Fianarana momba ny F(f)anahy

1. dadabe ( 23/04/2005 05:28)
Eto dia fianarana indray no hataontsika,zarao izay fahalalana fantatrao mikasika ny antsoina hoe F(f)anahy.
Ao ny milaza hoe misy ny antsoina hoe F(f)anahy M(m)asina ,mamitaka,devoly,tromba,mankahery ,sns.....dia omeo ary ny hevitrao ,ary ampianaro izay fahalalana fantatrao ny namana.
NB:raha azonao atao dia mba porofoy ny hevitra omenao (na toko sy andininy ao anaty Baiboly,na andala-tsoratra ao anaty gazety,na tahirin-kevitra,na tantara marina,...)
novalian'i dadabe ny 26/05/2005 10:12
2. xxx ( 23/04/2005 07:40)
resaka mandany andro izany,
3. isambilokely ( 23/04/2005 07:46)
Fanahy masina : Saint Esprit ... miasa ho an'ny fahamasinana rehetra.
Fanahy ratsy : Mauvais Esprit ... miasa ho an'ny tsy fahamasinana rehetra. ireo izay momba ny ratsy rehetra sy ny tsy masina rehetra. Aminay mompera dia ny fanahy masina no tena miasa fa ho an'ireo zay mompera fôpla toy ny fahita ankehitriny dia fanahy ratsy, fanahy feno habibiana. Ohatra hoe mompera maka rakitra, mompera misotro toaka, mompera manenjika vehivavy, eny e, na tsy mompera asa fa raha voa manao ny asan'ny fahavetavetana dia FANAHY RATSY no miasa izay.

Jereo anie i Pape Jean Paul 2 teo e tena hita hoe nanjakan'ny FANAHY MASINA. Na ilay solony aza tena hita hoe iasan'ny Fanahy Masina.

Sa ahoana .. Ary ianao ry Dadabe fa fanahy inona no miasa aminao ? :lol:

take time to be friendly, it's the road to happiness
4. xxx ( 23/04/2005 07:51)
tsy manam-panahy i Dadabe ka!
5. isambilokely ( 23/04/2005 08:18)
Tena manampanahy be io ry Ilaikanosa (xxx).
Tena tsy fantatro marina i Dadabe fa Dadarabe io taloha dia tsy manan-drà intsony taorian'izy dada dia lasa dadabe.

Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
6. pisoin ( 23/04/2005 15:54)
isambilokely:

Fanahy masina : Saint Esprit ... miasa ho an'ny fahamasinana rehetra.
Fanahy ratsy : Mauvais Esprit ... miasa ho an'ny tsy fahamasinana rehetra. ireo izay momba ny ratsy rehetra sy ny tsy masina rehetra. Aminay mompera dia ny fanahy masina no tena miasa fa ho an'ireo zay mompera fôpla toy ny fahita ankehitriny dia fanahy ratsy, fanahy feno habibiana. Ohatra hoe mompera maka rakitra, mompera misotro toaka, mompera manenjika vehivavy, eny e, na tsy mompera asa fa raha voa manao ny asan'ny fahavetavetana dia FANAHY RATSY no miasa izay.

Jereo anie i Pape Jean Paul 2 teo e tena hita hoe nanjakan'ny FANAHY MASINA. Na ilay solony aza tena hita hoe iasan'ny Fanahy Masina.

Sa ahoana .. Ary ianao ry Dadabe fa fanahy inona no miasa aminao ? :lol:



tohanako 100% ny hevitrao!
7. isambilokely ( 24/04/2005 04:53)
Mankasitraka anao ry Pisoin.

Izaho aloha ry Dadabe dia ny fanahiko no tena kojaiko tsara satria betsaka ny antsoina hoe fakam-panahy ary tena misy maro dia maro.

Endrika iray voalohany dia ity mitaky hetra eto ity. Tena fanahy ratsy ny ao ambadika ao satria maka vola tsy mazava amin'ireo tsy manan-tsiny. Nahoana no tsy manantsiny. Tsy fanaratsiana fa kosa filazana ny zava-misy.

Ny resaka fanahy masina sy ny fanahy ratsy dia arakaraka ny famaritana azy. Fa n'iza n'iza dia tsy maintsy tandindomin'ny fanahy foana. Ary maro aza no mandindona eo. Ny fanahy rehetra dia mifampiresaka tsara tokoa ary saika mifankahalala satria efa ambony ny vibration raha izay no handikana azy.

Ny fanahy tsara dia ny mibitsika aminao ny zavatra tsara rehetra, izay hahatonga ny feon'ny fieritreretanao ho tsara hatrany.

Ny fanahy ratsy kosa dia ny mifanohitra amin'izay.

Raha ny kristianina dia ny fanahy miara-dia amin'ny Kristy no atao hoe fanahy tsara na ohatra fanahy masina raha azo adika amin'zay.

Sa ahoana ry dadabe ?
:lol:
Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
8. sipagasy ( 24/04/2005 08:38)
Ilay fanahy ratsy koa no mitondra an'isambilokely hanasongetaka ny hafa izany??????tssssss mivavaka ho anao aho e!!!!! :wink:
9. methode ( 24/04/2005 09:19)
Ka le famaritana ny fanahy sy Fanahy aloha no tiana hazava ko!!!
Ny hoe ratsy fanahy mantsy toa mitovy amin'ny hoe ratsy saina!!!
Fa ahoana ny hoe Fanahy?
10. sipagasy ( 24/04/2005 09:22)
euuuhhhhh marina ihany koa izay ry methode hihihih fanahy ratsy = ratsy saina hihihi
11. dadabe ( 24/04/2005 15:22)
Manaiky tanteraka aho fa hoe izaho no nametraka ity lohahevitra ity.Gaga aho anefa fa tsy araka ny noheritreretiko ny zavatra izay mitranga,koa angamba averiko kely ny loha hevitra:"fianarana no atao,noho izany dia mampianatra ianao,sady mizara fahalalana ary raha azo atao hoy aho dia tohano ny hevitra arosonao koa angamba aleo izaho no hanomboka azy voalohany.
Amiko tsy dia tadidiko lotra ny famaritana ny fanahy @malagasy fa ny ara-tsoratra masina no al;eo hoentiko eto.Dia mangataka aho raha diso ny nolazaiko dia ahitsio:D :D
Ny Fanahy Masina dia tombokase an'Andriamanitra(Efesianina 1:13)ary i Jesoa Kristy no mpanatanteraka azy (Jaona 1:33-34),ary io Fanahy Masina io di i Kristy ihany koa no maniraka azy (Jaona 16:5-7),ary ny fomba fisehon'izany Fanahy Masina izany dia mivavaka(Romana 8:26-27),mitondra faminaniana (Jaona 16:12-13).

Mbola hotohizakko fa aleo aloha ny namana indray no hanambara fa fianarana no ataotsika eto
12. maditra ( 24/04/2005 19:02)
Ny fanahy teo amin'ny Malagasy angamba no azoko lazaina satria ny Fanahy Masina, na dia ny samy Kristianina ary mbola tsy mitovy koa ny famaritana azy.
Ny fanahy teo amin'ny malagasy dia mitondra fahendrena. Tokony ho fanahy tsara ihany noho izany no miasa amin'p;pmbelona fa rehefa misy koa ny fanahy ratsy.
Araka ny fahendrena Malagasy dia tsy mba maty ny fanahy. Ny vatana no maty fa ny fanahy mivelona ihany. Tsy mitovy anefa ny famaritana hoe mankaiza ny fanahy. Misy milaza fa mankany Ambondrombe izany (asa aiza izany?) dia misy milaza fa miverina amin'ny zaza vao teraka, sns. Fa ny tena niraisana dia hoe, manana hery ireo fanahy ireo ka afaka mitahy ny velona. Mba hahavitan'izay anefa dia mila fikarakarana ny vatan'ilay olona maty, mba hampatsara ny fanahiny. Izay no mahatonga ny Famadihana sy ny karazany. Dia raha tsy vita anefa izany fombafomba izany dia mety ho lasa fanahy ratsy ilay fanahy. Tsy izany ihany anefa no mahatonga ny fanahy ratsy. Misy ireo olona izay nanao heloka ratsy teto ambony tany ka tsy tokony hokarakaraina ny vatany rehefa maty. Dia tsy ampidirana any amin'ny fasan-drazany ireny olona ireny ka tonga dia lasa fanahy ratsy ny fanahiny. Dia fanahy ratsy izany no nantsoina hoe "tsiny" (hafa ilay hoe tsiny sy ny tody fa tsiny ohatra amin'ny tany sns).
Ny fanahy tsara kosa, no ilay mitahy.
P.S:Filozofia Malagasy no resahiko fa tsy voatery ho mino an'ireo aho an! Ary raha misy diso dia ahitsio zah fa tsy dia nandalina firy momba ny Filozofia Malagasy manko!
13. dadabe ( 25/04/2005 07:03)
maditra>misaotra anao fa raha azo atao dia tokony mba notohananao document satria ,mahaliana le hevitra naposakao (l)
14. sonwin ( 25/04/2005 08:53)
lalina ity sizé ity klé
15. dadabe ( 25/04/2005 12:54)
ka zay frera no maha -fianarana azy a (l)
16. fijo ( 25/04/2005 22:41)
marina izany
17. dadabe ( 26/04/2005 03:45)
Tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy Masina(Jaona 3:34)
18. routa ( 26/04/2005 04:15)
>Fanahy Masina aloha dia avy @ ANDRIAMANITRA
JESOSY zao de nilatsahan ny Fanahy Masina t@ avy natao batisa , ny apostoly 12 koa .Mampianatra koa ny Fanahy Masina ,maniraka koa izy .
Misy koa anefa ny fanahy ratsy de avy @ devloly tahaka an i saoly mpanjaka zao raha niala ny fanahy avy t@ ANDRIAMANITRA de nisolo fanahy ratsy .

19. sonwin ( 26/04/2005 09:07)
Misy fanahy firy zany ao anatin'ny olona iray? Telo ve? ny Tenany an, ny Masina an, dia ny ratsy? sa tsy miara-mitoetra ireo fa miady toerana?
20. dadabe ( 26/04/2005 13:40)
raha amin'ny hevitr'ise de ahoana ?satria na zah koa aza mba mianatra (ankoatran'ny ao anaty baiboly)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.152