"Ny MARINA sy ny FINOANA"

21. dadabe ( 04/04/2005 15:27)
:) :) :)
22. fijo ( 04/04/2005 21:21)
ny finoana tsy voatery ho marina.mitombina tokoa izany.ohatra i jesosy dia zanakandriamanitra.io tsy marina nefa dia maro ny mino azy.
ny marina tsy voatery hinoana.ny marina rehetra tsy voatery hinoan'ny olona.ohatra ny nahatongavan'ny olona teny amin'ny volana dia misy tsy mbola mino nefa dia marina io.
ka sia samia mandray ny tandrify azy.
23. jentilisa ( 05/04/2005 08:32)
fijo:

Ohatra i jesosy dia zanak'Andriamanitra.Io tsy marina nefa dia maro ny mino azy.
ny marina tsy voatery hinoana.ny marina rehetra tsy voatery hinoan'ny olona.ohatra ny nahatongavan'ny olona teny amin'ny volana dia misy tsy mbola mino nefa dia marina io.
ka samia mandray ny tandrify azy.

He! he! he! izay ahay vao misy iadian-kevitra. Nahoana no diso ary ny hoe jesosy zanak'Andriamanitra? Eo ary isika! Nahoana no disoina tsotra izao ny finoanay nefa izany ary efa mivandravandra amin'ny boky famakinay manambara izany?
Manaraka izany dia ilay olona efa tonga teny @ volana aloha dia diso tanteraka e! tamin'izany ny fiaingana teto an-tany ary nanahirana sy mila hahafaty izay mandeha sambondanitra hatrany koa eritrereto hoe dia tsotsotra ve ny niaingan'ny sambondanitra avy teny @ volana raha tonga teny aza izy? Nataon'ny Amerikana ireny mba "hisongonana" ny Sôvy izay nahavita niodina ny tany voalohany. Raha tafaverina tsara teto an-tany tsy naninontsy naninona ilay sambondanitra mety ho azo haverina ihany fa ilay nilatsaka para kosa! tokony ho tsy tafaverina tety an-tany intsony izay nandeha tamin'ireny! eritrereto ange!



24. haingo23 ( 05/04/2005 08:34)
Izaho aloha dia tsy hiteny raha tsy mazava ny sehatra iresahana e!
Ny azoko lazaina fotsiny dia izao : raha fivavahano no horesahina dia tsy azo iadiankevitra izay ao anaty baiboly raha mbola kristiana, fa raha tsy kristiana dia hafa ny fipetrany
25. dadabe ( 05/04/2005 08:49)
haingo >zay mihitsy ,zah kounkou tsy hiditra raha tsy mazava klou ny sehatra e
26. mandrindra ( 05/04/2005 09:33)
dadabe, azatsiny zokibe fa dia afindra ho an'i pitchou ilay fanamarihana.
jentilisa, ny boky vakianareo no milaza hoe zanak' andriamanitra ilay jesosy. Mba omeo hoe ny fanoritana izany atao hoe zanaka? Ilay boky vakinareo koa milaza hoe josefa sy maria ny RAD. Manana dada roa izany ranamana io? Dia mbola ilay boky ihany koa no milaza hoe nisy izany arkanjely gabriely izany nampitoejaza an'i Maria. Lasa telo indray ny dadan'i jesosy? Fanina aho fa ampio e.
27. routa ( 05/04/2005 10:10)
mandrindra> inona daholo zany e?
io ry reto fa sao lavo eo a! tohano ny namana.
28. haingo23 ( 05/04/2005 11:00)
mandrindra> asa aloha na kristiana ianao na tsia. Tsy mety angamba raha teny toy ireo no avoakanao milaza ny baiboly sy ny fanaovana tsinotsinona an'ilay Jesosy izay maty ho an'ny olona rehetra.
Tsy ny fanontaniana no mahatezitra ahy fa ny fomba fiteny (jesosy ve dia lazainao hoe Ranamana ?
Mampatahotra ahy ianao raha toa mba kristiana !!!
29. dadabe ( 05/04/2005 11:23)
ahan !zay fa manomboka hhmmm
30. sonwin ( 05/04/2005 16:43)
Ny marina marina foana na hino iza na tsy hino iza, ny marina mijanona ho marina na hanaiky iza na tsy hanaiky iza, ny finoana indray samy manana ny mahasoa azy sy eken'ny sainy ho marina. Ny finoana tsy misy afaka milaza hoe diso satria samy manana ny marina araka ny fiheviny.
31. pitchou ( 05/04/2005 18:18)
mandrindra> ny sehatra ahoana no afindranao aty? efa we na iza hiteny anao na iza dia izay latsa-paka ao am-ponao ihany no inoanao fa marina, namarina iny na diso! d iny inoanao iny foana no mahasambatra anao. na dia fanta-poko fanta-pirenena aza fa tsy marina iny, mamono sofina fotsiny ianao! Ohatra ange hoe ilay olon-tianao hamoizanao ny rehetra, misia manaratsy eo raha tsy izy no ataonao mahita faisana e! aminao iny ihany no manana ny rariny sy ny marina.
izay no dikan'io lazaiko eo ambony io!
32. sonwin ( 06/04/2005 11:31)
pitchou manana hevitra milay an
33. pitchou ( 06/04/2005 12:35)
tssssss! milay ngah!
34. librepenseur ( 06/04/2005 12:40)
haingo23> ato amin'ny dinika misy ny fivavahana sy finoana no nametrahako ity lohahevitra ity...
35. mandrindra ( 06/04/2005 14:08)
haingo23, raha ny hoe ranamana no mahatezitra anao dia toy izao no fijeriko azy. Ny finamanana dia ao antin'ny firahalahina, rehefa mamonjy fivavahana frantsay ianao dia "tu" no hiresahany amin'i jesosy amintsika malagasy koa dia toy izay "ianao" ( ny vous @ malagasy dia ianareo). Koa mitodika aminao kristiana aho tsy sakaiza sy rahalahy (na anadahy)akaiky anao ve i jesosy? Raha eny ny valin'io dia tokony ho namana izany izy koa izay no nampiasaiko io teny io fa tsy hoe fanaovana tsinotsinona. Ka ialako tsiny ihany raha nahatohina anao raha toa tsy azonao ilay izy. Ny votoatin'ny fanontaniana moa dia tsy miova.
pitchou, ny sehatra inona no lazainao nafindrako fa tsy azoko? Raha ny hoe latsa paka ao am-po aloha no inoana fa ho marina dia tsy mitovy hevitra isika. Amiko ny saina no manavaka ny marina sy ny tsy mety fa ny fo. Ny saina afaka mieritreritra dia miova hevitra rehefa avy mamakafaka, fa ny fo kosa dia entanentanin'ny zavamisy fotsiny ka miteniteny foana indraindray.
Ary io no mbola fiainan'ny malagasy ankehitriny mieritreritra amin'ny fo fa tsy amin'ny saina (izaho aloha mbola voa ihany indraindray, ary tsy amin'ny resaka fivavahana fotsiny no hilazako an'io fa ny fahamarinana)
36. pitchou ( 06/04/2005 18:34)
mandrindra> ny manamafy saina sahala @ ahoana aza ny olona iray, raha vao miteny ny fo dia mamitsaka ny saina! na iza miseho azy ho mazana, na iza miseho azy ho mahay sy fatsora (ay! azafady fatsora, fa enao moa tsy eto), dia mbola voabaikon'ny fo ny saina rehefa tsy tantin'ny fo ilay ataony! andramo moa!
37. mandrindra ( 07/04/2005 08:06)
pitchou, omeko ohatra iray ianao, ny safidin'ny fon'ny olana iray eo amin'ny finoana dia kristiana. Ny safidin'ny fony eo amin'ny fitiavana lehilahy na vehivavy sahala aminy. Tsy azo ampiarahana ireo. Rehefa andray fanapahankevitra izy dia hametraka fanontaninana amin'ny teniny hoe inona no metumety aminy kokoa dia ny saina no misafidy izay tian'ny fo. Ny saina izany no mibaiko fa tsy ny fo. Raha ny amin'ny finoana sy ny zavatra rehetra tsy azo tsapaintanana aloha dia marina ny anao fa manana anjar atoerana lehibe ny safidin'ny fo. Fa ny saina ihany no mitarika ny lalan'ny zanak'olombelona satria io no mibaiko izay fihetsiny rehetra.
38. librepenseur ( 07/04/2005 08:29)
mandrindra> marina ! saingy raha hitarina lavidavitra dia mety ho diso ilay safidin'ny fo ary tsy hahalalana ny fahamarinana.
39. pitchou ( 07/04/2005 19:42)
eritreritry ny saina ny hoe izy no mibaiko! andramo ange tereo ny sainao hoe tsy io vadinao io no tianao fa iry olona tsy tianao maizina iry e! mety ve? na hoe tsy tianao mihitsy ilay olona tena tian'ny fonao?
adinonao angaha fa ny fitiavana no ambony indrindra? ary ny fitiavana dia tsy an'ny saina fa an'ny fo!
40. mandrindra ( 08/04/2005 09:47)
Ny saina dia tsy terena, mamakafaka ny hevitra izay omena azy izy. NY fo izany amin'ny ohatra omen'i Pitchou, dia mandefa hevitra roa any amin'ny saina, ny voalohany dia hoe tiana ny vady, ny faharoa dia hoe ankahalaina ilay olona iray. Dia efa saina tsy mieritreritra mihitsy raha andeha hitia izay ankahalaina. Raha misy zavatra roa samy tiana'ny fo ohatra dia misafidy ny saina hoe iza no tsaratsara kokoa. Ny fo tsy mieritreritra fa maneho fitiavana sy fankahalana, anjaran'ny saina no manadihady sy misafidy izay lalana tokony arahana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5736