Déçus ny katoliaka ...

41. ravatorano ( 22/04/2005 06:05)
za mino fa raha eo amin ny maha Papa azy dia tsy afaka hanova zavatra betsaka i Benoit XVI satria mbola ao ihany koa ireo cardinaly marobe miara miasa aminy.Na manana ny fahefana aza izy dia tsy maintsdy hisintona ihany ny sainy amin izay fanapaha-kevitra raisiny fa amiko dia tsy d hisy fiovana izany ny fiainana eo amin ny fiangonana Katho fa ny tena marina aza dia hanamafy izay efa natomboki JPII izy farafaharatsiny izay.
42. Mifenty ( 22/04/2005 08:42)


tadidio koa oe fa naninona no vetivety (herinandro vitsivitsy) taorin'ny nifidianana azy dia maty ny Papa joany Paoly premier an.

Baraingo hafa io.




de aveo nifidy tampotammpoka de le ratompokolahy iny no lany.
43. welie ( 22/04/2005 11:37)
Ary le resaka hoe Nazi ve mba henonareo? Tsy hoe te hanitatra resaka aho fa io koa manko izao no tena mandeha be mihitsy aty Allemagne aty... :D
44. welie ( 22/04/2005 11:44)
Fanamarihana/Fanazavana kely ity mba tsy hatonga res-be eto indray hoe welie manitatra resaka:

I Pape Benedikt XVI moa izany na dia anisan'ny ankizy-soldat an'i hitler aza t@ izy 14ans dia misy antony tsara nazavainy...dia ny hoe nahazo fihenana izy t@ ekolazy tany am-pianarana... Avy eo moa izy ara dia aloha kelin'ny nahavitan'ny Ady Lehibe Faharoa dia ni-déserter ka tonga teny am-pelatanan'ny Amerikana... Voalazany fa tsy mbola nitifitra izy t@ WW²... (mba remarque kely io an!)

Dia izay fa mba manontany aho hoe io koa ve antony iray maha decus ny Katolika sa tsia? Hoe izy ancien Nazi???

45. dadabe ( 22/04/2005 16:56)
hanotaniana an'i benoit ve?hay mou benoit no enketena :( :(
46. marozevo ( 23/04/2005 23:15)
Mifenty > Tsoriko avy hatrany fa mandainga ianao fa tsy misy mahafantatra hoe iza no nifidy azy. Marina fa lany izy, nefa ny filazanao hoe ny Kardinaly Danneels nifidy an'i Benoit 16, dia marivo tototra loatra.
fijo > Tsy famonoana olona kosa ary tsy teniteny foana ny fandavana hampiasana ny Kapaoty anglisy ry Fijo ah. Tsy io no fanafodin'ny Sida lazaiko anao izany. Ary eo indrindra no amitahan'ny Amerikana sy ny Eorpenina antsika fa tsy ampiasainy ireny dia alefany aty.
Tokana ihany ny fanafodin'ny Sida, ary tsy misy afa tsy tokana : NY FIFAMPITOKISANA SY NY FIFANAJANA. Tsy hiova amin'io hevitra io na ny Papa Jean Paul II na i Benoit 16, na iza na iza Papa eo, eny na ilay avy any Belgique aza.
47. Mifenty ( 24/04/2005 17:00)


>>Marozevo

vakio tsara fa aza bongoina le resaka eh.

Izay voafidy dia ny kardinaly no nifidy azy.

fa ny an'i Kardinaly Danneels dia ilay resaka tsy fiovan-toetra sy fanehoana hadisoam-panantenana no noresahiny.

raha ilainao dia alefako any aminao io horonan-tsary tahiry io.
48. yonikafopl ( 24/04/2005 21:44)
marozevo :-w
49. dadabe ( 25/04/2005 07:11)
yonika>maninona izy??
50. yonikafopl ( 25/04/2005 21:01)
dadabe le we ny amerikana sy ny eropeana tsy mampiasa kapoty de alefany aty amintsika hono hamitahany antsika kou :roll:
51. marozevo ( 26/04/2005 23:14)
Hoy ny kardinaly Danneels (izay nifidy an'i Benoit 16 io)

Mifenty > Io averiko eo ambony io ilay fehezan-teny nilazanao fa nifidy an'i Benoit 16 ilay Kardinaly lazainao. Mba hilazana fa tsy mibango resaka aho, fa tena mandray sy mandinika izay voalazanao. Sa ve Ra-olona ahoana ny hevitrareo. Io fehezan-teny io ve tsy midika fa nifidy an'i Benoit 16 i Kardinaly Danneels ?


Sa ny filazanao azy ary aloha izany no tsy ataonao mazava tsara.

Ilay horonan-tsary lazainao dia ananako koa, ary manana mihoatra noho izany aza aho, matoa sahy miteny sy miaro ny hevitro etoana.
52. Mifenty ( 27/04/2005 07:22)
>>>marozevo hihih

ary fanontaniana hafa indray ny ahy ity fa tsy arako hoe nankaiza ny tohiny.


Nisy habe telo ireo akanjo namboarina no heverina handraisana izay ho papa vaovao fahizany (nialoha ny conclave io)

Lany i Benoit 16, izany hoe ilay akanjo somary lehibe angamba iny anaovany iny.

ny fanontaniako

Nankaiza ireo roa sisa tavela, natao vente aux enchères ve sa nodorana sa hoe natao inona.
53. routa ( 27/04/2005 07:53)
mba fanontaniana manitikitika ahy hoa ity e!
maninona ny papa manoroka ny tany raha vao hidina ny firenena iray ?
54. dadabe ( 27/04/2005 08:35)
routa> :( :( :?:
55. sonwin ( 27/04/2005 08:57)
routa> tsy hoy ny Pape fa fihetsika nataon'i JPII iny. Miendrika fiarahabana ilay tany ahatongavany ny fahitako azy.Maneho hafaliana tonga soa sy firaketam-po amin'ilay firenena..asa anefa izay tena marina fa hevitro io voalazako io!
56. routa ( 27/04/2005 11:33)
dadabe> :D
sonwin>ay ny jpII zany no namorona azy iny?
fa ny sisa zany tsy voatery hanaraka ny fihetsiny ?
57. booboo ( 27/04/2005 11:38)
routa> mitovy hevitra @ sonwin koa zà. Jereo Castro isaka ny tonga any aminy fa manoroka tany koa ! Ireny otages avotra ireny koa manao an'izany aby....
58. Mifenty ( 27/04/2005 11:44)


>>sonwin

ary nanaona lty le resaka akanjo ah.

namidy le izy sa aona eh.

59. sonwin ( 27/04/2005 12:12)
tsy arako leity zany resaka akanjo zany a, ny akanjo ho ahy izao no manahirana ahy
60. hery ( 27/04/2005 13:10)
mifenty>> tsy hitako ze tena dikan'ilay fanontaniana momba ilay resaka akanjo. Iza koa no hieritreritra izay nanaovana izany akanjo tsy voaray izany sns? Maivana be le adihevitra rehefa tratran'i Mifenty :-) Tsy vao izao irery no nisy resaka akanjo roa dia inona no antony anontaniana hoe mankaiza daholo ireny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582