2005 18:27)
zà alou tsy mahalala ze niaviany fa zà ko tsaroako fa mbô efa niteny an'io fony tany @ maternelle!
47. marozevo ( 02/09/2005 14:52)
Ndao ary ho ekena fa nampianarin'ny RADninay hiteny izany izahay, fa ianareo kosa tsy nampianariny. Dia avy eo ahoana ? Dia matoky ve izany i Pitchou fa ny RADnareo no tena lafatra fa ny anay .... ?
Ny zavatra ataon'ny ankizy (ady rima) dia taratry ny fiainana ao an-tokantrano fa tsy nilatsaka avy any an-danitra na nipoitra avy amin'ny tany.
48. pitchou ( 04/09/2005 18:35)
nenareo alou tsy haiko na sahala @ ahoana! fa raha ny anay no naheno anay niteny an'io d asa foana!
d asa kou nenareo ny fomba nitezana anareo raha raha nenay alou d tsy mbô natao otran'ny anaty vase clos zahay fa nifanerasera t@ ankizy hafa sahala aminay! ary tsy mbô nagalana mpampianatra manokana fa nandeha tany an-tsekoly! d tany mou zahay nahita zavatra betsaka tsy mbô hitanay tao an-trano! ohatra ny tso-bato sy dimbazà na zedelastika! tsy mbô dadanay na mamanay no nahaizanay an'izany fa ny ankizy mpiara-milalao taminay!
fa nenareo mou zany mamanareo sy dadanareo no nampianatra anareo ny zava-drehetra hainareo? tsy nisy nadraisan'ny mpiara-monina na mpampianatra ny namana anjara mihitsy? d izy kopu no nampianatra ny fampesana itony solosaina itony? mamanay sy dadanay zao tsy mahay an'itony solosaina itony nefa zà mbô mahita kely! zany hoe tsy taratry ny fiainana tao an-tokatranonay ny fahaizako an'itony, nefa tsy nilatsaka avy tany an-danitra koa fa ny manodidina no nahaizako an'itony!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2605