Fianarana momba ny F(f)anahy

21. sonwin ( 26/04/2005 13:48)
ka noho ilay eto hoe fianarana mihitsy no mahatonga ahy manontany ka! za mbola tsy manan-kevitra aloha hatreto
22. dadabe ( 26/04/2005 13:56)
tena i maditra angamba no ttsara manazava an'izany satria izy manana hevitra tsara io ambony io
23. sonwin ( 27/04/2005 08:53)
aiza aza maditra? miandry valiny o!
24. ari.malala ( 27/04/2005 13:15)
Jean 14 26 "Mais le Consolateur, l'Esprit-Saint, que mon Père enverra en mon nom, lui, vous enseignera toutes choses, et vous rappellera tout ce que je vous ai dit". Fanahy mpanafaka alahelo avy @ Andriamanitra.

25. dadabe ( 27/04/2005 13:56)
ekena sy marina tanteraka
26. routa ( 28/04/2005 12:32)
maditra aaa! antsny dadabe eeee :D
27. dadabe ( 28/04/2005 14:49)
:D :D
28. isambilokely ( 02/05/2005 04:36)
Ary tena fanahy ratsy ilay manenjika an'Isambilokely eto. Jereo anie fa isaka ny tonga sy mandalo eto ny fanahy masin'isambilokely dia mirohotra manao befiavy avy any daholo ireo fanahy ratsy mpanenjika. I Sipagasy anie jereo fa tena angamba karazana fanahy inona ny azy iny.

Ilay xxx dia menatra dia tsy sahy miseho, endrika haratsiam-panahy daholo izany. Ny fanahimasin'isambilokely dia mitondra aminao ny zava-misy sy ny zava-marina. Raha adika amin'ny baiboly dia ilay hoe Apokalipsa.

Hitan'ireo fanahy ratsy ary fa voahozongozona ilay tombotsoany dia indro izy ireo tonga mirohotra manasoketa, manasohaso, maneso, manao eson-teny sy teny an'avona ...

Ny fanahimasin'isambilokely dia tsy taitra amin'izany satria mahatsapa ireo fanahy masina fa mendrika ny asa ataon'isambilokely ary arovan'Andriamanitra foana izy.

Sa ahoana Dadabelasopy, sy sonwin, maditra sy iralaikanosa (xxx) io.

Mbilo
:lol:
29. dadabe ( 02/05/2005 12:40)
:oops: :oops: :oops:
30. maditra ( 02/05/2005 17:50)
Tena adinoko marina ity sujet ity, izay no nahatonga zah tsy nahita ny hafatra! Ilay fanontaniana moa telo sa firy ny fanahy miasa amin'olona anankiray?
Ny hamaliako azy angamba dia hoe: Arakaraka ny finoan'olona io. Zah manokana, dia mahatsapa fa mety ho telo marina ilay izy fa ny famaritana azy no tsy mitovy. Ilay fanahy iray voalohany dia "ny fanahy" izay silaky ny "ahy" hoy ilay mpanoratra tononkalo iray izay (tena tsy tadidiko ny anarany na ny lohatenin'ilay tononkalo). Izany hoe, zavatra tsy misaraka amin'olona anankiray izany ilay izy fa raha tsy izany dia lasa tsy feno ilay olona. Ary izay mihitsy no matetika amin'ny filozofia Malagasy no mahatonga ny olona lasa adala. Lany fanahy mbola velona toy ny valala voatango hoy izy ireo rehefa tojo zavatra tsy ahafahana manoatra.
Ilay fanahy faharoa dia tsy nisy firy teo amin'ny Malagasy na nisy ihany nefa nanao paralel dia ny Fanahy Masina. Fantatry fa misy Fanahy izay tsy azy fa afaka manampy azy amin'ny fiainany. Dia ny fanahin'ny razana izany. Amin'ny Kristianina moa izy dia Fanahy Masina na Fanahin'Atra. Sarotra be ny hampifangaro an'ireo kanefa misy itovizany ihany ny heviny.
Dia angamba ilay fanahy fahatelo, tsy dia nantsoin'ny Malagasy ho fanahy manko ity fa nantsoiny ho "tsiny" na "lolo" (lolo vokatra), satria fanahy ratsy. (dia mety ho i Satana io amin'ny Kristianina na ny fanahin'ny demonia hoy ny sasany, fa ratsy fotsiny izy teo amin'ny Malagasy)
Betsaka amin'ireo hevitra narosoko ireo dia notsoahina avy tamin'ny Filozofia Malagasy, nosoratan'ny Pere Rahajarizafy moa izy iny?
Dia misy indray noraisina avy amin'ny fiainan'ny firahamonina niainako sy ny fanazavan'ny mpampianatra Malagasy maromaro.
Hihi, mazotoa fa "Ny fanahy hono no ozatry ny fiainana" ary ny fanahy tsy ampy mampijaly ny tompony". "Toy ny sadika koa hono ny fanahy, ka ny tompony ihany no ifadidifany"
Maditra
31. dadabe ( 03/05/2005 03:58)
maditra >mosaotra fa mahafinaritra be ilay fanazavana
32. isambilokely ( 03/05/2005 04:43)
Mety aby zay lazaina fa ampitomboy ny finoana dia tsy voasarik'ireny atao hoe secte ireny. Ny marivo salosana no mivadika finoana. Ny fanahy dia tena fanahy tokoa, tsy ilaina fantarina satria tsy mitovy ny dimension misy antsika olona sy ny misy azy. Minoa ny fisiany dia ampy izay !

Mbilo
:lol:
33. sonwin ( 03/05/2005 13:46)
Ny Fanahy no Olona ka, iray fa tsy iray izy roroa ireo :lol:
34. dadabe ( 04/05/2005 05:43)
mbilo>fa nahoana no tsy mila fantarina??ny size anie milaza hoe fianarana ny fanahy e? de nanome ny heviny ny namana :?: :?:
hmm tsy manakevitra i mbilo de ....???
35. routa ( 04/05/2005 05:52)
Ny fanahy ny fahalalako azy de izao :
Fanahy vatana >lioka 2:35
Fanahy aina >apokalypsy 11:11
Fanahy saina exodosy31:3
36. sonwin ( 04/05/2005 08:21)
ary ahoana ilay hoe mba tsara fanahy koa iny olona iny?..sy ilay hoe ratsy fanahy koa ianao ity!
37. ari.malala ( 04/05/2005 09:57)
resaka toetra angamba io raha ny fahazoako anazy tsara fanahy zany = tsara toetra, ratsy fanahy = ratsy toetra.

38. dadabe ( 04/05/2005 16:44)
zay mihitsy ka
39. isambilokely ( 05/05/2005 02:00)
Olty e ...

Ny fanahy anie tsy azo tsinontsinoavina e
Na ratsy io na tsara.
Misy ny fomba betsaka entina manatsara ny toe-panahy isan-karazany.

Rehefa te hahay kajy be izao dia mila mikotrana kajy, mampiahatra ny kajy etc ...
Rehefa te hanabokony be izao dia mila mandeha any amin'ny salle de musculation, mila manao exercice ...
Rehefa te hahay hiteny frantsay izaoa dia mila mamaky sy mampiahatra izay...
Rehefa te hahalala ny lafiny fanahy izany dia mila manao ny exercice aminy ihany koa... na dia mianatra mahalany tsinjery an'io baiboly io aza nefa tsy mahafoy na ariary ho an'ny mahantra dia zava-poana. Ary io no tsy ananan'ireo olona milaza hoe mpitondra fivavahana sasany.

Raha hisalotra ny hoe Fanahy Tsara nefa tsy ho afaka ny hampiahatra izay dia mitovy amin'ny tsy mahay sy tsy nianatra ihany. Raha hilaza hoe mpandalina ny baiboly ohatra nefa tsy manana FO HANTRA na dia kely aza dia toa ny mandany andro ihany. Hoy i Kristy hoe : izay ataonareo ny madinika ihany dia sahala amin'ny manao izany amiko ianareo !

Mbilo
:lol:
40. dadabe ( 05/05/2005 10:19)
de amin'i mbilo zany ny fandraisana ny F(f)anahy dia Guider-na ???izany hoe ianarana ny fandraisana azy??/
valio aloha io izay aho vao mamaly fa tena mandray ambolony i mbilo kely marina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1424