Homo

1. mandrindra ( 22/04/2005 08:14)
Tamin'ny filazambaovao anikeheo maraina dia henoko fa hanome halalana ny homosexuel hanambady manoloana ny fanjakana i Espagne, ary tohin'io ihany koa dia ho ekendry zareo ny fananganan'ny homo zaza. Ahoana ny hevitrareo mikasika izany?
novalian'i deghany ny 30/08/2005 15:00
2. majakely ( 22/04/2005 12:08)
amiko manokana dia tsy hitako ny olana !!raha iriny marina ny hanao mariazy ny homosexuelle dia fitiavana izany !!!! Tsy nosafidiny ny ho homo fa ny ao anatiny mihitsy no mitaky an'io!!! Ka amiko dia rariny io fanapahan-kevitra noraisin'ny lalàna espagnole io!
3. xxx ( 22/04/2005 12:10)
Ka io homosexuel io dia hadalana be izao ny fanohanan-dry zareo any Espagne azy satria ny olona rehetra ddia samy mahalala fa ny olona manao an'izany dia olona M A R A R Y , ka aretina io ,
Amin'ny maha-aretina azy anefa angamba no anomezan-dry zareo alalana an'izany satria fanomezana zo ny olona mararin'io aretina io . Ka nefa amin'ny maha-olombelona dia hadisoana be vava eo anatrehan' Andriamanitra " Jereo ange ny nahatonga ny lozan'ny Sodoma sy Gomora " (Jenezy XIX ,fa vakio aloha ny XVIII )fa noho ny fanaovan'ny olona tao amin'io tanàna io ny homosexuel. Ka ny hevitro dia nataoko tsy dia mazava loatra satria izaho koa manameloka ny fanjakana Espagne toa ny olon-kendry rehetra.
4. majakely ( 22/04/2005 12:10)
amiko manokana dia tsy hitako ny olana !!raha iriny marina ny hanao mariazy ny homosexuelle dia fitiavana izany !!!! Tsy nosafidiny ny ho homo fa ny ao anatiny mihitsy no mitaky an'io!!! Ka amiko dia rariny io fanapahan-kevitra noraisin'ny lalàna espagnole io!
5. sechat ( 22/04/2005 15:43)
henjana be ity resaka ity fa aleo aloha eritreretina kely marina :@
6. gasmlay ( 22/04/2005 16:07)
dory ny môly aloha ary eh! :-D
7. andrea ( 22/04/2005 17:49)
xxx> fa M A R A R Y ahoana? fa angaha rehefa mivaona amin'ny mahazatra dia hoe marary ? raha ny momba ny baiboly no lazainao dia misy koa ny hoe 'aza mitsara mba tsy ho tsaraina' ...
Ny hevitrao momban'ny fanambadian'ny Homo no anontaniana fa tsy hoe inona no atao hoe olona Homo ?
Amiko manokana, ny mariazy dia zavatra nolovaina avy amin'ny fivavahana, nampiana lalàna taty aoriana dia nahatonga ny mariazy any amin'ny mairie.
Ny olona 'Homo' nefa meloka eo anatrehan'ny fiangonana ..Amin'izao fotaona izao efa misaraka tsara ny fivavahana sy ny fitondrana...Tsy voatery hoe atao mariazy any ampiangonana akory ny olona vao atao hoe vita mpivady. Inona no maharatsy zaha manone zo hanambady any amin'ny mairie ny olona Homo ny fanjakana Espagnole? Olona tahaka ny olona rehetra manana fo tia io
8. iartistika ( 22/04/2005 18:29)
aleo hifanelaka any! in ary ny blem am zany! revena manja fotsiny ze eo am-pelatananao ao na kôfa na tsain,de zay eh! :@ :@ !Mba samy manao ze reviny eh! sa ahoana??
9. isambilokely ( 23/04/2005 06:27)
Na ny biby aza tsy manao izany ka ny olona izay heverina fa isan'ny biby avo fanahy ve no hidina hitotongana toy izany ?

na ny alika aza vao samy mifanorokoro-b.....o.....d.....y dia mifandramatra !

take time to be friendly, it's the road to happiness
10. kally ( 23/04/2005 09:16)
Raha hivady izy aleo hivady rehefa izay no tiany manana zo hanambady izay tiany ho vadiana izy SAINGY kosa aoka koa izy hahatanty ny vokany,nifidy hanambady ny mitovy fananahana aminy izy dia ASAIVO MITERAKA koa fa tsy ny zanaky ny hétéro no sarihana.
11. majakely ( 24/04/2005 11:30)
Ka io kosa toy ny olona hetero afaka miteraka nefa dia manangana zaza tsotra izao noho ny antony maro samihafa!!! , nefa ireny olona ireny tsy omena tsiny !!Safidy io ny te hanangana zaza na tsia , ary matoa izy te hanangana zaza dia afaka mi-assumer ny responsabilité-ny vis-à -vis n'ilay zaza natsangany, ny hitaiza ny zanany ara-dalàna .
Sa kosa homo zany izy ireo de tsy rariny ny manana hetaheta hanaganany zaza????!!satria ve ry zareo homo ,zay fotsiny ve de ampy ny hanameloana azy ireo hoe :mi-debra nareo fa sitraponareo ny te ho homo?????Ataoko fa tsy rariny!!
12. majakely ( 24/04/2005 11:31)
Ka io kosa toy ny olona hetero afaka miteraka nefa dia manangana zaza tsotra izao noho ny antony maro samihafa!!! , nefa ireny olona ireny tsy omena tsiny !!Safidy io ny te hanangana zaza na tsia , ary matoa izy te hanangana zaza dia afaka mi-assumer ny responsabilité-ny vis-à -vis n'ilay zaza natsangany, ny hitaiza ny zanany ara-dalàna .
Sa kosa homo zany izy ireo de tsy rariny ny manana hetaheta hanaganany zaza????!!satria ve ry zareo homo ,zay fotsiny ve de ampy ny hanameloana azy ireo hoe :mi-debra nareo fa sitraponareo ny te ho homo?????Ataoko fa tsy rariny!!
13. kally ( 24/04/2005 11:53)
Efa noresahina teto foana io resaka io,nefa averiko ihany fa ianareo mpanohana ny homo mantsy matetika mpanaraka izay dradradrain'ny haino aman-jery fotsiny,lamôdy manko izao izany manohana ny homo izany.Izay tsy manao an'izany dia olona tsy mandroso,tery saina,tsy liam-pivoarana.Rahoviana vao hahanana fahaleovan-tena handinika tsy hanara-drian-drano fotsiny?Dia rariny dia rariny tokoa mi-debra izy fa efa safidiny izany dia anjarany ny mitanty ny vokany.Rehefa nanao safidy iray ianao eo @ fiainana di
14. kally ( 24/04/2005 11:55)
azafady fa tapaka.

Efa nanao safidy iray ianao eo @ fiainana dia zakao ny vokany fa tsy ny fiarahamonina no omena tsiny sy hizaka an'izany.Nisafidy ny ho kamo velona tsy hiasa?Zakao ny fahantrana,nisafidy ny hanambady mitovy fananahana aminao?Zakao ny tsy hanan-janaka dia zakao ny vavan'ny fiarahamonina.
Rehefa atsy ho atsy ho'a dia ny hétéro no ho ondroi-molotra.Araho tsara ity fanrosoanareo tandrefana ity e!
15. majakely ( 24/04/2005 12:03)
Kally,, ka raha sanatria ny vava ka zanakao naterakao na havanao faran'izay tinao no hilaza fa tsy te hanafina aminao intsony indray andro hoe: homo zah de ahoana.... ,, de ho ariana ve izy ??Satria tsy araky ny rariny ny zavatra manjo azy ?
16. maditra ( 25/04/2005 04:52)
haha> aza misy amin'ny havako aloha homo fa dia very izy. Tsy zah akory no manary azy voalohany fa ny fiaraha-monina misy anay dia izay. Fa raha amiko, personellement, zah tsy mba manaiky ny maharariny ny fanaovana homo izany. Haiko sy fantatro fa safidy io ary tsy misy tery kanefa hita mibaribary fa mifanohitra amin'ny lalanan'ny natiora (efa nandeha teto marina ity resaka ity). Dia raha tsy hanakana ny fisian'izany ny fanjakana, tokony kosa izy tsy hiditra hanao mariazy an'ireny. Fampiroboroboana ny zavatra hita fa tsy mety ange izany (tsy mety amiko moa izany e). Ary tsy tokony hanangana zaza koa ireo fa lasa simba ho azy ny san'ilay zaza. Ny olon-drehetra manana maman sy papa kanefa ilay zaza, papa roa lahy miray fandriana no mba ananany. Mety ho menatra ary izy rehefa miaraka amin'ny namany (rehefa lehibebe) fa zazanka homo. Asa aloha fa zah tsy ho pro-homosexuel mihitsy e!
anti-homosexuel forever! hihi
17. mandrindra ( 25/04/2005 13:34)
Raha ny fanambadiany aloha dia tsy mametraka olana amiko manokana. Safidiny izany ka tokony ho hajaina. Ho setrin'izany fanajana atolotra azy izany anefa dia tokony hanaja ny fiaraha monina iainany ihany koa ry zareo, mba tsy andeha hampiseho toetra tsy mendrika eny amasombahoaka.
Raha ny amin'ny fananganana zaza aloha dia miombokevitra amin'i maditra aho. Tsy manahirana ireo mpivady ilay izy fa kosa mahasaikatra ho an'ilay zaza tsy voatery hoe dada roa fa mety ho mama roa ihany koa. Rehefa hiresaka amin'ny namany izany io zaza io dia hilaza izy hoe mamanay rehefa mipipi dia mitsangana. Tsy manajary tonga dia voahilikilika ve izy any ampianarana?
18. dadabe ( 25/04/2005 13:48)
mandrindra >fa angaha tsy mahazo zaza naturel (namboariny manoka )r'izareo ? :{ :{ :{
19. sonwin ( 25/04/2005 14:08)
Ny biby aza tsy mamely ny mitovy sexe aminy klé! amiko dia fanimbazimbana ny hasina maha-olona tsotra izao ny sahala´amin'izao ary mi-defié ny lalan'ny natiora sy ilay Mpahary.
20. mandrindra ( 25/04/2005 14:15)
dadabe, mahazo zaza voajanahary izy raha toa ka misy mpandray najara fahatelo manampy azy
sonwin, fa maninona ny olona no oharina amin'ny biby?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3979