vakodrazana, tsy hita intsony
21. ikaretsaka
(
14/02/2005 22:53)
samy mety daholo.. firifiry moa ny hira kaiamba na hira mande @ radio malaza no ataon'ny panao vako-drazana "zafindraony" na hira efa ba gasy be no tendrena moderna sy lokolokoina jazz?
22. naritsimba
(
21/02/2005 07:59)
Salama ô!
mba efa ela ihany aloha ny nanaovako vako-drazana.
Ny zavatra tsapa dia tian'ny olona foana izy io na inona na inona ny fitaovana ampiasaina na môderina na ireo zava-maneno tranainy rehefa mpankafy vako-drazana.
Ny olana dia matetika any @ toerana tsy ahafahana mampiasa ireo zava-maneno môderina no anaovana ny vako-drazana( tsy misy elektrisite) fa dia ankalamanjana @ izao, ary tsy takatry ny olona koa ny fanofana an'ireny sônô ireny.
T@ fankalazana ny faha 5 taonan'ny namana izao dia ny zava-maneno fanaovana vako-drazana no nanaovana ny afindrafindrao sy hira hafa fa dia miankina @ fahaizan'ny mpitendry zava-maneno no mahatsara na maha ratsy azy.
Marina ihany koa ny voalazan'ny
fijo> fa rehefa tiana io na iza na iza dia tokony hijery foana fa tsy hiandry hoe satria ricky de tsara fa raha olon-kafa dia ratsy.
Koa dia manentana antsika hanohana ny antsika eh!

23. tsangana
(
09/09/2005 20:56)
Tonga angamba ny fotoana ampidirana ny zava-kanto ho taranja ianarana toy ny taranja rhetra any an-tsekoly.Mila fikarohana anefa izany, mila manao re-evaluation ; manan-karena ny malagasy amin'ny vakodrazana, avy any avaratra ka hatrany atsimo.Saingy indrisy fa tsy misy rafi-pivelarana matanjaka sy mateza.
Tsy maintsy atomboka any an-tsekoly ny fandalinana,ny fitahirizana ary ny fahaizana mampiseho ireo zava-kanto mampiavaka antsika ireo.Ohatra ny Hira Gasy dia mila fomba vaovao hampisehoana azy amin'ny vahoaka.