Loin des yeux... est-ce vrai???

1. xxx ( 08/04/2005 13:04)
Mba te-hafatatra ny evitrareo aho, mino tokoa v nareo f'marina io dicton kely frs io oe "loin des yeux loin du coeur"?
novalian'i fijo ny 03/08/2005 22:16
2. pika ( 08/04/2005 13:16)
rehefa tena tia izay ny olona iray na lavitry ny olo-tiany aza dia tsy mahavita ny mamadika azy na oviana na oviana.tia izy dia mahatoky.tsy mahita olo-kafa intsony(jamba tanteraka)tsy hainy intsony ny hitia olon-kafa, indrindra raha fantany fa tena tia azy koa ny olo-tiany.

matoa misy io dia tsy tena mbola mifankatia ianareo. fa mety ny iray ihany no tena tia.
ny zava misy anefa matetika dia vitsy ny lehilahy tena tia @ fony tokoa mihoatra @ vehivavy.ary dia ohatra ny hoe mitombona io voalazanao io.fa averiko indray fa rehefa tena tia dia diso velively izany.
3. vegas ( 08/04/2005 14:10)
pika> marina nenao! fa moa ve tena aharitra ny fitiavany anao na dia tena tia aza izy? tsy tohizako tsony fa hainao iany ny maha olombelona sy ny firoborobon'ny tanora ankehitriny.
4. ari.malala ( 08/04/2005 14:42)
marina io! firifiry akory ny olona tafasaraka no mitaraina hoe lasa miha mangatsika ny fifandraisany na tonga dia hoe tapaka mintsy aza indraindray! Hevitro io!

5. maditra ( 08/04/2005 14:50)
Marina aloha izany amiko e! Lasa toa mihena be izany ilay fitiavana, dia tsy dia mifampatoky loatra koa
6. radriana ( 08/04/2005 14:55)
Mahafinaritra indray ny resaka ato fa aleo aloha ajanona ny hafa.
Io indray aloha hitako fa ça dépend ny fotoana hifanalavitana e,
Raha 10 taona kosa angamba no loin des yeux, lasa loin du coeur kah, sa ahoana hoy ianareo, fa raha mbola vitan'ny herintaona sy 9 volana mety marina ny tenin'ny pika etsy ambony.
7. Nananie ( 08/04/2005 15:21)
Marina mintsy 'zany e!Ny sasany aza vao mifindra ville de tsy mahatanty kou :-D
8. sipagasy ( 08/04/2005 15:33)
hhhhihiihi tena marina io e!!! hihh mahereza izay tratrany!! :oops:
9. fifi ( 08/04/2005 16:33)
non amiko tsy marina io vao maika ary manamafy ny fitiavana zany (raha tena tia aloha ianao e!) satria raisina ohatran'ny fitsapana ilay izy raha adinonao izy rehefa lavitra azy ianao dia tsy tena tianao izy ny dikany izay fa raha mahatsiaro azy foana ianao na aiza na aiza dia tianao marina izy
10. majakely ( 08/04/2005 17:19)
Ny ahy indray mety hahagaga ny sasany fa rehefa tsy hitako akaikiko eo mandritra ny fotoana kely na fotoana lava izy ,vao tena tsapako hoe tiko tokoa ilay olona ka!fa tiko ihny izy na dia eo akaikiko aza !
11. kally ( 08/04/2005 17:31)
Io angamba ohatry ny voninkazo e! samy manana ny azy.Ny sasany mila tondrahina isan'andro fa raha tsy izany maty,ny sasany ilaozana mandea ela be rehefa miverina ianao,io eny izy fa mbola maniry tsara sy mamelana ery ka asa na iza amin'ireo ianareo!
12. vegas ( 08/04/2005 17:53)
ny inn no tondrahana inn ry kally?
13. xxx ( 08/04/2005 18:00)
Tu m'as dit, loin des yeux, loin du coeur
Tu m'as dit aussi qu'on oublit le meilleur
Malgré ce que tu dis, tu vois qu'elle m'aime encore, cette fille aue j'avais surnommé.

Butterfly, My butterfly dans un mois. je reviendrai

L'ocean est si petit tout petit
Près du coeur où l'amour a grandi
Malgré ce que tu dis, tu vois qu'elle m'aime encore
Cette fille que j'avais embrassé

Notre Amour est si grand si grand
et le ciel y veillera si longtemps
Malgré ce que tu dis, tu vois qu'elle m'aime encore
Cette fille que j'avais en....

Loloko o, ry loloko o...ho avy za malala na lavitra aza an, ny fitiavako tsy miova .
Na lavitra ahy aza ianao tsy hadinoiko , ianao ilay tsy foiko , ianao ilay tokana ato am-poko
Ny elanelan-tany nanasaraka antsika
Vao maika nampaniry ilay fitiavako
Tiako ianao
r.
14. yonikafopl ( 08/04/2005 20:28)
raha amiko manokana dia tsy marina io, rehefa tena tiana le oll na akaiky na alavitra dia mitoetra fona le fitiavana, fa ilay olona tiavona no mety hamoa-tsampona tsy hahatanty ny mena miraviravy ka akory atao?
15. xxx ( 08/04/2005 20:37)
Ho ahy dia misy fahamarinana io hoan'ny olona tsy mifankatia na tsy mifankahazo loatra ( tsy hoe olona miady akory no tiako lazaina @ hoe tsy mifankahazo )
Satria hoy ny olona iray( soa ) izay hoe .
Ny fon'ireo tanora , rehefa tsy mifankahita dia mifanadino mora .Ka marina hoan'ny sasany mora manadino izany .
Kanefa misy koa fiteny hoe : loin des yeux , tout près du coeur . Ho anay lasa aty lavidavitra aty dia mahatsiaro tanteraka fa mangidy ny tsy eo akaikin'ny namana sy ny Ray aman-dreny .. ka asa fa ny hevitro io nataoko tsy dia mazava loatra io mba hahafahanareo mandinika azy tsara sy manome ny hevitrareo koa..


16. manonofy ( 09/04/2005 04:29)
za ndray aloha dia be fitiavana e ! tiako foana na lavitry ny maso aza, dia tsy manakana ahy hitia zay eo akaikin'ny masoko koa izany, nefa rehefa hitako indray ilay lavitry ny maso teo, dia tena mmm vao mainka koa tiako be loatra e !
17. pika ( 09/04/2005 05:30)
ny zava- mitranga ry zareo dia na misaraka ela be aza ka mety hoe azon'ny fakam-panahy hiharaka @ olo-kafa, rehefa mifankahita @ ilay olona tena tiana iny dia toa mahatsiaro ny fahiny ka mety miaraka indray. koa hadiahadio tsara ny olona iarahanareo sao dia ny elanelan-tany fotsiny no nampisaraka azy fa tsy zavatra hafa. raha izay mba mailo
rehefa tena tia tsy voasakan'ny elanelan-tany izany e!!!!!!!!!
18. SOBIKA ( 09/04/2005 07:46)
Mmmm tena marina io ko!!!amiko aloha sady atao we efa mpitranga matetika eo @ fiarahamonina misy ahy no koa efa nahazo ahy de tena tsy azo idovirana fa de marina soa amatsara!ny ray volana sy roa volana no tsy mifankahita dia tena mavaivay sy miredareda te hihaona fa raha vao mitombo kely ny fotoana de lasa misy elanelana toy ny tsy mpifankahala fa lasa "etranger" tsikelikely eh! de zay no vita fa ny mena miraviravy koa be dia be no mihelingelina.moa koa refa hihaona lasa samy tsy manankambara eh! tena toy ny hoe vahiny be eh!
19. niainaharison ( 09/04/2005 09:04)
tsy mariana zany!!!!! raha ny nihatra tamiko manokana dé arakaraky ny hanalavirana lé olona no vao maika ahatsiarovana azy matetetika...indrindra fa raha misy zavatra mitranga "tampoka" ahatsiarovana azy, na misy zavatra ahatsaroana fa tena mila azy amin'iny segondra sy minitra iny...sy ny tsy fahitana tory amin'ny alina hoé: manao inona izy zay any...indrindra ny andro fety sy ny firavoravoana...ny fahoriana tsy lazaina intsonsy...
hoy lé hira izay hoé: partout jte vois...
nefa miankina amin'ny fitiavanao lé olona io...mazava ho azy fa raha tsy tianao izy, de ny segondra voalohany tsy nahitana azy de efa lasa ho...tantara ny anarany....
20. pisoin ( 09/04/2005 09:32)
xxx:

Mba te-hafatatra ny evitrareo aho, mino tokoa v nareo f'marina io dicton kely frs io oe "loin des yeux loin du coeur"?


izany hoe amiko tsy misy izany raha tena mifankatia tokoa fa tokony hitombo ary ny fitiavana satria malahelo azy ianao."lavitry ny maso izany vao maika akaiky ny fo, sa ahoana?..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1202