mankaleo...!

1. xxx ( 23/04/2005 07:50)
tena tsy mahasarika intsony ny adihevitra momba ny finoana ato. Jereo fa mihena hatrany ny mpandray anjara. Saika ry dadabe sy Mifenty no anarana miverimberina sy mameno ny forum, ka manjary mahamonamonaina indray ny mahita hoe Dadabe Dadabe foana. Toa tsy hita intsony ireo mpandray anjara mahafinaritra mahay miady hevitra sy mandrindra resaka. Midika izany fa tsy mahasarika ny maro intsony ny ady hevitra. Toa ny Lohateny fotsiny no miova fa ny hevitra mivoitra ao anatiny dia miverimberina.Efa mankaleo...!!
novalian'i dadabe ny 18/05/2005 18:35
2. maditra ( 23/04/2005 08:08)
hihi, zay ny anao radadabe!
Fa maninona raha te hitaraina no miafina e! Tsy misy maharatsy an'izany mitaraina zavatra mahaleo azy izany anie! Fa na dia izany na tsy izany, mbola maromaro ihany ny mpandray anjara ao!
3. isambilokely ( 23/04/2005 08:16)
Ary aza miafina sa ve kanosa ?
Mamorona loha-hevitra hafa ary ianao ry xxx (ilaikanosa) fa tsy voatery hoe hanaraka ny ady hevitry Dadabe sy mifenty anie ianao e sady ry zareo koa olona manala azy no eto fa tsy hoe hanovo fahalalana. Ie izahay aby moa izany ilay manala azy eto.

Fa raha hanovo fahalalana dia misy site forum milay be any ambadika any. Midira www.google.com dia mahita bedabe ao manaova mot clé hoe FORUM. Fa aza miantehitra amin'ny eto fa eto fakana aina sy filalaovana fa tsy hanovozana sy hanatevenana ny haavon'ny intelizansa.

Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
4. sipagasy ( 23/04/2005 10:22)
eisy e! ilesambolokely e! ka raha tsy hanatevenana ny hahavon'ny intelizansa inona ny handehananao ato ihany koa????? pppfffffff :/
5. annie ( 23/04/2005 12:04)
ka inn no hidiranao ato ry isambilokely fa tsy any no mande?
6. Narilala ( 23/04/2005 13:14)
Toa misy fahamarinana ihany io voalazan'i xxx io.
Isambilokely: ady hevitra ara-pinoana kosa ve dia hanalana azy; midika izany fa tsy misy dikany daholo ny valin-teny eto, raha ny hevitrao no arahina, satria manala azy.
7. Mifenty ( 23/04/2005 14:21)


Fa nahoana moa izaho no tsy hiditra le.

tsy hikaroka izay mahafinaritra an'ilaikanosa akory no ataoko eto ka.

Sady ny lohahevitra toa itony no tena tsy hay hoe ampidirina ato aimn'ny finoana ve sa hoe ampidirina any amin'ny lohahevitra tsy dia misy ilàna azy firy.

Farany, tsy ahatafavoahana hevitra ny hakanosana. (x=6)
8. dadabe ( 23/04/2005 15:30)
fa mitady hanao sivana ve xxx e?hmmm
9. iartistika ( 23/04/2005 20:28)
fa in le sivana ry bedada?? de iza no mpanivana?? :-P
10. methode ( 23/04/2005 22:15)
Tokony ho dinihina angamba ny fanatsarana ny dinika eto aloha fa ny olona sérieux lasa daholo dia ny mpanala azy no sisa hijanona eto! Lasa mpanala namana le mpanala azy amin'izay!!! Ato moa na ny fahavalo aza mety mitonona ho namana dia tsy hay intsony!!!
11. isambilokely ( 24/04/2005 04:31)
O ry ry SIPAGASY :
Araka ny efa nolazaina fa namala azy no atao eo fa raha hanovo fahalalana dia tena lany andro. Mandalo eto aho satria manao fanitsiana, mba manoro tena manoro fa tsy toro vohana toa ny ataon'ny sasany.

Ka izao io ry METHODE :

Efa misaritaka hatrany amboalohany anie ity takelaka sy dinika ity e, dia arahana amin'izao. Angamba ny 10% raha be indrindra no misy ho raisina fa ny sisa tena lavaka be. Tsy hoe fanontsanana fa tena filazana ny zava-misy satria ireo olona sérieux dia miala daholo ary izany no version any ambadika hoe sehatra tsy matotra fa raha hanala azy dia mandalova dia miala.

Izaho manokana aloha ry METHODE sy ry SIPAGASY dia tena manala azy, na resaka fivavahana aza fa ahy sy Andriamanitra izany tsinona fa tsy mila mandalo serasera.

Fa hoy aho hoe raha hanovo fahalalana dia betsaka ny site tena milay be any ambadika any fa tsy eto.

:lol:
Mbilo,

take time to be friendly, it's the road to happiness
12. dadabe ( 24/04/2005 07:13)
shhh :twisted:
13. dadabe ( 24/04/2005 07:17)
1-HO ANAO IZAY MANARATSY AHY :REHEFA TSY MANKALEO ANAO NY ETO DIA MANDEHANA MIALA FA AZA MISARIKA OLONA HIALA
2-TSY MISY MANALA AZY IZANY ETO,FA IANAO NO MITADY HANAKOROTANA
3-RAHA MISY SITE HAFA ANY DE MANDANA MAHAZO FA ZAHAY TSY HIALA ETO
miala tsiny fa mandreraka be lotra le fitenenana :D de ampy e! tssss
14. isambilokely ( 24/04/2005 08:04)
Ary i dadabe izany anie tena avo dia avo feo e
Mety foana io e Izay tsy mahazaka miala fa izay no tena forum aminy.
Sady manala azy no mitondra fananarana hahaha youpi !
:lol:
Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
15. sipagasy ( 24/04/2005 08:36)
ho an'ny rehetra io anie samy manana ny tiany e! fa raha izaho manokana aloha dia aleoko alavitra eto sady tsy misy miteny ratsy tahaka ny any @ site sasany fa dia ady hevitra no atao e! na dia misy aza tsy fifanojoan'ny resaka sasany dia ilay hametraka ny heviny ny betsaka ny mpandalo ato fa tsy ny hanompa akory tsss isambilokely tsssss, pfffff
16. methode ( 24/04/2005 09:06)
Sipagasy> Samy manana ny tiany fa tokony hazava kosa ny tanjona aloha e! Izay tsy mifanaraka amin'ny lohahevitra dia tokony hafindra!!!
17. dadabe ( 24/04/2005 15:26)
fa izany resaka rehetra izany ve aloha misy hifandraisana @fivavahana sy ny finoana e???
ary ho anao izay manaratsy olona io mba hajao le fitsipika ,misy sehatra natokana ho an'ny ady hevitra tahaka itony ao ambadika ao,fa eto dia resaka fivavahana sy finoana.

Misaotra betsaka
18. Mifenty ( 24/04/2005 16:57)


wajay le;


tsotra io radada ah

"fa raha mangina ianareo dia ny vato no hiantsoantso"

hoy ny baiboly


ary

"katsaka anaty lapoaly io ka izay tsy mahatanty no mipitsika "

hoy ramalagasy
19. yonikafopl ( 24/04/2005 21:39)
hihihihihih
za njay mahita we misy ny ilaina rehetra ny serasera , ary za kou mitovy am cousine(sipagasy) we
aleoko ato fa ato tsy hahitana teny ratsy toy ny any amin'ny site sasany, any misy ny mifanompa mihintsy ve tsssssss, ato adihevitra no atao, rehefa miady hevitra , tsy maintsy misy ny miakatra afo, misy ny mananihany mba hampisy aina an le ady hevitra, fa na reel aza ange ny adihevitra mankaleo raha ts asiana sangisangy kely ee
20. dadabe ( 25/04/2005 07:00)
yonika>zah kou hijanona ato satria njy ato ztm :wink: (l) :-* :-* :-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3161