trop loatra le publicité ny fahafatesan'ny papa

21. majakely ( 03/04/2005 19:48)
Tena nampalahelo ny nahafatesany Papa;;; nefa izany kosa tsy hitsarako an'ireo olona mahita hoe trôp ny mediatisation ny fahafatesany satria misy fahamarinany ihany io indrisy!! !!!!Fa tsy tokony omen-tsika tsiny ireny olona ireny! < Ka aoka hamela ny helony izy ireo isika fa tsy fantany izay hataony> !! ary na mediatiser-ny zareo na tsia ny fahafatesan'ny papa dia misaona ihany aho isika tia azy fa malahelo ny nahafatesany !
22. andansonia ( 04/04/2005 09:07)
Filohana firenena anankiray malaza be aza no maty, toa inona no fidradran'ny haino amanjery azy raha nahavita be izy. Izay no asan'ny mpanao gazety ange e.Koa maika fa ity ve? filohan'ny Eglizy katolika, un souverain pontife, mitovy laharana @ chef d'Etat?, mbola ambonin'ny Chef d'Etat aza koa. Ny Chef d'Etat raha mankany aminy mandohalika manoroka ny tananany anie e.Fa ny azy ny fanjakany mahenika an'izao tontolo izao ( hatrany amparan'ny vazantany) Izay no nanavahana an'i Vatican ho tsy ao anatin'i Italie, satria mifehy vahoaka karazany maro manerantany, a@ firenena manerantany.Ka tsy mba olona iray ao a@ firenena iray fotsiny no namoy filoha fa vahoaka katolika marobe maneran'izao tontolo izao. Tsaroako ny nahafaty an'i Jean Paul 1 sy ny niakaran'ny Jean Paul 2 io teo ta@ 1978. Tsy nitovy amin'izao kosa aloha e, ity farany maty tao anatin'ny firoboroboana'ny fifandraisana sy ny média. Dia eritreretin'i Felicia hoe lasa ohatran'ny pub izy
23. xxx ( 04/04/2005 10:20)
za aloha tsy katôlika e! zay hifanosehanareo katôlika eo!Za koa tsy mino an'i papa zany,tsy Aa iny ka ho tompoiko akory,amiko de ohatr'ireny olona nahavita soa ireny izy.
NY zavatra tsara ho fantatra fotsiny de zao:
Raha olona marina izy maninn no tsy mahazo hidiran'iza n'iza ao vatican fa izy mianakavy ihany? misy zvt hafenina ao zany?hihihiihi
teny hatsipy iny hisainan'ny rehetra!ahirato ny masonareo katôlika ireo fa voan'ny lavage de serveau daholo e!ny 98% nareo ireo tsy mahalala ny voalazan"ny baiboly fa tsenjery masiso ny katôlika daholo.Rebirebeny handoalika etsy sy eroa nareo fa ry zareo manao ny hataony ao vatican. Aza varina mandinika an'iny sarivongana iny fa ahirato ny masompanahinareo sao de taraiky eo.Ny olona efa manompo Aa ianareo mbola varina manompo an'i vierge noirsy Papa
24. Narilala ( 04/04/2005 10:36)
Fantapantatra ihany ny mpiafina ao anatin'ny xxx, olona tsy manana hazondamosina, tsy mahasahy mijoro fa matahotra sy tsy matoky tena.
Mba te hanontany an'i xxx aho hoe: fa efa tao Vatican angaha i xxx dia tsy noraisin'i Papa na tsy navela hiditra. Sa kosa ve mitetika ny hiditra any @ chambren'i Papa. Toa ny lapan'ny filoham-pirenena rehetra io, misy azon'ny olona idirana misy tsy azo. Kanefa raha miohatra @ lapan'ny filoha hafa rehetra i Vatican dia betsaka ny toerana azo tsidihin'ny besinimaro. I xxx ve izao ohatra efa tafiditra tao @ Trano Fotsin'ny amerikana?
Aza dia miteniteny foana fa ny 98%-n'ny Katolika lazainao miampy ireo avy @ finoana hafa aza mankasitraka ny soa vitan'iny lehilahy iny.
25. mandrindra ( 04/04/2005 10:53)
Izaho dia tsy manaraka ny fivavahana kristiana.
Manaja ireo mpino izay malahelo amin'ny fahalasanan'ny Pape aho.
Ny nampalahelo ahy dia ny "filalaovana ny sariny" tao antin'ny 1 volana farany niainany. Lehilahy efa reraka miady amin'ny aretina no avoaka amin'ny sary, terena ankolaka hitranga eny amin'ny varavarankely, asaina miteny nefa efa tsy manampeo intsony. Marina fa lohan'ny eglizy izy, nefa aoka tsy ho adino koa fa olombelona toa anao sy izaho ihany koa izy.
26. xxx ( 04/04/2005 11:29)
Ary enao milaza io angaha efa nampidiriny tao?Raha za manokana tsy misy hitsiriritako zay vatican akory!
27. welie ( 04/04/2005 11:39)
Bon... aleo indray aloha hanisy comments kely zà. :-)

Izaho aloha dia tsy Katolika ary tsy mandray ny Pape toy ny fandraisan'ny Katolika azy (efa misy ady-hevitra hafa any ho any fa jereo!!!).

Fa kosa dia mahita fa betsaka ny zava-bitany sutout pour la paix mondiale. Ny fahalasany dia raisiko ho toy ny fahalasan'ireo olo-manga rehetra eto an-tany (tsy @ maha Pape azy marihiko fa @ zava-bitany) ka dia mampalahelo tokoa. Aleo ataoko hoe mitovy @ nahalasanan'i Mère Theresa sy Lady Di (@ resaka fanampiana olona no lazaina) ohatra amiko ny nahalasany. Tsy mitovy mihitsy ny sentiments atsika rehetra.

Raha ny momba io hoe lavage de cerveau io indray dia aleo hasina resaka manokana indray dia any miady hevitra. ok?! ;-)

28. welie ( 04/04/2005 11:40)
xxx> dia mba aoka hifanaja rehefa miady hevitra. Tsy manome lanja ny finoanao akory ny tsy fanajana ny finoan'ny hafa. OK?! ;-)
29. radriana ( 04/04/2005 11:53)
Inona indray no ataoanao ato ra welie a, ianao koa toa mandehandeha be koh
30. naritsimba ( 04/04/2005 12:22)
Samia manaja ny finoany! fa ny fanajanao ny finoan'ny hafa no maha ambony ny finoanao.
Misaotra eh!
31. haingo23 ( 04/04/2005 12:51)
Narilala:

Nahavita be teto @ izao tontolo izao iny Lehilahy iny. Iza no Filoham-pirenena tsy niaky izany; fa na dia ny silamo sy ireo karazam-pivavahana hafa aza nanokana fotoana hivavahana ho azy. Ireo Filoham-pirenena fanta-daza toa an-dry Georges Bush sy ry Jacques Chirac dia samy nametraka azy ho modelin'izao tontolo izao.
Fa asakasak'izay minia tsy mahita sy minia tsy mahalala izany. Olomanganay iny, hoy Maditra izay.
Mandria am-piadanana ianao Papa ary mivavaha ho an'izao tontolo izao.


Narilala > F'angaha ny olona efa maty afaka mivavaka ho an'ny velona ??? (hafa indray izany sady mbola tsy hitako sa izaho no vahiny)

Io dia izay tian'ny mpanao gazety no ataony. Izay fandraisantsika azy dia antsika izany na pub, na reportage, na inona. Maninona isika no tsy miteny rehefa jeux olimpique foana ny ao @ TV sy radio. Pub ve izany ???
Ny mahagaga antsika olombelona fotsiny dia maty vao Ramalala. Rehefa maty tokoa ilay olona iray vao tenenina sy asongadina eo daholo ny rehetra, nefa t@ fony fahavelony, dia zara raha mihaino sy manaraka. Eny fa na dia hatr@ mahandry mpanao kidnapping aza dia mbola nahavory olona sy lazaina ny toetrany. Samy manana ny fijeriny sy fisainany ny olona ka tsy azo ifanomezantsiny.
32. welie ( 04/04/2005 12:58)
radriana> zà anie manao la ronde io e! hihihihi.....
33. Narilala ( 04/04/2005 13:30)
Haingo23: ka izy anie nody any @ Ray e, nantsoin'Andriamnitra ka efa eo akaikiny dia mivavaka ho antsika
34. radriana ( 04/04/2005 13:32)
welie ka toa hoatran'ny ilay resaka tary ihany anie no haverinareo aty e, angaha tsy nisy passe hafa ? :D
35. majakely ( 04/04/2005 14:45)
Ady hevitra no eto ,ary mahazo mandray anjara na ny mpino na tsy mpino, na tsy mankasitraka na ny tsy mankasitraka, ka tokony hifanaja fotsiny , :)
36. pitchou ( 04/04/2005 19:16)
Dia aza mijery sy mihaino haino aman-jery aza aloha izay leo e! fa izahay aty lavitra aty kosa soa ihany fa nisy ireo mpanao gazety nanao ny asany nitatitra tsy ankiato ny andro vitsivitsy farany niainan'ny papa fa nahafahanay nanaraka!
baolina kitra aza itokonana ao ambody télé adiny firy sy iadivana ny télécommande ko maika fa ny fampitana mivantana ny momba ny papa?

xxx> mino aho fa raha ianao tsy d tia ny papa io no nangataka fihaonana taminy fony fahavelony dia ho noraisiny en priorité!
Ny ahy, izaho olon-tsotra ity aza, misy ampahan'ny tranoko tsy azon'iza n'iza afatsy izay mahazo alalana idirana!
37. majakely ( 04/04/2005 20:25)
Izaho mino fa olona tsy mihevitra ny tenany ho ambony ny papa ,ary izay olona te -hahita azy ka manana moyen ny hahitana azy dia tsy ho roahiny velively fa ho raisiny ka eny fa na dia olona faran'izay mahantra aza, asa aloha e!
38. felicia ( 05/04/2005 00:20)
xxx,,,az avadika resaka tsy fankasitrahana katolika le resaka fa manjary miady hevitra amin'ny tsisy fotony.na katolika na protestant,ny fitiavana no zava-dehibe torian'ny pastera na mopera na presbitera...samy mino an'andriamanitra daholo angamba isika eto...angamba ianao tsy nahazo an'ilay votoatin-dresaka 8)
39. ari.malala ( 05/04/2005 05:19)
ikotofatsora:

Fa ny mpanao gazety koa zarany aza misy aníreny hampandeha ny tsenany ko.
Ary maninoka koa moa no olona efa hita fa tsy ho velona intsony, ny eveka sasany aza miteny hoe \"efa nosokafan\'i Kristy ny varavaran\'ny lanitra\" nefa mbola tazomina atao ihany izay tsy hahafatesany e. Commerce koa no tena betsaka @ le izy fa le olona avela hijaly ela eo fotsiny.



Fantatrao ve kay ny Didin'Andriamanitra hoe "aza mamono olona"? Ka na naninona izy na naninona, zonao ve ny mamono azy? Sa raha sanatria misy olona marary ao aminareo dia avy ianao hamono azy avy hatrany?

Tsy sanatria pub, fa any Italie no misy azy, aiza no ahafahanay Kristianina Katolika aty Madagasikara hahafantatra izay mitranga any momba azy? Isaorana be dia be tokoa ireo mpanao gazety sy tompona radio sy télé manana fahafoizan-tena handefa ireny vaovao ireny mivantana, ahafahan'izao tontolo izao miondrika am-panajana eo anatrehan'ny vatana mangatsikan'izany Ray aman-dreny lehibe nahavita be hoan'ny tany tontolo izany.

40. andansonia ( 05/04/2005 07:44)
Ho an'i xxx, aza omenao tsiny ny katolika raha mankato ny papa satria izy no dimbin'i Md Piera, nomen'i Jesoa fahefana hitondra ny eglizy aminy.
Azo ny mpitsidika rehetra na hatramin'ny tsy mpino aza hidirana ny ao Vatican, mandoa fidirana ohatran'ireny mitsidika musée na parc ireny ianao dia mihaino sy manaraka ny guide. Misy ny faritra tsy azo ihoarana noho ny resaka sécurité mazava ho azy. Raha misy secret na zavamiafina ao, ohatran'ny fanjakana rehetra manana ny secret ny izy f'izany ve ataonao hampaninona ny finoanao.
Raha manaja ny Masina Maria ny katolika dia aleo ho azy izany.Ny angatahana aminao dia mba hajao fotsiny ny finoan'ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095