nivadika bibilava "hono"

1. fijo ( 10/05/2005 21:49)
namaky gazety midi aho androany dia nahita fa nisy lehilahy "nangalatra"vadin'olona hono dia nivadika bibilava ny azy????????????????????????
efa honoko hatry ny ela izany resaka izany nefa tsy mbola nahita maso aho ,ka sarotra amiko ny hino azy.maninona raha tena misy izany no tsy manao izany fiarovana izany aby ny mpiasampanjakana mpanao tourne lava??????????
novalian'i pitchou ny 01/07/2005 07:56
2. mishou ( 10/05/2005 22:01)
hi hi hi, zany ve tsy fanova-maso, tsy mino aho raha tsy mahita angamba :wink: :wink: :wink: :-D :-D :-D
tsy mime loza aho akory fa tsy hinoako izany fa ny gazety koa manao titre be hahazoana vola hahabe ny mpividy :-D :-D :-D
3. kally ( 10/05/2005 22:54)
Dia nivadika bibilava inona hono ilay izy ry Fijo?Menarana sô fandrefiala sô do?
4. soikel ( 11/05/2005 04:25)
F'angaha mou ry fijo tsy efa bibilava le ao sa ?
Hihihihhihi

:-D :-D :-D :-D :-D
5. fijo ( 11/05/2005 04:53)
dia asa re ray olona fa na za koa aza mba tsy mino fa dia manontany tena hoe ,dia azo lazaina daholo ve izao tsaho rehetra heno izao e.
6. hery ( 11/05/2005 06:22)
sady raha lohateny lehibe @ gazety dia tokony ho nasiana sary mihitsy fa zavatra tena mety hahagaga eran-tany izany.
7. bichette ( 11/05/2005 06:59)
hery < hevitra mety tokoa satria ny honohono tsy ho vita mihitsy fa asiana porofo mihitsy
8. rurik ( 11/05/2005 08:09)
sady ny gasy anie malaza mihintsy @io honohono io e na tsy nahita ary ny masony dia milafa fa marina ny henoko koa dia hoe efa ela ity an nisy olona azon\'ny lozampiarakodia dia nisy tapaka ny taolana ka nohetina tany @panao fanafody ka rehefa nivoaka avy tao izy dia tonga dia afaka nandeha . nitohy ilay taolana .dia eritreretinareo fa marina ve izany.izaho aloha tsy dia mino e!
9. mamzelkely ( 11/05/2005 09:00)
za alo de tsy mino e!!! fa ndraindray ko anie le gazety faly isintona olona fotsiny fa tena marina io lazain'i hery io we asina sary de mino zahay
10. ari.malala ( 11/05/2005 09:46)
tsy mbola nahita aho ,fa mino kosa ny fahamarinany satria efa nahare koa hoe nisy vehivavy nivoahana biby tao anelakelapeany satria niaraka t@ vadin'olona. Toa tena malaza be @ io resaka io ny avy any @ faritra antsinanana sy atsimo atsinanana (ialako tsiny raha sanatria diso) fa efa be ihany izay tantara reko izay, ny notantarai'olona moa ny notantaran'ireo niharan-javatra hafahafa tany @ ireo faritra ireo.

11. mamzelkely ( 11/05/2005 11:45)
mety misy le izy fa illusion fotsiny kosa angabany no hitan le olona
12. sonwin ( 11/05/2005 12:44)
ts mino ve nareo? 8) any amin faritra atsinanana no tena specialiste amin'io...azony atao ihany koa ny hoe ts eo intsony ilay kotokely iny fa tavela any amin'ilay sipa...sa afaka manampy tantara za akoatr'ilay voalazan'ny gazety?
tsy honohono io ry zareo a, fa afaka tsy mino isika ka 8)
13. dily ( 11/05/2005 12:58)
bibilava vonoina ka tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka.
14. rurik ( 11/05/2005 13:08)
dia mino tokoa ve ianareo fa marina izany?izaho aloha dia sarotra mino satria honohono no henoko fa mbola tsy nahita aho e .
15. dily ( 11/05/2005 13:13)
ka sambatra izay tsy nahita nefa mino ko
16. mamzelkely ( 11/05/2005 13:53)
fa aôna efa tratra nga sonwin? 8-) :^) :-D =)) =)) =)) =)) =))
17. sonwin ( 11/05/2005 14:51)
dily> roa ihany zany isika eto mino ny fisian'io zavatra io
mamzel> jamé tratra 8) fa mahafantatra tsara ny momba ireny :wink: zanaka malagasy mamantatra ny tanana hidirany vao manao ny atao fa tsy manaonao foana zany :@ ..
refa mivadika bibilava io zavatra io dia mila omena hena ..sinon manaikitra ny tompony :^) :^) :^) orera
18. mamzelkely ( 11/05/2005 15:35)
=)) =)) =)) =)) =))
19. Veloo ( 11/05/2005 19:35)
tsssssss panao gri-gri zany matoa misy ... za tsy mino an'izany :wink:
mety ho lasa Boa ko zany raha bibilava no resahina :-D :-D
20. fijo ( 11/05/2005 20:40)
le fisiany aloha dia tsy eken'ny saiko hoe hisy e,fa ny tena mahagaga ahy dia ity gazety tsy manadihady sy mitady porofo fa hono dia efa lasa izao.hoaiza raha izany no mitohy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4171