Homo

21. majakely ( 25/04/2005 14:20)
raha ny firesaky ny namana sasany dia toa fananiana no hataon'ireny homo ireny !!nefa amiko dia tsy toa izany!!
22. sonwin ( 25/04/2005 14:53)
Fa toy ny ahoana?
23. ds ( 25/04/2005 15:59)
Hevi-diso ny filazana fa aretina ny homo. Dia inona no marary ? ny saina, ny filahiana/fivaviana...
Tsy hoe rehefa manana toetoe-tsaina vavivavy na lahilahy, dia tsy maintsy homo.
Amiko, dia safidy ny hiaraka samy lehilahy na samy vehivavy fa tsy voajanahary akory. Raha ny lalànan'ny fanjakana manaiky homo ifanambady, dia tsy hitako ny olana. Eo amin'ny lalanan'ny fiangonana indray mbola zavatra hafa. Raha azo antoka ny fitaizana ny zaza atsangan'ny homo dia mankasitraka aho. Izany hoe tokony hisy fe-petra entitra takiana amin'ny homo mialoha ny ahazoany manangana zaza.

ds
24. nikopol ( 25/04/2005 16:39)

Za manonkana aloha mahatsapa tena fa tsy Homo. Na izany aza dia azoko antoka fa tsy fanahy iniana no maha-HOMO na tsia. Fa sarotra azavaina ny maha-olombelona.

Maro no manafangaro ny Homo amin’ny olona veta na pervers, saingy betsaka ny homo no miaina ny fitiavany tahaky ny olona rehetra ( soa ihany) ary ny fitiavana dia tsy azo baikona indraindray. Io ohatran’ny finoana ihany, tsy nisy nanery anao hino hanana Foi fa tsapanao ho azy fa zay ianao (Za tsy mahita ohatran’i DS hoe « safidy » ilay izy fa toe-batana le izy na ohatrotran’izay, maro be amireo Homo no niezaka hanadino ny coté maha-homo azy nohon’ny fitaizana sy ny fivavahana saingy tsy naharesy).

Ny vavan’ny olona lojika be, saingy efa hanisan’ny tsy maintsy zakain’ny homo ireny, tahaka n’ny olona «différents » rehetra ihany.

Ny fanomezana zo hanambady ny homo tany Espagne dia anisan’ny fiarovana ny zon’ny vitsy an’isa, tahaky ny pacs eto fratsa. Ary tsy lamody tahaky ny fijerin’i kally no fiheverako an’io, fa fitadiavana fampitovian-jo fotsiny ihany.

Raha ny resaka fivavahana indray dia ameko an’Andriamanitra ny fitsarana farany, satria tsy vetaveta io fa Fitiavana. lol

Eo amin’ny fanangana jaza indray dia zavatra sarotra tahaky ny fanangana jaza rehetra. Maro ny fepetra takiana amin’ny mpanagan-jaza na hetero aza izy ireo. Tsy tokony ho samy hafa amizany no takiana amin’ny Homo te hanangan-jaza raha ny hevitro manonkana. Saingy na inona na inona ny critera, ny fitiavana omena an’ilay zaza no zava-dehibe…

PS/ tsy hoe tery saina akory ny olona tsy manaiky ny Homo fa tahaky ny debat rehetra mampivarahotsana ny finoana sy ny valeurs’ny sociétés rehetra io. Mbola enjana no io angamba ny debat tamin’ny andron’ny fanafoanana ny esclavage… (mainty be io ve dia tokiny hanana droit mitovy amiko ?...)



:lol:

Hamafisiko fa tsy homo za sao misy homo taratara amiko eo an !!!
25. sonwin ( 25/04/2005 16:54)
Hoy ny mpisotro toaka refa mamo: tsy mamo za an! :-D
26. nikopol ( 25/04/2005 17:07)
kii Tara amiko indray sonwin ! Za letsy efa tsy libra intsony an! :lol:
27. majakely ( 25/04/2005 20:56)
Toy ny inona ?toy ny inona ??Voalazany nikopol io no mahafehy azy !Ary ny homo tsy misy hidiran'ny fahavetavetana na safidy fa ny tenan'ilay olona mihitsy no mitaky hitia olona mitovy fananahana aminy!
28. majakely ( 25/04/2005 20:59)
Ary zah ko tsy homo an!!hihihihi
29. cutie ( 26/04/2005 03:49)
Za alou de manaja ny homo e, refa zay ny safidiny de atao ahona, mifankatia ry zareo ka in mou ny olana.
Mitovy hevitra @ majakely tanteraka za.
Fa ny vao2 de ni opposern'ny papa io fahazahoann'ny espagne manamasina mariazin'ny homo io .
Tsy haiko ze tohiny , fa ry zareo homo ve tsy hahita lalana hafa anaovana mariazy fona refa tsy manaiky ny fiangonana .

30. sonwin ( 26/04/2005 08:55)
nikopol> oadray klé :-D :-D
31. nikopol ( 26/04/2005 09:01)
sonwin, eo mou fa tsy lazaiko amin'ny maman'elà le izy e ! :-D
32. sonwin ( 26/04/2005 09:10)
Za leity efa manambady an'i cutie a! mampiady mivady eo ela :-D
33. maditra ( 29/04/2005 00:32)
Amin'ny maha-olona ny homo dia manaja ny homo koa aho fa zah tsy manaiky hoe, ilay vatana no mila an'io. Angamba mila siantsa mazava tsara zah vao mino an'izany ary toa mbola tsy nahaino siantsa nanazava an'izany zah. Fahavetavetana io amiko. Izay no fakako an'io fa tsy misy zavatra hafa hoe, ilain'ny vatana sy ny sisa izany.
34. mandrindra ( 29/04/2005 15:50)
Dia tena mino ve ianao ry maditra fa fahavetavetana fotsiny io?Raha lehilahy roa na vehivavy roa mifankatia ve dia tsy hieritreritra afatsy firaisana izany ry zareo. Raha izany dia ahoana ny hevitrao amin'ny lehilahy sy vehivavy mifankatia ka tena tsy mieritreritra afa tsy firaisana.
Tsirompiainana alaina ho azy anie izany ko tsy aleo ve ataony izay tiany, ratsy angaha ny fahavetavetana?
35. maditra ( 29/04/2005 22:36)
mandrindra> tsy haiko intsony amin'ny sens inona no andraisan'la izany atao hoe fahavetavetana izany fa amiko dia positif ny valiny omeko anao: ENY, ratsy izany fahavetavetana izany. afa-po angamba ianao amin'izany.
Ny olona roa (lahy sy vavy) mpifanambady izay manao ny adidiny dia tsy manao fahavetavetana izany akory. Ilay acte hoe lahy samy lahy na vavy samy vavy no tsy ekeko. Ary tsy ekeko koa ny hoe: ny vatany no mila an'io. Aleo angamba azavaina ara-tsiansa misy porofo mazava izay zah vao manaiky. Tsy mifanaraka amin'ny natiora io kamarady ary na ny biby aza tsy misy manao an'io. Nahoana no tsy misy exception koa ny biby, tokony ho misy mila izany ny vatan'ireo raha mba izany. (angamba raha nisy biby nanao izany, antambo no filazako azy). Zah aloha tsy manaiky eh! Izay fotsiny no azoko ambara.
36. majakely ( 02/05/2005 15:12)
Maditra ah! tena ilanao porofo ara-siantsa daholo izany ny zavatra rehetra zay vao marina :?: :idea: Tsy azoko loatra ! misy zavatra tsy azo porofoina ara-siansa izany! fa dia anjaranao ihany ny hanaiky na tsia!!! malalaka ianao amin'izay .
37. mandrindra ( 03/05/2005 10:46)
raha olona mpivady hoy i maditra dia manao adidy izany, dia raha mbola tsy mpivady ve izany na ireo izay mijery any ivelany dia tonga dia fahavetavetana. Tsy voatery ho filana aranofo ihany io fa safidin'ny saina ihany ko. Ary tsy mety hoa izany hoe ampitahaina amin'ny biby izany ny olona e. Raha izany anie no jerena dia ajanony ny misionera fa tokony ho ohatran'ny alika daholo izany no atao e.
38. maditra ( 03/05/2005 15:48)
Bon, manaiky zah hoe, tsy voaporofo ara-tsiansa doly ny zava-drehetra. Nefa, misy sokajiny ny zavatra tsy voaporofo ara-tsiansa izany (oh: finoana, Atra telo izay iray, angatra (na matoatoa), sns... Fa misy zavatra, tena ny siantsa mihitsy no tompon'andraikitra aminy. Oh: Ny vatantsika olombelona, ny filana ara-nofo, ny menopose(sa ahoana ny fanoratana an'io? LOL), na ny puberte aza. Ka raha hilaza enareo hoe, ilain'ny vatan'ny sasany ny homophobie, dia hoy ny eriteritro hoe: Aiza aloha ny siantsa hanazava izany satria, sady tsy finoana izany no tsy matotoa fa vatan'olombelona. Ary izay no mahatonga ahy handroso hevitra hoe: Nahoana ary ny biby no tsy misy homo? Tsy fampitovizana olona amin'ny biby izany fa ny vatantsika olombelona, ara-tsiansa aza dia efa biby. Raha te ahafantatra zavatra na mamono na tsy mamono olombelona ny mpanao siantsa dia ny biby toy ny voalavo, alika na kisoa no anaovany experience. Tsy fampitoviana amin'ny biby izany fa efa izany no fandehany. Ny zavatra mba mampiavaka atsika kely amin'ny biby dia ny saina sy ny fanahy. Donc, noho izany, raha tsy misy Pede na lessbie ny biby, ny sainy sy ny fieritreretany izany no mahatonga azy hanao io. Tsy misy idirany firy amin'ny vatany akory. Ny namana sasany efa obsede noho ny tsy fitandreman-tena sy ny video mamoafady no mampiroborobo an'io. Zavatra tokony sakanana izany satria lasa amin'ny tsy tokony hombany ny fiainan'olona. Zah ary tsy te hampitaha an'ireny amin'ny biby satria techniquement efa biby anie ireny. Raha mbola mitohy izao, ho avy tsy ho ela ny mariazin'ny olona sy ny alika, sy ny kisoa, sns. Izay amin'izay vao ho gaga?!
Ny ilazako an'ireo dia satria efa maro ny olona manao firaisana amin'ny biby izao, dia raha mitombo ireny dia ho hitanareo ny iafarany.
Sa ho ekena koa satria ny vatana no mila izany??????
39. mandrindra ( 06/05/2005 10:54)
dia ahoana ilay fomba fiteny frantsay hoe "pédé comme un phoque". Misy biby koa tia an'io ka. Ilay izy anie tsy hoe filan'ny vatana fa safidin'ny atidoha e. Ambonin'izay fitiavana no asehony.
40. maditra ( 06/05/2005 22:05)
-haha> Pede comme un phoque? bon, mbola sambany zah naheno an'io. Fa tsy asiako comments firy.
-Raha milaza indray enao fa safidin'ny ati-doha io, manaiky zah, ary izay ati-doha ratsy izay mihitsy no tsy dia laniko loatra raha hampanjakaina. (Misy mantsy milaza etsy ambony etsy fa ilain'ny vatany io, tsy ekeko izay).
-Fitiavana?? > mety, fa tena hafa kely!
Tsy ilay fifankatiavan'olona koa anie no tsy laniko e, fa ny fanaovana zavatra tsy tokony hatao entre les meme sexes no tsy ekeko hoe marina.

Maditra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1865