Tiako ny fianakaviako!!....??

1. ainaheri ( 06/05/2005 07:12)
Misy amintsika Gasy mipetraka aty ivelany (eny misy manao koa ny firenena sasany fa sika gasy no resahana eto) zay manambady aty vazaha na gasy tahaka azy ihany no manafatra ny havany na ny reniny zay somary sahirana ara-pivelomana mba hoe anao vakansy any aminy 1taona atao doly zao teny fampanantenana retra zao sy ny hoe mba mijery ny zafikelinao ianao kanefa refa tonga any alikainy lay reniny asainy mitaiza ny zanany tsy karamaina io an!!
novalian'i fijo ny 12/07/2005 21:29
2. mihanta ( 06/05/2005 07:49)
mba hafa njay zany manaliaka ny reniny niteraka azy zany,tamin'ny reniko tonga taty aminay,ny fotoana niarahana aza toa fohy kely nefa voafetran'ny lalàna d tsy afa manohatra.asakasak'izay manao toetra manaliaka am reniny nahitany masoandro alou fa toa zavatra inimaginable b zany amiko. :-*
3. pika ( 06/05/2005 08:04)
mety tsy reny niteraka azy angamba izany ka ?
4. dadabe ( 06/05/2005 08:14)
:roll: :roll: asa klou e,fa zah klou mbola mianatra aty fa tsy miasa ka tsy mbola afaka amanafatra an'iza sy iza kle :-P :-P :-P :-P
5. rurik ( 06/05/2005 12:06)
ohatran\'ny tsy dia mampino ahy loatra ioresaka io raha mahita ny fanajan\'ny gasy ray amandreny aho .asa aloha fa izaho dia tsy misy atakaloko ny reniko e!
6. booboo ( 06/05/2005 12:57)
alikainy aôna ? misy tsy araka, tsy azo, tsy mazava. Ilay mitaiza ilay zafikely tsy karamaina ve no fanalikana ?
7. Veloo ( 06/05/2005 14:48)
Manaja ny reninao sy ny rainao mba ho maro andro ianao amin\'izay toerana omen\'Andriamanitra anao na alehanao....Tena misy dikany io an ary tena misy valony mihitsy a ...Ny ray amandreny no nahitan-tsika ny masoandro sy nikarakara antsika fona, mba anjaran-tsika ndray ny manampy an-drizareo...eeeeeee tsy gasy mihitsy zany olona izany raha manalika ny reniny.. ny gasy tena olona azo deraina mihitsy fa manana fahendrena an :wink:
8. iartistika ( 06/05/2005 15:08)
:-w :-w
9. pitchou ( 06/05/2005 18:36)
mba hafa indray nenareo izany ry ainaheri an!
sa kosa enao sao d mahita le mamie mifikipikitra @le zafikeliny tsy ho hitany indray raha tsy afaka 20 taona d lazainao fa ampitezaina zaza tsy omena karama izy?
10. yonikafopl ( 06/05/2005 19:25)
fa nga ny fitaizana zafikely kou mila karama kay?
11. pitchou ( 07/05/2005 03:01)
asa wa! ambarako fa iadivana mihitsy izy io raha sahala @nataon'i bebenay sy dadabenay! mila hiakatra tribonaly mihitsy raha vao tsy elaela tsy nalefa tany zahay
12. yonikafopl ( 07/05/2005 06:20)
pitchou hihihihihihhihihihihihihihn =))
13. ainaheri ( 07/05/2005 09:19)
Misy io tranga io ry reto aa mety mahalala daholo nareo b resaka reo ndrindra fa ny gasy manambady
vazaha fa mody faniny eo!!nga tsy fantatrareo ny (esclavage moderne)????
14. yonikafopl ( 07/05/2005 11:47)
ainaheri sao de mba ianao ary no nanao io tamin'ny reninao?
ary efa 2005 ve mbola hisy esklavazy na moderina io na tranainy? sao dia mba mihemotra ary enao izany?
15. pitchou ( 08/05/2005 03:46)
angaha moa eskilavazy tokoa izany mitaiza zafikely izany? raha vao hoe hamahana zaza ve izany le olona iray, ankoatry ny papa sy maman-ny d tsy maintsy mahazo karama?
ambarako fa ny eskilavazy moderna izany d le we mifanaraka @ olona iray hiasa ao aminy d sady tsy omena ny karamany no atao fitsondra tsy manaja ny maha-olona azy izy (matory @tany ao @couloir na douche na wc, tsy omena afatsy ny ambin-tsakafo, tsy mahazo mahita masoandro sns) no alaina daholo ny taratasiny tsy ahafahany mandeha mankaiza mihitsy d ze tiana anaovana azy ao no atao azy satria izy tsy afaka mankaiza? d tsy hitako ze ifandraisany @ grands parents mitaiza petits enfants? sa ve d nataony sahala @izay tokoa le RAD-niny? gravy izany ry ainaheri fa torio raha hitanao an!
16. sonwin ( 08/05/2005 10:47)
17. rurik ( 09/05/2005 13:50)
raha ny fieritreretako azy dia nahita bebe nitaiza zafikely izy dia lazainy fa esklavy< ainaheri >sa nitaraina tany aminao angaha ilay ramatoa ? sa ahoana no nahatonga anao nilaza io zavatra io satria tsy mampino ko . :roll: :roll: :roll:
18. majakely ( 10/05/2005 07:44)
Fa hafahafa mihitsy izany fifandrasanareo izany !i Neniko ve mba hanampy ahy dia hokaramaiko indray? !zarany aza izy mba afaka manao an'io mba hanampiany ahy ko,raha azony hatao aza dia mbola hanao betsaka izy fa ...!!Sady i mamanay tsy hanaiky na oviana2 omena karama izany ,fa justement raha manome karama azy aho no mi-considerer azy toy ny mpiasako!Sa ahoana hoy ianareo?
19. ari.malala ( 10/05/2005 10:28)
eny oa aky r'i majakely! neninay no mitaiza ny zanako fa tsy mitady karama amiko zany mintsy izy! fa ohatrany tsy azoko zany le oe manilikilika sy manalika tenenin'i aina ê! za tsy mino oe reny niteraka ve de hoalikaina? sady nandaniana vola ny nanafatra anazy ve de zany no anaovana azy? tsy naleo ve izy najanona taty Dago ihany?!!
20. pitchou ( 10/05/2005 18:47)
eny wa aky! sa ve le vinanto no manao an'izay?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432