epinard sy hena

1. rurik ( 11/03/2005 14:21)
Asa raha efa nandramanareo ny nahandro epinard sy hena izaho dia nanao fa tena matsiro,tsy dia mahita anana loatra eto aminay dia nanandrana aho fa tsara mitovitovy @ anamamy, azo hatao ro mazava koa(tsy ilay voatoto fa ilay raviny) :P
novalian'i rurik ny 16/02/2006 10:29
2. booboo ( 11/03/2005 14:28)
ny anà asiako crème liquide/semi liquide foana (refa akaiky ho vita iny )fa raha vao tsy zay dia matsatso velona amiko.
3. rurik ( 11/03/2005 14:33)
ataonao ahoana ny fanao azy mba handramana
4. booboo ( 11/03/2005 14:52)
ny hena grillé-na no fanaovako azy. Ny épinard ohatra ireny fahandro anana tsotra ireny ihany, tsy asiako vôtabia fotsiny, dia rehefa ho masaka sy ridritra dia zay vao arotsaka ilay crème. Server-ko mitokana aby izy sy ny hena. dia zay fotsiny hihihihi.
5. cheboman ( 11/03/2005 15:13)
na ilay hena koa soloina cocktail de fruits de mer
6. iartistika ( 11/03/2005 17:11)
Mampiakatra tension haingana be ny epinard fa tandremo.. :roll: :roll:
7. Maxou ( 11/03/2005 19:09)
Tsara ny mifanakalo hevitra indrindra fa @resaka sakafo ho antsika vehivavy,tena tsara aloha e! fa ny ahy rehefa manao dia sady asiako kotomila hoy ny gasy izay , ny kotomila no afangaroko amin'ny tongolo lay efa voatoto tsara de arotsaka amin'ny hena sy épinard efa masaka iny ,izany hoe avela handevy eo amin'ny 2 min fotsiny avyeo de aroso amin'izay . :P
8. booboo ( 11/03/2005 22:36)
inona kay ilay tongolo lay :oops: ?
9. kally ( 12/03/2005 09:53)
Booboo> arak'izany anarany izany e! tongolo lay(l'ail) :lol:

Hazavao tsara hoe ny fandrahonareo azy fa izaho tsy mety tia mihitsy fa ohatry ny malamala miboledaka ohatry ny ravim-bomanga izany sa atao mantamanta ve sa ahoana?
10. kinaoly ( 12/03/2005 11:36)
kally> tsy atao masaka be fa avela mentsomentso tsara :^)
11. chipie1 ( 12/03/2005 19:40)
mazotoa nareo ô! :-D
12. Manon ( 13/03/2005 07:16)
iartistika:bola tsy nahenou anizany jay zah nefa ny ankizy oumena fona epinard de lasa matajaka otsany "poppey" hihihi , be "fer" be hounou ne epinard .zah jay ny tikou minana anazy de efa masaka de asina jaune d'oeuf sy crême fraîche de ataou anaty four.na kou juste beurre foutsiny.Efa ninana kou zah sur une crêpe de asina viande hachée et 1 oeuf au plat hummmmmm.ajamou ge e!
13. kally ( 13/03/2005 07:41)
Manona> mamely be gaha ny sery any abinareo no sady avy eny Anjammanalina an!

Kinaoly>Nandramako mantamanta fa e!e!e! angamba izaho mihitsy no tsy tia kah! misaotra fa mbola hanandrana ihany aho e!
14. iartistika ( 13/03/2005 12:08)
manon:tena resaka vrai io,ny ankizy ange tsy hypertendu eh!
kally:tsy voan'ny sery fa manamaina :-D :-D =))
15. routa ( 13/03/2005 13:32)
hay tena tahaka ny tena matsiro ko zaho manko tia rou mazava zay hiany ka raha mitovy @ roun anamamy de tiako ataoko de lazaiko eto ny fihinako azy ary hono hoaho raha asiana votabia ve lasa ratsy toa efa zatra manisy votabia aho knou?
16. booboo ( 14/03/2005 01:31)
nanandrana zà in-1 fa ohatra mahita ravitoto misy voatabia zany dia tsy tiako
17. bichette ( 14/03/2005 13:47)
routa > ny voatabia tsy dia tsara ho an'ny fahasalamana rehefa atao saosy amin'ny lôka ireny fa maha voan'ny "goutte", raha azo atao dia aza dia asiana loatra ny sakafo
18. rurik ( 14/03/2005 18:39)
dia mazotoa homana daholo ary é :P :P :P
19. fijo ( 14/03/2005 23:16)
tsy tia anana indray i kally an.mitovy amin'ny anamamy sy ravimbomanga izy io ka izay no hitiavako azy.tsy atao masaka be.raha henomby fa raha henakisoa no miaraka aminy tsy maninona raha atao masaka tsara fa ritina
20. haingou ( 18/03/2005 09:17)
Za ndray nanandrana mba natao tamin'ny hena fa otrany mangidy sady manaiky tenda izany le epinard. Tsy tia tsony aho mandrak'ity ny androany, Sady tsy te hanandrana tsony. Sa ny fandrahoako azy angaha no tsy nety. Fa izy kosa aloha tsy mitovy amin'ny anamamy e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3942