Déçus ny katoliaka ...

21. Mifenty ( 20/04/2005 17:14)


io tenenin'i welie io mitsy no tiako hanamafy an'ilay izy ka.

i George aza, i Père George ratzinger rahalahin'i Benoit aza anie refa nanontaniana de niteny hoe tsy dia mety loatra amin-draZefa (Josef Ratzinger) ilay manao papa eh.

Nefa refa zay mou ny tapaky ny konkilavy , ny fanahy masina mantsy eh, atao ahoana kle.
22. annie ( 20/04/2005 17:18)
Ny anareo kou mou ry Mifenty de fitiavana te hitarika resaka fotsiny!
Vao hatsangana ilay olona de efa hita sahady zay hiresahana azy
Za aloha miarahaba ny Katôlika rehetra fa nahazo PAPE vaovao ianareo e!
23. Mifenty ( 20/04/2005 17:29)


annie ah, tsy maninon-tsy maninona aho fa manontany fotsiny.

za kou anie ka miarahaba ny katolika maneran-tany amin'ny fahazoana io papa vaovao io eh.

fa manararaotra manontany eh.
24. Mifenty ( 20/04/2005 17:34)


annie ah, tsy maninon-tsy maninona aho fa manontany fotsiny.

za kou anie ka miarahaba ny katolika maneran-tany amin'ny fahazoana io papa vaovao io eh.

fa manararaotra manontany eh.
25. maditra ( 20/04/2005 17:39)
haha! Tsy dia m isy tokony hiadian-kevitra izany ry olona fa asan'ny Fanahy Masina avy. Tsy misy mahalala ny sitrapon'Atra anie. Matetika izay tsy ampoizina ihany no voafidy. Zah mino fa tsy ilay toetrany tamin'ny maha-cardinal azy loatra no hitondrany ny Eglizy fa amin'ny maha-Pape azy. Noho izany tsy maintsy hisy fiovana be mihitsy izy, ary hanampy azy anie Atra.(Zah mino fa manampy azy sy ataika rehetra Atra fa mba tonom-bavaka fotsiny iny :°) . Izay fa ny asany no hitsarana azy fa tsy ny maha- germain na rainiboto, et encore moins ireo tenin'ireo tsy mpankasitraka. 8)
26. Mifenty ( 20/04/2005 17:47)


iza ndray ry maditra ity germain ty le

Ra Germain mpivarotra mofo baolina ve io le.lol :roll:
27. Mifenty ( 20/04/2005 18:03)


iza ndray ry maditra ity germain ty le

Ra Germain mpivarotra mofo baolina ve io le.lol :roll:
28. fijo ( 20/04/2005 22:17)
marina aloha fa maro ny katolika somary kivy tamin'iopapa vaovao io teto frantsa e."vaovao tv"omaly sy androany.
araka ny filazandry zareo ny tena tsy voandry zareo na maha kivy azy dia io rangahy io tsy tia fivelarana mihintsy.ny protestanta koa sadaikatra satri i ngahy io dia efa nilaza fa tsy finoana ny protestanta,ka mahy ry zareo fa toa hanimba ny asa efa natombok'i rapaokly teo izy ity.
za manao hoe aleo aloha hiasa fa hita eo ihany avy eo.
29. hazavana2005 ( 21/04/2005 00:27)
Ho ahy manokana aloha dia efa nampoiziko io e! Tsy hisy fiovana firy io satria mpiara-miasa tamin'i Jean Paul II ihany io!!! Amin'ny maha-ray aman-dreny azy dia manome hevitra hoan'ny zanany izy fa dia anjaran'ny tsirairay no hoe hanaraka sa tsia tamin'i Jean Paul II ihany. Ny zavatra tsy mifanaraka amin'ny moraly sy ny finoana kosa aloha dia tsy hoekeny velively na iza na iza Papa eo!!! Ohatra amin'izany ny fiarovana ny aina!!!
Tsy hoe akory rehefa nanome alalana hampiasa fimailo ny Papa dia izay ny sitrapon'Andriamanitra. Ny adidiny dia mampatsiahy hoe tsy mifanaraka amin'ny lalana voa-janahary io ary tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Dia safidin'ny tsirairay ny hanaraka na tsia!!
30. maditra ( 21/04/2005 02:23)
Mifenty> Germain zany lesy nadikako avy tamin'ny teny Angilisy German an, midika Allemand ihany io! :°)
fijo> hay nisy asa ihany vitan'i "rapaokly", ary mba nisy dikany tamin'ny protestanta ihany ny fisiany! Efa tsara izany, ny mpanohitra anie ka misy foana e, raha vao misy fiovana kely indray vao milaza fa aleo ihany ilay teo aloha iny e, sns! Mampieritreritra.
Tsy resaka fivavahana ihany anefa izany!
31. fijo ( 21/04/2005 04:34)
maditra nga za nilaza fa tsy nanao ninoninona i rapaoly?mba jereo tsara ny voalazako tany aloha tany.fa nambarako tsara fa na dia miteniteny foana aza izy indraindray ,dia nahavita be ihany koa raha momba ny filaminana sy fivoarana teto amin'izao tontolo izao.
32. kitjo ( 21/04/2005 04:48)
za lo tsy mahalala lotra fa ny taty aminay ndray na katolika na tsy katolika dia vao nijery azy ny olona dia ny remark voalohany hoe "pozin masiaka be ilay papa io". Tsy haiko ny tian zareo tenenina amzany le izy hoe conservative b ngamb.
D hoy ny sasany hoe mety hiova dol zany na ny liturgie na ny raharaham-piangonana...

za lo tsy mahalala satria za tsy katolika e!

Mba "mitatitra" fts ko :P
33. hery ( 21/04/2005 05:47)
Ny asa tena nahafantarana an'i Ratzinger dia tao amin'ny biraon'ny fiambenana ny finoana. Izy (amin'ny maha lehiben'io birao io azy) no tena nanaramaso sao misy mivena. Izy no anisan'ny mijery raha mety na tsy mety ny zavatra mitranga eo amin'ny Fampielezana ny finoana... Na iza na iza cardinal teo amin'io toerana io dia tsy maintsy niaina toa izany. Marina fa mety nanamarika ny fiainany ankapobeny izany kanefa azo inoana fa rehefa Papa izy dia tsy ho toa izany. Sady tsy maintsy misy olona hafa indray hiandraikitra io biraon'ny fiambenana ny finoana io.

Dia hevero ohatran'ny hoe Minisitry ny vola lasa filoham-pirenena. Rehefa minisitry ny vola izy dia tena mahihitra be, dia rehefa lany prezidà de matahotra ny olona hoe prezidà mahihitra io... kanefa ny fahefana amin'ny vola efa omeny izay minisitry ny vola manaraka eo.
34. dadabe ( 21/04/2005 07:39)
kitjo>tonga soa e!
hery>ka raha prezida tsy manome fahefana firy an'ilay ministra (saribakoly)??de ahoana?
35. marozevo ( 21/04/2005 09:02)
fijo > "... na dia miteniteny foana aza izy indraindray...." Sao dia mba teny tsy voatandrina ity, sa tena vokatry ny fonao ? Raha tena vokatry ny fonao, dia mba lazao hoe taiza izy no niteniteny foana, ary oviana?
Ny momba ny Benoit 16 dia heveriko fa izay rehetra te-hihoatra ny fefin'ny finoana sy ny fitondran-tena dia kivy daholo rehefa voafidy ny Cardinal RATZINGER. Ny tena mpino sy manana finiavana HIEZAKA kosa dia faly sy tototry ny hasambarana. Izaho dia anisan'ny faly satria mila olona hampatsiahy ahy ny lalana tokony hizorako amin'ny finoana sy ny fitondran-tena aho.
36. Mifenty ( 21/04/2005 10:43)
Hoy ny kardinaly Danneels (izay nifidy an'i Benoit 16 io)

rehefa nanontaniana izy hoe mety hiova v izy nony lasa papa. Tsotra ny valin-teniny :

Olombelona iany izy, ary raha izaho aza no lany teo dia tsy ho niova aho satria ny andraikitro no lasa papa fa izaho dia izaho iany. Ary toa izany ihany izy (tsy sahy niteny ny anaran'i Papa kory izy an)
Kely finoana aho, hoy izy ny hoe hiova izy.

Ny réf dia ilay interview voalaz ery ambony iany.


Fa miombona am progressista sy ny conservateur (conservative oy ny sasany tsy koi) izay samy matahotra aho hoe : aleo ho hita amin'ny alalan'ny governemanta atsangany eo oe inona ny ho ataony.
37. cutie ( 21/04/2005 21:48)
Ny tarigetran';io papa vao2 io hono ny hampiray ny kristiana maneran-tany. Ahona ny hevitrareo @ zany ??

38. fijo ( 21/04/2005 22:08)
kitjo ndry protesta de ny zandriko kato de ahoana kle???
marozevo,amin'izao fiainna eo anivon'ny sida izao ve,ny filazana fa tsy ekena ny fampiasana kapoty dia tsy teniteny foana aminao?sa hoe za mino dia minoa fotsiny ao???,
cutie,hampiray ny kristianina rehetra?nefa izy no niteny hoe ny protest dia tsy finoana misy aminy?,????
asa fa aleo aloha hanao ho hita e
39. dadabe ( 22/04/2005 05:23)
hhmm l'unite dans la diversite 8)
40. haingo23 ( 22/04/2005 06:05)
Avelao aloha hiasa dia ho hita eo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1192