noho ny finoana

1. booboo ( 30/01/2005 17:51)
Narary ny foko raha nandehandeha t@ asabotsy teo namaky boky teny an-dalana teny momba ny lapidation des femmes sy ny pendaison publique misy any Iran ( miaraka @ sary :{ :{ :{ ). Nisy ado vao 16 ans monja ary ny saziny azony dia pendaison, toy izay koa tovolahy vao 26 ans dia pendaison sy nesorina ny masony roa :{ :{
Avy eo koa nony nody dia tsaroako hoe tany Dago efa nisy koa irony mitonona ho mpiandry irony dia hoe manala devoly dia nokapohina t@ tehina ilay marary ary maty ny farany.
Dia koa ilay fisainan\'ny mpino kristiana ( efa miha-miparitaka ) any Dago hoe rehefa tsy miara-miangona aminy dia \" misy devoly \" daholo ary mahavita manakorontana ilay fianakaviana \" misy devoly \" mihitsy @ fihetsika tsy voahevitra fa ny excuse dia ny finoany, hany ka misy ny tsy mahatanty dia marary fo no hiafarany. Dia vao maika hoe misy devoly satria marary fo !!!!

Mba te hizara ny hasosorako fotsiny zà satria malahelo lôtra ny fianakaviana iharan\'ny raha tsy rariny ôtra zany zà. :(
Sôtra namaky
novalian'i sonwin ny 15/03/2005 14:43
2. chipie1 ( 30/01/2005 20:22)
mbola tsy henoko zany oe manala devoly de kapohina ny tehina ? :evil: gravy zany ka!
3. ikaretsaka ( 30/01/2005 20:27)
raha vao raisina any @ extreme ny finoana na finoana inona io na inona de tsy maintsy manondrana ohatran\'izany foana...
tsy siolamo ity fa resaka finoana diso tafahoatra koa: teo akaikinay tany tany madagasikara dia
etaninm-pinoana loatra ilay olona dia lasa ny tokatranony no tsy voakarakara (ilay zazakely tsy voa ara maso ara-pianarana sy lasa ratsy taiza) satria ny ray aman-dreniny ilay temoins de jehovah be ireny de ilaozany mitety tranon\'olona mitory dia ilay zaza anefa tavela ao. de tsisy nanaraka .. de nanao izay reviny tao..
farany moa de lasa mpifoka rongony sy mpivangabao sy mamo lava ilay zaza!
4. chipie1 ( 30/01/2005 20:38)
za ndray de mahalala temoins de jehovah tsy mety hiteraka satria oe efa akaiky ny andro farany hono :-D
5. ikaretsaka ( 30/01/2005 20:42)
ny tena nahonena dia ilay notantarain\'i Samoina tato heo nisy namandry zareo temoins de jehovah narary mafy di atsy navelandry zareo naiditra hopitaly fa nanaovana fanompoam-pivavahana hono kanjo dia tsy tana ny ainy fa maty ihany ilay olona.

dia avy eo narary ny zanak\'i pasitera tonga de direct hopitaly!


mahonena mahatezitra!!
6. booboo ( 30/01/2005 21:36)
chipie1> :-D
ikaretsaka>ié ! tsy vitan\'ny manondrana fa miviaka au plus haut degré mitsy !
7. yonikafopl ( 30/01/2005 23:32)
ireny ilay sonegaly nahazo baiko kou!! tsy mba misaina izay cause sy effet fa de we mino de manompo fotsiny
8. ikaretsaka ( 30/01/2005 23:47)
rehefa tena zakan\'ilay finoana sy voaodin\'io ange tena lasa tsy misaina intsony tokao e!
aza entina extreme hoa le izy.. tsy heo hozizy pasitera heo zao de iny fa anao tsy am -pieritreretana..
misy tena jamba mihitsy dia tsy mahatsapa ny fivarinany lavo!
ho an\'ireo mpianatra any @ University aty moa dia mandeha mihitsy io fanimbana ny fiainana manokana nohon\'ny fivavahana diso tafahoatra io!
misy le tanora tsy mahatsapa dia tsy tonga saina mihitsy hoe examens sns nefa dia mbola lasa mandeha miari tory sy ny sisa. fa asiana izany discipleship e, ministry an\'izao sy izao e..
ny voka kely azo amin\'ny bourse lasa any ny ampahafolony, ny revision tsy vita fa lany any ny fotoana, ny sens fandaminan aprogany simban\'io fa tratran\'ny heo mbola hanao bible talk ndray hono!

tonga ny examen final sady mahihy velona ilay ankizy no ohatran\'ny sanatria mamo rongony nohon\'ny harerahana sy ny tsy fahampian-torimaso, ary tsy misy sainy mifantoka any @ fianarana tsony!
9. auna ( 31/01/2005 08:39)
Ny finoana(tsy anaram-piangonana na fombam-pivavahana no resahina eto fa ny fahatokiana an\'Andriamanitra) no tsara indrindra.Raha ny tena dikany marina no ampiasaina ary ampiharina mifanaraka tsara araka ny fitarihan\'Andriamanitra dia ho hitanao fa tena ahavitana fahagagana tokoa.Andriamanitra dia marina amin\'ny teniny rehetra fa ansika ny safidy.
Raha tsy hoe be fanahiana sy mampihatra tsy amin\'ny tena heviny angaha,izay indray vao tena loza no ho hitanao
10. sechat ( 01/02/2005 13:22)
mangina booboo fa za miaro an-dry raha vô misy mitady hanao pendaison a! :-*

chipie1> :-D :-D :-D
11. ikaretsaka ( 01/02/2005 14:09)
ka tsy hisy hanombo an'i Booboo eo raha tsy heo angaha tratran'ny vadiny ambody ...(euh....) tany an-parafaran'olonkafa izy sy le tompon'ilay farafara..
na nampindraminy olonkafa ny toram-badiny eo am-pandriana!
12. malalasoa ( 01/02/2005 14:42)
Vao tsy dia ela akory izay, faraparan'iny taona lasa iny angamba no nandrenesako tantaran'olona izay, sendra nifanena tao an-tranon'ny namako izahay dia mitantara eo izy fa ny télé any hono nasain"ny mpiandry nodorana satria misy ody, ny kidoro, presque ny fanaka tao an-trano ê! hoe misy ody ka dorana, dia hoe alàna devoly izy ; nefa izy olombelona, ilay mpiandry koa olombelona, samy olom-belona manota ve no hifanala devoly? ohatran'ny hafahafa ihany!
13. bichette ( 01/02/2005 16:09)
hafahafa mihitsy, inn koa izany. misy olona tena manararaotra ireny olona tsotra be loatra ireny dia entiny amin'ny sangany fotsiny. mampalahelo. tandremo ihany ry reto a ! raha te hahafantatra ny marina isika dia isika mihitsy no mamaky baiboly ahafantarana ny tena marina. raha tsy mahafantatra manko fa miandry hampianarina be fotsiny dia misy manararaotra dia mody lazainy fa hoe "hoy ny baiboly" dia na lasany ny fanananareo rehetra na lalaoviny ny fiainanareo :wink:
14. fijo ( 02/02/2005 05:47)
za koa mampianatra baiboly ka izay te hianatra dia tongava aty amin'ny alina mangina fa hiaona amin'ny tompo ianao.
15. ikaretsaka ( 02/02/2005 20:51)
le mormons no tsy laitra ko.. le hoe tsy maintsy manao misionera ialahy rehefa avy atao batisa de mandeha mitety trano miaraka @ bandy tsy fantatr'ialahy akory raha tsy iny andro iny..de avy eo kosa aloha dia ry zareo ihany no mifidy ny vadin'ialahy dia mahazo maka hatr@ 8!
risiho ihany raha tsy ila endrika laisany ko..
16. fijo ( 02/02/2005 23:49)
valo izany manahirana kle.7 ny herinandro.
17. sahary ( 03/02/2005 04:20)
Ny tsy fahafantarana an'le atao hoe finoana no mahatonga anio,ny ankamaroan'ireo "cas"voaresaka eo ambony ireo dia ilay mpanarak'efa fotsiny ,de manara-driandrano fotsiny,de mihinana am-bolony fotsiny,dia tsy ny soratra masina intsony no arahana fa lasa ny hevitr'olom-belona tohanana @ ny soratra masina de lasa manaonao foana avy eo,de lasa ôtran'le finoana ndray no voahosom-potaka sy lazaina fa hoe ratsy.
Booboo/ dia ahoana hozy ny mpiaro ny zon'olombelona @ izany
18. ranini ( 03/02/2005 10:46)
Mba samy manana ny andraisany ny finona ny olona re ka samy anana ny fapiharany azy eo @ fiainany na izany aza de mety indraindray ny hidirany lalàna @ ireny finoana ireny satria misy tokoa ny extremiste loatra ka ty mahita ny ato hoe finoana intsony .Lazaiko aminareo an,ie fa tsy misy fivavahana marina izany eto an-tany fa samynamorona izay tianay fotsiny ny olona de nitady azony hambakkaina.Na pastera na mopera na imam de samy manao isintonanay olobna symijery ny point faible ny olona mora anjonoana azy de zay koa asakasak'ela zay mety hotatitin'ny olona hivavaka any aminy any !!!
erotreroto tsara ny fiainana fa sao tritin'olona any anaty kizo eee!
:/ :/ :/ :/
19. booboo ( 03/02/2005 10:51)
sahary>ny any Iran ve ? Tsy haiko hoe inona ny tena hetsika ataon-dry zareo mivantana fa ilay manao reportage sy manoratra boky no hitako hatreto
20. ikaretsaka ( 03/02/2005 14:57)
izay mihitsy ra nini an..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1314