mahomby???

1. rpk ( 23/05/2005 13:59)
misy zavatra mba manitikitika ana ity eh: mahomby na mamokatra ve ny fivavahana iray raha mampanankarena???
novalian'i dadabe ny 07/07/2005 23:12
2. pitchou ( 23/05/2005 19:24)
kay! ny devoly koa ange mahay mampanankarena tampoka e!
3. maditra ( 24/05/2005 05:13)
Matetika mitondra fahombiazana amin'ny fiainana ny fahasoavan'Atra fa tsy izy rehetra. Raha antokom-pivavahana iray, izay manan-karena doly ny olona raha vao miditra ao, misy resaka business indray izay, ary mba mailo. "Tsy misy afaka manompo tompo roa"
4. ari.malala ( 24/05/2005 05:23)
tsy azoko tsara ilay fanontaniana, fa ny azoko amaliana anazy angamba dia hoe katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anao ny zavatra rehetra, fa inona moa ny soa ho an'ny olona raha very ny fanahiny na manazo izao tontolo izao aza izy?

5. Mandamina ( 24/05/2005 05:46)
anisan\'ny \"marketing\" nandeha mihitsy tao anatin\'ny fotoana lavalava izay ny hoe mivavaka ato aminay dia ahazo izay irianao ianao (vola no tena lazaina amin\'io), ny antokom-pivavahana rahatra dia samy manana ny foto-pinoany, ao ny hoe mivavaka aho satria :
mila fiadanam-panahy
mila famonjena
mila vola
mila...
mila...
...
ny ahy manokana izao ny maharesy lahatra ahy, dia hoe, mivavaka aho satria tsy nanary ary tsy hanary ahy Ilay Nahary, ary mandrotsaka ny fahasoavana mandrakariva izy mba ahitako fifaliana,




6. dadabe ( 24/05/2005 06:05)
:-w:-w ampian'ny Tompony izy rehefa tiany:-w
7. rpk ( 24/05/2005 06:11)
zany hoe tsy tiany zany refa tsy ampiany???...de miahaka eo refa tsy tiany raha azoko tsara sa tsy izany???:lol:
8. routa ( 24/05/2005 12:49)
Hafahafa hiany izany satria io ny tenin i ari-malala io jereo misy dikany io .Zao kosa anefa hoy lay teny iray hoe fa ataoko samy hafa ny manompo Ahy sy ny tsy manompo Ahy
9. sonwin ( 24/05/2005 15:23)
Andrimanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.
Zanahary tsy mitahy mandry
10. dadabe ( 24/05/2005 17:18)
voila=D
11. welie ( 24/05/2005 18:53)
Bravo sonwin kely malalako! :*

Io dia mazava be kosa angamabany...
12. zefalah ( 24/05/2005 20:56)
ny Fivavahana dia mivaly foana.
raha tsy itanao eto an-tany ny valiny dia ho itanao any an-danitra.
hoy ny teny manao hoe: so atao levenam-bola fa ratsy atao loza miantona.
aza kivy ry mpivavaka fa mivaly ny fivavahana na ho ela na ho aingana
13. marozevo ( 24/05/2005 23:23)
"Fantatry ny Ray izay ilainareo". Ny vavaka mahomby foana, fa anjarantsika no mamantatra ny valiny. Je m'explique. Ny mivavaka dia toy ny zanaka (zaza)mangataka amin'ny rainy. Raha hitan'ny rainy fa ilainy tokoa ilay zavatra angatahiny, dia omeny, fa rehefa tsy mahasoa dia tsy omeny. Raha miteny ny zanaka hoe "Omeo antsy aho, ry dada, fa te hamono olona", dia hanome ve ny rainy? na hoe omeo poizina aho fa te hamono tena?
Fehiny : Raha hitan'Andriamanitra fa hahasoa anao mangataka azy ilay harena angatahinao, dia omeny tokoa raha sady miezaka ianao, fa tsy manao ariary zato am-pandriana. Rehefa tsy hahasoa kosa, dia mety tsy homeny, saingy iny fandavana ataony iny dia efa valim-bavaka.
14. ari.malala ( 25/05/2005 11:41)
matetika koa tsy hitanao mivay hoe telle quel ny zavatra angatahinao fa hitanao @ foba hafa, ohatra mangataka harena ianao fa fahasalamana no azonao, efa valim-bavaka izay, satria hoy isika Malagasy hoe ny fahasalamana no voalohan-karena.

15. yonikafopl ( 25/05/2005 19:59)
ohatran'ny zanaka tiana mangataka zavatra am rainy ihany io, raha fantany fa mahasoa de omeny fona io na arena na inona na inona, fa io lazain'i ari malala io kou marina
16. welie ( 25/05/2005 20:59)
Zay mintsy...
Mety hoe misy ny zavatra angatahinao tsy mivaly eo ny eo na hoe tsy mivaly mintsy.... Fa raha tena mino enao dia hitanao fa misy antony izay.... :lol:

17. maditra ( 25/05/2005 21:09)
Tsy voatery hanan-karena na soasoa fiainana eto ambonin'ny tany kosa aloha ny mpino an'Atra e!
"Sambatra enareo izay noana", possible mety ho fanomezan'Atra (indraindray) no mampanankarena olona fa izay mahantra kosa tsy midika fa nozonin'Atra.
Fa zah aloha tsy dia mino raha Atra andeha hanao fahagagana be mampanan-karem-be olona tampotampoka eo. Raha te hanao izany izy, ireny izay matin'ny hanoanana any Afrika ireny angamba no anaovany izany voalohany.
18. dadabe ( 26/05/2005 09:57)
ka tsy harena ara-bola anie zany ry maditra fa harem-pahasoavana zany no lazaina eto e

fa raha harena ara-bola de hoy le namana anakiray zay hoe midira hono any @franc macon de manakarena be (ara-bola an )
19. ari.malala ( 26/05/2005 10:14)
dadabe> :)

20. ari.malala ( 26/05/2005 10:15)
tsy ny harena ara materialy ihany anie no mahasambatra eto an-tany ê!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4623