Ny olako t@ Lotera

21. xxx ( 13/04/2005 22:07)

jooko:
Ps: Soa ihany fa eritreritr'i hery manokana io fa hitako manokana hoe tsy fanasiana hasiny an'i lotera sy ireo mpanaraka azy...

Hahaha> f'angaha masina i Lotera e! Mompera nidemisiona iny ka tsy haiko na Masindahy Lotera no fiantsoanareo an'iny. Sao dia mba tsy fanomezana "haja" na zavatra otraotran'izany no tokony teneninao! Tsy haiko aloha e
22. sahary ( 14/04/2005 04:45)
Hery : tsy haiko na inona ny document nampiasainao nandinihanao ny fiainan'i lotera,fa ny ahy indray dia izao no fahitako azy,noho ny fandalinan'i lotera ny soratra masina dia hitany fa nisy nivoana ny fampianaran'i eglizy ,noho ny mbola tsy fahafantarana ny soratra masina hoy enao,kanefa araho akaiky ny zava-nitranga t@ izany fotoana izany hoe,ny mpitondra fivavahana nandinika ny soratra masina nandritra ny taona maromaro,nefa tsy nahita na inona na inona ,koa i lotera izay vao oviana no nahita fampianarana vaovao,ary nanomoka teo dia norahonana i lotera,ary lazaina fa herezia ka nenjehin'ny eglizy,ary tsy lotera irery fa ireo namany koa,ary fantan-tsika ny niafarany fa saika lasa maty maritiora avokoa,tao ny nodorana velona ... sns
23. dadabe ( 14/04/2005 09:23)
sahary >bravo io le nataondry zareo hoe herezia =fampianaran-diso,nefa noporofoin'i Luther ny tsy mampety ny indulgence sy ny tariny de tsy nekeny eglizy satria very ny business. :-D
24. yonikafopl ( 14/04/2005 10:10)
za tsy de mahay loatra ny tantaran'i Luther
Fa i Luther no nandika ny Baiboly izay azoko vakiana sy boky mitaridalana ahy, ka isaorako azy, izay voasoratra ao amin'io Boky masina io no arahako , ary za na protestanta aza tsy manindraindra ny maha protestanta ahy, fa ny maha Kristiana mpanara dia an'i Kristy izay tsy manavaka na iza na iza rehefa te hanaraka Azy, izay no zava dehibe amiko.Ny voa no ahafantarana fa tsara ny hazo na tsia.
Na Jesosy Kristy aza ange nitory ny fahamarinana nefa dia mbola nisy nivadika taminy ny mpianany e, vao maika fa olombelona mety diso, misy foana ny mpanohitra sy mpitsipaka ny fampianarana ao.
25. haingo23 ( 14/04/2005 10:31)
Raha ny fomba filazan'i hery anie dia miaiky ny fahamarinan'ny zavatra nataon'ny lotera sy ny tsy fetezan'ny katolika e! Ny hany pbny dia ny fomba (comportement, methode, ...) nampiasain'i Lotera nanaovana izany sahala @ tsipaka ambavafo be.
Ka io dia samy manana ny fisainany sy ny fomba fanaony ny tsirairay. Sahala @ fiainana andavanandro ihany e! Ohatra rehefa tsy tian'ny olona ny mpitondra fa misy zavatra ataony tsy mety dia velona ny grevy, trakta, fivoriana, famonoana ho faty aza,...
De izay
26. sahary ( 14/04/2005 10:35)
yonika : @ resaka ôtran'itony dia marina ny filazanao fa tsy tokony haindraindra ny antoko -pinoana fa isika rehetra izao ange ny ankamaroany dia kristiana daholo,fa vokatr'io anaram-piangonana io no mahatonga antsika hizarazara,kanefa io fizarazarana io indrindra no tiana haravona @ fisian'itony adi-hevitra misokatra itony mba hitondra fahalalana ho anao,fa dia anjaran'ny tsirairay ny mandinika raha izay tokoa no tena marina.Ataovy toy ny voan-kazo an'ala fotsiny !
27. jooko ( 14/04/2005 10:40)
xxx hihihi marina ny anao lol
28. haingo23 ( 14/04/2005 11:06)
Sahary>

Haravona @ ahoana ? Ka raha mahita zavatra iraisana izany ve tsy ho lasa fiangonana hafa koa e!
29. pitchou ( 14/04/2005 18:46)
ny ahy aloha ny olaka @zany rehetra izany dia izao e! ny fivavahana kristiana rehetra toa tsy misy manaraka ny tena fot-pinoana kristiana, na kato na protest na inona! satria toa ny sasany manaratsy na manome tsiny sy mitsra ny sasany!
Momba an'i Lotera, raha tsy nisy ny toa azy dia marina fa ho tonga @ le hoe "minoa fotsiny ihany" ny olona rehetra fa ny fahafantarana ny baiboly dia no nogihazan'ny mpitondra fivavahana vitsivitsy! Notsaraina ho tsy nety izy t@izany kanefa izao, ireo nanenjika ko aza manao ze tratrany hanely ny baiboly!
Lety ho ilay organisation ny fiangonana kato mihitsy koa no olana taminy (organisation izay alain'ny fjkm tahaka @lafiny sasany!:roll: ), satria nisy resaka fanangonana harena ihany tao! ohatra iray tena mbola misy mompera mampihatra aty mada: tsy nampidirina am-piangonana le razana satria abany loatra hoe ny denier de culte naloany! ka d natao teo an-tokotany ny fanompoam-pivavahana! Ka raha jerena indray miserana izay dia: ho an'ny manam-bola ny fivavahana fa tsy ho an'ny rehetra izany! k
ka diso ve i Lotera raha nanohitra izay fomba fitondran'ny fiangonana kato izay, izay ngamba tsy mifanaraka t@ze hitany tao anaty baiboly, nefa tsy nekena ahitsy? mety ho noheverina fa manozongozona ny fidiram-bolan'ny fiangonana izy!
Dia ny mahagaga dia nenjehina izy nefa mba nisy ihany t@ireo fiovana niadivany izany no narahin'ny fiangonana taty aorina?
30. maditra ( 15/04/2005 04:01)
pitchou> Marina ny anao hoe nisy zavatra tsara ihany nataon\'i Lotera, tsy misy manohitra an\'izany angamba. Fa raha resaka fiovana sy ny fivoarana teo amin
ny Fiangonana kosa no lazainao, io ange ka manaraka ny fiainan\'olombelona ihany io resaka fiangonana io e! Tsy maintsy misy io fiovaovana io na nisy an\'i Lotera na tsy nisy, satria miovaova ny fiainan\'olombelona. Misy zavatra fatao taloha tsy fanao intsony ankehitriny. Fa na dia izany na tsy izany, raha tany amin\'ny 1500 tany ho any ry Lotera nandika ny Baiboly tamin\'ny teny hafa, dia tany amin\'ny 1965 tany ho any vao tena nanao an\'izany koa ny Katolika, tsy matoky aho hoe, ny hevitr\'i Lotera no narahiny fa mety hoe nahafantatra ry zareo fa efa fotoana hanaovana an\'izay amin\'izay. Ny zavatra rehetra anie ka mizy fotoanany avy e! Mety diso maika loatra tamin\'izany angamba i Lotera dia izao
fisaratsaran\'ny Fiangonana izao no vokany.
Fa na ny Islam aza izao efa miezaka ny handika ny Coran amin\'ny fiteny hafa. Tsy hoe te hanaraka an\'i Lotera ry zareo amin\'izany fa satria mino ry zareo fa efa fotoana fanaovana izany izao.
Dia mikasika ny Vola sy ny sisa indray, tsy misy fiangonana tsy tratran\'izany olana ara-bola izany. Zavatra sarotra tenenina any ampiangonana manko izany kanefa zavatra ilaina mba hampiroborobo ny fiangonana. Hany ka nalaina ilay 10% izan-jato ao amin\'ny Baiboly hampiharina. Dia mbola mety tsy ampy koa iny dia natao ny Alahadin\'ny Pasitora, sy ny voady isan-karazany. Atao hoe mifototra avy amin\'ny Baiboly ireo fa ny tanjona dia mitovitovy tamin\'ny Katolika ihany satria samy te hahazo vola. Ilay fomba fanaovana azy no tsy mitovy fa ny tanjona dia iray ihany. Tsy hidirako lalina intsony ny fomba fampiasana an\'ireo vola ireo satria tsy dia haiko loatra ny momba izany.
Zah aloha mahatsapa fa exagerer be ihany ity resaka hoe, indulgence e, izao sy izao e, tsy maintsy misy zavatra namboamboarina tao, sy ny zavatra nafenina. Ary raha hoe, hatramin\'izao misy mompera mbola manao an\'izany, matetika zah mahaino zavatra ohatr\'izany kanefa honohono ihany ilay izy fa tsy dia tena marina akory. Fa raha nisy izany, angamba tsy ho faotin\'ny Katolika iray manontolo fa ny an\'ilay mompera. Manao hadisoana tahaka atsika rehetra ihany manko ireo fa tsy tonga lafatra.
31. sahary ( 15/04/2005 04:11)
haingo23 : f'angaha rehefa misy hevitra hita fa marina dia tsy maintsy hoe hisintaka foana de hanorina fiangonana vaovao,f'angaha tsy azo atao mintsy ny manomésoso-kevitra an'i mompera nai pasitera ny @ izay heviny aloha;
pitchou:za ndray mino fa misy fiangonana izay manaraka ny fahamarinana ara-baiboly any,aiza kosa ve kristy dia hamela ny ondriny ao anaty tsy fahalalana foana,fa mangataha @ Atra dia atorony anao izany.
32. naritsimba ( 15/04/2005 05:15)
Salama indray ô!

Ny ahy raha ny foto-kevitra hijoroako dia izao:
na inona na inona finoana dia ny voalaza ao anaty Soratra Masina no tokony arahina:
1-Iza amintsika no tsy mahalala fa: Izay manome ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah? dikan'izay dia hoe manome tsy mila tambiny(mifanohitra @ Indulgence) nefa dia firy amintsika izay milaza azy ho Kristiana no tsy manome fa mampindrana? ary notadiavina ho vidiana hatramin'ny fahazoana ny lanitra...!
2-hoy hery> Ny croisades ohatra dia fanoherana ny Silamo... nanomboka t@ 1200 mahery tany... sns
Moa ve tsy maintsy natao ny croisade mba hampanjakana finoana iray? ka hahatonga azy ho mafy orina? Moa ve voalaza ao anaty Soratra Masina izany?
3-Ny ahy tsy hoe fanoherana fa filazana ny zava-misy, fa tsara ny nahasahian'ny Lotera nanangana fiangonana hafa fa raha tsy izany dia nizotra t@ lalana tsy izy ny finoana t@ izany andro izany, satria vomarika fa lasa fivavaham-panjakana ny fivavahana tany aloha ary izay manohitra dia novonoina(mifanohitra @ voalazan'ny Soratra Masina izany) Jereo ny nataon'ny Jesoa t@ fotoana izay nahatapaka ny sofin'ny iray t@ Miaramila izay nanenjika azy.
Tsy nanery Jesoa hoe tsy maintsy mino azy ny olona na koa nanao an-tery setra ny olona izy hanaraka ny finoany.
4- Tsy novalian'ny hery ny momba ny fivavahana t@ ireo relique ? valio raha mety?

Izay indray aloha eh!
33. hery ( 15/04/2005 06:20)
naritsimba>

1. Manome tsy mila tambiny... i naritsimba ve mandoa rakitra rehefa any am-piangonana? Amin'ny fo ve no anaovana azy sa terena? Ny fandoavana rakitra amiko tsy hoe vidin'ny fitahiana... toa izany koa ny indulgence tamin'izany fotoana izany.

2. Amin'izao fotoana izao isika dia mahita fa angamba tsy nilaina ny croisade... (?) Fa rehefa mitsara olona (raha voatery hitsara) dia mipetraha eo amin'ny toerany sy ny fotoana niainany aloha. Ohatra hoe alohan'ny hitsara ny nataon'ireo tao amin'ny Testamenta taloha hoe Niady sy namono ny fahavalony kanefa olon'Andriamanitra dia tsara ihany ny mipetraka amin'ny toerana nisy azy ireo sy ny toetsaina mbola niainany. Dia toa izany koa ny niseho tamin'ny fotoanan'ny Croisade. Amin'izao fotoana izao dia ridicule izany mamono noho ny finoana izany (na dia manao izany aza ireo silamo)

3. Ankoatr'zay, fantatr'i naritsimba tsara ve ny atao hoe croisade? Tsy fanerena ny olona ho kristianina... fa fiarovana ny tany masina tsy ho lasan'ny silamo. Tsisy nanery ny olona hoe tsy maintsy ho kristinina mihitsy. Ny silamo no manao an'izany.

4. Tao anatin'ny thèse-n'i Lotera ve nisy resaka fivavahana @ relique? I Lotera dia nahatsapa fa tsy Nivavaka sy tsy Mivavaka @ reliques ny katolika kah. Betsaka koa ny protestanta (indrindra ireo misoka-tsaina) mahatsapa fa tsy mivavaka amin'ny reliques sy tsy mivavaka amin'ny olomasina ny katolika. Fomba iray natao mba tsy hitiavan'ny protestanta ny katolika izany fa ny pasitera, sy izay olona mahalala ny finoana katolika dia mahalala tsara fa tsy mivavaka amin'ny reliques ny katolika.
34. naritsimba ( 15/04/2005 07:05)
hery>le resaka relique dia t@ taloha fa tsy @ izao akory ka! fa nisy io t@ zany

Misaotra an'i hery @ valiteny
35. pitchou ( 17/04/2005 17:24)
maditra> le resakao d mifampitohy @ hevitro ihanysaingy problema na echelle sy synchonisme fotsiny! araka ny voalazanao d manaraka ny toetr'andro sy ny fivoarana ny fivavahana, ny lalana izorana iray ihany fa ny fotoana hizorana any no samihafa, ny sasany tany @ 1500, ny sasany tany @ 1965! Hendry ange ny ntaolontsika raha nilaza hoe ondry indray mandry tsy indray mifoha e! @zao andro iainantsika izao ohatra efa misy ny olona tsy manavaka sora-pinoana kristiana intsony fa rehefa kristiana d kristiana, nefa mbola betsaka koa ny miteny fa hafa ny kato hafa ny protest, hafa ny loterana, hafa ny ... mbola misy miteny koa hoe mbola hafa ihany ny kato romana!!! d hafa koa moa izany ny kato gasy raha izay!:roll:
fomba fifampitondrana teo @ fiangonana kato taloha io resaka eny @ alitara, sa eo an-tenatenany sa eny ambaravarana sa eny an-tokotany io! fa efa betsaka tokoa ny tsy manao an'io intsony! (tsy honohono izany an!) Tsy hadisoan'ny kato rehetra hoy enao, saingy tsy ny kato rehetra ange no mametraka ny fombafomba ao am-piangonana e! raha ny fahafantarako azy d manaraka ny mpivavaka any fa tsy mametraka
36. fijo ( 21/04/2005 04:53)
raha raisina ny voalazan'ise hoe nanao fahadisoana i lotera nisintaka tamin'ny fiangonana kato,satria izao nanjary nihitatra be ny fahalalahana hanangana fiangonana isankarazany(secta)dia i jesosy no homeo tsiny voalohany,satria izy no nanomboka nisintaka tamin'ny finoana jiosy izay finoandrazany.ary aza hadino fa sekta anie ny kristianisma tamin'ny voalohany e.taty aoriana vao nanjary hoe fiangonana ofisialy.
37. maditra ( 21/04/2005 05:10)
Zany moa izy iny? Iny indray marina no tena tsy hitako rafijo! :lol: :lol: :-D
bon comments :-D
38. fijo ( 21/04/2005 22:33)
aza hadino fa na ny mpahay tantaran'ny fiangonana aza anie mihaiky fa sekta ny fiangonana tamin'ny niantombohany e.
39. maditra ( 22/04/2005 02:40)
Samy hafa ny definition amin'ny resaka sociologie sy amin'ny Christianism. Dia raha hiresaka histoir ianao ka hampiditra resaka finoana koa, dia miady hevitra aminao aho rafijo fa avy amin'ny Baiboly ihany. Atra i Kristy dia zah MINO (aleo atao ngeza mihitsy :-D ) fa original ny fiangonana najorony sy natsangany fa tsy secte velively. Raha any amin'ny resaka histoire na zavatra hafa tsy mikasika fivavahana isika dia manaiky tsara ny resakao aho! Izay!
Maditra 8)
40. dadabe ( 22/04/2005 06:04)
hhmmm ekena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1834