violence conjugale à Mcar

21. pitchou ( 03/04/2005 18:18)
kally> hevero an-tsaina ange kally hoe ramatoa iray miasa mafy hamelomana ny zanany d mbola tedavin'ilay rangah alaina ihany iny mba vola kely azony iny isotroany toaka sy ividianany sigara. Ary satria tsy manaiky le ramatoa d darohany. Mendrika ny ho darohany izany le ramatoa hoy enao an? satria mampi-te-hidaroka azy fa tsy manome le vola (nilofosany hamelomana ny zanany) hisotroany toaka? izay isan'ny le toetran'ny vhv mampi-te-hidaroka o? tsy cas isolé io fa iainan'ny mpiara-belona isan'andro!
miasa koa le ramatoa, ka samy reraka vao tonga ao an-trano, d mba nandeha nandro aloha d nivoaka avy tany voadaroka satria tsy tonga d nivantana tany an-dakozia fa ramose reraka avy niasa sady noana! mampi-te-hidaroka koa le ramatoa !!! io ndray d mpitranga eto @ mpifanolo-bodirindrina, nampiomehy taloha saingy mampi-te-hidaroka nony mitranga matetika loatra! tena rariny raha darohan'ilay rangah kosa aloha le ramatoa e! nahoana izy no miseho vizana na dia avy niasa tany am-piasana aza?
22. kally ( 04/04/2005 12:38)
pitcou>Tsy azonao ny zavatra lazaiko!raha nandinika elaela ianao dia nahazo azy!!!
23. pitchou ( 04/04/2005 19:26)
ko ataovy mazava aza ko! satria ny anao toa ny voa indray no omenao tsiny ko!
24. solamirandrana ( 05/04/2005 07:32)
Ny olana eto m/car d izao mahantra ny gasy ka ny hakamaroan'olona d lasa mivarilavo @fisotrohanana sy(na)fifohana zava-mahadomlina ary rehefa mahazohazoavy any rangahy d matetika manao fihetsika tsy voahevitra.
25. haingo23 ( 05/04/2005 12:08)
Na aiza na aiza dia misy foana io violence io fa ny isanjatony angamba no samy manana ny azy. Betsaka ny forme violence fa raha azoko tsara dia ny midaroka no voalaza eto.
Tsy fantatro aloha izay statistika sy fanadihadiana efa natao fa vitsy ny malagasy sahy hanambara ny ao antokantranony na inona zava-misy ("tokantrano tsy ahahaka")
Maro ny antony ary anisan'izany ny tsy fandeferana, ny tsy fanajana (@ lafiny rehetra). Eo ihany koa ny toe-tsaina tsy mandinika,...

Tsy fantatro aloha izay betsaka na lhl na vhv fa rha ny hita ety ivelany dia ny lhl no mpamono vady be. Ny vy anefa tsy mikotrana irery fa ao raha!!!!
26. pitchou ( 05/04/2005 18:00)
haingo> marina izany saingy matetika ny lahy rehefa tsy manao ny sitrapony ny vavy d efa lasa izao na ny teny tsy voahevitra na ny daroka ho an'ny sasany!
27. fijo ( 05/04/2005 21:46)
avelao izy handaroka e.mivavaha fotsiny dia avelao ny helony.hi hi hi
28. pitchou ( 06/04/2005 12:03)
fijo> mbay kosany! fa raha manaiky ny hivavaka elà d ho hita eo indray ! :)
29. fijo ( 06/04/2005 22:32)
ka efa hoe mamela ny helony fa tsy fantany izay hodarohany ko.
30. pitchou ( 07/04/2005 19:14)
info ho an'ilay nitady stat tery ambony:
nisy sondage natao vao nivoaka t@ vaovao omaly, fa ny aty mada, 28% ny vhv iharan'ny herisetra ao anatin'ny tokatrano, raha 8% ny ny lhl. Ny antony dia zavatra mampi-te-hidaroka tokoa hoy ny sasany ery ambony ery: siran-daoka, sakafo may, ankizy, satria mivoaka mandeha miasa, ny firaisana ara-nofo eo amin-drizareo! saika adinoko: noho ny fari-pahaizana na diplaoma ambany noho ny an'ny lhl ao an-trano!
ny tombatombana dia mihoatra noho izay io taha io satria ny vhv gasy hono tsy sahy miteny izay mahazo azy (noho ny tokatrano tsy ahahaka sa matahotra daroka?)
31. fijo ( 07/04/2005 21:43)
siran daoka kosa ve nama dia hidarohan.leeeeee asina sira velona vovony dia vita kabary.
mivoaka mandeha miasa?ka tsy hiasa izany ny vady?
32. domoiina ( 08/04/2005 07:50)
ka inona zany tokony hianatra hiady ny vhv zany?? self defense :-D
33. kally ( 08/04/2005 17:27)
Ny antony hilazako fa "manana toetra mampi-te- hidaroka "ilay vehivavy,dia io toetra tsy manohitra,tsy miteny,tsy mahalala manao hoe aok'izay io dia vao mainka mampitombo ny fahabibian'ny mpidaroka,ka izay no nilazako he tsy mandinika lavitra i Pitchou,ary ireo vehivavy na lehilahy voadaroka ireo koa anie raha hitseranao lava dia vao mainka migoreraka fa tsy mba mihoitra e! masiaka ny fomba fijeriko fa saingy mila fohazina kely koa ianareo voadaroka ireny matetika mba hahatsapanareo hoe hatraiza no mbola hiaretana hijanonana ao.Raha tambatambazina sy hitserana lava mantsy tsy mihetsika mihitsy.
34. sonwin ( 08/04/2005 17:40)
:-D :-D
35. pitchou ( 08/04/2005 18:18)
kally> ze ilazanao azy anao, fa izaho manohitra ny violence indrindra ao anatin'ny tokatrano tsy hamporisika an'iza hidaroka ny vadiny mihitsy satria we izy tsy nikiakiaka rehefa nodarohana! sanatria! ary raha voatery tsy maintsy hisy darohana eo, minoa enao fa tsy ilay voadaroka mihitsy ny ahy no hodarohako fa ilay nidaroka, @ zay fantany hoe sahala @ ahoana izany voadaroka! marina ny teninao hoe tsy mahita lavitra otranao aho satria izaho mitsetra ny olona iharan'ny tsy rariny fa tsy mba mandetika olona iharan'ny tsy rariny otranao izany! betsaka ny antony tsy ahafahan'ny vhv voadaroka miteny na manohitra fa tsy ivalamparana eto izany.
fijo> ka izany aza hoy ny stat no ataon'ny lhl gasy ko! sady tsy manao no fainga-tanana
36. kally ( 09/04/2005 10:53)
pitchou>ndao ary fa lalana e!
37. mishou ( 09/04/2005 11:25)
Tsy mbola niharany nareo rehetra dia mahay miteny sy manome tsiny daholo
Fa raha resaka drogue no mahatonga ny violence conjugale dia ho tsapanareo fa sady tsy fahadisoan'ilay mamono vady fa izy drogué, tsy fahadiasoan'ilay voavono koa fa satria tsy voatery ho nahasosotra izy no nahatonga azy ho voavono.
Ary io zavatra io any dago tsy mbola misy vahaolana fa raha hitan'ny eo an-tanàna ianao fa vonoin'ny vadinao dia hoy ny olona hoe affaire na mpivady io fa aza hidirana. Raha mankany @ polisy ianao dia milaza ny polisy fa tsy misy azonay atao fa dia mankanesa any @ tribonaly fa affaire na mpivady izany ka manahirana.
Mankany @ tribonaly ianao dia hoy ny filohan'ny fitsarana hoe, mihavana raha azo atao fa be loatra ny taux de divorce.
De victime eo foana ianao ary ilay mpamono koa amin'io isaky ny mihetsika hadalana dia manao ny ataony foana.
sady amiko tsy hoe rehefa mahasosotra anao ny vadinao dia mendrika ho azy ny hahazo famaizana. Atero mody izy dia maka vaovao indray fa maro be ny tsara noho izy. Ary ny olona rehetra amiko na tsara toetra na ratsy toetra dia mendri-panajana daholo. Na dia hitako aza hoe marobe ny gasy manome rariny ny mpanao ratsy satria mamaly faty izy na manafay izay nanao ratsy taminy. Indraindray aza ny reglèment de compte miafara @ vono olona mbola eken'ny sain'ny gasy satria mendrika izany ilay iray. Mbola misy barbarisme ihany izany amiko.
38. dadabe ( 09/04/2005 14:16)
miala tsiny aho fa tsy miady @piesiko ny resaka lalana :roll: :roll: :roll:
39. iartistika ( 09/04/2005 18:11)
dadabe>fa in no tena miady am piesin'là??
40. sonwin ( 10/04/2005 13:10)
ny an'ileiry mitanisa toko sy andininy amin'ny baiboly ihany no miady amin'ny piece-ny :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2467