Vaovaon'ny Papa mivantana avy eto Roma

1. hery ( 02/04/2005 09:53)
Samy efa mandre angamba isika fa ao anatin'ny androny faramparany ny Papa Joany Paoly II amin'izao fotoana izao.
Indro alefako tsikelikely eto ny vaovao ho an'izay tsy afaka mahafantatra izany. Ny sources dia ny radio sy ny gazety eto Roma.

11:20 Niteny i Cardinal Ratzinger fa mahatsapa tsara ny Papa fa andalam-podiana any amin'ny Ray. Nanao ny veloma farany ny Cardinal Ratzinger izy.
2. hery ( 02/04/2005 09:57)
11:33 Nilaza indray ny mpitondra tenin'ny Vatican Joaquin Navarro Valls fa miharatsy dia miharatsy ny fahasalaman'ny Papa. Nolazainy ihany koa fa mbola tsy en coma ny Papa amin'izao fotoana izao. Mbola misokatra ny masony. Mbola mihetsika kely izy rehefa miresaka momba azy ny manodidina azy.
Hiverina hilaza momba ny Papa ny mpitondra teny offisialy Navaro Valls rahariva amin'ny 17h30







3. hery ( 02/04/2005 09:59)
Iza avy no miaraka amin'i Papa ao amin'ny efitra misy azy?
Androany maraina dia ireto olona ireto no tao. Ny sekreterany anakiroa (mandray ny sorany farany). Masera telo (infirmières). Dokotera Buzzonetti (dokoterany manokana). Ireo no tena mijanona ao anefitra fa misy mandalo mamangy.
4. hery ( 02/04/2005 10:03)
Efa manomboka apetraka eo amin'ny Place St Pierre (Manoloana ny Bazilika) ny estrade lehibe fampiasa rehefa misy fivoriambe. Marihana fa alina tontolo dia nisy olona maro be nivavaka hatrany teo amin'io toerana io.
5. hery ( 02/04/2005 10:26)
12:07 Mbola mahafantatra olona ny Papa tamin'ny maraina raha ny fahitana ny fihetsiny no jerena hoay i Cardinal Silvestrini.
6. sipagasy ( 02/04/2005 10:38)
misaotra anao mampita hatrany ny toe-javatra misy any e! :-*
7. welie ( 02/04/2005 12:31)
merci hery!
8. welie ( 02/04/2005 13:24)
AFRIQUE / MADAGASCAR - La prière de Madagascar pour le Pape Jean Paul II

Antananarivo (Agence Fides) - « Depuis que le Saint-Père est hospitalisé, dans toutes les paroisses d’Antananarivo il y a une Neuvaine de prière pour le Pape » déclare à l’agence Fides le Père Cosimo Alvati, directeur de Radio Bosco d’Antananarivo, Capitale de Madagascar. « Les auditeurs de la Radio téléphonent sans cesse pour demander des informations sur les conditions de santé du Pape Jean Paul II. Le Saint-Père est une présence continue dans nos retransmissions. Par exemple, on prie pour lui au moment de la prière retransmise quotidiennement par la Radio. Nous informons nos auditeurs sur les conditions de santé du Saint-Père, par les 5 édictions quotidiennes en malgache du journal parlé ; il s’y ajoute les éditions en français de Radio Vatican, reprises par notre Radio ».
En outre, durant la semaine, nous avons deux autres rendez-vous fixes importants avec nos auditeurs, auquel le Pape ne peut manquer. Le premier est la Messe dominicale consacrée aux malades, durant laquelle de nombreuses personnes prient spontanément pour le Pape. Nous avons enfin deux émissions hebdomadaires d’approfondissement religieux, une consacrée à l’Eglise locale, et une autre à l’Eglise universelle ; il y a une place spéciale consacrée à la situation du Saint-Père, conclut le Père Alvati. (L.M.)
(Agence Fides, 8 mars 2005, 19 lignes, 217 mots)

9. hery ( 02/04/2005 14:49)
16:34 Mihoatra ny 30.000 ny olona ao amin'ny Place Saint Pierre. Araka ny fanambarana dia hisy Raozery lehibe amin'ny 9 ora alina eo amin'io toerana io ihany. Najanona daholo ny ady baolina kitra eto Rome ho fiombonam-panahy, vatana sy saina amin'ny Papa Joany Paoly II.
10. mimich ( 02/04/2005 15:18)
misaotra an'i Hery nampita vaovao
11. hery ( 02/04/2005 16:03)
17:36 Gaga daholo ny dokotera izay mifandray amin'ny mpitsabo manokana ny Papa noho ny mbola mahavelona azy. Mahery ny fony.



12. chipie1 ( 02/04/2005 16:16)
^:^
misaotra any i hery
13. lilie76 ( 02/04/2005 16:29)
misaotra an'i Hery amin'ny fanomezana vaovao momba an'i papa Joany Pauly II amin'ny alalan'ny site
14. maditra ( 02/04/2005 21:02)
9:35> maty ny Papa! Matory ampilamina ny sainy, mino aho fa nanana filaminan-tsaina tahaka ny an'i Kristy Tompo teo ampialana aina ny Papa ka mety niteny tamin'ny Ray hoe " Tanteraka ny zavatra rehetra"!
15. maditra ( 02/04/2005 21:03)
9:35> maty ny Papa! Matory ampilamina ny sainy, mino aho fa nanana filaminan-tsaina tahaka ny an'i Kristy Tompo teo ampialana aina ny Papa ka mety niteny tamin'ny Ray hoe " Tanteraka ny zavatra rehetra"!
16. tsondjo ( 03/04/2005 07:02)
Mandria am-piadanana ianao ry Pape Joany Paoly II :cry: alahelo mandalo ihany ny anay fa efa tafahaona @ Tompo ianao izao.
17. Manon ( 03/04/2005 07:57)
misotsa an'i hery:
mampalahelou tokoua fa lasa i Pape , paix à son âme, be reou zavatsa vitany era-tany , aujourd'hui à 18h30 toutes les eglises vont sonner leurs cloches en mémoire du Pape .
18. hery ( 03/04/2005 12:54)
Tsy afaka nanohy teto intsony aho fa nandeha tany @ Place St Pierre. Dia tany izahay no nilazana fa maty ny Papa. Tamin'ny 21h37 izy no maty ka rehefa vita ny Raozery natao izay vao nolazaina ny olona rehetra (21h50). Tehaka naharitra (Fanaon'ny Italiana rehefa manome voninahitra ny maty) sy fahanginana no nanaraka an'izany. Rehefa avy eo dia nisy filazana kely momba ny programa alahady. Tsy mbola niala anefa ny olona rehetra na dia nisy aza ny tso-drano... ka dia nanomboka indray ny fotoam-pivavahana. Velona ny lakolosy lehibe indrindra tao Vatican. Rehefa vita ny vavaka sy ny tso-drano farany dia nomen-dalana izay afaka mody. Tamin'ny sasak'alina latsaka kely dia nody ny olona sasany fa betsaka ny nijanona tao antoerana.
Androany maraina dia nisy lamesa izay tsotra dia tsotra. Tsisy voninkazo, vitsy ny hira natao, sns...
19. hery ( 04/04/2005 15:48)
Raha manana connexion matanjaka ianao dia azonao atao ny mijery ny sarimihetsika eto ambany

Jereo eto

Nahitsin'i hery

Nahitsin'i hery

Nahitsin'i hery
novalian'i hery ny 04/04/2005 15:52
20. felampaiso ( 06/04/2005 10:31)
hery sy izay namana afaka mamaly : marina tokoa ve fa nametraka taratasy ny Pape ( testament ve ?) izay METY hanondroany ny olona handimby azy , ary azon'ny Pape atao ve izany , dia io olona io izany no mety holanian'ireo kardinaly mpifidy ? Misaotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2573