mamy robinson

1. BIJOU ( 09/04/2005 21:09)
mba mitady tononkirany Mamy Robinson ( manin-te-hody ) misaotra mialoha (l)
novalian'i sonwin ny 13/07/2005 22:46
2. xxx ( 09/04/2005 21:14)
malahelo be ny any Dago angaha njy ? bisou ary e :*
3. hery ( 09/04/2005 21:27)
Jereo ao amin'ny http://tononkira.serasera.org na tsindrio ilay hoe tononkira etsy ambony etsy.
4. Ralay ( 10/04/2005 01:32)
>BIJOU @ maha fan anao dia indro ary ilay tadavinao e
de mazotoa mihira.
Rehefa manin-te hody fa lavitr’akany
Rehefa manin-te hody fa manembonembona ny any
Manin-te hody tafasaraka sy lavin-tany
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody
Afaro 'rony volana aman-kintana irony raha manin-te hody
Ilazao hoe kaky sy neny @ izay fa izy manin-te hody
Ny tambitamby tanilanareo mba manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho manin-te hody

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

O ry zoky sy zandry izaho irery aty manimanin-te hody
Tsy tafandry mandry ka velon-toloko fa manin-te hody
Ny adiady sy sangy tanilanareo mba manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody
Manin-te hody, lasa lavitra aho, lasa lavitra anareo
Manin-te hody, malahelo aho, malahelo, mitoreo
Manin-te hody, tsy tamana aho tsy mahasaraka anareo
Manin-te hody aho (3)

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Efa ela nisarahana t@ tapaka sy namana aho
Lasa aty an-tany lavitra fa mba mila ravin’ahitra aho
Voatery nandao ireo havana aho
Voatery nandao ny tanindrazana aho
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

Ref:
Vetsoy ny hiranao o raha manin-te hody
Vetsoy ny hiranao hanako ho tonga any raha manin-te hody
Ny hiranao no vetsoy o raha manin-te hody
Manin-te hody @ kaky sy neny aho, manin-te hody

MAMY ROBINSON
5. BIJOU ( 10/04/2005 08:56)
misaotra betsaka anao aho Ralay fa tena tiko io hira io , ary tena mahatsiaro mafy any dago mihintsy ! bisou (l) (l)
6. Ralay ( 10/04/2005 09:12)
Tsy misy fisaorana e fa dia mba tsarovy aho rehefa mihaino azy ianao :lol: :-*
7. sonwin ( 10/04/2005 12:28)
tahak'izay tsy nanketo fa manjary manin-te hody klé
8. cutie ( 10/04/2005 19:55)
marina zany sonwin :-*
9. saotra ( 10/04/2005 23:12)
de samia mihira mafy ary e
10. sonwin ( 11/04/2005 17:54)
cutie> mampanembona ilay tany Antsohihy ireny e :-*
11. BIJOU ( 11/04/2005 19:47)
marina mihintsy ka ! andao hiaraka hira daholo e


:D
12. bella ( 12/04/2005 09:15)
:-* bonne anniversaire aky ry Bijou aaaaaa :-* ahazo ze hirina e ! nahazo bisou be oooooooooooo :*
13. hery ( 12/04/2005 13:04)
bonaniversera kou i bella :-)
14. BIJOU ( 12/04/2005 20:20)
bonne anniversaire aky bella a ! tsy fantako hoe mitovy amiko ! manao fety zany an bisou be an :-*
15. McFy ( 12/04/2005 21:47)
bon anniv zany nareo 2 bijou bella
16. cutie ( 13/04/2005 03:06)
mampanembona ny mosakiky sy lasary manga sonwin :-*
17. iartistika ( 13/04/2005 15:47)
cutie>le eny am parkazy ve? miaraka am bex kely, ny salegy sy ny malesa mandeha ihany...
18. BIJOU ( 13/04/2005 21:55)
Hummmmmmmmmmmm ! manitra izy zany an (brochette ,lasary manga,mahogo ,boantamo,bobon anglais sa ? ? Miafara @ Ravinala an :lol:
19. Veloo ( 14/04/2005 20:47)
:snif: :snif:
20. iartistika ( 15/04/2005 08:19)
:cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1095