vakodrazana, tsy hita intsony

1. mahajilo ( 30/01/2005 18:23)
samy variana amin\'ny dihy avy any am-pita...Inona no tokony hatao?
novalian'i tsangana ny 09/09/2005 20:56
2. kavitra ( 30/01/2005 18:31)
mandehana any ambany vohitra dia mahita vakodrazana fa raha antana ndehibe dia tsy dia be mpakafy izy ireny nefa io no nampalaza ny malagasy any ivelany ka ny azo atao dia ny mitrandraka azy any ambanivohitra
3. chipie1 ( 30/01/2005 20:19)
nga tsy misy tsony teny anosy ?
4. ikaretsaka ( 30/01/2005 20:38)
ary @ kianjabean\'i isotsy kao toa mbola misy ko
5. lo ( 31/01/2005 03:58)
efa ela2 no tsy nisy tsony tamreo toerana 2 reo rah ny fitadidiako, misy iany nefa ny tarika izay mbola mamelomaso io karazan-javakanto io.

Rah mba hitan\'i naritsimba ity lohahevitra ity d izy no afaka hiresaka bb kokoa momba ny vakodrazana :)
6. naritsimba ( 31/01/2005 05:41)
Salama daholo eh!

Tena tsara tokoa ity lohahevitra iray ity na dia efa noresahina tany aloha ihany aza dia tsara ny fiverenany eto indray.
Raha ny vako-drazana manokana no resahina dia misy dia misy tokoa no manao azy io ary ny tenako dia anisan\\\'ny ao anatiny tsara tokoa.
Raha ny eto an-drenivohitra aloha no resahina dia vitsy ireo tarika izay azo lazaina hoe manao azy izay tarika telo ihany no fantatra: Ny Tarika Voninavoko sy ny Zaza mandimby izay eo ambany fitarihan\\\'i Dadagaby, ary ny Tarika iray fahatelo dia ny Hanitra Nentin-Drazana izay miankina @ Fiangonana kosa izay Tarika manao ny vako-drazana ka entina mitory ny filazantsara( efa maro ihany ireo namana tato no nahita ity tarika ity) izay nandray anjara t@ fankalazana ny faha-5 taonan\\\'ny namanaserasera.
Raha ny zava-misy no jerena @ maso tsy miangatra dia nihena tokoa ny isan\\\'Tarrika mpanao vako-drazana teto Antananarivo na izany aza anefa dia miezaka ireo tarika 3 hany mbola mijoro manao izay hanapariahana ity kolon-tsaina iray ity. Ary vao haingana no nifankahita izahay mpitarika ireo Tarika telo ireo ary afaka miara-miasa tsara na dia misy aza ny fahasamihafana eo @ Tononkira dia iraisana kosa ny dihy izay atao sy ny fomba fitafy.
1-Ilay filazana hoe tsy be mpankafy loatra raha ny eto an-drenivohitra dia marina izany @ lafiny iray kanefa ny toe-tsaina no tokony hiova isika Malagasy mba tsy ho taitran\\\'ny hira sy ny kolo-tsaina vahiny.
2-Ny olana faharoa ihany koa dia eo @ lafiny fanohanana, matetika raha misy ny fampisehoana dia mavesatra loatra @ mpanao vako-drazana ny sara izay alaina rehefa hiakatra na hiseho sehatra nefa ny fandraisan\\\'anjara dia tsy maintsy atao mifanaraka @ izay takatry ny olona.
3-Noho io antony faharoa io dia sakana ho an\\\'ny mpanao vako-drazana ny rasa-bola satria tsy mba tahaka ny tarika mpanao hira hafa izy ireo fa maro ny mpikambana ao anatiny fara-fahakeliny ny tarika iray dia manana mpikambana 15 hatramin\\\'ny 20 ary ny zava-misy dia fitiavana no anaovana azy fa tsy fitadiavam-bola, ilaina izany ny fanohanana ara-bola, raha ny akanjo dia tsy maintsy itovizana, nefa raha miseho sehatra in-1 mandeha izahay dia tsy maintsy miova fitafy in-droa noho izany tsy maintsy mianto-tena ny tsi-1 1 fa raha tsy izany dia rava ho azy ny tarika.
4-Raha izahay manokana dia tsy mba mikarama rehefa mandeha fa izay atolotry ny olona manasa anay dia raisina satria asa fitoriana no atao izany kosa dia tsy manakana ny fiaraha-miasa @ izay rehetra te-hiara-hiasa(fiangonana, fikambanana, fokontany, antoko pôlitika sns sns ...)
5-Koa raha io filazan\\\'ny Mahajilo io no jerena dia isaorana sahady izy satria mitombo ihany izany ny mpankafy ny vako-drazana Malagasy. Isaorako eto ihany koa i Yonikafopl izay miezaka ny mampiseho ny vako-drazana Malagasy any @ Toerana izay misy azy any am-pita any.
Isaorako eto daholo ianareo izay efa nanoratra sy mbola hanoratra ato anatin\\\'ity resaka momba ny vako-drazana ity. Koa dia manantena ny fanohanana ataonareo @ vakoka Malagasy ka tsy ho ny vako-drazana ihany fa ny vakoka rehetra mihitsy.
Indro misy Tononkira izay atolotra ho antsika rehetra dia samia maka lesona:

HANITRA NENTIN-DRAZANA

Hilalao e ! hilalao a ! (2)
Hilalao e ! no alehanay , hilalao a!
Ka tianao ve ny mba ho namanay, hilalao a!

Raha ny Hanitra Nentin-Drazana
No lazaina aminao mitazana
Dia tsy mba mpanavakavaka
Taona maro no niasany
Namafazana tamin’ny tany
Tsy kivy fa mbola miasa hatrany

Toriteny sa fetim-bavaka
Toro hevitra sy anatranatra
Vonona lalandava izy
Fanentanana sa lanonana
Fetim-bokatra any am-piangonana
Sanatria aminay ny hitsoaka adidy.

Ny kabary sy ny hiragasy
Dia hainay e!
Vako-drazana Malagasy
Dia hainay e!
Tsy mba fomba nalaina tahaka
F’efa lova navelan-drazana
;.;Ka zaraina aminao mitazana
Izany no Hanitra Nentin-drazana;.;

Hirahira sa kilalao
Hainay e!
Ka ambarako aminao
Fa hainay e!
Izahay tsy mba menamenatra
Na any an-kafa na eto an-toerana
;.;Izany no Hanitra Nentin-Drazana
Ka lazaina aminao mitazana;.;

HANITRA NENTIN-DRAZANA
FAHA FOLO TAONA
2004
7. chipie1 ( 31/01/2005 08:14)
ary i Ramilison be sigara nga tsy mihira tsony ?? :oops:
8. ( 31/01/2005 14:14)
mbola mihira izy ko
vao haingana izy no nanao teny antanifotsy
9. yonikafopl ( 31/01/2005 21:39)
i Ramilisona nga vakodrazana raha tsy mpihira gasy, sa mitovy ireo???
10. ikaretsaka ( 31/01/2005 21:42)
mitovy fa tsy sahala :D
11. lo ( 01/02/2005 03:51)
tsy tena mitovy klou e, le hiragasy d ny paroles no tena mibahana, le dihy karazana fanelanelana otrany we le manao solo gitara anelanelany reny, fa le vakodrazana manana toerana lehibe ny dihy, ny karazampitafiana, ny karazana taovolo...
12. naritsimba ( 01/02/2005 07:03)
marina io voalazany lo> io fa ny vako-drazana dia ilay antsoina hoe zana-kira raha ao anaty hira gasy izy.
13. chipie1 ( 01/02/2005 08:05)
ary neveriko fa nitovy :lol:
saotra namaly
14. mihanta ( 01/02/2005 10:34)
reny tsy mba misy mlivoaka vcd ô :D
15. mahajilo ( 01/02/2005 19:28)
Ka ny toe-tsaina anie miova manaraka ny zava-baovao e! Izany hoe ny teo aloha izany hadino tanteraka, tsy hisy afaka hanova ny toe-tsaina fotsiny amizao raha tsy eo ilay zavatra azo tsapain-tanana.
16. Ramaso ( 07/02/2005 05:03)
dia ahoana raha eritreretina hoe vako drazana atao moderna fa tsy asiana aponga st gorodao fa ohatra hoe asiana DJ de synthe de gitara electronika.. fa le man-kira le vakodrazana ireny ihany??
otsan'ny country .. tsy voatery ho banjo sy sodina tsony
17. tstsn ( 07/02/2005 23:08)
Ka tsy misy mpijery mandoa rakitra intsony koa
18. booboo ( 08/02/2005 13:01)
ié sady mampiakatra ny tension an'i mamanay reny feo reny nefa izy mbô tia mijery an'ireny.
19. ikaretsaka ( 08/02/2005 21:58)
Booboo marina ny anao >> fa saingy @ zao fotoana bedebe koa ny hira manao ba gasy sy vakodrazana no lalaovina @ zavatra electrika zao ary tsara tokoa ange e..
ny afindrafindrao ange zao vako drazana fa rehefa mariazy ohatra de batteries sy gitara basy sy solo electrika no manao anazy.. nefa de misy mahavoaka azy milay...

fa tsara ko aloha le iy velesina kapobatana be @ le tropeta komavoka sy langoroana sy aponga sy lokanga sy valiha de le misy an'ilay clarinette atao miakatra avo be farak izay kely feo! ery an-tany malalaka sefa mamadika taloha e e
20. fijo ( 14/02/2005 22:31)
za manokana aloha dia mbola tena tia an'io karazan kira gasy io,raha nijery ricky aho tany farany teo dia nampihirainy ireo mpanao vakoka gasy ary niara faly ery ny olona nahita ny hatsarany.saingy ny mampalahelo dia izao.satria i ricky no nampiakatra azy dia tsara ilay izy,fa raha izy tenanany dia tsy misy nijery.izany hoe tiana ilay izy saingy takona.ka io anjaran'ny tarika toa andry dama sy ricky ireny no manampy mamelona azy io.
le resaka filalaovana azy amin'ny fitaovana moderna koa dia ombako io hevitra io,satria izay koa no mety hampiherika ny gasy hitodika hijery ny fototra niaviany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2612